Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fanohanana ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2023


Fanohanana ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony

Ry rahalahy sy anabavy, fifaliana ho ahy ny hanolotra ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony ato amin’ny Fiangonana mba hotohananareo.

Miangavy anareo izahay mba haneho ny fanohananareo amin’ny fomba mahazatra na aiza na aiza mety misy anareo. Raha misy aminareo manohitra na iza na iza amin’ireo hatolotra eto, dia mangataka anareo izahay mba hifandray amin’ny filohan’ny tsatòkanareo.

Aroso amintsika ny hanohanana an’i Russell Marion Nelson amin’ny maha-mpaminany sy mpahita ary mpanambara azy ary Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany; Dallin Harris Oaks amin’ny maha-Mpanolotsaina Voalohany azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany; ary Henry Bennion Eyring amin’ny maha-Mpanolotsaina Faharoa azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Ireo izay manohana dia afaka maneho izany.

Ireo izay manohitra, raha misy, dia afaka maneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana an’i Dallin H. Oaks ho Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary i M. Russell Ballard ho Filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Ireo izay manohana aoka haneho izany.

Raha misy manohitra dia afaka maneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana ireto manaraka ireto ho mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: M. Russell Ballard, Jeffrey R. Holland, Dieter F. Uchtdorf, David A. Bednar, Quentin L. Cook, D. Todd Christofferson, Neil L. Andersen, Ronald A. Rasband, Gary E. Stevenson, Dale G. Renlund, Gerrit Walter Gong, ary Ulisses Soares.

Ireo izay manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra dia aoka haneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara.

Izay rehetra manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra, raha misy, dia aoka haneho izany koa.

Ireto Manampahefana Ambony manaraka ireto dia hisaorana amin’ny andraikiny sy ho aroso ho nahavita asa tamim-boninahitra, manan-kery ny 1 aogositra 2023: Loholona Benjamín De Hoyos, Juan A. Uceda ary Kazuhiko Yamashita.

Ireo izay maniry ny hiaraka aminay haneho fankasitrahana ho an’ireo rahalahy ireo sy ny vadin’izy ireo ary ny fianakavian’izy ireo noho ny asa fanompoana feno fandavantena vitan’izy ireo nandritra ny taona maro nanerana izao tontolo izao dia aoka haneho izany amin’ny fananganana tanana.

Ireto Fitopololahin’ny Vondromparitra manaraka ireto dia hisaorana amin’ny andraikitra ananan’izy ireo, manan-kery avy hatrany: J. Kimo Esplin and Alan T. Phillips.

Ireo izay maniry ny hiaraka haneho fankasitrahana aminay noho ny asa fanompoana tena tsara nataon’izy ireo, dia aoka haneho izany.

Anehoanay fankasitrahana ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra hafa izay hahavita ny asa fanompoan’izy ireo amin’ity taona ity, ny anaran’izy ireo dia hita ao amin’ny newsroom.ChurchofJesusChrist.org.

Ireo izay te-hiaraka aminay haneho fankasitrahana an’ireo rahalahy ireo noho ny asa fanompoana feno fahafoizan-tena nataon’izy ireo dia iangaviana haneho izany.

Manan-kery avy hatrany, hisaorantsika etoana ny Rahalahy isany Ahmad S. Corbitt sy Bradley Ray Wilcox izay manompo amin’ny maha Mpanolotsaina Voalohany sy Faharoa azy ireo ao amin’ny Fiadidianʼny Zatovolahy maneran-tany.

Ireo izay maniry ny haneho fankasitrahana ho an’ireo rahalahy ireo noho ny asa fanompoana nataon’izy ireo dia afaka maneho izany.

Narosonay mba hihatra amin’ny 1 Aogositra 2023 ny fisaorana ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany, araka izao manaraka izao: Bonnie H. Cordon tamin’ny naha-Filoha azy, Michelle D. Craig tamin’ny naha-Mpanolotsaina Voalohany azy ary i Rebecca L. Craven tamin’ny naha-Mpanolotsaina Faharoa azy.

Ireo rehetra izay te hiaraka aminay haneho fankasitrahana ho an’ireo rahavavy ireo noho ny asa fanompoana feno fahafoizantena nataon’izy ireo, dia aoka haneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana ireto manaraka ireto ho Fitopololahy Manampahefana Ambony: Ahmad S. Corbitt, Robert M. Daines, J. Kimo Esplin, Christophe G. Giraud-Carrier, ary i Alan T. Phillips.

Izay rehetra manohana dia aoka haneho izany.

Ireo izay manohitra, dia aoka haneho izany koa.

Marihinay fa Fitopololahin’ny Vondromparitra vaovao miisa 61 no notohanana nandritra ny fivoriana tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ho an’ny mpitarika tamin’ny alakamisy 30 martsa ary avy eo nambara tao amin’ny tranonkalan’ny Fiangonana.

Manasa anareo izahay hanohana ireo rahalahy ireo amin’ny andraikitra vaovao nanendrena azy ireo.

Ireo izay manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra dia hanao toy izany koa.

Aroso amintsika ny hanohanana ireto manaraka ireto ho ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany vaovao, mihatra amin’ny 1 aogositra 2023: Emily Belle Freeman ho Filoha, Tamara Wood Runia ho Mpanolotsaina Voalohany, ary i Andrea Muñoz Spannaus ho Mpanolotsaina Faharoa.

Ireo izay manohana dia afaka maneho izany.

Raha misy manohitra dia afaka maneho izany koa.

Aroso amintsika ny hanohanana ireto manaraka ireto ho Mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidianʼny Zatovolahy maneran-tany, mihatra eo no ho eo: Bradley Ray Wilcox ho Mpanolotsaina Voalohany sy i Michael T. Nelson ho Mpanolotsaina Faharoa.

Ireo izay manohana dia afaka maneho izany.

Izay manohitra dia aoka haneho izany.

Aroso mba hotohanantsika ireo Manampahefana Ambony hafa sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony hafa araka izay misy ankehitriny.

Ireo izay manohana dia afaka maneho izany amin’ny alalan’ny fananganana ny tanana.

Izay manohitra, raha misy, dia aoka haneho izany.

Misaotra anareo ry rahalahy sy anabavy noho ny finoana sy ny vavaka tsy tapaka ataonareo ho an’ireo mpitarika eo anivon’ny Fiangonana.

Fanovana eo amin’ny Fitopololahin’ny Vondromparitra

Ireto Fitopololahin’ny Vondromparitra manaraka ireto dia notohanana nandritra ny fivoriam-piofanana ho an’ny mpitarika izay notanterahina niaraka tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

Isaías Alcala, John D. Amos, Johnny O. Baddoo, Victor O. Bassey, Adrian Bettridge, A. Kaulle Bezerra, Carlos G. Cantero, Emerson B. Carnavale, Orlando A. Castaños, Bun Huoch Eng, Hutch U. Fale, Fernando R. García, Tomás García, C. Alan Gauldin, Aaron T. Hall, Darwin W. Halvorson, Jed J Hancock, Henry Herrera, Ndalamba Ilunga, Samuel M. T. Koivisto, Carlos J. Lantigua, Esau Lara, Stephen J. Larson, Thabo Lebethoa, G. Kenneth Lee, Israel Marin, Wayne E. Maurer, Lee G. McCann II, Robert Mendenhall, Adrian Mendez, Siyabonga Mkhize, Javier F. Monestel, Thomas B. Morgan, Jared V. Ormsby, Z. Rudy Palhua, Arturo D. Palmieri, Kenneth Pambu, Hugo O. Panameño, Kevin J. Parks, Paul Picard, David J. Pickett, Martin Pilka, Irineu E. Prado, Christopher R. Price, Miguel Ribeiro, James N. Robinson, Edward B. Rowe, Robert Schwartz, Gregory A. Scott, Dominic R. Sénéchal, Kofi G. Sosu, Michael B. Strong, Nithya Kumar Sunderraj, Thomas A. Thomas, Alejandro H. Treviño, Nefi M. Trujillo, Chimaroke G. Udeichi, Fernando Valdes, Helton C. Vecchi, Brent B. Ward, ary i Tomasito S. Zapanta.

Ireto Fitopololahin’ny Vondromparitra manaraka ireto dia hisaorana amin’ny na alohan’ny 1 aogositra 2023:

Richard K. Ahadjie, Duane D. Bell, Hubermann Bien Aimé, Víctor R. Calderón, Michel J. Carter, Daniel Córdova, John N. Craig, William H. K. Davis, Fernando P. Del Carpio, Richard J. DeVries, Kylar G. Dominguez, Torben Engbjerg, Kenneth J. Firmage, Edgar Flores, Silvio Flores, Carlos A. Genaro, Mark A. Gilmour, Sergio A. Gómez, Roberto Gonzalez, Virgilio Gonzalez, Spencer R. Griffin, Marcel Guei, Oleksiy H. Hakalenko, Matthew S. Harding, David J. Harris, Kevin J. Hathaway, José Hernández, Glenn M. Holmes, Richard Neitzel Holzapfel, Okechukwu I. Imo, Michael D. Jones, Pungwe S. Kongolo, Ricardo C. Leite, Aretemio C. Maligon, Edgar A. Mantilla, Lincoln P. Martins, Carl R. Maurer, Daniel S. Mehr II, Glen D. Mella, Tomas S. Merdegia Jr., Allistair B. Odgers, R. Jeffrey Parker, Victor P. Patrick, Denis E. Pineda, Henrique S. Simplicio, Jeffrey H. Singer, Michael L. Staheli, Jeffrey K. Wetzel, Michael S. Wilstead, ary i David L. Wright.