Testamenta Taloha 2022
Ianao dia mpampianatra ankizy


“Ianao dia mpampianatra ankizy,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“Ianao dia mpampianatra ankizy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
I Jesoa mihazona zaza iray

Ianao dia mpampianatra ankizy

Ianao dia nantsoin’ Andriamanitra mba hampianatra ny zanany amin’ny fomban’ny Mpamonjy. Natokana ho amin’io antso io tamin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronany masina ianao. Na dia tsy mpampianatra efa za-draharaha aza ianao, rehefa miaina am-pahamendrehana sy mivavaka isan’andro ary mandalina ny soratra masina ianao, dia hanome anao ny fitaomana sy ny herin’ny Fanahy Masina ny Ray any An-danitra mba hampahomby anao (jereo ny 2 Nefia 33:1).

Zanaky ny Ray any An-danitra ireo izay ankinina aminao, ary fantany izay ilain’izy ireo sy ny fomba tsara indrindra hanampiana azy ireo. Hitarika anao mandritra ny fiomananao sy mandritra ny fotoana hampianaranao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Andriamanitra. Hanambara aminao izay tokony holazainao sy tokony hataonao Izy (jereo ny 2 Nefia 32:5).

Ny tanjona fototry ny fampianarana sy ny fianarana ny filazantsara dia ny hampahalalina kokoa ny fiovam-po amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ny tanjonao amin’ny maha-mpampianatra anao dia ny hanampy ireo izay ampianarinao hanao izay rehetra azony atao mba hahatonga azy hiova fo kokoa, izany dia ezaka tratrarina hatrany ivelan’ny fotoam-pianarana. Asao ireo izay ampianarinao handray anjara mavitrika amin’ny fianarana momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ary hanao araka izay zavatra ianarany. Amporisiho izy ireo mba hanao ny fandalinany manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana ivelan’ny kilasy ho loharano fototra amin’ny fianarany ny filazantsara. Rehefa manao asa am-pinoana izy ireo amin’ny fandalinana manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana, dia hanasa ny Fanahy ho eo amin’ny fiainany, ary izany ilay Fanahy izay mahatonga ny fiovam-po marina. Tokony hirona amin’io tanjona masina io avokoa izay rehetra ataonao amin’ny maha-mpampianatra anao.

Ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny izay hita ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany amin’ny andro farany ihany no ampianaro. Ny fotopampianarana madio, izay fahamarinana mandrakizay sy tsy miova ampianarin’ Andriamanitra sy ireo mpanompony, dia manasa ny Fanahy ary manana ny hery hanova fiainana.

Ny antso mba hampianatra dia fametraham-pitokisana masina, ary tsy mahagaga raha mahatsapa ho tototra be indraindray. Tsarovy anefa fa niantso anao ny Ray any An-danitra ary tsy handao anao na oviana na oviana Izy. Asan’ny Tompo ity, ary rehefa manompo “amin’ny fo, ny hery, ny saina, ary ny tanjaka[o] rehetra” ianao (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2), dia hampitombo ny fahafahanao manao zavatra sy ny fanomezam-pahasoavana azonao ary ny talentanao Izy ary ny fanompoanao dia hitahy ny fiainan’ireo izay ampianarinao.