Testamenta Taloha 2022
31 ôktôbra–6 nôvambra. Daniela 1–6: “tsy misy andriamani-kafa mahavonjy”


“31 ôktôbra–6 nôvambra. Daniela 1–6: -Tsy misy andriamani-kafa mahavonjy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“31 ôktôbra–6 nôvambra. Daniela 1–6,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
i Daniela manazava ny nofin’ny mpanjaka

Daniel Interprets Nebuchadnezzar’s Dream, nataon’i Grant Romney Clawson

31 ôktôbra–6 nôvambra

Daniela 1–6

“Tsy misy andriamani-kafa mahavonjy”

Eo am-pamakianao ny Daniela 1–6 dia raiso an-tsoratra ireo fahamarinana izay tsapanao fa mahavoataona anao ny hanampy ireo ankizy hahafantatra azy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asehoy ny sarin’ireo tranga ao amin’ny Daniela 1–6 (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana na ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 23, 24, 25, 26). Asaivo mizara ny zavatra fantatr’izy ireo momba ireo tranga miseho amin’ny sary ny ankizy. Asao izy ireo hizara fotoana iray izay nisafidianan’izy ireo ny hanaraka ny Mpamonjy, tahaka ny nataon’i Daniela sy ireo namany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Daniela 1:1–17

Tian’ny Ray any An-danitra hikarakara ny vatako aho.

Nandà ny hanina sy ny divay natolotry ny mpanjaka ho azy ireo i Daniela sy ny namany satria te hanaraka ny didin’ Andriamanitra sy tsy te hanimba ny vatany izy ireo. Ankehitriny ny Tenin’ny Fahendrena dia manampy antsika hisoroka ireo sakafo izay hanimba ny vatantsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Zarao amin’ireo ankizy ny “Daniela sy ireo namany” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha), na fintino ny Daniela 1:1–17. Asao ireo ankizy hilalao an-tsehatra ny tantara. Ampio izy ireo hahatakatra ny fomba nitahian’ny Tompo an’i Daniela sy ireo namany noho ny nisafidianan’izy ireo hankatò Azy (jereo ny andininy 17). Inona avy ireo fitahiana azontsika rehefa misafidy ny tsara isika?

  • Asehoy amin’ny ankizy ny sarin’ireo zavatra ampianarin’ny Tenin’ny Fahendrena fa tokony hohanintsika na ampiasaintsika ary ireo zavatra lazainy antsika fa tsy hanina na ampiasaina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89). Asao ireo ankizy mody hanao hoe mihinana zavatra tsara ary handà ireo zavatra ratsy. Mijoroa ho vavolombelona fa ny Tompo dia mitahy antsika rehefa mikarakara ny vatantsika isika. Miaraha mihira hira iray momba ny fikarakarana ny vatantsika, toy ny “Ny Tompo dia nanome ahy tempoly” (Bokin-kiran’ny ankizy, 73). Inona no ampianarin’io hira io antsika?

Sary
ankizilahy efatra eo an-databatra mandà sakafo atolotry ny lehilahy iray

Sary fanehoana an’i Daniela sy ireo namany mandà ny sakafon’ny mpanjaka, nataon’i Brian Call

Daniela 1; 3; 6

Hitahy ahy Andriamanitra rehefa misafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy aho.

Ny bokin’ny Daniela dia mirakitra tantaran’olona izay nisafidy ny hanaraka ireo didin’ Andriamanitra na dia sarotra be aza ny manao izany. Ahoana no hanampianao ireo ankizy hianatra avy amin’ireo ohatra ireo

Asa atao azo tanterahina

  • Mitadiava sarin’ireo tantara ao amin’ny Daniela 1, 3, sy 6 (jereo ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity, ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, na ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 23, 25, 26). Ataovy mihohoka eo amin’ny solaitrabe na amin’ny tany ireo sary. Manasà ankizy anankiray hamadika sary iray, ary ampio izy hilaza ny tantara izay asehony. (Mba hahitana fanampiana dia jereo ny “Daniela sy ireo namany,” ny “Sadraka sy Mesaka ary Abenego,” ary ny “Daniela sy ny lavaky ny Liona” ao amin’ny Testamenta Taloha.) Aorian’ny tantara tsirairay dia ifanakalozy hevitra ny fanontaniana toy ireto: Inona no nataon’ireo vahoaka mba hanarahana ny Tompo? Ahoana no nitahian’ny Tompo azy ireo? Zarao ny fomba nitahiana anao noho ny fanarahana an’i Jesoa Kristy. Asaivo mizara ny zavatra niainany ireo ankizy.

  • Asao ireo ankizy hilalao an-tsehatra toe-javatra izay ahafahany maneho ny finoany an’ Andriamanitra amin’ny fitandremana ny didiny. Mety ho tafiditra amin’izany ny hoe tsara fanahy amin’ny mpiray tampo iray, na ny miresaka momba ny Mpamonjy amin’olona iray, na ny mivavaka isaky ny alina. Manehoa sarin’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego ao anaty lafaoro misy afo mirehitra (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara lah. 25), dia angataho ireo ankizy mba hanisa ny olona ao anatin’ilay lafaoro. Vakio ny Daniela 3:24–25 mba hahitana hoe iza koa no tao anatin’ilay lafaoro. Mijoroa ho vavolombelona fa ny Tompo dia miaraka amintsika rehefa manaraka Azy isika.

Daniela 6

Tian’ny Ray any An-danitra hivavaka matetika aho.

Vonona ny hanao vivery ny ainy i Daniela mba hahafahany mivavaka amin’ny Ray any An-danitra isan’andro. Ahoana no ahafahanao manampy ireo ankizy hanana faniriana hivavaka toy izany?

Asa atao azo tanterahina

  • Tantarao ilay tantara ao amin’ny Daniela 6 (jereo ny “Daniela sy ny lavaky ny liona” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha), dia asao ireo ankizy hanao ny sarin’ilay tantara. Asao izy ireo hampiasa ny sary nataony hitantarana ilay tantara amin’izy samy izy. Nahoana isika no tian’ny Ray any An-danitra hivavaka Aminy? Zarao ny antony maha manan-danja ny vavaka aminao.

  • Resaho amin’ireo ankizy ny fotoana izay ahafahany mivavaka, toy ny rehefa matahotra izy ireo, na rehefa manao hadisoana izy ireo, na rehefa mila fanampiana any an-tsekoly izy ireo. Nahoana no tsara ny mivavaka amin’ireo toe-javatra ireo? Ampianaro an’ireo ankizy fa na aiza na aiza misy azy ireo dia afaka mivavaka ao am-pony foana izy ireo.

  • Miaraha mihira hira iray momba ny vavaka, toy ny hoe “Aondrikay ny lohanay” (Bokin-kiran’ny ankizy, 18b). Resaho miaraka amin’ny ankizy ny zavatra azontsika angatahina amin’ny vavaka.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Daniela 1; 3; 6

Afaka manao ny tsara aho na dia sarotra aza izany.

Ny tantara ao amin’ny Daniela 1, 3, ary 6 dia afaka manome risi-po sy finoana an’ireo ankizy mba hanao safidy tsara, na dia mahatsapa ho irery aza izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Manorita tondro maromaro eny amin’ny solaitrabe izay manondro toerana iray ary tondro iray manondro amin’ny toerana mifanohitra amin’izany. Ahoana no itovizan’i Daniela sy ireo namany amin’io tondro iray io? Asao ireo ankizy hanome ohatra avy amin’ireo tantara ao amin’ny Daniela 1, 3, ary 6 (jereo ny “Daniela sy ireo namany,” ny “Sadraka sy Mesaka ary Abednego,” ary ny “Daniela sy ny lavaky ny liona” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha). Anontanio ny ankizy ny antony izay heveriny fa mahasarotra ny nanaovan’i Daniela sy ireo namany safidy tsara. Ahoana no fomba nitahian’ny Tompo azy ireo noho fisafidianana ny tsara?

  • Ampio ireo ankizy hieritreritra toe-javatra izay mety hanerena azy ireo hanao safidy ratsy. Asao izy ireo hizara zavatra niainana izay nahavoatahy azy ireo noho ny fisafidianana ny tsara na dia sarotra aza izany. Miaraha mihira hira iray mifandray amin’io fitsipika io, toy ny “Bien choisir” (Cantiques, 154).

Daniela 2

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany.

Rehefa nanome ny fanazavany ny nofin’i Nebokadnezara i Daniela teo ambany tsindrimandrin’ Andriamanitra, dia nahita vato “nendahana tamin’ ny tendrombohitra” izy (Daniela 2:45). Io vato io dia maneho ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, izay natao hameno ny tany.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny Daniela 2:31–35, 44–45 dia asao izy ireo hanao sary ny zavatra hitan’i Nebokadnezara tao amin’ny nofiny. Anontanio ny ankizy ny zavatra ianarany avy amin’ireo andininy ireo momba ilay vato tao amin’ilay nofy. Hazavao fa io vato io dia maneho ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Angataho ireo ankizy mba hilaza zavatra vitsivitsy nataon’ny Ray any An-danitra mba hananganana ny Fiangonany amin’ny andro farany. Mba hanomezana hevitra azy ireo dia asehoy ny sarin’ireo tranga tao amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonana (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 90–95).

  • Omeo tapa-taratasy miforiporitra ny ankizy tsirairay mba hanehoana ilay vato tao amin’ny nofin’i Nebokadnezara. Angataho ny ankizy tsirairay hizara ny fomba ahafantarany fa naverin’ Andriamanitra tamin’ny laoniny ny Fiangonany. Eo am-pizaran’ireo ankizy izany dia asao izy ireo hanome ilay “vatony” ho anao. Atambaro ho iray ireo vato amin’ny alalan’ny scotch mba hanome vato lehibe iray. Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika isika sy mizara ny filazantsara amin’ny hafa dia mampiray ny finoantsika mba hanampy amin’ny fanaovana ny fanjakan’ Andriamanitra “[hameno] ny tany rehetra” (Daniela 2:35).

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ireo ankizy hanao zavatra amin’ity herinandro ity izay maneho ny finoany an’i Jesoa Kristy.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy hamantatra ny Fanahy. Rehefa manana traikefa ara-panahy miaraka amin’ireo ankizy ianao dia ampio izy ireo hamantatra ny fitaoman’ny Fanahy Masina.