Testamenta Taloha 2022
3–9 ôktôbra. Isaia 58–66: “Hisy Mpanavotra ho tonga any Ziona”


“3–9 ôktôbra. Isaia 58–66: -Hisy Mpanavotra ho tonga any Ziona,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“3–9 ôktôbra. Isaia 58–66,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
I Jesoa mampianatra ao amin’ny synagôga

Jesus in the Synagogue at Nazareth (I Jesoa tao amin’ny Synagôga tao Nazareta), nataon’i GregK. Olsen

3–9 ôktôbra

Isaia 58–66

“Hisy Mpanavotra ho tonga any Ziona”

Ireo hevitra mikasika ireo asa azo atao ato amin’ity rindran-damina ity dia natao hanetsika ny fahaizanao mamoron-javatra. Tsy voatery hanaraka izany antsakany sy andavany ianao. Araho ny bitsiky ny Fanahy mialoha sy mandritra ny lesona ampianarinao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Maro amin’ireo tenin’i Isaia no mijoro ho vavolombelona sy mampianatra momba ny Mpamonjy. Manehoa sarin’i Jesoa Kristy dia asao ny ankizy hizara ny zavatra nianarany momba Azy tamin’ity herinandro ity.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Isaia 58:13–14

Afaka ny ho fahafinaretana ho ahy ny Sabata.

ny andro Sabata dia fotoana hahatsiarovantsika ny Tompo sy hialantsika sasatra amin’ireo zavatra fanaontsika isan-kerinandro. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hanao ny Sabata ho fahafinaretana?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hamerina im-betsaka ilay andian-teny hoe “Ary manao ny Sabata hoe fahafinaretana, … nohamasinin’i Jehovah” (Isaia 58:13). Hazavao fa ny hevitry ny hoe “fahafinaretana” dia hoe zavatra mitondra fifaliana ho antsika. Angataho ny ankizy hizara zavatra vitsivitsy mitondra fifaliana ho azy ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa nomen’ny Tompo antsika ny andro Sabata satria tiany hahazo fifaliana isika. Lazao amin’ny ankizy ny antony maha-fahafinaretana ny Sabata aminao.

  • Vakio amin’ny ankizy ny Isaia 58:14: “Dia hiravoravo amin’i Jehovah ianao.” Hazavao amin’ny ankizy fa andro miavaka ny Sabata, fotoana ahafahantsika mieritreritra ireo zavatra nataon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba hanampiana antsika ho faly. Ampio ny ankizy hieritreritra ireo zavatra azon’izy ireo atao rehefa Sabata mba hahatsiarovana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa. Asao izy ireo hanao sary ny hevitr’izy ireo ary hizara eo amin’izy samy izy sy amin’ny fianakaviany ny sary nataony.

Sary
Vehivavy mandrehitra jiro vita amin’ny tanimanga avy amina jiro hazonin’ny lehilahy iray

“Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay” (Isaia 60:19). A Gift of Light (Fanomezana hazavana), nataon’i Eva Timothy

Isaia 60:1–3

Afaka mampamiratra ny hazavan’ny Mpamonjy ho an’ny hafa aho.

Naminany i Isaia fa amin’ny andro farany dia ho toy ny hazavana ho an’ireo izay ao anatin’ny haizina ny vahoakan’ny Tompo. Diniho ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy hitsangana sy hihazava.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hanakimpy ny masony eo am-pamakianao ny Isaia 60:1–3. Angataho izy ireo hanokatra ny masony rehefa mandre ny teny hoe “fahazavana” ary hanakimpy izany rehefa mandre ny teny hoe “haizina.” Hazavao fa i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany dia toy ny fahazavana izay manampy antsika hahita ny lalana miverina mankany amin’ny Ray any An-danitra.

  • Omeo sarin-javatra mitondra hazavana ny ankizy tsirairay (toy ny masoandro, labozia, na takamoa). Ampio izy ireo hieritreritra ireo fomba azony hizarana ny fahazavan’ny Mpamonjy amin’ny hafa. Rehefa mizara hevitra izy ireo dia asao izy ireo hanangana sy hampahazava ny fahazavany amin’ny alalan’ny fananganana ambony ny sary eny aminy. Lazao an’ireo ankizy ny fomba hitanao nizaran’izy ireo ny fahazavan’ny Mpamonjy.

  • Miaraha mihira hira momba ny fizarana fahazavana, toy ny “MamiràtaBokin-kiran’ny ankizy,96). Ampio ireo ankizy hahatsikaritra ireo teny amin’ilay hira izay manamafy ny zavatra nianarany tao amin’ny Isaia 60:1–3.

Isaia 61:1–3

I Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra ahy.

Ny Isaia 61:1–3 dia manome famaritana mafonja momba ny iraka novitain’ny Mpamonjy mba hampianatra sy hanasitrana. Mitadiava fomba hahatakaran’ny ankizy ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy mampianatra sy manasitrana azy ireo tsirairay avy.

Asa atao azo tanterahina

  • Avelao ny ankizy hihazona ireo sarin’i Jesoa mampianatra, manasitrana, ary manampy ny hafa eo am-pamakinao ny Isaia 61:1 (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara). Hazavao fa nandefa an’i Jesoa Kristy Andriamanitra mba hanao ireo zavatra ireo ho antsika rehetra. Asao ny ankizy hizara ny zavatra tsapany momba an’i Jesoa Kristy. Mijoroa ho vavolombelona momba ny fitiavan’ny Mpamonjy ny tsirairay avy amin’ireo ankizy.

  • Ny Isaia 61:3 dia mamariparitra ireo izay mihaino sy mankatò ny Tompo ho “Hazon’ny fahamarinana.” Manaova sarina hazo eny amin’ny solaitrabe dia asao ny ankizy hisaintsaina ireo zavatra feno fahamarinana azon’izy ireo atao. Isaky ny misy hevitra voalaza dia avelao ireo ankizy hanao sarina ravina eo amin’ilay hazo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Isaia 58:6–11

Mitahy ahy sy ireo hafa izay sahirana ny fifadian-kanina.

Mety efa lehibe tsara ka afaka mifady hanina ny sasany amin’ireo ankizy ampianarinao. Na ireo izay tsy mbola afaka mifady hanina aza dia afaka mahazo tombontsoa avy amin’ny fianarana momba ny lalàn’ny Tompo momba ny fifadian-kanina sy ny fiomanana hifady hanina rehefa vonona izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe: Nahoana isika no mifady hanina? Sy ny hoe Ahoana no fomba hifadiantsika hanina? Asao ny ankizy hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo valinteny mety ho azo. Amporisiho izy ireo hamaky ny “Fifadian-kanina” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org) sy ny Isaia 58:6–11 mba hitadiavana valinteny fanampiny. Ahoana no mety hanampian’ny Isaia 58:6–11 antsika rehefa sarotra ny fifadian-kanina?

  • Zarao amin’ny ankizy ny zavatra iray niainanao manokana tamin’ny fifadian-kanina, na mizarà tantara momba ny fifadian-kanina avy amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana. Hamafiso ireo fitahiana izay azo avy amin’ny fifadian-kanina misy tanjona ara-panahy. Raha nisy efa nifady hanina tamin’ireo ankizy dia asao izy ireo hizara ny zavatra niainany. Amporisiho ny ankizy hiresaka amin’ny ray aman-dreniny ny dikan’ny hoe mifady hanina amin’ny alahady fifadian-kanina manaraka. Ampio izy ireo hahatakatra ny dikan’ny hoe mifady hanina omban’ny tanjona amin-kitsim-po sy fo feno vavaka.

  • Iaraho mamaky ny Isaia 58:6–7, dia hazavao fa fomba iray “hizara[ntsika] ny mofo[ntsika] ho an’ny noana” rehefa mifady hanina ny fanomezana ny vola tokony ho nividianantsika sakafo mba ho fanatitra amin’ny fifadian-kanina. Asehoy an’ny ankizy ny taratasy fanomezana fanatitra ho an’ny fahafolonkarena sy ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina iray dia hazavao ny fomba famenoana izany. Asao ny ankizy hamaky ny Isaia 58:8–10, dia hitady ireo fitahiana ampanantenaina antsika rehefa mifady hanina isika. Ahoana no ahafahan’ny fifadian-kanina mitahy antsika sy ireo izay sahirana?

Isaia 61:1–3

I Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra ahy.

Saintsaino ny fomba tsara indrindra azonao hampiasana ny tenin’i Isaia mba hampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ireo ankizy momba an’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra azy ireo Azy.

Asa atao azo tanterahina

  • Omeo minitra vitsivitsy ny ankizy hamakiana samirery ny Isaia 61:1–3. Dia asao izy ireo avy eo hanoratra amin’ny taratasy na ao anaty diary ho an’ny fandalinana ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo azy ireo momba an’i Jesoa Kristy. Manasà ankizy vitsivitsy mba hizara ny hevitr’ izy ireo.

  • Asao ny ankizy hizara andian-teny iray avy amin’ireo andininy ireo izay tena manan-danja tokoa amin’izy ireo ary hanazava ny anton’izany. Ahoana no hanampian’ireo andininy ireo antsika hahatakatra ny zavatra nanirahana an’i Jesoa Kristy mba hataony teto an-tany?

Isaia 65:17–25

Ny Arivotaona dia ho fotoan’ny fiadanana sy fifaliana.

I Isaia dia nahita fotoana izay hananan’ireo vahoakan’Andriamanitra fiadanana sy fifaliana. Io faminaniana io dia ho tanteraka rehefa miverina eto an-tany i Jesoa Kristy ary manjaka mandritra ny arivo taona, izay vanim-potoana iray antsoina hoe ny Arivotaona.

Asa atao azo tanterahina

  • Ny Isaia 65:17–25 dia mamariparitra izay ho toetoetra sy endriky ny tany rehefa miverina indray ny Mpamonjy. Zarazarao ho vondrona kely ny ankizy ary omeo vitsivitsy amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto ny vondrona tsirairay mba hovakiny. Rehefa afaka minitra vitsy dia iaraho tanisaina eny amin’ny solaitrabe izay zavatra hiova eo amin’ny fiainana ao amin’ilay “tany vaovao” voalazalaza ao amin’ireo andininy ireo (andininy 17). Nahoana izany no ho fotoana tokony “[hifaliana sy hiravoravoana] mandrakizay”? (andininy 18).

  • Manomàna alohan’ny fotoam-pianarana taratasy kely ahitana teny sy andian-teny avy amin’ny fanekem-pinoana faha folo. Asao ny iray amin’ireo ankizy hanonona ilay fanekem-pinoana dia angataho ny ankizy rehetra handahatra ireo taratasy kely misy teny araka ny filaharany marina. Ampio ireo ankizy hahatakatra ny zavatra ampianarin’io fanekem-pinoana io antsika momba ny Arivotaona.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ireo ankizy hizara amin’ny fianakaviany izay zavatra nianarany androany momba ny Mpamonjy. Amporisiho izy ireo hamaky ireo soratra masina miaraka amin’ny fianakaviany amin’ity herinandro ity.

Manatsara ny fampianarantsika

Mametraha fanontaniana nentanim-panahy. Mametraha fanontaniana izay manasa ny ankizy hizara zavatra mihoatra noho ny filazana izay zava-niseho fotsiny. Ohatra hoe mieritrereta fanontaniana izay mamporisika azy ireo hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany sy ny zavatra niainany.