Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mpanara-dia an’ilay Andrian’ny Fiadanana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2023


Mpanara-dia an’ilay Andrian’ny Fiadanana

Rehefa miezaka mampivoatra ireo toetra tahaka ny an’ny Mpamonjy isika dia afaka ny ho tonga fitaovana hitondra ny fiadanany eto amin’izao tontolo izao.

Ho fahatanterahan’ny faminaniana nomena an’i Zakaria,1 dia niditra tamim-boninahitra tao amin’ilay Tanàna Masina i Jesoa nitaingina ampondra, izay raha araka ny literatiora dia “mariky ny maha mpanjaka jiosy”2, izay mifanaraka tokoa amin’ilay Mpanjakan’ny mpanjaka sy Andrian’ny fiadanana.3 Nohodidinin’ireo mpianatra maro be sady faly izay namelatra ny fitafian’izy ireo sy ravin-drofia ary ravin-javatra hafa teny amin’ny lalana izay nolalovan’i Jesoa Izy. Nidera an’ Andriamanitra izy ireo ka nilaza tamin’ny feo mafy hoe: “Isaorana anie ny Mpanjaka, Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah. Fiadanana any an-danitra, ary voninahitra any amin’ny avo indrindra.”4 Ary koa: “Hosana ho an’ny Zanak’i Davida! Isaorana anie Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah! Hosana any amin’ny avo indrindra.”5 Io fotoana manetriketrika io, izay ankalazaintsika amin’ity andro ity ka fantatra amin’ny hoe Alahadin’ny sampankazo, dia santatra feno fifaliana an’ireo trangan-javatra mampahory izay hiseho nandritra ilay herinandro nangirifiry niafara tamin’ilay sorona tsy misy tambiny nataon’ny Mpamonjy sy ilay fahagagana mahatalanjon’ny nahafoana ny fasana.

Amin’ny maha mpanara-dia Azy antsika, dia olona nalainy manokana isika, voantso hanambara ny hatsarany,6 mpandala ny fiadanana izay natolotra tamim-pahalalahan-tanana tamin’ny alalany sy ny sorompanavotany. Izany fiadanana izany dia fanomezana nampanantenaina an’ireo rehetra izay mampitodika ny fony amin’ny Mpamonjy sy miaina amim-pahamarinana. Izany fiadanana izany dia manome antsika ny hery hankafizana ny fiainana an-tany ary manome fahafahana antsika haharitra ireo fitsapana mangirifiry eo amin’ny diantsika.

Tamin’ny 1847 ny Tompo dia nanome torolalana manokana ho an’ireo Olomasina mpamaky lay izay nila fiadanana mba hijanonana ho tony sy hiray saina rehefa niatrika olana tsy nampoizina tamin’ny dian’izy ireo niankandrefana. Ankoatra ny zavatra hafa dia nampianatra ny Olomasina ny Tompo hoe: “Atsaharo ny fifandiranareo; atsaharo ny mifampiteny ratsy.”7 Ny soratra masina dia manamafy fa ireo izay manao ny asan’ny fahamarinana sy miezaka mandeha amin’ny fahalemem-panahin’ny Tompo dia ampanantenaina ny fiadanana izay ilainy mba ho tafavoaka velona amin’ireo andro feno korontana izay iainantsika ankehitriny.8

Amin’ny maha mpianatr’ilay Andrian’ny Fiadanana antsika, dia nomena toromarika isika mba hiaina amin’ny “[fo] mifamihina ao amin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiavana [amintsika samy isika].”9 Ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Russell M. Nelson, dia nilaza vao haingana hoe: “Manohitra ny zavatra rehetra ijoroan’ny Mpamonjy sy izay nampianariny ny disadisa sy ny fifandirana ary ny ady.”10 Niangavy ihany koa ny mpaminanintsika mba hanaovantsika izay rehetra azontsika atao hampitsaharana ireo fifandirana an’ny tena manokana izay mirongatra ao am-pontsika sy eo amin’ny fiainantsika.11

Andeha hodinihantsika ireo fitsipika ireo amin’ny fomba fijerin’ny fitiavana madion’i Kristy ho antsika, izay katsahintsika hananana eo anivontsika, amin’ny maha mpanara-dia Azy antsika. Ny soratra masina dia mamaritra io karazana fitiavana io amin’ny hoe fiantrana.12 Rehefa mieritreritra momba ny fiantrana isika, dia matetika ny saintsika mitodika any amin’ireo asa sy fanomezana feno fahalalahan-tanana hanamaivanana ny fijalian’ireo izay miatrika olana ara-batana, na ara-nofo, na ara-pihetseham-po. Na izany aza, ny fiantrana dia tsy mifandray amin’ny zavatra atolotsika ho an’ny olona fotsiny ihany, fa toetran’ny Mpamonjy izany ary mety ho lasa isan’ny toetrantsika ihany koa. Tsy mahagaga raha nandidy antsika ny Tompo mba hampitafy eo amin’ny tenantsika ny famatoran’ny fiantrana, “dia ny famatoran’ny fahatanterahana sy ny fiadanana izany.”13 Raha tsy misy ny fiantrana dia tsinontsinona isika14 ary tsy afaka mandova ilay toerana nomanin’ny Tompo ho antsika ao amin’ny tranon’ny Raintsika any An-danitra isika.15

Nasehon’i Jesoa tamin’ny fomba tonga lafatra ny fananana an’io famatoran’ny fahatanterahana sy ny fiadanana io, indrindra rehefa niatrika ireo zava-nitranga tena nampahory nialoha ny namonoana Azy Izy. Eritrereto kely ange ny zavatra tsy maintsy ho tsapan’i Jesoa rehefa nanasa tamim-panetrentena ny tongotry ny mpianany Izy, ka nahafantatra fa hamadika Azy ny iray amin’izy ireo ny alin’io ihany.16 Na tamin’ny nanasitranan’i Jesoa tamin’ny fomba feno famindram-po ny sofin’ny iray tamin’ireo lehilahy niaraka tamin’i Jodasy, ilay mpamadika Azy, izay hisambotra Azy.17 Na koa tamin’ny niampangan’ireo lohan’ny mpisorona sy loholona tsy ara-drariny ny Mpamonjy teo anatrehan’i Pilato, izay tsy mba namoahan’i Jesoa teny akory hanoherana ny fiampangana lainga Azy, izay nampitolagaga tokoa ilay governora Romana.18

Tamin’ny alalan’ireo tranga telo nampalahelo ireo dia nampianatra antsika tamin’ny alalan’ny ohatra nasehony ny Mpamonjy, na dia novesaran’alahelo sy adin-tsaina tafahoatra aza, fa “ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; … tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, [ary] tsy manao otri-po.”19

Lafiny iray hafa manan-danja tokony hamafisina, ary iray izay misy fiantraikany mivantana amin’ny maha mpanara-dia antsika sy ny fomba handalantsika ny fiadanan’ny Mpamonjy, dia ny fomba fifampitondrantsika amin’isika samy isika. Nandritra ny asa fanompoany tety an-tany, ny fampianaran’ny Mpamonjy dia tena nifantoka—ary nifantoka manokana—tamin’ireo hasina, dia ny fitiavana, ny fiantrana, ny faharetana, ny fanetrentena, ary ny fangorahana—izay toetra fototra ho an’ireo izay te hanakaiky kokoa Azy sy handala ny fiadanany. Fanomezana avy amin’ Andriamanitra ireo toetra ireo, ary rehefa miezaka ny hampivelatra azy ireo isika dia hanomboka hahita ny tsy fitoviana sy ny fahalemen’ireo mpiara-belona amintsika amin’ny fo miara-miory kokoa, sy feno fiombonana kokoa, sy feno fanajana kokoa, ary feno fandeferana kokoa isika. Iray amin’ireo famantarana miharihary indrindra fa manakaiky kokoa ny Mpamonjy isika sy lasa tahaka Azy kokoa, dia ny fomba feno fitiavana sy faharetana ary hatsaram-panahy izay itondrantsika ny mpiara-belona amintsika, na inona na inona toe-javatra misy.

Matetika isika no mahita olona manao fanehoan-kevitra manaratsy sy manevateva mihitsy aza momba ny toetra sy ny fahalemena ary ny hevitra tsikaritra eny amin’ny hafa, indrindra indrindra rehefa tsy mitovy na mifanohitra amin’ny zavatra ataony sy ny fomba fisainany izany toetra sy hevitra izany. Tena mazàna loatra ny mahita ireo olona ireo mampita fanehoan-kevitra toy izany amin’ny hafa, izay mamerina ny zavatra henony nefa tsy mahafantatra marina ny zava-misy rehetra manodidina ny toe-javatra iray. Indrisy anefa fa dia mandrisika ity karazana fitondran-tena ity ny tambajotran-tserasera satria hoe samy manana ny fahamarinany ny tsirairay sy noho ny hoe mangarahara. Tsy misy famerana, ny resadresaka nomerika dia matetika mahatonga ny olona hanao fanafihana manokana sy fifandirana mahamay, izay miteraka fahakiviana, sy mandratra fo ary manely fankahalana miredareda.

Naminany i Nefia fa amin’ny andro farany ny fahavalo dia ho romotra sy hamporisika ny olona ho tezitra amin’izay tsara.20 Mampianatra ny soratra masina fa “ny zavatra tsirairay izay manainga sy mitaona hanao ny tsara sy ho tia an’ Andriamanitra ary hanompo Azy, dia avy amin’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra.”21 Etsy ankilany, “izay ratsy dia avy amin’ny devoly; fa ny devoly dia fahavalon’ Andriamanitra sy miady Aminy lalandava, ary manainga sy mitaona hanota, ary hanao izay ratsy lalandava.”22

Raha dinihana io fampianarana ara-paminaniana io, dia tsy mahagaga raha iray amin’ireo paik’ady ataon’ny fahavalo ny mamporisika ny fandrafiana sy ny fankahalana ao am-pon’ireo zanak’ Andriamanitra. Faly izy rehefa mahita olona mifampitsikera sy mifaneso ary mifanaratsy. Mety hanimba ny toetran’ny olona iray, sy ny lazany ary ny fatokian-tenany izany fitondran-tena izany, indrindra rehefa voatsaratsara tsy ara-drariny ilay olona. Zava-dehibe ny mampahafantatra fa rehefa avelantsika ho eo amin’ny fiainantsika io karazana toe-tsaina io, dia manome toerana ny fahavalo ao am-pontsika isika mba hamafy ny fifanolanana eo anivontsika, ka mety hahatafalatsaka antsika ao anatin’ny fandrika miredaredany.

Raha tsy mitandrina ny eritreritsika sy ny teny avoakantsika ary ny zavatra ataontsika isika, dia mety ho voafandriky ny hafetsen’ny fahavalo, ka hanimba ny fifandraisantsika amin’ireo olona manodidina antsika sy ireo olona akaiky ny fontsika.

Ry rahalahy sy ranabavy, amin’ny maha-vahoaka manokan’ny Tompo sy mpandala ny fiadanany antsika, dia tsy afaka ny hamela ireo hafetsen’ilay ratsy ireo hiditra ao am-pontsika isika. Tsy afaka hitondra izany enta-mavesatra manimba izany, izay mandrava fihetseham-po sy fifandraisana ary fiainana mihitsy, isika. Ny filazantsara dia maneho ny teny soa mahafaly.

Mazava ho azy fa tsy misy tonga lafatra isika, ary azo antoka fa misy fotoana voafitaka amin’izany karazana fitondran-tena izany. Ao anatin’ny fitiavany tonga lafatra sy ny fahalalany ny zavatra rehetra momba ny fironantsika olombelona, dia miezaka mandrakariva ny Mpamonjy hampitandrina antsika amin’ny loza toy izany. Nampianatra antsika Izy hoe: “Fa amin’ny fitsarana izay itsaranareo no hotsaraina ianareo; ary amin’ny famarana izay amaranareo no hamarana anareo indray.”23

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, rehefa miezaka mampivoatra ny toetra tahaka ny an’ny Mpamonjy isika dia afaka ny ho tonga fitaovana hitondra ny fiadanany eto amin’izao tontolo izao araka ny lamina izay Izy mihitsy no nanorina azy. Manasa anareo aho handinika ireo fomba ahafahantsika manova ny tenantsika ho olona mankahery sy manohana, olona izay manana fo mahatakatra sy mamela heloka, olona mijery ny tsara indrindra amin’ny hafa, ka hahatsiaro mandrakariva fa “raha misy zavatra mendrika, maha-te ho tia, tsara na mendri-piderana dia mikatsaka ireny zavatra ireny isika.”24

Mampanantena anareo aho fa rehefa mikatsaka sy mampivelatra ireo toetra ireo isika, dia ho lasa sariaka sy mora mahatsapa kokoa hatrany ny amin’ny filan’ny mpiara-belona amintsika25 ary hiaina fifaliana, sy fiadanana, ary fitomboana ara-panahy.26. Tsy isalasalana fa ho fantatry ny Tompo ny ezaka ataontsika ary hanome antsika ireo fanomezam-pahasoavana ilaintsika Izy mba ho be fandeferana sy hanam-paharetana bebe kokoa amin’ny tsy fitovian-kevitra sy ny fahalemena ary ny tsy fahatanterahan’ny tsirairay. Ankoatra izany dia ho afaka hanohitra kokoa ny faniriana ho tafintohina na hanafintohina ireo izay mandratra antsika isika. Tahaka ny nataon’ny Mpamonjy, ny faniriantsika hamela ireo izay manao ratsy antsika na miteny ratsy antsika dia azo antoka fa hitombo ary ho lasa isan’ny toetrantsika.

Enga anie isika anio, amin’izao Alahadin’ny sampankazo izao, hamelatra ny akanjom-pitiavantsika sy ny ravin-drofiantsika feno fiantrana, ka handeha eo amin’ny dian’ilay Andrian’ny Fiadanana eo am-piomanantsika amin’ny fankalazana ilay fahagagana mahatalanjon’ny nahafoana ny fasana amin’izao alahady ho avy izao. Amin’ny maha mpirahalahy sy mpirahavavy antsika ao amin’i Kristy dia andeha isika hanambara am-pifaliana hoe: “Hosana ho an’ny Zanak’i Davida! Isaorana anie Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah! Hosana any amin’ny avo indrindra.”27

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona i Jesoa Kristy ary ny fitiavany tonga lafatra, izay naseho tamin’ny alalan’ny sorompanavotany, dia atolotra ho an’ireo rehetra izay maniry ny hiaraka handeha Aminy sy hianoka ny fiadanany eto amin’ity tontolo ity sy any amin’ny tontolo ho avy. Lazaiko izany rehetra izany amin’ny anarana masin’ilay Mpamonjy sy Mpanavotra, dia i Jesoa Kristy, amena.