Testamenta Taloha 2022
10–16 ôktôbra. Jeremia 1–3; 7; 16–18; 20: “Fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro”


“10–16 ôktôbra. Jeremia 1–3; 7; 16–18; 20: -Fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“10–16 ôktôbra. Jeremia 1–3; 7; 16–18; 20,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
mpaminany miresaka aman’olona

Jeremia, nataon’i Walter Rane

10–16 ôktôbra

Jeremia 1–3; 7; 16–18; 20

“Fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro”

“Ny tanjon’ny mpampianatra ny filazantsara rehetra … dia ny hampianatra ny fotopampianarana madion’ny filazantsara amin’ny alalan’ny Fanahy mba hahafahana manampy ny zanak’ Andriamanitra hanorina finoana ao amin’ny Mpamonjy sy hitovy bebe kokoa Aminy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, fonony).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Soraty amina tapa-taratasy ireo teny manan-danja vitsivitsy avy ao amin’ny fandalinana ho an’ity herinandro ity, toy ny mpaminany, rano velona, fanangonana, ary tanimanga. Ataovy anaty boaty iray ireo tapa-taratsy, ary asao ireo ankizy haka anankiray amin’izany sy hizara izay heviny momba izany. Ampio izy ireo hahita ny ifandraisan’ilay teny amin’ny zavatra ampianarin’i Jeremia.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Jeremia 1:5

Fantatry ny Ray any An-danitra aho talohan’ny nahaterahako.

Satria niara-niaina tamin’ Andriamanitra isika talohan’ny nahatongavantsika teto an-tany, dia fantany isika, na dia tsy tsaroantsika aza Izy Ahoana no hanampiana ireo ankizy ampianarinao hahatakatra io fahamarinana manan-danja io?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ireo ankizy ny Jeremia 1:5, dia hazavao fa nahafantatra an’i Jeremia mpaminany Andriamanitra talohan’ny nahaterahany. Lazao amin’ny ankizy tsirairay manokana fa fantatry ny Ray any An-danitra ihany koa izy talohan’ny nahaterahany ary misy tanjona no nandefasany antsika tsirairay tety.

  • Manehoa sarina zazakely amin’ireo ankizy, dia anontanio ny ankizy raha fantatr’izy ireo hoe taiza io zaza io no niaina talohan’ny nahaterahany. Miaraha mihira hira iray mampianatra ny fiainana talohan’ny nahaterahana niaraka tamin’ Andriamanitra, toy ny “Zanaky ny Ray aho” na ny “Taloha aho dia niaina tany an-danitra tany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 2, 140). Miresaha momba ny fahatsapana ara-panahy entin’ilay hira. Mijoroa ho vavolombelona fa isika rehetra dia efa niaraka niaina tamin’ny Ray any An-danitra ary nalefany tety an-tany isika

Jeremia 1:7

Ny mpaminany dia nantsoina mba hilaza ny tenin’ ny Tompo.

Ny fiantsoana an’i Jeremia dia maneho ny zavatra angatahin’ny Tompo mba hataon’ireo mpaminany. Ahoana no hanampianao ireo ankizy ampianarinao hampatanjaka ny fanirian’izy ireo hanaraka ny mpaminany velona?

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy amin’ny ankizy ny sarin’ny mpaminany velona, dia asao izy ireo hizara ny zavatra fantany momba azy. Inona no ataon’ny mpaminany? Vakio amin’ny ankizy ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’ny mpaminany iray hafa, i Jeremia, ao amin’ny Jeremia 1:7. Asao ireo ankizy mba handeha eo amin’ny toerany rehefa mamaky ianao hoe “handeha amin’ izay rehetra hanirahako anao hianao” ary hanao hoe miteny rehefa vakinao ny hoe “izay rehetra handidiako anao no hambaranao.” Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa manao sy milaza ny zavatra andidian’ny Tompo ny mpaminany.

  • Manehoa sarina mpaminany ao amin’ny soratra masina (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, Gazetibokin’ny Fiangonana, ary ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Asaivo milaza aminao izay fantany momba ireo mpaminany ireo ny ankizy. Lazao fohifohy amin’ireo ankizy ny momba ny zavatra nataon’ny tsirairay amin’izy ireo mba hanatanterahana ny asan’ Andriamanitra. Mijoroa ho vavolombelona fa ny mpaminany dia nantsoin’ Andriamanitra mba hiteny ny teniny sy hanompo ny vahoakany.

Jeremia 16:16

Afaka manampy ireo zanaky ny Ray any An-danitra mba hiverina any Aminy aho.

Raha niresaka momba ny Jeremia 16:16, ny Filoha RussellM. Nelson dia hoy izy hoe: “Nitady ireo izay tao amin’i Isiraely niely patrana ireo misiônera, efa nihaza azy ireo –any an-tsefatsefaky ny harambato– izy ireo, ary efa namovo azy ireo tahaka ny tamin’ny andro fahiny izy ireo” (“The Gathering of Scattered Israel,” Ensign na Liahona, nôv. 2006,81).

Asa atao azo tanterahina

  • Rehefa mamaky ny Jeremia 16:16 ianao dia asao ireo ankizy hanao hoe mpamovo (mpihaza trondro) na mpihaza. Hazavao fa ny mpamovo sy ny mpihaza ao amin’io andininy io dia afaka maneho ny misiônera. Asao ireo ankizy hanao hoe misiônera. Inona no ataon’ny misiônera? Ahoana no hahafahantsika manampy azy ireo?

  • Mamorona kilalao fampitovian-javatra amin’ny fampiasana ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity. Rehefa misy ankizy mahita sary mitovy dia resaho ny zavatra asehon’izany sary izany fa azontsika atao mba hanampiana ny zanaky Ray any An-danitra hiverina any Aminy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Jeremia 1:4–19

Ny mpaminany dia nantsoina mba hilaza ny tenin’ ny Tompo.

Ahoana no hanampianao ireo ankizy hanamafy orina ny finoana sy ny fahatakaran’izy ireo ny andraikitry ny mpaminany ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra?

Asa atao azo tanterahina

  • Misafidiana teny manan-danja vitsivitsy avy ao amin’ny Jeremia 1 izay mampianatra fahamarinana manan-danja momba ny mpaminany, toy ny andininy 5, 7, 10, ary 19. Asao ny ankizy tsirairay haka andininy iray sy hamaky izany ary hizara ny zavatra ianarany momba ny mpaminany avy amin’ilay andininy. Manasà ankizy vitsivitsy hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny fanarahana ny mpaminany.

  • Manehoa sarin’ny mpaminany velona, ary miaraha mihira hira iray momba ny mpaminany, toy ny “Araho hatrany ny Mpaminany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 58). Ampio ireo ankizy hanao lisitri’ireo zavatra izay nangatahin’ny mpaminany hataontsika. Misafidiana hafatra iray tamin’ny fihaonambe vao tsy ela, ary ampio ireo ankizy hitady torohevitra ao amin’ilay hafatra. Ahoana no anarahantsika ny mpaminany? Ifanakalozy hevitra ny fomba hanampian’ny torohevitry ny mpaminany antsika hanaraka bebe kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Anontanio ireo ankizy ny fomba hanazavany amin’ny namana ny antony maha fitahiana ny fananana mpaminany velona (jereo ny Fanekem-pinoana 1:6,9). Asao ireo ankizy hizara ny fahatsapany momba ny mpaminany velona.

Jeremia 16:14–15

Afaka ny ho isan’ny mpandray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely aho.

Ny hafatra momba ny fanangonana an’i Isiraely hita ao amin’ny Jeremia 16:14–15 dia mety hanolotra fahafahana lehibe hiresahana amin’ireo ankizy momba ny asa fitoriana sy ny asa fanaovana tantaram-pianakaviana. Fomba iray ahafahantsika “hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra” izany (Môzià 18:9).

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho mamaky ny Jeremia 16:14, ary angataho ireo ankizy mba hizara antsimpirian-javatra izay tsaroany momba ny fomba nataon’ny Tompo “nitondra ny Zanak’ Isiraely niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta” (jereo ny Eksodosy 14). Asao izy ireo hamaky ny Jeremia 16:15 mba hahitana ny tranga izay nolazain’i Jeremia fa hotsaroana mihoatra izany. Hazavao fa naely patrana manerana ny tany i Isiraely, saingy nampanantena Andriamanitra ny hanangoana azy ireo indray hiverina Aminy sy ho ao amin’ny Fiangonany. Izany no antsoina hoe fanangonana an’i Isiraely. Inona no mampitovy izany amin’ny fanafahana olona amin’ny fanandevozana?

  • Zarao ity zavatra nolazain’ny Filoha RussellM. Nelson ity: “Isaky ny manao zavatra izay hanampy olona amin’ny andanin’ny voaly anankiroa ianao, hanao dingana mitondra any amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy handray ireo ôrdônansin’ny batisa sy ny tempoly manan-danja, dia manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely izay ianao.” Nelson sy WendyW. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora, 3 jona 2018] fanampin-dahatsoratra ao amin’ny New Era sy Ensign, 15 aogositra 2018, ChurchofJesusChrist.org). Ahoana no ahafahantsika manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely?

  • Miaraha mihira hira iray momba ny asa fitoriana ny filazantsara, toy ny “Maniry hanao asa fitoriana aho” na ny “Voantso hanompo” (Bokin-kiran’ny ankizy, 91, 94). Anontanio ny ankizy ny zavatra ianarany avy amin’ilay hira momba ny antony hisafidianan’ny olona iray hanao asa fitoriana.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ireo ankizy hitondra mody ny tahadikan’ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity ary hilalao ilay kilalao fampitoviana miaraka amin’ny fianakaviany. Amporisiho izy ireo hiresaka amin’ny fianakaviany momba ny ny fomba nitahian’ny asa fitoriana azy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy hamantatra ny Fanahy. Ny mozika masina matetika dia manasa ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Rehefa miaraka mihira amin’ireo ankizy ianao dia makà fotoana hanampiana azy ireo hahafantatra ireo fahatsapana ara-panahy izay manamafy ny fahamarinan’ny zavatra ianarany.