Testamenta Taloha 2022
24–30 ôktôbra. Ezekiela 1–3; 33–34; 36–37; 47: “Fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo”


“24–30 ôktôbra. Ezekiela 1–3; 33–34; 36–37; 47: -Fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“24–30 ôktôbra. Ezekiela 1–3; 33–34; 36–37; 47,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
I Jesoa mitarika ondry

Avia, manaraha Ahy: nataon’i Scott Sumner

24–30 ôktôbra

Ezekiela 1–3; 33–34; 36–37; 47

“Fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo”

Tsy hanana fotoana hampianarana ny fitsipika rehetra ao amin’ny Ezekiela ianao. Mikatsaha fitarihana ara-panahy momba ny zavatra hifantohana, dia amporisiho ny ankizy hanohy hianatra any an-trano.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Avelao ny ankizy vitsivitsy hifandimby hanao sarina zavatra nianaran’izy ireo vao haingana avy amin’ny soratra masina. Afaka mamantatra ny sary ataon’ny ankizy tsirairay avy ireo ankizy hafa.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Ezekiela 3:17

Ny mpaminany dia toy ny mpitily mampitandrina antsika amin’ny loza.

I Ezekiela dia toy ny mpitily izay nampitandrina ny Isiraelita tamin’ireo loza tsy hitan’izy ireo. Ampio ny ankizy hahatakatra ny fomba maha-toy ny mpitily an’ireo mpaminanintsika ankehitriny.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’i Ezekiela ao amin’ny Ezekiela 3:17. Asao izy ireo hanao zavatra mifanaraka amin’ireo teny, toy ny manondro ny masony, ny sofiny, ary ny vavany rehefa mamaky ireo teny hoe “mpitily,” “hohenoinao,” ary “vavako.”

  • Tariho toy ny hoe mandeha manao dia an-tongotra lavitra manerana ilay efitrano ny ankizy. Ampitandremo amin’ireo loza foronina eo amin’ilay lalana izy ireo, toy ny rano mila dinganina, rantsan-kazo mikirazorazo mila ialana, na biby mila hitsoahana. Avelao ny ankizy hafa hifandimby mba ho mpitarika. Miresaha mikasika ny fomba hampitandreman’ny mpaminanintsika antsika amin’ireo loza tsy hitantsika.

  • Mampisehoa sarin’ny mpaminany amin’izao fotoana izao eo am-piarahanareo mihira hira iray momba ny mpaminany, toy ny andininy farany amin’ny “Araho hatrany ny mpaminany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 58). Lazao amin’ny ankizy ny maha-mpitily ny mpaminany aminao.

Ezekiela 37:15–19

Mampianatra ahy momba an’i Jesoa Kristy ny soratra masina.

Nampitahain’i Ezekiela tamin’ny tapa-kazo roa izay lasa iray ny mpianakavin’i Isiraely. Ireo tapa-kazo ireo dia maneho ihany koa ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna, izay miara-mijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy.

Asa atao azo tanterahina

  • Omeo tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna ny ankizy. Ary omeo tahadikan’ny Baiboly ny hafa. Fintino ny Ezekiela 37:15-19 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nasain’ny Tompo nanoratra tamin’ny tapa-kazo roa izay maneho ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna i Ezekiela. Vakio ny andininy 17, dia asao ny ankizy tsirairay hitady olona manana bokin-tsoratra masina tsy mitovy amin’ny azy ka hampifanatona azy roa mba “ho tonga … iray ihany … eny an-tana[n’izy ireo]” izany. Miresaha mikasika ny fomba hiarahan’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna manampy antsika hampatanjaka ny finoantsika ny Ray Any an-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Ny fampiasana sary avy amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara na avy amin’ireo boky Avia, hanaraka Ahy tamin’ny taon-dasa dia manampy ny ankizy hizara tantara momba an’i Jesoa avy amin’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna. Anontanio azy ireo ny antony maha-velom-pankasitrahana azy ireo noho ny fananana ireo bokin-tsoratra masina roa ireo.

Sary
tany efitra sy Ranomasina Maty

Nahita ony mikoriana avy tao amin’ny tempoly i Ezekiela ary nanasitrana ny Ranomasina Maty.

Ezekiela 47:1–12

Fitahiana tena tsara no azo avy amin’ny tempoly.

Ny fahitan’i Ezekiela ony mpanasitrana iray izay niboiboika avy ao amin’ny tempoly iray dia afaka manampy ny ankizy hianatra fa mitondra fitahiana eo amin’ny fiainantsika ny tempoly.

Asa atao azo tanterahina

  • Manehoa vera misy rano amin’ny ankizy. Inona no fitahiana entin’ny rano ho antsika? Tantarao amin’ny ankizy ny fahitana hitan’i Ezekiela momba ilay rano niboiboika avy tao amin’ny tempoly (jereo ny Ezekiela 47:1–12). Asehoy ilay sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Resaho amin’ny mpianatra ireo fitahiana raisinao, izay mikoriana avy ao amin’ny tempoly tahaka ilay ony tao amin’ny fahitana hitan’i Ezekiela.

  • Asao ny ankizy hanao ny sarin’izy ireo mandeha any amin’ny tempoly. Miaraha mihira hira iray mamariparitra ireo fitahian’ny tempoly, toy ny “Fianakaviana mandrakizay” (Bokin-kiran’ny ankizy,98). Inona no ampianarin’io hira io mikasika ny fomba hitahian’ny tempoly antsika?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Ezekiela 2:3–4; 3:7; 36:26–27

Afaka manampy ahy hanova ny foko i Jesoa Kristy.

I Ezekiela dia nampiasa andian-teny toy ny hoe “fo vaovao” sy “fanahy vaovao” mba hampianarana momba ilay karazana fiovana entin’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy hikaroka ao amin’ny Ezekiela 2:3–4; 3:7 ireo teny mamariparitra ny Isiraelita. Dia asao izy ireo avy eo hamaky ny Ezekiela 36: 26–27 mba hahafantarana ny fanampiana natolotry ny Mpamonjy ho azy ireo mba hiovany. Inona no teny afaka mamariparitra ilay “fo vaovao” sy “fanahy vaovao” omeny antsika? (Jereo ohatra ny Môzià 3:19; 5:2).

  • Angataho ny ankizy hieritreritra ireo zavatra mety hataon’ny olona “mafy handrina” na “madi-po” (Ezekiela 2:4; 3:7). Ohatra, toy ny ahoana no mety ho fihetsik’izy ireo manoloana ny torohevitra avy amin’ny ray na reny na ny mpaminany? Inona no mety ho ataon’izy ireo rehefa mahita olona sahirana izy ireo? Miova toy ny ahoana ny zavatra ataontsika rehefa halefahan’ny Mpamonjy ny fontsika?

Ezekiela 37:19–23

Ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna dia manampy amin’ny fanangonana antsika ho any amin’i Jesoa Kristy.

Ny tapa-kazon’i Joda (ny Baiboly) sy ny tapa-kazon’i Josefa (ny Bokin’i Môrmôna) noresahan’i Ezekiela dia miara-miasa mba hanangona an’i Isiraely ho any amin’ny Mpamonjy (jereo ny Ezekiela 37:19).

Asa atao azo tanterahina

  • Mihazona Baiboly sy Bokin’i Môrmôna dia anontanio an’ireo ankizy ny antony hahatsapany fa tsara ny manana ireo boky roa ireo. Vakio amin’izy ireo ny Ezekiela 37:19, dia hazavao fa “ny tapa-kazon’i Josefa” dia milaza ny Bokin’i Môrmôna, izay nosoratan’ireo taranak’i Josefa tany Egypta, ary ny “tapa-kazon’i joda” dia milaza ny Baiboly, izay Jiosy no nanoratra ny ankamaroan’izany. Dia iaraho vakina avy eo ny andininy 21–23 sy ny 2Nefia 3:12, dia tanisao ireo fitahiana azo avy amin’ny fananana ireo boky roa ireo.

  • Asio sarin’i Jesoa eo afovoan’ny efitrano, dia asao ny ankizy hanisaka ny sezany eny amin’ny toerana hafa manaraka ny rindrin’ny efitrano. Dia angataho izy ireo avy eo hampiasa ny Torolalana ho an’ny soratra masina mba hitady soratra masina ao amin’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna izay mampianatra momba an’i Jesoa Kristy (raha ilaina dia asehoy azy ireo ny fomba hanaovana izany). Isaky ny avy mizara soratra masina ny ankizy tsirairay dia asao izy rehetra hanisaka ny sezany hanakaiky kokoa ilay sarin’i Jesoa. Tohizo izany mandra-paha voangona ny tsirairay avy hiverina eo Aminy.

Ezekiela 47:1–12

Afaka manasitrana ny fontsika sy ny fianakaviantsika ireo fitahian’ny tempoly.

Ilay rano mikoriana avy ao amin’ny tempoly tao amin’ny fahitana hitan’i Ezekiela dia nitondra aina ho an’izay rehetra nokasihiny. Tahaka izany ihany, ireo fitahiana mitosaka avy amin’ny tempoly dia afaka manasitrana antsika ara-panahy ary mitondra fiainana mandrakizay ho antsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Tanisao eny amin’ny solaitrabe ireo teny sy andian-teny manan-danja vitsivitsy mifandray amin’ny Ezekiela 47:1–12, toy ny hoe tempoly, ony na rano, tany hay, Ranomasina Maty, hazandrano sesehena, ary hazo mamoa be. Asao ny ankizy tsirairay hisafidy ny iray amin’ireo zavatra ireo hatao sary. Dia iaraho mamaky avy eo ireo andininy, ary asao ny ankizy hizara ny sary nataony rehefa voatonana ireo zavatra ireo. Inona avy ireo fitahiana azo avy amin’ilay ony ao amin’io fahitana io? (jereo ny andininy 8–9,12). Ampio ireo ankizy hahita ny fomba itovizan’ireo fitahiana ireo amin’ireo fitahiana atolotry ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy an’ireo izay mitandrina ny fanekempihavanan’ny tempoly.

  • Iaraho mamaky ny zavatra nampianarin’ny Loholona DaleG. Renlund momba ny fahitana hitan’i Ezekiela ao amin’ny “Tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly: Famehezana sy fanasitranana,” (Liahona, mey 2018, 47–48). Lazao amin’ireo ankizy ny fomba nitondran’ny fanaovana tantaram-pianakaviana sy ny tempoly ny fanasitranan’ny Mpamonjy ho anao. Asao ny ankizy hizara ny zavatra tsapany momba ny tempoly.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ireo ankizy hizara amin’ny fianakaviany ny zavatra iray nianarany androany ary ny zavatra iray izay tian’izy ireo ianarana kokoa.

Manatsara ny fampianarantsika

Tohano ny fianarana any an-tokantrano “Ny iray amin’ireo tanjonao amin’ny maha-mpampianatra anao dia tokony hoe mamporisika ireo izay ampianarinao mba hahazo traikefa amin’ny alalan’ny fampiasana soratra masina—ataon’ny tena manokana sy miaraka amin’ny fianakaviany” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 36).