Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
I Jesoa Kristy mandrakariva no valiny
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2023


I Jesoa Kristy mandrakariva no valiny

Na inona na inona fanontaniana na olana anananareo, ny valiny dia hita mandrakariva ao amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany.

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, novokisana ara-panahy isika nandritra izay roa andro lasa izay. Tena kanto ny hiran’ny amboaram-peo. Fitaovana nampiasain’ny Tompo ireo izay nandaha-teny. Mivavaka aho ny hikatsahanareo ny Fanahy Masina mba ho mpitarika anareo ao anatin’ny fandalinanareo rehefa mandinika ireo fahamarinana nampianarina avy teto amin’ity polipitra ity ianareo. Tena avy any an-danitra izy ireny.

Afaka herinandro androany ny Alahadin’ny Paska. Izany no fotoana fanatanterahana fombafomba ara-pivavahana manan-danja indrindra ho an’ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy. Ny antony lehibe indrindra ankalazantsika ny Krismasy dia noho ny Paska. Ny lesona ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy amin’ity herinandro ity dia hamporisika anao handalina ny fidiran’i Jesoa Kristy tamim-boninahitra tao Jerosalema, ny fanadiovany ny tempoly, ny fijaliany tao amin’ny Saha Getsemane, ny fanomboana azy, sy ny Fitsanganany tamin’ny maty tamim-boninahitra ary ny fisehoany tamin’ireo mpanara-dia azy taorian’izay.1

Ankafizo ireo andinin-tsoratra masina ireo ary tadiavo ny fomba rehetra ahafahanareo misaotra ny Ray any An-danitra noho ny nandefasany ny Zanany Lahitokana.2 Noho i Jesoa Kristy dia afaka mibebaka sy afaka ny ho voavela amin’ny fahotantsika isika. Noho Izy dia hitsangana amin’ny maty ny tsirairay avy amintsika.

Manasa anao koa aho mba handalina indray ny tantaran’ny fisehoan’ny Mpamonjy tamin’ireo Nefita tany Amerika araka ny voarakitra ao amin’ny 3 Nefia. Fotoana fohy talohan’ny nisehoany dia re teo anivon’ny vahoaka ny feony, ka tafiditra tao anatin’izany ireto teny feno fitalahoana ireto:

“Tsy mba te hiverina Amiko va ianareo sy hibebaka amin’ny fahotanareo, ary hiova fo hahazoako manasitrana anareo?

“… Indro, ny sandrin’ny famindram-poko dia mitsotra aminareo, ary na zovy na zovy no ho avy, dia izy no horaisiko.”3

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, manolotra anareo io fanasana io i Jesoa Kristy amin’izao fotoana izao. Miangavy anareo aho mba hanatona Azy mba hahafahany manasitrana anareo! Hanasitrana anareo amin’ny fahotana Izy rehefa mibebaka ianareo. Hanasitrana anareo amin’ny alahelo sy ny tahotra Izy. Hanasitrana anareo amin’ireo fahoriana iainana mandritra ity fiainana ity Izy.

Na inona na inona fanontaniana na olana anananareo, ny valiny dia hita mandrakariva ao amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany. Mianara misimisy kokoa momba ny Sorompanavotany, ny fitiavany, ny famindram-pony sy ny fotopampianarany ary ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny izay mitory fanasitranana sy fivoarana. Mitodiha any Aminy! Manaraha Azy!

I Jesoa Kristy no antony ananganantsika tempoly. Tranony masina ny tsirairay avy amin’izy ireny. Ny fanaovana fanekempihavanana sy ny fandraisana ireo ôrdônansy manan-danja any amin’ny tempoly ary koa ny fikatsahana ny hanaiky kokoa Azy any dia hitahy ny fiainanareo amin’ny fomba izay tsy vitan’izay mety ho karazam-pitsaohana hafa. Noho izany antony izany dia manao izay rehetra azonay atao izahay mba hahatonga ireo fitahian’ny tempoly ho mora azon’ireo mpikambana ao amintsika maneran-tany kokoa. Androany dia mahafaly ahy ny manambara ny drafitray mba hanangana tempoly vaovao any amin’ny tsirairay avy amin’ireto toerana manaraka ireto:

  • Retalhuleu, Guatemala

  • Iquitos, Pérou

  • Teresina, Brésil

  • Natal, Brésil

  • Tuguegarao City, Philippines

  • Iloilo, Philippines

  • Jakarta, Indonésie

  • Hamburg, Allemagne

  • Lethbridge, Alberta, Canada

  • San Jose, Californie

  • Bakersfield, Californie

  • Springfield, Missouri

  • Charlotte, Caroline du Nord

  • Winchester, Virginie

  • Harrisburg, Pennsylvanie

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, mijoro ho vavolombelona aho fa mitantana ny raharahan’ny Fiangonany i Jesoa Kristy. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fanarahana Azy no hany fomba ahazoana fasambarana maharitra. Fantatro fa ny heriny dia mirotsaka eo amin’ireo vahoakany mpitandrina fanekempihavanana, izay “nampirongoana … ho fiadiany [tamim-boninahitra lehibe] ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra.”4 Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho, omban’ny fitiavako sy ny tsodranoko ho anareo tsirairay avy, amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.