“Mpaminany Elia,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha (2022)
“Mpaminany Elia,” Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha
1 Mpanjaka 16–18
Mpaminany Elia
Finoan’ny reny iray sy fahagagana avy amin’ny Tompo
Tsy nisy orana tao amin’ny fanjakan’i Isiraely, ary efa ho lany ny rano. Tsy tia ny mpaminanin’ Andriamanitra i Ahaba mpanjaka sy i Jezabela mpanjakavavy. Novonoin’izy ireo mihitsy aza ny mpaminany sasany. Nivavaka tamin’ny sampy ilay mpanjaka sy manjakavavy mba hiavian’ny orana. Saingy nilaza tamin’izy ireo i Elia mpaminany fa tsy handefa orana mandritra ny taona maro ny Tompo.
1 Mpanjaka 16:29–33; 17:1; 18:13
Tezitra mafy tamin’i Elia ilay mpanjaka sy mpanjakavavy. Nampitandrina an’i Elia ny Tompo mba hiafina satria tandindomin-doza ny ainy.
1 Mpanjaka 17:2–3
Nentin’ny Tompo teo amin’ny rano iray i Elia ary nandefa vorona izy hitondra hanina ho azy. Saingy satria tsy nisy orana dia maina ilay rano ka tsy nanana rano i Elia.
1 Mpanjaka 17:4–7
Nentin’ny Tompo tamina vehivavy iray tany amin’ny tanàna lavitra iray i Elia. Nangataka rano sy mofo taminy i Elia. Saingy ny ampy ho an’ny tenany sy ny an’ny zanany mandritra ny andro iray ihany no nanany.
1 Mpanjaka 17:8–12
Fantatr’i Elia fa izany no mba hanina sisa nananany. Nampanantena izy fa raha toa ka omeny hanina izy dia hanome sakafo ho azy sy ny fianakaviany ny Tompo mandrapiverin’ny orana.
1 Mpanjaka 17:13–14
Nanao mofo ho an’i Elia ilay vehivavy. Dia nitombo ny diloilo sy ny kobany! Nisy sakafo ampy ho an’i Elia sy ho azy tao nandritra ny andro maromaro.
1 Mpanjaka 17:15–16
Indray andro dia narary ny zanak’ilay vehivavy ka maty. Nanontany an’i Elia izy hoe nahoana no navelan’ny Tompo hitranga izany.
1 Mpanjaka 17:17–20
Nanana ny fisoronana i Elia. Nitsodrano ilay zanany izy ary nangataka ny Tompo mba hamerina indray ny ainy. Niaina indray ilay zaza ary nahafantatra ilay vehivavy fa mpaminan’ny Tompo i Elia.
1 Mpanjaka 17:21–24