“Daniela sy ny lavaky ny liona,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)
“Daniela sy ny lavaky ny liona,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha
Daniela 6
Daniela sy ny lavaky ny liona
Herim’pon’olona iray mba hivavaka
Lasa mpanapaka tao Babylona i Dariosy. Tia an’i Daniela izy ary naniry ny hanao azy ho mpitarika tao amin’ny fanjakana rehetra. Nialona ny olon-kendrin’ny mpanjaka sasany.
Daniela 6:1–4
Fantatr’ireo olon-kendry fa nivavaka tamin’ Andriamanitra i Daniela, koa dia nofitahin’izy ireo ny mpanjaka hanao lalàna vaovao. Izay rehetra mivavaka amin’ Andriamanitra dia hatsipy any an-davaky ny liona.
Daniela 6:5–9
Nisafidy ny hivavaka tamin’ Andriamanitra hatrany anefa i Daniela. Nahita an’i Daniela nivavaka ireo olon-kendry ary nilaza tamin’ny mpanjaka fa nandika ny lalàna i Daniela. Fantatry ny mpanjaka fa namitaka azy ireo olon-kendry. Niezaka nitady fomba hanavotana an’i Daniela izy saingy tsy maintsy nanaraka ny lalàny ilay mpanjaka.
Daniela 6:10–15
Natsipy tao an-davaky ny liona i Daniela. Tsy natory ny mpanjaka nandritra ny alina manontolo, nifady hanina mba hahavoaro an’i Daniela.
Daniela 6:16–18
Vao maraina ny ampitson’io dia nandeha faingana tao amin’ny lavaky ny liona ny mpanjaka. Niantso an’i Daniela izy mba hahita raha toa mbola velona izy. Namaly i Daniela! Nilaza tamin’ny mpanjaka izy fa nandefa anjely Andriamanitra hanakatona ny vavan’ny liona. Tsy nandratra azy ireo liona.
Daniela 6:19–23
Faly ny mpanjaka fa tsy naninona i Daniela. Nosaziany ireo olon-kendry izay namitaka azy ary nofoanany ilay lalàna. Nampianatra ny fanjakany momba ny herin’ Andriamanitra izy.
Daniela 6:23–27