“Davida Mpanjaka,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)
“Davida Mpanjaka,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha
1 Samoela 18–19; 31; 2 Samoela 1; 5; 11–12
Davida Mpanjaka
Ny ahiahin’ny mpanjaka iray
Talanjona tamin’ny nandresen’i Davida an’i Goliata i Saoly, mpanjakan’ Isiraely. Nataon’i Saoly mpitarika ny tafiny i Davida.
1 Samoela 18:5
Tia ny Tompo i Davida ary naniry mandrakariva ny hanao ny marina. Tia an’i Davida ny vahoakan’ Isiraely.
1 Samoela 18:6–7
Lasa nialona i Saoly ary nanandrana namono an’i Davida. Saingy nanaraka ny Tompo i Davida ka narovan’ny Tompo tamin’i Saoly izy.
1 Samoela 18:6–16; 19:1
Niady tamin’ny ady maro ny Isiraelita. Indray andro dia maty tany amin’ny ady i Saoly sy ny zanany lahy. Tian’i Davida izy ireo ary nalahelo mafy izy noho ny fahafatesan’izy ireo. Nila mpanjaka vaovao ny Isiraelita. Nifidy an’i Davida ny Tompo mba ho mpanjaka. Faly ny olona.
1 Samoela 31:2–6; 2 Samoela 1:11–12; 5:1–5
Nitahy an’i Davida mpanjaka ny Tompo ary nitarika azy. Niaraka tamin’ny fanampian’ny Tompo dia nandresy ny fahavalony ny miaramilan’i Davida.
2 Samoela 5:6–10, 17–25
Indray andro raha tokony nandeha niady i Davida dia nijanona tao an-trano izy. Nahita vehivavy tsara tarehy izy. Batseba no anarany ary naniry ny hanambady azy i Davida. Saingy efa nanambady an’i Oria izy, miaramila iray tao amin’ny tafik’i Davida.
2 Samoela 11:1–3
Naniry ny hanambady an’i Batseba i Davida, koa nalefany nandeha an’ady sarotra i Oria mba ho faty.
2 Samoela 11:4–17
Tsy ela i Davida dia nahare fa maty an’ady i Oria. Nandefa ny mpanompony i Davida mba hitondra an’i Batseba tao an-tranony dia novadiany izy.
2 Samoela 11:24, 26–27
Saingty tsy faly tamin’ny zavatra nataon’i Davida ny Tompo. Nandefa an’i Natana, mpaminany iray, ny Tompo mba hilaza amin’i Davida ny hamafin’ny fahotana nataony. Nalahelo be i Davida noho ny zavatra nataony an’i Oria sy i Batseba. Nivavaka sy nifady hanina izy mba hahazo famelan-keloka avy amin’ny Tompo.
2 Samoela 11:27; 12:1–13