“Ny tilikambon’i Babela,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)
“Ny tilikambon’i Babela,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha
Genesisy 11
Ny tilikambon’i Babela
Olona miezaka manamboatra lalana hiakarana any an-danitra
Taorian’ilay safodrano dia nanomboka tsy nankatò an’ Andriamanitra ny olona. Tsy nino ny drafitr’ Andriamanitra ny sasany tamin’izy ireo. Tsy niera tamin’ Andriamanitra izy ireo fa avy dia nanorina tilikambo mba hahatongavana any an-danitra. Tempoly sandoka nantsoina hoe ny Tilikambon’i Babela izany.
Genesisy 11:4, 9
Tsy nahafaly an’ Andriamanitra ny nananganan’ny olona tilikambo. Novainy ny fitenin’izy ireo mba tsy hifankahazoan’izy ireo resaka. Noho izy ireo tsy nifankahazo resaka dia tsy maintsy nampitsahatra ny fanorenana ilay tilikambo.
Genesisy 11:6–8; Etera 1:33
Nampielezin’ Andriamanitra ireo olona ary nalefany mba hipetraka manerana ny tany.
Genesisy 11:9