Avia, hanaraka Ahy
7–13 septambra. 3 Nefia 1–7: “Atrakao ny lohanao ary mahereza”


“7–13 septambra. 3 Nefia 1–7: -Atrakao ny lohanao ary mahereza,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Bokin’i Môrmôna 2020 (2020)

“7–13 septambra. 3 Nefia 1–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2020

Sary
ny Nefita mahita ny andro tsy misy alina

Andro iray, alina iray, ary andro iray, nataon’i Jorge Cocco

7–13 septambra

3 Nefia 1–7

“Atrakao ny lohanao ary mahereza”

Ny Fanahy Masina dia mety hitaona anao hifantoka amina fitsipika manokana avy ao amin’ny 3 Nefia 1–7 ao an-dakilasy. Mety ho ireo fitsipika izay hitahy olona sahirana fotsiny izany.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hanampiana ny mpianatra hizara ny zavatra ianaran’izy ireo any an-trano dia angataho izy ireo mba hanoratra eo amin’ny taratasy kely fahamarinana sasantsasany izay hitany tao amin’ny 3 Nefia 1–7 sy ireo andinin-tsoratra masina ho an’ireo fahamarinana ireo. Ataovy anatina fitoeran-javatra ireo taratasy kely ireo ary makà maromaro amin’izany mba hifanakalozana hevitra miaraka amin’ny mpianatra rehetra. Eo am-pizaran’ireo mpianatra izany dia jereo raha misy hevitra mifandraika amin’izany ato amin’ity rindran-damina ity izay mety hampahalalina kokoa ny fifanakalozan-kevitra sy hanome fanoloran-tena ny mpianatra sasany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

3 Nefia 1–7

Ny fiovam-po dia dingana mitaky ezaka mafy.

  • Ny 3 Nefia 1–7 dia manoritsoritra vahoaka izay niova fo ho amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ary vahoaka tsy nanao an’izany. Mba hanampiana ireo mpianatrao hahita ny mampiavaka ireo vondron’olona ireo dia afaka mamorona tabilao iray ianao eny amin’ny solaitrabe izay ahitana ireto lohateny ireto: Finoana sy asa izay mamparefo ny fiovam-po sy Finoana sy asa izay mampatanjaka ny fiovam-po. Zarao amin’ny mpianatra ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary asao izy ireo hameno ny tabilao amin’ny zavatra izay hitan’izy ireo (misy ohatra nomena amin’ny andinin-tsoratra masina voalohany).

    Ahoana no hihazonantsika ny fiovampontsika ho mafy foana na dia eo aza ny fanoherana?

  • Mety hahaliana ireo mpianatra ny mikaroka ny fomba hankaherezana ilay antsoin’ny 3 Nefia 1:27–30 hoe “ny taranaka vao misondrotra.” Azonao angatahina ireo mpianatra mba hitady antony ao amin’ireo andininy ireo izay nahatonga ireo tanora Nefita sy Lamanita tsy nahatohitra ny faharatsiana nanodidina azy ireo. Mety hitarika fifanakalozan-kevitra momba ny sasany amin’ireo fanamby izay atrehin’ny taranaka vao misondrotra ankehitriny izany sy ny fomba tsara indrindra hanampiana azy ireo hampivoatra ny finoana an’i Kristy. Misy sosokevitra vitsivitsy hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

3 Nefia 1:4–21; 5:1–3

Hotanterahin’ny Tompo ny teniny rehetra.

  • Mety hampatanjaka ny finoan’ireo mpianatrao ny fampanantenan’ny Tompo ny famakiana ireo tantara ao amin’ny 3 Nefia 1:4–21 sy 5:1–3. Angamba afaka miaraka mamaky ny 3 Nefia 1:4–7 ireo mpianatra ary hitanisa eny amin’ny solaitrabe ny mety ho fahatsapanana ananan’izy ireo raha toa koa izy ireo no ireo mpino voafariparitra ao amin’ireo andininy ireo. Afaka mieritreritra toe-javatra atrehintsika izay mitovitovy amin’izany ihany koa izy ireo. Inona no ianarantsika avy amin’ny 3 Nefia 1:8–21 sy 5:1–3 momba ny Tompo sy ny fampanantenany? Mba hampivelatra kokoa ny fifanakalozan-kevitra dia azonareo atao ny mandinika fihirana iray momba ny fatokiana an’ Andriamanitra, toy ny “L’amour de Dieu, sa force aussi” (Cantiques, no. 45). Afaka mizara zavatra niainana ireo mpianatra izay nahazoany valisoa noho ny finoany sy ny fatokiany an’ Andriamanitra, na dia teo aza ny fanoherana.

3 Nefia 1:4–15; 5:12–26; 6:10–15; 7:15–26

Mpianatr’i Jesoa Kristy isika.

  • Nanambara i Môrmôna hoe: “Indro, izaho dia mpianatr’i Jesoa Kristy” (3 Nefia 5:13). Mba hamakafakana miaraka amin’ny mpianatrao ny dikan’ny hoe mpianatra dia azonao asaina ireo mpianatra mba hikaroka ny 3 Nefia 1:4–15; 5:12–26; 6:10–15; ary 7:15–26 ary hikaroka ireo toetra sy zavatra inoana sy ataon’ny mpianatr’i Kristy. Omeo minitra vitsy ireo mpianatra mba hisaintsaina sy hanoratra izay zavatra azon’izy ireo atao mba ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy tsaratsara kokoa.

3 Nefia 2:11–12; 3:12–26; 5:24–26

Rehefa tafangona ny marina dia afaka mankahery sy miaro azy ireo ny Tompo.

  • Anisan’ny antony nahatonga ny Nefita naharesy ny jirik’i Gadiantôna dia satria niara-niombon-kery tamin’ireo Lamanita niova fo izy ireo sy nanaraka ny fitarihana nentanim-panahy nomen’i Lakôneo mba hiara-hivory tao Zarahemlà (jereo ny 3 Nefia 3:22). Inona no mety ho lesona fonosin’izany ho an’ireo mpianatrao? Azonao angatahina izy ireo mba hizara zavatra niainana izay nahazoan’izy ireo hery avy tamin’ireo olo-marina manodidina azy ireo. Azonao asaina ny mpianatra mba hamerina hijery ny 3 Nefia 3:12–26 dia hitady ny antony nampivory ireo Nefita sy ny fitahiana niainan’izy ireo. Ahoana no hiainantsika ireo fitahiana ireo rehefa miangona miaraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny fianakaviantsika na sampana misy antsika na paroasy misy antsika isika? Inona koa no azontsika ianarana momba ny fiaraha-mivory avy ao amin’ny 3 Nefia 5:24–26?

  • Ny famakiana ny 3 Nefia 3 dia afaka ny ho fahafahana hanampiana ireo mpianatra mba hahita fa mbola matanjaka lavitra kokoa isika rehefa miara-mivory ao anatin’ny fahamarinana. Angamba afaka mieritreritra lesona iray ampiasana zavatra azo tsapain-tanana ianao izay maneho ny fomba hiovan’ny zavatra malemy ho tonga mafimafy kokoa rehetra mikambana amin-javatra hafa. Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina hoe nangatahina mba handresy lahatra ny Nefita izy ireo momba ireo tombontsoa azo avy amin’ny fiarahana mivory, araka ny voafariparitra ao amin’ny andininy 12–26. Angamba afaka miara-miasa ao anatina vondrona izy ireo mba hifanakalo hevitra momba ny fomba fanaovana izany, araka ny zavatra novakian’izy ireo tao amin’ireo andininy ireo. Avelao izy ireo hizara ny heviny. Afaka mifanakalo hevitra momba ny fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto ianareo avy eo: Inona no fanamby atrehintsika izay azo ampitahaina amin’ireo jirik’i Gadiantôna? Ahoana no hanaovantsika ny tokantranontsika sy ny paroasy misy antsika ho toeram-pialofana?

3 Nefia 3:1–13

Tsy mila matahotra an’i Satana isika.

  • Ny epistily nosoratan’i Gidiania, ilay mpitarika ny jirik’i Gadiantôna, dia fikasana mba hampitahorana sy hamitahana ny Nefita. Angamba azon’ireo mpianatra atao ny mijery ny teniny izay hita ao amin’ny 3 Nefia 3:2–10 ka hampitaha izany amin’ireo fomba mety hiezahan’i Satana mamitaka antsika ankehitriny. Inona no ianarantsika avy amin’ny fihetsik’i Lakôneo, ilay lohan’ny mpitsara ny Nefita?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hitaomana ny mpianatrao hamaky ny 3 Nefia 8–11 ho an’ny lesona amin’ny herinandro manaraka dia lazao izy ireo fa ny 3 Nefia 11 dia ahitana “ny zava-nitranga lehibe indrindra” tao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia ny asa fanompoana manokana nataon’i Jesoa Kristy teo anivon’ny Nefita (jereo ny fampidirana ny Bokin’i Môrmôna).

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Manampy amin’ny fanorenana finoana ny taranaka vao misondrotra.

Ny Loholona Valeri V. Cordón ao amin’ny Fitopololahy dia nanolotra fomba telo mba hanampiana ny taranaka vao misondrotra hijanona ho mahatoky amin’ny filazantsara:

  1. “Mazoto sy mikarakara bebe kokoa ao an-tokantrano. … Ny fampianarana mandresy lahatra dia faran’izay manan-danja mba hitehirizana ny filazantsara ao amin’ny fianakaviantsika, ary mitaky zotom-po sy ezaka izany. Efa nasaina imbetsaka isika mba hanorina fahazarana hanao fandalinana soratra masina isan’andro iarahana amin’ny fianakaviana sy ataon’ny tena manokana. Maro ireo fianakaviana manao izany no manjary lasa miray hina bebe kokoa isan’andro sy lasa manana fifandraisana akaiky kokoa amin’ny Tompo.”

  2. “Ny fanehoana ohatra mafonja ao an-tokantrano. … Tsy ampy ny miresaka fotsiny amin’ny zanatsika momba ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana any amin’ny tempoly, ny fifadian-kanina, ary ny fitandremana ny andro Sabata ho masina. Tokony ho hitany isika mampiditra ao anatin’ny fandaharam-potoantsika ny fankanesana any amin’ny tempoly im-betsaka araka izay azontsika atao. Mila mahita ny fanolorantenantsika hifady hanina tsy tapaka sy hihazona ny tontolo andron’ny Sabata ho masina izy ireo.

  3. “Ny fomba amam-panao. … Amin’ny maha-fianakaviana antsika dia mila miala amin’izay mety ho fomban-drazana hanakana antsika amin’ny fitandremana ny andro sabata ho masina isika na amin’ny fanaovana fandalinana soratra masina sy vavaka ao an-tokantrano. Mila mandray fepetra isika mba tsy hidiran’ny pôrnôgrafia sy ny fitarihana ratsy hafa rehetra ao an-tranontsika amin’ny alalan’ny fitaovana elektrônika ampiasaintsika. Mba handresena ny fomba amam-panaon’izao tontolo izao ankehitriny dia mila mampiasa ny soratra masina sy ny feon’ireo mpaminany maoderina isika mba hampianarana an’ireo zanatsika mikasika ny maha-zanak’ Andriamanitra azy ireo, ny tanjony eo amin’ny fiainana, ary ny asa masina nanirahana an’i Jesoa Kristy” (“Ny fitenin’ny filazantsara,” Liahona, mey 2017, 56–57; nampiana soramandry).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampandraiso anjara ireo izay manana fahasahiranana. Indraindray ireo mpianatra manana fahasahiranana dia mila ampandraisina anjara mba hahatsapany fa tiana izy. Asao izy ireo mba hilalao tantara an-tsehatra ao amin’ny lesona izay mbola ho avy na alaivo antoka fa manana fomba hahatongavana aty am-piangonana izy ireo. Aza milavo lefona raha toa izy ireo tsy miraika amin’ny ezaka ataonao amin’ny voalohany. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 8–9.)