Testamenta Taloha 2022
17–23 ôktôbra. Jeremia 30–33; 36; Fitomaniana 1; 3: “Hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany”


“17–23 ôktôbra. Jeremia 30–33; 36; Fitomaniana 1; 3: -Hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“17–23 ôktôbra. Jeremia 30–33; 36; Fitomaniana 1; 3,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
sary sokitra an’i Jeremia mpaminany

Ny fitomanian’i Jeremia mpaminany, avy amin’ny sary sokitra iray eo amin’ny Nazarene School

17–23 ôktôbra

Jeremia 30–33; 36; Fitomaniana 1; 3

“Hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany”

Ny bokin’ny Jeremia sy ny Fitomaniana dia mety ho sarotra takarin’ireo ankizy, saingy mbola afaka mianatra lesona avy amin’ireo fitsipika ampianarina ao amin’ireo boky ireo ny kilasinao. Inona no no tsapanao fa tokony hozarainao?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mizarà Baiboly amin’ireo ankizy. Eo am-pihazonan’ireo ankizy ilay boky dia angataho izy ireo hizara zavatra tian’izy ireo momba ny Testamenta Taloha, mety hoe fitsipika iray na tantara iray tena tiany izay niarany avy amin’izany tany an-trano na tany am-piangonana.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Jeremia 31:3

Tia Ahy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Ny fahatsapana ilay “fitiavana mandrakizay” ananan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia hanampy ireo ankizy ampianarinao hanatona Azy ireo kokoa.

Asa atao azo tanterahina

  • Manehoa zavatra vitsivitsy (na sarin-javatra) izay maharitra sy zavatra tsy maharitra, toy ny vola vy sy voankazo iray. Anontanio an’ireo ankizy izay maharitra kokoa, ary ifanakalozy hevitra hoe nahoana ny zavatra sasany no maharitra kokoa noho ny hafa. Vakio ny Jeremia 31:3, dia ampio ireo ankizy hahatakatra fa ny fitiavana ananan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho azy ireo dia “mandrakizay.”

  • Angataho ireo ankizy hizara ny fomba nanehoan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy “famindrampo” tamin’izy ireo (Jeremia 31:3). Mba hanomezana hevitra ireo ankizy dia mihirà hira iray momba ny fitiavan’ Izy ireo antsika, toy ny “Tia ahy ny Ray any An-danitra” na ny “Ny fitiavany dia natolony ho ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 16, 42) Raha azo atao dia manehoa sarin’ireo zavatra voalaza ao amin’ilay hira. Ahoana no fahatsapantsika rehefa mieritreritra momba ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika?

Sary
ankizivavy mandalina ny soratra masina

Afaka mitaona antsika hibebaka sy hitodika any amin’ny Tompo ny soratra masina.

Jeremia 36:1–4

Ny soratra masina dia tenin’ Andriamanitra.

Nilaza tamin’i Jeremia ny Tompo mba hanoratra ny teniny, dia voatahiry ho antsika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny asa soratr’i Jeremia. Ampio ireo ankizy hanana fitiavana lalina kokoa ny soratra masina, izay ahitantsika ny tenin’ Andriamanitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Manasà ankizy iray hanao hoe Jeremia izy, ary asao ireo ankizy hafa hanao hoe Baroka. Ampio ilay ankizy maka ny toeran’i Jeremia mba hilaza teny avy ao amin’ny Jeremia 36:3 raha toa mody manao hoe manoratra izany ny hafa, tahaka ny nataon’i Baroka. Mijoroa ho vavolombelona fa ny soratra masina ankehitriny no “tenin’i Jehovah” (Jeremia 36:4) izay nangatahiny hosoratan’ireo mpaminany.

  • Manehoa bokin’ny ankizy sy tahadikan’ny soratra masina, ary angataho ireo ankizy hiresaka momba ny maha samy hafa ny fandraisana naoty sy ny boky. Inona no mampiavaka ny soratra masina? Ampio ireo ankizy hahatakatra fa ny soratra masina dia tenin’ Andriamanitra izay nosoratan’ireo mpaminany, tahaka ny bokin’ny Jeremia izay mirakitra ny zavatra nolazain’ Andriamanitra mba hosoratan’i Jeremia.

Jeremia 36:4–10

Afaka mizara ny zavatra ianarako ao amin’ny soratra masina aho.

Mety mahataona olona maro amin’ny manodidina azy ny ankizy. Tahaka an’i Baroka dia afaka mizara amin’ny hafa ny zavatra ianaran’izy ireo ao amin’ny soratra masina izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hanao zavatra izay mifanaraka amin’ireo teny eo am-pamakianao (na eo am-pamintinanao) ny Jeremia 36:4–10, toy ny mody manao hoe manoratra ao anatina boky (jereo ny andininy 4), mihazona tsivalam-by amin’ny fonja (jereo ny andininy 5), ary mamaky soratra masina amin’ny vahoaka (jereo ny andininy 8, 10). Hamafiso fa i Baroka dia nanana ny herim-po hamaky ny tenin’i Jeremia tamin’ny vahoaka, na dia tsy tian’ireo mpitarika tao Jerosalema hanao izany aza izy. Ampio ireo ankizy hahatsiaro zavatra izay nianarany tao amin’ny Testamenta Taloha ary hieritreritra fomba ahafahany mizara izany amin’ny hafa.

  • Mihirà hira iray mikasika ny soratra masina, toy ny “Mandalina, misaintsaina, ary mivavaka” (Bokin-kiran’ny ankizy, 66). Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny soratra masina, ary asao ireo ankizy hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo koa.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Jeremia 31:31–34; 32:38–41

Afaka mitandrina ireo fanekempihavanako tamin’ Andriamanitra aho.

Ny fampianaran’i Jeremia momba ilay fanekempihavanana vaovao sady mandrakizain’ny Tompo dia afaka manampy ireo ankizy ampianarinao hanana faniriana mafimafy kokoa hitandrina ny fanekempihavanana nataon’izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Manaova sarina fo eny amin’ny solaitrabe, dia asao ny antsasaky ny ankizy hamaky ny Jeremia 31:31–34 ary ny antsasany iray hafa hamaky ny Jeremia 32:38–41. Asao ireo vondrona hanoratra ao amin’ilay fo ireo zavatra izay nianarany avy tamin’ireo andininy nomena azy ireo momba ny fanekempihavanana ataontsika amin’ Andriamanitra. Inona no maha samy hafa ny fanoratana ao am-po ny lalàn’ Andriamanitra (jereo ny Jeremia 31:33) sy ny famakiana fotsiny izany ao amin’ny soratra masina? Nahoana isika no mila manao fanekempihavanana amin’ny Tompo? Nahoana Izy no te hanao fanekempihavanana amintsika?

  • Mba hijerena ireo fanekempihavanana ataontsika rehefa atao batisa isika dia asao ireo ankizy hanao tabilao misy tsivalana roa eo amina taratasy iray ka asiana ny lohateny hoe Ireo fampanantenako sy hoe Ireo fampanantenan’ Andriamanitra. Asaivo fenoin’izy ireo ilay tabilao amin’ny alalan’ny fampiasana ny Mozià 18:10, 13 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37. Asao ireo ankizy haneho izany taratasy izany any an-trano mba hanampy azy ireo hahatsiaro ny hitandrina ny fanekempihavanana nataon’izy ireo.

Jeremia 36

Ny soratra masina dia tenin’ Andriamanitra.

Ny tantara ao amin’ny Jeremia 36 dia afaka manampy ireo ankizy hianatra avy amin’ireo ohatra ana olona izay nanaiky ny tenin’ny Tompo ao amin’ny soratra masina.

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana ireto: Nahoana? Iza no nanome lanja ny soratra masina? Iza no tsy nanome lanja? Iaraho mamaky ny Jeremia 36:1–3, dia anontanio ny ankizy hoe nahoana ny Tompo no naniry ny hanoratan’i Jeremia ny teniny. Avy eo dia asaivo miara-miasa tsiroadroa ireo ankizy mba hamaky ny Jeremia 36:5–8, 20–25 ka hamantatra hoe iza no naneho fa nanome lanja ny soratra masina ary iza no tsy nanao izany. Miresaha momba ny antony anomezanao lanja ny soratra masina. Mizarà andinin-tsoratra masina na tantara iray izay tena manan-danja manokana aminao. Asao ihany koa ireo ankizy mba hizara.

  • Asao ireo ankizy mba hampiasa ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hanao fanazarana mifampizara ny tantara ao amin’ny Jeremia 36. Asao izy ireo hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny soratra masina.

Fitomaniana 1:1–2,16; 3:22–26

Nataon’ny Mpamonjy izay ahafahako ho voavela amin’ny fahotako.

Araka ny faritan’ny bokin’ny Fitomaniana amin’ny fomba kanto dia matetika isika no mahatsapa alahelo rehefa manota. Ireo fahatsapana ireo dia mety hitaona antsika hiova sy hangataka famelana amin’ny Ray any An-danitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Hazavao amin’ireo ankizy fa satria tsy nibebaka ireo Isiraelita dia ho rava i Jerosalema sy ny tempoly tao. Angataho ireo ankizy mba hiresaka momba ny mety ho fahatsapana nananany raha toa ka niaina tao Jerosalema izy ireo tamin’izany andro izany. Iaraho vakiana ny Fitomaniana 1:1–2, 16. Teny sy andian-teny inona ao amin’ireo andininy ireo no manampy antsika hahatakatra ny mety ho fahatsapana nananan’ireo Isiraelita? Tamin’ny fomba ahoana no mety nanomezan’ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny Fitomaniana 3:22–26 fampanantenana azy ireo?

  • Angataho ireo ankizy hieritreritra momba ny fotoana iray izay nahatsapan’izy ireo alahelo noho ny safidy ratsy nataony. Inona no hitany ao amin’ny Fitomaniana 3:22–26 izay manampy azy ireo hahafantatra fa ny Tompo dia vonona ny hamela azy ireo?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ireo ankizy mba hangataka ny olona ao amin’ny fianakaviany mba hizara traikefa mifandray amin’ireo fitsipika ianaranareo ao an-dakilasy. Ohatra, rehefa nifanakalo hevitra momba ny soratra masina ianareo, dia afaka mangataka olona iray ao amin’ny fianakaviana ireo ankizy mba hizara ny fahafantarany momba ny fahamarinan’ny soratra masina.

Manatsara ny fampianarantsika

Sariho ny fifantohan’ireo ankizy. Azonao atao ny mieritreritra fomba tsara hamporisihana ny ankizy kely mba handray anjara. Ohatra: mampiasa sary, hira, kilalao, ary zavatra atao hafa.