Testamenta Taloha 2022
14–20 nôvambra. Amosa; Obadia: “Tadiavo ny Tompo, dia ho velona hianareo”


“14–20 nôvambra. Amosa; Obadia: -Tadiavo ny Tompo, dia ho velona hianareo-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta taloha 2022 (2021)

“14–20 nôvambra. Amosa; Obadia,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
endrik’i Jesoa hazavain’ny labozia ao anaty efitra maizina

Mofon’aina, nataon’i Chris Young

14–20 nôvambra

Amosa; Obadia

“Tadiavo ny Tompo, dia ho velona hianareo”

Rehefa mifantoka amin’ny fampianarana fotopampianarana marina amin’ny fomba tsotra ianao dia manolotra fahafahana ho an’ny Fanahy Masina mba hijoro ho vavolombelona amin’ny ankizy. Ampiasao ireo asa atao ato amin’ity rindran-damina ity, na mamorona ho anao manokana, mba hanampiana anao hampianatra ireo fitsipiky ny filazantsara amin’ny fomba tsotra.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Angataho ny ankizy hizara ny zavatra nianarany vao haingana tany an-trano na tany am-piangonana. Ohatra, anontanio raha nahita soratra masina tena tiana izy ireo na nandre hafatra azon’izy ireo zaraina amin’ny kilasy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Amosa 3:7; 7:14–15

Irak’i Jesoa Kristy ireo mpaminany.

Anisan’ireo zavatra tena manan-danja azon’ny ankizy fantarina momba ny mpaminany ny hoe irak’i Jesoa Kristy izy ireo. Ireto hevitra eto ambany ireto dia afaka manampy anao hampianatra azy ireo io fahamarinana manan-danja io.

Asa atao azo tanterahina

  • Bitsibitsiho amin’ny iray amin’ireo ankizy ny hafatra iray ho an’ny ankizy rehetra ao an-dakilasy (toy ny fangatahana ny ankizy hijoro amin’ny tongotra iray na hiodinkodina ao anatina faribolana), dia angataho izy hizara ilay hafatra amin’ireo ankizy hafa. Averimbereno io fiaraha-mientana atao io, ka avelao mba ho mpitondra hafatra ny vitsivitsy hafa amin’ireo ankizy. Ampio izy ireo hahatakatra ny mampitovy an’ilay mpitondra hafatra ato amin’ity fiaraha-mientana ity amin’ny mpaminany, izay mizara ny hafatr’Andriamanitra amintsika. Mizarà ohatra vitsivitsy amin’ireo hafatra faramparany avy amin’ny mpaminany velona izay nanampy anao hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy.

  • Asao ny ankizy iray hijoro eny aloha dia mody hihevitra ny tenany hoe ny mpaminany Amosa izy. Eo am-pizaranao zavatra vitsivitsy momba an’i Amosa avy ao amin’ny Amosa 7:14–15, dia omeo sary na zavatra hohazonina izay mifanaraka amin’ny zavatra tsirairay lazaina ilay ankizy, toy ny sarina ondry, voankazo, ary ny Tompo. Hazavao fa mpiandry ondry izay nantsoin’ny Tompo mba ho irany i Amosa. Dia manehoa avy eo sarin’ny Tompo sy ny mpaminany velona, ary hazavao fa manohy miantso iraka mpampita hafatra ny Tompo amin’izao fotoana izao. Vakio mafy ny Amosa 3:7 dia angataho ny ankizy hanondro ny sary mifanaraka amin’izany rehefa mahare ny teny hoe “Tompo” sy “mpaminany” izy ireo. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona fa tahaka ny tamin’ny andron’i Amosa ihany, i Jesoa Kristy dia miresaka amintsika amin’ny alalan’ny mpaminaniny.

  • Mizarà tantara avy amina gazetibokin’ny Fiangonana vao haingana iray mikasika ny mpaminany velona na mikasika ny zavatra niainan’ny mpikamban’ny Fiangonana rehefa nanaraka ny torohevitry ny mpaminany izy ireo.

  • Hirao na alefaso amin’ny raki-peo ny hira iray momba ny mpaminany, toy ny “Araho hatrany ny mpaminany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 58–59), eo am-panaovan’ireo ankizy ny zavatra ao amin’ny pejy ho an’ny asa atao ho an’ity herinandro ity. Atoroy an’ireo ankizy ireo andian-teny ao amin’ilay hira izay mampianatra ny fomba hitarihan’ireo mpaminany ny lalana mankany amin’i Jesoa Kristy.

Amosa 5:14

Raha mitady ny tsara aho dia homba ahy ny Tompo.

Nanasa ny Isiraelita i Amosa mba “[hitady] ny tsara fa [tsy] ny ratsy”, ary nampanantena izy fa raha nanao izany izy ireo dia “homba anareo Jehovah.” Ahoana no hanampianao ny ankizy hamaly io fanasana io sy handray io fampanantenana io?

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarin’ankizy maromaro manao zavatra tsara, toy ny manampy ny hafa na mandray ny fanasan’ny Tompo. Avelao hifandimby ny ankizy tsirairay hamariparitra ny iray amin’ireo sary raha toa kosa ny ankizy hafa ka hamantatra ny sary izay fariparitany. Vakio ny Amosa 5:14, dia ampio ny ankizy hieritreritra ireo fomba “[hitadiavan’izy ireo] ny tsara” isan’andro.

  • Asao ny ankizy hanao ny sarin’izy ireo manao zavatra tsara. Vakio ny Amosa 5:14, dia hamafiso ilay fampanantenan’ny Tompo fa homba antsika Izy rehefa mitady ny tsara isika. Asao ny ankizy hampiditra ny sarin’i Jesoa miara-mijoro amin’izy ireo ao amin’ny sary nataony.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Sary
Apôstôly amin’izao vaninandro izao mifandray tanana mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany

Manambara fahamarinana amin’ireo mpaminaniny ny Tompo.

Amosa 3:7

Irak’i Jesoa Kristy ireo mpaminany.

Ny Amosa 3:7 dia andinin-tsoratra masina tena tsara hanampiana ny ankizy hahafantatra fa rehefa mihaino ny mpaminany isika dia mihaino irak’i Jesoa Kristy.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hanao tsianjery ny ampahany rehetra amin’ny Amosa 3:7. Ohatra, omeo minitra vitsy izy ireo hamakiana ilay andininy imbetsaka eo am-panoratanao mifandingandingana eny amin’ny solaitrabe ny teny ao amin’ilay andininy. Asao ny ankizy hanakombona ny soratra masiny dia hiara-hanonona mafy ilay andininy, sady mampiasa ireo teny hoenti-manoro eny amin’ny solaitrabe. Dia mamafà tsikelikely teny vitsivitsy mandra-pahafahan’ny ankizy mamerina ilay andininy iray manontolo tsy misy teny fanoroana. Inona no ampianarin’io andininy io antsika momba ireo mpaminany? Ahoana no nanampian’ny mpaminany velontsika antsika hahafantatra ny zavatra tian’ny Mpamonjy ataontsika?

  • Manorata fanontaniana maromaro momba ny mpaminany amin’ny taratasy kely lavalava, toy izao manaraka izao: Nahoana isika no manana mpaminany? Inona no ataon’ny mpaminany? Nahoana ianao no manaraka ny mpaminany? Inona no ampianarin’ireo mpaminany? Asao ny ankizy hiaraka tsiroaroa, dia angataho ny ankizy iray avy amin’ny vondron’olon-droa tsirairay hifidy fanontaniana dia hangataka ny namany hamaly izany. Raha mila fanampiana ny ankizy amin’ny famaliana fanontaniana dia afaka mijery ao amin’ny “Mpaminany” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina izy ireo (scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Rehefa avy mamaly ilay fanontaniana ilay namana dia afaka mifanakalo anjara asa ny ankizy ary mifidy fanontaniana iray hafa.

  • Zarao amin’ny ankizy ny zavatra maromaro mahakasika ny mpaminany iray ao amin’ny testamenta Taloha izay nianaran’izy ireo tamin’ity taona ity (toa an’i Noa, i Mosesy, na Isaia). Asaivo fantarin’izy ireo ilay mpaminany fariparitanao. Avereno atao amin’ireo mpaminany hafa izany.

Amosa 5:4–15

Raha mitady ny tsara aho dia homba ahy ny Tompo.

Manana fahafahana maro hisafidianana ny tsara na ny ratsy ny ankizy. Diniho ny fomba hanentananao azy ireo hanaraka ilay hoe “ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy” (andininy14).

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo mandinika ny andininy 54 ny ankizy mba hitady ny teny hoe “tadiavo.” Inona no tian’ny Tompo hotadiavintsika, ary inona no fampanantenana omeny an’ireo izay manao izany? Ahoana no hitadiavantsika ny Tompo?

  • Ampio ny ankizy hianatra tsianjery ny fehezan-teny farany ao amin’ny fanekem-pinoana faha-13. Ahoana no ataontsika raha “hikatsaka ireny zavatra ireny”?

Amosa 8:11–12

Ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara no namarana ny mosarin’ny apôstazia.

Ny fahatakarana ny zavatra nampianarin’i Amosa momba ny apôstazia dia afaka manampy ireo ankizy hahatsapa fankasitrahana noho ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.

Asa atao azo tanterahina

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Omeo fotoana fohy ny ankizy hieritreretana zavatra iray izay nianarany androany ka tiany hozaraina amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviany. Amporisiho izy ireo hanapa-kevitra hoe hozarain’izy ireo amin’iza ilay izy ary amin’ny fomba ahoana no hizarany azy.

Manatsara ny fampianarantsika

Manaova fanasana izay manaja ny fahafahana misafidy. Mametraha fanontaniana izay hanampy ny ankizy hieritreritra fomba azy ireo manokana hampiharana ny zavatra nianarany. Ohatra hoe, afaka manontany ianao hoe: “Inona no zavatra iray tsapanao fa tokony hataonao miainga avy amin’ny zavatra noresahantsika androany?”