Testamenta Taloha 2022
21–27 nôvambra. Jona; Mika: “Tia famindram-po [Izy]”


“21–27 nôvambra. Jona; Mika: -Tia famindram-po [Izy],-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“21–27 nôvambra. Jona; Mika,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
lehilahy mandady eo amin’ny tora-pasika, misy trozona ao amin’ny ranomasimbe ao aoriana

Jonah on the Beach at Nineveh (I Jona teo amoron-dranomasin’i Ninive) nataon’i Daniel A. Lewis

21–27 nôvambra

Jona; Mika

“Tia famindram-po [Izy]”

Mitadiava fitsipika manan-danja ao amin’ny Jona sy Mika izay hitahy ireo ankizy ampianarinao. Saintsaino ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy hianatra ireo fitsipika ireo. Afaka manampy ireo hevitra ato anatin’ity rindran-damina ity.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hanampiana ny ankizy hahatadidy ny tantaran’i Jona na ireo fahamarinana hafa izay mety nianarany tany an-trano dia miaraha mihira hira iray, toy ny andininy faha-7 amin’ny “Araho hatrany ny mpaminany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 58–59).

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Jona 1:4–16; 2:1; 3:3–5

Mitahy ahy ny Tompo rehefa mankatò Azy aho.

Rehefa nangataka an’i Jona hitory ny filazantsara tamin’ny vahoaka tao Ninive ny Tompo dia tsy nankatò i Jona. Ampio ny ankizy hahatakatra fa tahiana isika rehefa mankatò ny Tompo.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sary maneho ny tantaran’i Jona, dia asao ny ankizy hitantara ny zavatra fantany momba ilay tantara (jereo ny “Jona Mpaminany” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha; ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity; na ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Mametraha fanontaniana tahaka ireto: Inona no nitranga rehefa tsy nankatò ny Tompo i Jona? (jereo ny Jona 1:4–16; 2:1). Inona no nitranga rehefa nankatò izy? (jereo ny Jona 3:3–5). Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa hitahy antsika ny Tompo rehefa mankatò Azy isika.

  • Miaraha mihira hira mikasika ny fankatoavana ny Tompo, tahaka ny “Hihaino hatrany aho” (Bokin-kiran’ny ankizy,71). Resaho ny mikasika ny hoe nahoana no tsara kokoa raha avy hatrany dia nankatò i Jona tamin’ny voalohany. Ampio ny ankizy hieritreritra ireo zavatra tian’ Andriamanitra ataon’izy ireo ary avy eo dia hilalao an-tsehatra ny fomba ahafahan’izy ireo mankatò avy hatrany.

Sary
Misiônera mampianatra lehilahy iray

Tian’ny Ray any An-danitra handre ny filazantsara ny olona tsirairay.

Jona 3

Natao ho an’ny olon-drehetra ny filazantsara.

Nibebaka ny olona tao Ninive rehefa nizara ny hafatry ny Tompo tamin’izy ireo i Jona. Inona avy ireo fotoana ahafahan’ny ankizy mizara ny filazantsara?

Asa atao azo tanterahina

  • Lalaovy an-tsehatra miaraka amin’ny ankizy ny ampahany amin’ny Jona 3:3–8 toy ny mandeha any an-tanànan’i Ninive, mizara ny hafatry ny Tompo, ary manoratra lalàna avy amin’ny mpanjaka ho an’ny vahoakany. Mampisehoa sarina misiônera (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 109, 110). Inona no ataon’ny misiônera? Ahoana no naha-misiônera an’i Jona? Ampio ny ankizy hieritreritra ireo fomba ahafahany mizara ny filazantsara amin’ny hafa, toy ny fizarana fanekem-pinoana iray na ny fizarana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.

  • Miresaha zavatra niainana iray izay nizaranao ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Na manasà olona iray, andro vitsivitsy alohan’ny fotoam-pianarana, hitsidika ny kilasinao dia hitantara amin’ny ankizy mikasika ny fotoana iray nizarany ny filazantsara na nizaran’ny olona iray ny filazantsara taminy. Amporisiho ilay olona hampiseho sary raha azo atao. Ampio ny ankizy hieritreritra ireo ahafahany ho lasa misiônera amin’izao fotoana izao.

Mika 5:1

Teraka tao Betlehema i Jesoa Kristy.

Naminany i Mika fa hisy “Mpanapaka … ao amin’ny Isiraely” ho teraka ao Betlehema. Afaka manampy ny ankizy ianao mba hahafantatra fa nanatanteraka io faminaniana io ny fahaterahan’i Jesoa Kristy.

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ny sarin’ireo zavatra nitranga manodidina ny fahaterahan’i Jesoa Kristy (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara, lah. 28, 29, 30, 31). Asao ny ankizy hiresaka mikasika ny zavatra mitranga eo amin’ny sary tsirairay avy. Vakio ny Mika 5:1, dia asao ny ankizy hitsangana rehefa mahare ny teny hoe “Betlehema.” Mijoroa ho vavolombelona fa nanan-danja tokoa ny fahaterahan’i Jesoa ka nahafantatra izany talohan’ny nahaterahany ireo mpaminany.

  • Asao ny ankizy hanao sary ny fahaterahan’i Jesoa. Rehefa mampiseho ny sary nataony izy ireo dia angataho mba hizara ny antony hananany fankasitrahana an’i Jesoa Kristy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Jona 1:10–12; 2:2–5, 10; 3:1–5

Tafiditra ao anatin’ny fibebahana ny fiaikeko ny heloko sy ny fangatahana famelan-keloka.

Ny ohatr’i Jona dia afaka mitaona ny ankizy hitodika any amin’ny Tompo rehefa nanota izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ireo singa fototry ny fibebahana (jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fibebahana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Iaraho mijery ny tantaran’i Jona dia asao ny ankizy hitady ny porofo fa nibebaka i Jona (jereo ohatra ny Jona 1:10–12; 2:2–5, 10; 3:1–5). Ahoana no ahafahantsika maneho amin’ny Tompo fa tena avy amin’ny fo ny fibebahantsika?

  • Mihirà hira momba ny fibebahana, toy ny “Ray ô, ampio aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 52). Anontanio ny ankizy ny teny na andian-teny avy amin’ilay hira izay hozarain’izy ireo amin’i Jona mba hanampiana azy hibebaka.

Jona 2:8–11; 3:10; 4:2; Mika 7:18–19

Mamindra fo amin’izay rehetra mitodika Aminy ny Tompo.

Rehefa mahatakatra ireo ankizy fa mamindra fo sy malemy fanahy ny Tompo dia hitodika any Aminy izy ireo rehefa mila famindram-po.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hitady famaritana ny teny hoe famindram-po ao amin’ny rakibolana na ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Nahoana i Jona no nila famindram-po? Nahoana ny olona tao Ninive no nila famindram-po? (Jereo ny Jona 1:1–3). Angataho ny ankizy haka sary an-tsaina hoe afaka nanao tafa sy dinika tamin’i Jona izy ireo. Porofo inona no mety nomen’i Jona mba hanehoana fa mamindra fo ny Tompo? (jereo ohatra ny Jona 2:8–11; 3:10; 4:2). Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’ny Tompo famindram-po tamintsika?

  • Angataho ny ankizy hanao lisitra eo amin’ny solaitrabe ireo zavatra tian’izy ireo, toy ny fialamboly, ireo fitahiana avy amin’ny Tompo, sns. Asao izy ireo hamaky ny Mika 7:18–19 mba hahitan’izy ireo zavatra iray tian’ny Tompo. Fahamarinana inona ao amin’ireo andininy ireo no hanampy olona iray izay matahotra ny hibebaka?

  • Ampio ny ankizy hieritreritra ireo ohatra amin’ny fotoana nanehoan’ny Mpamonjy famindram-po tamin’ny hafa, tahaka ny Marka 2:3–12; Lioka 23:33–34; ary Jaona 8:1–11. Mampisehoa sarin’ireo zavatra nitranga ireo, raha azo atao. Ampio ny ankizy hieritreritra ireo fotoana tokony hanehoany famindram-po sy halemem-panahy amin’ny hafa.

Mika 6:8

Tian’ny Tompo aho mba hanao ny marina sy ho tia famindrampo ary hanaraka Azy amin’ny fanetren-tena.

Ny Mika 6:8 dia manolotra maodely azo arahana mba hiainana amim-pahamarinana. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hahafantatra sy hiaina ireo fampianarana ao amin’io andininy io?

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho mamaky ny Mika 6:8, dia ampio ny ankizy hahatakatra ny hevitr’ireto andian-teny ireto: “[m]anao ny marina,” “tia famindrampo,” ary “[m]anaraka an’Andriamanitra amin’ny fanetren-tena.” Asao ireo ankizy hanao ny sarin’ny tenany manao zavatra mifandray amin’ny iray amin’ireo andian-teny ireo.

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe: “[Inona no] ilain’i Jehovah aminao[?]” Asao izy ireo hitady ny valin’izany ao amin’ny Mika 6:8. Ahoana no hanampian’ny fankatoavana ireo didin’ny Tompo antsika hahatanteraka ny zavatra takin’ny Tompo amintsika ao amin’io andininy io?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Soraty amin’ny taratasy kely iray ho an’ny ankizy tsirairay ny andian-teny manan-danja iray avy amin’ireo soratra masina niarahanareo nifanakalo hevitra tao an-dakilasy. Asao ny ankizy hiezaka hanao tsianjery ilay andian-teny sy hangataka olona iray ao amin’ny fianakaviana hizara ny heviny momba izany.

Manatsara ny fampianarantsika

Araho maso tsara ny ankizy. Manao ahoana ny fandraisan’ny ankizy anjara ao amin’ny kilasinao amin’ireo asa atao hoenti-mianatra? Raha lasa tsy mahatombina izy ireo dia mety efa fotoana hanandramana manao asa atao hafa izay. Etsy ankilany, raha tsikaritrao fa mazoto amin’ny asa atao iray ny ankizy dia aza mahatsapa ho voatery hiditra amina zavatra hafa satria tsy mbola nahavita niresaka ny zavatra rehetra ao anatin’ny lesona ianao.