Testamenta Taloha 2022
Lamina hitondrana ny fampianarana


“Lamina hitondrana ny fampianarana,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“Lamina hitondrana ny fampianarana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
Ankizy ao amin’ny efitrano fianarana ao am-piangonana

Lamina hitondrana ny fampianarana

Ato amin’ity loharanom-pitaovana ity ianao dia hahita ity lamina ahitana dingana anankitelo manaraka ity izay miverimberina ao amin’ny rindran-damina tsirairay: asao mba hizara, ampianaro ny fotopampianarana, ary amporisiho ny fianarana any an-tokantrano. Amin’ny ankamaroan’ny fotoana, rehefa iny mampianatra iny ianao, dia mety hifanindry na hitranga tsy manaraka ny filaharany ireo singa ao amin’io lamina io. Ohatra, andeha raisina toy ny hoe fahafahana mampianatra ny fotopampianarana ny fizarana zavatra, ary ny fampianarana ny fotopampianarana dia tokony ahitana fanasana mba hizara hevitra. Toy izany ihany, ny famporisihana hianatra any an-tokantrano dia afaka mitranga mandritra ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny mpianatra. Avelao hitranga ho azy ny fanamboarana atao ao amin’ity lamina ity, araka ny fanarahana ny bitsiky ny Fanahy mba hanomezana ireo zavatra ilain’ireo ankizy ampianarinao.

Asao mba hizara

Ao anatin’ny fotoam-pianarana rehetra, dia asao ny ankizy mba hizara ny fihetseham-pony, ny heviny, ary ny zavatra niainany momba ireo fitsipika ampianarinao. Ny fanehoan-kevitr’izy ireo dia mety ahitana ireo zavatra niainan’izy ireo nandritra ny fandalinana tany an-trano. Azonao atao ihany koa ny mamerina mijery izay nianaran’izy ireo tamin’ny herinandro lasa ary manontany ny fiantraikan’izany teo amin’ny fiainan’izy ireo.

Ampianaro ny fotopampianarana

Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy anao hahatakatra tsaratsara kokoa ilay fotopampianarana hampianarinao ny ankizy. Diniho ireo andinin-tsoratra masina, teny nindramina, zavatra niainana, fanontaniana, ary ireo loharanom-pitaovana hafa azonao zaraina mba hanampiana ny ankizy hahatakatra sy hanao asa araka ireo fitsipiky ny filazantsara. Ampio izy ireo hahafantatra ny fitaoman’ny Fanahy Masina rehefa mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana Izy. Mitadiava fomba miavaka sy notaomim-panahy hanampiana azy ireo hientanentana mikasika ny zavatra ianaran’izy ireo.

Mba hahitana hevitra mikasika ny fomba hampiasana ny hira mba hampianarana ny fotopampianarana dia jereo ny fizarana hoe “Mampiasa hira mba hampianarana fotopampianarana” sy ny “Manampy ny ankizy hianatra sy hahatadidy ireo hiran’ny Kilonga sy ireo hira ao amin’ny fihirana” ao amin’ny “Toromarika mikasika ny fotoam-pihirana sy ny fampisehoana ataon’ny ankizy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo” ao amin’ny faran’ity boky torolalana ity.

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Satria ny tokantrano no toerana manan-danja indrindra ho an’ny fianarana ny filazantsara dia anisan’ireo tanjonao amin’ny maha-mpampianatra ny Kilonga anao ny mamporisika ny fianarana ao an-tokantrano. Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hizara amin’ny fianakavian’izy ireo ny zavatra nianarany tao an-dakilasy? Ahoana no ahafahanao mamporisika ireo ankizy sy ny ray aman-dreniny hanohy hianatra avy amin’ny Testamenta Taloha any an-tokantrano?

Mba hahitana hevitra mikasika ny fomba hampiasana ny hira mba hampianarana ny fotopampianarana dia jereo ny fizarana hoe “Mampiasa hira mba hampianarana fotopampianarana” sy ny “Manampy ny ankizy hianatra sy hahatadidy ireo hiran’ny Kilonga sy ireo hira ao amin’ny fihirana” ao amin’ny “Toromarika mikasika ny fotoam-pihirana sy ny fampisehoana ataon’ny ankizy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo” ao amin’ny faran’ity boky torolalana ity.