Testamenta Taloha 2022
Toromarika mikasika ny fotoam-pihirana sy ny fampisehoana ataon’ny ankizy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo


“Toromarika mikasika ny fotoam-pihirana sy ny fampisehoana ataon’ny ankizy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“Toromarika mikasika ny fotoam-pihirana sy ny fampisehoana ataon’ny ankizy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
ankizy manao fihetsika eo am-pihirana ao am-piangonana

Toromarika mikasika ny fotoam-pihirana sy ny fampisehoana ataon’ny ankizy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo

Ry Fiadidian’ny Kilonga sy mpampianatra hira ao amin’ny Kilonga,

Ny hiran’ny Kilonga dia fitaovana mahery vaika mba hanampiana ny ankizy hianatra momba ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any An-danitra sy ireo fahamarinana fototry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Rehefa mihira momba ireo fitsipiky ny filazantsara ny ankizy dia hijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinan’izany ny Fanahy Masina. Hijanona ao an-tsaina sy ao am-pon’ireo ankizy ny tonony sy ny feony mandritra ny fiainany.

Katsaho ny fanampian’ny Fanahy rehefa miomana hampianatra ny filazantsara amin’ny alalan’ny mozika ianao. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fahamarinana izay hirainao. Ampio ireo ankizy hahita ny fomba ifandraisan’ny mozika amin’ny zavatra izay ianaran’izy ireo sy iainan’izy ireo any an-tokantrano sy ao amin’ny kilasin’ny Kilonga. Ho voatahy ireo ankizy sy ny fianakavian’izy ireo amin’ny alalan’ireo ezaka feno fanoloran-tena ataonareo.

Tianay ianareo ary maneho fankasitrahana anareo izahay noho ny asa fanompoana feno fanoloran-tena ataonareo mba hampatanjahana sy hiarovana ireo ankizintsika izay sarobidy.

Ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany

Toromarika mikasika ny fotoam-pihirana

5 minitra (fiadidian’ny Kilonga): Vavaka fanokafana, soratra masina na fanekem-pinoana, ary lahateny iray

20 minitra (mpampianatra hira): Fotoam-pihirana

Ny Fiadidian’ny Kilonga sy ny mpampianatra hira dia misafidy hira ho an’ny volana tsirairay mba hanamafisana ireo fitsipika izay ianaran’ny ankizy ao amin’ny kilasiny sy any an-tranony. Misy lisitr’ireo hira izay manamafy ireo fitsipika ireo tafiditra ao anatin’ity torolalana ity. Ireo hira ireo dia atolotra ihany koa ao amin’ny rindran-damina ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga sy ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.

Rehefa mampianatra hira ireo ankizy ianao dia asao izy ireo hizara ny zavatra izay efa nianaran’izy ireo momba ireo tantara sy fitsipika ara-potopampianarana ao anatin’ireo hira ampianarinao. Azonao atao ny mijery ny rindran-damin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga izay ianaran’ireo ankizy ao amin’ny kilasiny. Hanampy anao hahafantatra ireo tantara sy fitsipika izay ianaran’izy ireo izany, amin’izay hitanao ny fomba hanohanana ny fianaran’izy ireo amin’ny hira.

Mandritra ny fotoam-pihirana dia azonao averina jerena ihany koa ireo hira izay nianaran’ny ankizy teo aloha sy ireo hira izay ankafizin’izy ireo ny mihira azy. Rehefa mamerina mijery ianao dia asao ireo ankizy mba hizara ny eritreritra sy ny fahatsapana ananan’izy ireo momba ireo fahamarinana hita ao anatin’ireo hira.

Ny Bokin-kiran’ny ankizy no loharano fototra ho an’ny mozika ao amin’ny Kilonga. Ireo hira avy ao amin’ny fihirana sy ireo hira nalaina tao amin’ny Namana na ny Liahona dia mety amin’izany koa. Indraindray ireo ankizy dia afaka mihira hira momba ny fitiavan-tanindrazana na hira momba ireo andro fety izay azo atao tsara amin’ny andro alahady sy mifanaraka tsara amin’ny taonan’ireo ankizy. Tsy maintsy nahazoana lalana avy amin’ny episkôpà ny fampiasana ny hira hafa rehetra ao amin’ny Kilonga (jereo ny Torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 12.3.4, ChurchofJesusChrist.org).

Topimaso momba ny Kilonga

Isan-kerinandro ny kilasin’ny Kilonga dia ahitana:

Fotoam-pihirana:25 minitra

Fifindrana:5 minitra

Kilasy:20 minitra

Ireo mpitarika ao amin’ny Kilonga misy ankizy betsaka kokoa dia afaka mizara ireo ankizy ho vondrona roa ka ny vondrona iray mamonjy ny kilasin’ny Kilonga ary ilay vondrona iray hafa ao amin’ny fotoam-pihirana. Dia mifanakalo toerana fotsiny avy eo ireo vondrona roa. Amin’ny toe-javatra toy izany ireo mpitarika ao amin’ny Kilonga dia mety ho mila manamboatra ireo fotoana naseho tetsy ambony mba hampifanarahana amin’ny toe-java-misy azy ireo.

Hira aroso mandritra ny fotoam-pihirana

Janoary

  • “Zanaky ny Ray aho,” Bokin-kiran’ny ankizy, 2–3

  • He! Velona ny Ray,” Bokin-kiran’ny ankizy,8

  • “Raha ho avy indray Kristy,” Bokin-kiran’ny ankizy, 46–47

Febroary

  • “Araho hatrany ny mpaminany,,” Bokin-kiran’ny ankizy, 58–59 (andininy faha-3)

  • “Nalefany ny Zanany,” Bokin-kiran’ny ankizy, 20–21

  • “Bien choisir,,” Cantiques, no. 154

Martsa

  • Mifankatiava,” Bokin-kiran’ny ankizy, 74

  • “Ray ô! Ampio aho,” Bokin-kiran’ny ankizy,52

  • “Hoy ilay rano kely hoe -Manomeza-,” Bokin-kiran’ny ankizy,116

Aprily

Mey

  • Raha manaraka Azy aho” (music.ChurchofJesusChrist.org)

  • “Mandalina, misaintsaina, ary mivavaka,” Bokin-kiran’ny ankizy,66

  • “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy,” Bokin-kiran’ny ankizy,99

Jona

  • “Ho mpanompo mazoto aho,” Bokin-kiran’ny ankizy,85

  • Vavaky ny ankizy,” Bokin-kiran’ny ankizy, 6–7

  • “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa,” Bokin-kiran’ny ankizy, 40

Jolay

  • “Ny Fanahy Masina,” Bokin-kiran’ny ankizy,56

  • He! Velona ny Ray,” Bokin-kiran’ny ankizy,8

  • “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy,” Bokin-kiran’ny ankizy,99

Aogositra

  • Il vit, mon Rédempteur,,” Cantiques, no. 72

  • “Ny fitiavany dia natolony ho ahy,” Bokin-kiran’ny ankizy, 42

  • “Ampianaro aho,” Bokin-kiran’ny ankizy, 70.

Septambra

Ôktôbra

  • “Ny fitiavany dia natolony ho ahy,” Bokin-kiran’ny ankizy, 42

  • Maniry hanao asa fitoriana aho,” Bokin-kiran’ny ankizy, 91.

  • “Fianakaviana mandrakizay,” Bokin-kiran’ny ankizy, 97

Nôvambra

  • “Araho hatrany ny mpaminany,” Bokin-kiran’ny ankizy, 58–59 (andininy faha-7)

  • Misaotra Anao noho ny Mpaminany,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy lah.72

  • Te-hiaina ny filazantsara aho,” Bokin-kiran’ny ankizy, 72.

Desambra

Sary
ankizy anankitelo mihazona sarin’i Jesoa eny anoloan’ny efitrano fiangonana

Mampiasa hira mba hampianarana fotopampianarana

Ny fotoam-pihirana dia natao hanampy ny ankizy hahatsapa ny fitarihan’ny Fanahy Masina eo am-pianaran’izy ireo ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara. Ireto hevitra manaraka ireto dia mety hanome aingam-panahy anao rehefa manao drafitra ny amin’ny fomba hampianarana ireo fitsipiky ny filazantsara hita ao amin’ireo fihirana sy ireo hiran’ny Kilonga ianao.

Mamakia soratra masina mifandray. Ao amin’ny Bokin-kiran’ny ankizy sy ny Fihirana, dia tafiditra ao anatin’ny maro amin’ireo hira sy fihirana ireo toko sy andinin’ireo soratra masina mifandray amin’izany. Ampio ireo ankizy hamaky ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ary hiresaka momba ny fomba ifandraisan’ireo soratra masina ireo amin’ilay hira. Afaka manao lisitra ana andinin-tsoratra masina vitsy eny amin’ny solaitrabe ianao dia asao ny ankizy hampifandray ny andinin-tsoratra masina tsirairay amin’ny hira iray na andininy iray avy amin’ny fihirana iray.

Fenoy ny banga. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny andininy iray amin’ilay hira ka esory ireo teny manan-danja. Avy eo dia asao ireo ankizy mba hihira ilay hira, sady hihaino ireo teny izay mameno ireo banga. Eo am-pamenoan’izy ireo ny banga tsirairay dia mifanakaloza hevitra momba ireo fitsipiky ny filazantsara izay ianaran’izy ireo avy amin’ireo teny tsy ampy.

Mampiasà teny nambaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Asao ireo ankizy mba hihaino teny nambaran’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana izay mampianatra ilay fitsipiky ny filazantsara ao amin’ilay hiran’ny Kilonga. Asaivo manangana ny tanany izy ireo rehefa mahare zavatra manampy azy ireo hahatakatra ilay fahamarinana izay hirain’izy ireo. Asao izy ireo hizara ny zavatra izay ren’izy ireo.

Mizarà fijoroana ho vavolombelona. Mizarà fijoroana ho vavolombelona fohifohy amin’ny ankizy mikasika ireo fahamarinan’ny filazantsara hita ao amin’ireo hiran’ny Kilonga. Ampio ny ankizy hahatakatra fa ny fihirana dia fomba iray ahafahan’izy ireo mijoro ho vavolombelona sy mahatsapa ny Fanahy.

Mijoroa ho vavolombelona. Asao ireo ankizy hifandimby hijoro ary hizara ny zavatra ianarany avy amin’ny hira izay hirainy na ny zavatra tsapany momba ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ilay hira. Anontanio azy ireo ny fahatsapana ananan’izy ireo rehefa mihira ilay hira ary ampio izy ireo hahafantatra ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

Mampiasà sary. Angataho ireo mpianatra mba hanampy anao hitady na hanao sary izay mifandray amin’ireo teny na andian-teny manan-danja ao amin’ilay hira. Asao izy ireo hizara ny fomba ifandraisan’ilay sary amin’ilay hira sy ny zavatra ampianarin’ilay hira. Ohatra hoe, raha mampianatra ilay hira hoe: “Raha ho avy indray Kristy”, (Bokin-kiran’ny ankizy, 46–47) ianao dia afaka manisy sary manerana ny efitrano izay maneho ireo teny manan-danja avy ao amin’ilay hira (toy ny anjely, feon’antsiva, ary ny kintana). Asao ireo ankizy hanangona ireo sary ary hihazona izany araka ny filaharan’izany marina rehefa miaraka mihira ilay hira ianareo.

Mizarà lesona ampiasana ohatra azo tsapain-tanana. Afaka mampiasa zavatra azo tsapain-tanana ianao mba hitarihana fifanakalozan-kevitra momba ana hira iray. Ilay hira hoe: “Hitady ny Tompo aho dieny izao” (Bokin-kiran’ny ankizy, 67) ohatra dia miresaka mikasika ny fitadiavana ny Tompo. Afaka manafina sarin’ny Mpamonjy anankiray ao amin’ny efitrano ianao dia manasa ny ankizy hitady izany. Rehefa hitan’ilay ankizy ilay sary dia resaho ireo zavatra nataony mba hitadiavana izany. Afaka mitarika ho amin’ny fifanakalozan-kevitra iray momba ireo zavatra voalaza ao amin’ilay hira izany izay azontsika atao mba hitadiavana ny Tompo.

Entano ny fizarana zavatra niainana manokana. Ampio ireo ankizy hampifandray ireo fitsipika ampianarina ao amin’ilay hira amin’ireo traikefa izay niainany ireo fitsipika ireo. Ohatra, mialoha ny hihirana ny “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy”, (Bokin-kiran’ny ankizy, 99), dia azonao asaina manangana ny tanany ireo ankizy raha toa ka efa nahita tempoly izy ireo. Asao izy ireo mba hieritreritra eo am-pihirany ny zavatra tsapany rehefa mahita tempoly iray izy ireo.

Mametraha fanontaniana. Maro ireo fanontaniana azonao apetraka rehefa mihira ianareo. Ohatra, azonao anontaniana ireo ankizy hoe inona no zavatra nianarany avy amin’ny andininy tsirairay amin’ilay hira. Azonao angatahina ihany koa izy ireo mba hieritreritra ireo fanontaniana izay voavalin’ilay hira. Afaka mitarika fifanakalozan-kevitra iray momba ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ilay hira izany.

Henoy ny valiny. Asao ireo ankizy hihaino ny valin’ireo fanontaniana. Ilay hira hoe: “Nalefany ny Zanany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 20–21) ohatra, dia ahitana fanontaniana sy valiny maro. Azonao atao ny mametraka ireo fanontaniana amin’ny ankizy ary avy eo dia manasa azy ireo hihaino ny valin’izany eo am-pihirany.

Manampy ny ankizy hianatra sy hahatadidy ireo hiran’ny Kilonga sy ny hira ao amin’ny fihirana

Ny ankizy dia mahay hira iray amin’ny alalan’ny famerimberenana mihaino sy mihira izany. Hirao amin’ny ankizy foana ny tonon’ny hira vaovao iray—aza vakina na tanisaina fotsiny izany. Izany dia manampy ireo ankizy hampifandray ilay feon-kira amin’ireo tonon-kira. Rehefa avy nampianarina ny hira iray dia avereno amin’ny fomba mahafinaritra samihafa izany mandritra ny taona. Ireto ambany ireto misy hevitra mba hanampiana ny ankizy hianatra sy hamerina ireo hira.

Mamoròna petadrindrina. Mampisehoa petadrindrina misy ireo teny avy ao amin’ny andininy tsirairay na sary izay maneho ireo teny. Eo am-pihiran’ireo ankizy dia tampeno ny teny na ny sary sasany mandrapahavitan’izy ireo mihira ilay andininy manontolo tsy misy petadrindrina. Azonao asaina ihany koa ireo ankizy mba hanampy anao hanamboatra ireo petadrindrina.

Manaova fanehoana ny feo. Mba hanampiana ny ankizy hahay ny feon-kira iray dia ataovy mitsotra marindrano ny tananao ary rehefa mihira ireo teny ianao dia ampiakaro ny tananao mba hanehoana ny feo avo ary ampidino izany mba hanehoana ny feo ambany.

Ataovy manako. Asao ireo ankizy mba ho mpanaraka anao amin’ny famerenana izay hirainao. Hirao amin’ny ankizy ny andian-teny fohy na andalana iray, ary avy eo dia asaivo mihira izany izy ireo.

Mampiasà fiovaovana. Hirao amin’ny fomba samihafa ny hira toy ny mibitsibitsika, na mihira ny feon-kira, na mitehaka ny paikam-peonkira, na manovaova ny fanara-drindra, na mihira rehefa mipetraka na mitsangana. Afaka manamboatra goba iray vita avy amin’ny taratasy ianao, eo amin’ny sisin’ilay goba tsirairay dia anoraty fomba hafa hihirana. Manasà ankizy iray hamarimbarina ilay goba mba hanapahana ny fomba hihiran’ireo ankizy ilay hira.

Mihirà anaty vondrona. Omeo andian-teny iray mba hohiraina eo am-pitsanganana ny ankizy tsirairay na ny kilasy tsirairay, ary avy eo dia asaivo mifanakalo fehezan-teny izy ireo mandrapahafahan’ny iray kilasy na ny tsirairay mihira ny andian-teny rehetra.

Mampiasà fihetsika amin’ny tanana. Asao ireo ankizy hieritreritra fihetsika atao amin’ny tanana mba hanampiana azy ireo hahatsiaro ny tononkira sy ny hafatra ampitain’ny hira iray. Rehefa mihira ilay hoe: “Fanajana, fitoniana” (Bokin-kiran’ny ankizy,11) ohatra ianareo, dia azonao atao ny manasa ny ankizy hamoritra ny tanan’izy ireo, hampiondrika ny lohany, ary hametraka ny tanany eo amin’ny faritra misy ny fony rehefa mihira ireo andalana mifanojo amin’izany.

Mihira ny ankizivavy, mihira ny ankizilahy. Manaova sarin’ankizilahy iray sy sarin’ankizivavy iray ary samy apetaho amin’ny tapa-kazo kely tsirairay izany sary izany. Rehefa mamerina hira iray dia hazony ny iray amin’ireo sary mba hilazana hoe iza no tokony hihira izany ampahany amin’ny hira izany.

Manipaza zavatra ao anaty harona. Mametraha harona na fasian-javatra hafa misy laharana eny anoloan’ny efitrano, arakaraka ny isan’ireo andinin’ny hira iray manokana. Asao ny iray amin’ireo ankizy mba hanipy harona kely iray misy voan-javatra ao anatiny na taratasy naforiporitra ao amin’ilay fitoeran-javatra na eo akaikin’ny fitoeran-javatra iray misy isa. Asaivo hirain’ireo ankizy ireo andininy mitovy laharana amin’ilay fitoeran-javatra.

Mampifandraisa sary iray amina andian-teny iray. Soraty ao anaty ampahan-taratasy avokoa ny andalana tsirairay amin’ilay hira, ary mitadiava sary izay maneho ny andalana tsirairay. Apetraho eny amin’ny faritra iray ao amin’ny efitrano ireo sary ary apetraho eny amin’ny faritra iray hafa ao amin’ny efitrano ireo taratasy. Hirao ilay hira ary angataho ny ankizy mba hampifandray ireo sary amin’ireo teny.

Sary
ankizy anankiroa mihira any am-piangonana

Torolalana ho an’ny fampisehoana mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo

Ny fampisehoana ataon’ny ankizy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo izay eo ambany fitarihan’ny eveka dia tanterahana mandritra ny telo volana farany amin’ny taona raha ny tokony ho izy. Amin’ny maha-fiadidian’ny Kilonga sy mpampianatra hira anareo dia ataovy izay hihaonana amin’ny mpanolotsaina ao amin’ny episkôpà izay miahy ny Kilonga any am-piandohan’ny taona mba hanomboka hifanakalo hevitra momba ny drafitra hanatanterahana ny fampisehoana. Rehefa vitanareo ny drafitra dia akao fankatoavana avy aminy izany.

Tokony hanome fahafahana ny ankizy hampiseho ny zavatra nianaran’izy sy ny fianakaviany tao amin’ny Testamenta Taloha tany an-tokantrano sy tao amin’ny Kilonga ilay fampisehoana, tafiditra amin’izany ireo hira ao amin’ny Kilonga izay nohirain’izy ireo nandritra ny taona. Diniho tsara ombam-bavaka ireo fitsipiky ny filazantsara sy hira izay manohana ny zavatra nianarany. Mandritra ny taona manontolo dia raiso an-tsoratra ireo lahateny izay nataon’ny ankizy sy ireo zavatra niainan’izy ireo manokana izay mety ho azo ampiasaina mandritra ilay fampisehoana. Asao ireo ankizy hizara soratra masina, tantara, ary ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo mandritra ilay fampisehoana. Rehefa manomana ilay fampisehoana ianao dia eritrereto ireo fomba azon’izany hanampiana ireo mpiangona hifantoka amin’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy sy ny fampianaran’izy ireo.

Ireo rantsana izay vitsy ankizy dia afaka mieritreritra fomba handraisan’ny fianakaviana anjara miaraka amin’ny zanany. Afaka mamarana ny fotoana amin’ny fandraisana fitenenana fohy ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà.

Rehefa manomana ny fampisehoana ianao dia tsarovy ireto torolalana manaraka ireto:

  • Tsy tokony handany fotoana ao amin’ny kilasin’ny Kilonga na any amin’ny fianakaviana ny famerenana.

  • Ny fampiasana fitaovana jeren’ny maso, ny fanaovana fitafiana hanovana ny bika aman-tarehy, ary ny fampiasana horonam-peo na horonan-tsary dia tsy azo atao mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo.

Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 12.2.1.2, ChurchofJesusChrist.org.