“Hagara,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)
“Hagara,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha
Genesisy 16
Hagara
Ny drafitry ny Tompo ho an’ny zanany vavy
Mpanompon’i Saraha i Hagara. Antitra i Saraha ary tsy nanan-janaka. Nasainy naka vady an’i Hagara i Abrahama vadiny mba hananan’izy ireo zanaka. Nivady i Abrahama sy i Hagara, ary vetivety taorian’izay dia nitondra vohoka i Hagara.
Genesisy 16:1–3
Nanomboka tsy nifankahazo i Hagara sy i Saraha. Nisafidy ny handositra tany an-tany foana i Hagara.
Genesisy 16:4–6
Nanjary reraka mafy sy nangetaheta i Hagara tany am-pandehanany tany. Nony farany dia tonga teo amin’ny toerana iray nisy loharano izy ka naka aina teo.
Genesisy 16:7
Nahafantatra ny olana nianjady tamin’i Hagara ny Tompo ka dia namolavola drafitra hanampiana azy. Naniraka anjely izy mba hiangavy azy hiverina tany amin’i Abrahama sy i Saraha. Nampanantena izy fa hihamaro ny fianakavian’i Hagara. Nilaza izy fa zazalahy ilay zaza izay haterak’i Hagara ary ho ataon’i Hagara hoe Ismaela no anarany.
Genesisy 16:7–14
Natoky ny Tompo i Hagara ka dia nanaraka ny tenin’ilay anjely. Niverina tany amin’i Abrahama sy i Saraha izy. Niteraka ilay zanany lahy i Hagara, ary Ismaela no anarany. Fantatr’i Hagara fa niahy azy ny Tompo.
Genesisy 16:11, 15