Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Rahoviana ianao no tokony handray ny tsodranon’ny patriarika
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2023


Rahoviana ianao no tokony handray ny tsodranon’ny patriarika

Rehefa mandray ny tsodranonareo ianareo dia ho resy lahatra sy hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anareo sy ny fomba ifantohan’ Izy Ireo aminareo manokana.

Niresaka momba ny tsodranon’ny patriarika ny namako malalako Loholona Randall K. Bennett omaly. Hafatra lehibe izany ary nanome aingam-panahy antsika rehetra. Ry rahalahy sy anabavy malalako, afaka miresaka momba ny tsodranon’ny patriarika ihany koa ve aho? Ry patriarika, satria mitombo ny fangatahana tsodranon’ny patriarika, dia mivavaka aho eo am-panohizanareo milofo amin’ny antsonareo ny mba hitahian’ny Tompo anareo.

Rehefa mandeha manatrika fihaonamben’ny tsatòka aho dia mamangy hatrany ny patriarika sy ny vadiny. Mpitarika malemy fanahy sy mankatò ary tsy mampino izay nantsoin’ Andriamanitra ireo patriarika. Mitantara traikefa ara-panahy mahafinaritra maro amiko izy ireo. Anontaniako azy ireo ny taonan’ny olona zandriny indrindra sy ny zokiny indrindra izay nomeny tsodrano. Hatreto dia 11 taona ny zandriny indrindra ary 93 taona ny zokiny indrindra.

Nahazo ny tsodranon’ny patriarika ho ahy aho fony aho mpikamban’ny Fiangonana vaovao, tamin’ny faha-19 taonako, roa taona taorian’ny nanaovana batisa ahy. Efa antitra be ny patriariko tamin’izany. Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana izy tamin’ny 1916 ary mpisava lalan’ny Fiangonana tany Japana. Voninahitra lehibe ho ahy ny nandray ny tsodranon’ny patriarika avy tamin’io mpianatry ny Tompo miavaka io. Somary sarotra tamiko ny nahazo ny teny Japoney nampiasainy, saingy nahery vaika izany.

Ireo patriarika izay nihaona tamiko dia nilaza tamiko fa olona maro no mahazo ny tsodranon’ny patriarika aloha kelin’ny hanaovana asa fitoriana. Ry zatovolahy, zatovovavy, ray aman-dreny ary eveka malalako, ny tsodranon’ny patriarika dia tsy natao ho fiomanana hanao asa fitoriana fotsiny. Ireo mpikambana vita batisa mendrika dia afaka mahazo ny tsodranon’ny patriarika ho azy ireo rehefa tonga ny fotoana mety aminy.1

Ry mpikambana olon-dehibe malala, ny sasany aminareo dia mbola tsy nandray ny tsodranon’ny patriarika. Tadidio fa tsy misy fetrany amin’ny taona izany.

Ny rafozambaviko dia mpikamban’ny Fiangonana tena navitrika, ary nanompo tamin’ny naha mpampianatra tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana mandra-pahafatiny tamin’ny faha-91 taonany. Nalahelo aho nahafantatra fa tsy nahazo tsodranon’ny patriarika izy. Niatrika fahasahiranana maro teo amin’ny fiainany izy, ary noho izy tsy nanana mpihazona fisoronana tao an-tokantranony dia tsy mba nahazo tsodranon’ny fisoronana firy izy. Mety ho nanome fampiononana azy ny tsodranon’ny patriarika rehefa tena nila izany izy.

Ry olon-dehibe, raha mbola tsy nahazo tsodranon’ny patriarika ianareo dia aza manahy! Ny fandaharam-potoana ara-panahin’ny tsirairay dia samy hafa. Raha toa ka 35 na 85 taona ianao ary manana faniriana dia miresaha amin’ny evekanao momba ny fandraisana ny tsodranonao.

Ry mpikambana vaovao ato amin’ny Fiangonana, efa nandre momba ny tsodranon’ny patriarika ve ianareo? Tsy nahalala momba ny fahafahana handray izany aho fony aho niditra ho mpikamban’ny Fiangonana, saingy ny eveka malalako no nampahafantatra ahy momba ny tsodranon’ny patriarika ary namporisika ahy hiomana handray ny anjarako rehefa vita batisa aho. Ry mpikambana vaovao malalako, afaka mahazo tsodranon’ny patriarika ihany koa ianareo. Hanampy anareo hiomana amin’izany fahafahana masina izany ny Tompo.

Andeha isika handinika tanjona roa ho an’ny tsodranon’ny patriarika:

  1. Ny tsodranon’ny patriarika dia mirakitra torohevitra manokana avy amin’ny Tompo ho anao.2

  2. Ny tsodranon’ny patriarika dia manambara ny rohim-pirazananao ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely.

Hafatra avy amin’ny Rainao any An-danitra ny tsodranon’ny patriarika izay mety ahitana fampanantenana sy torohevitra nentanim-panahy hitarika anao mandritra ny fiainanao. Ny tsodranon’ny patriarika dia tsy handeha hanoritra ny fiainanao na hamaly ny fanontanianao rehetra. Raha toa ka tsy miresaka trangam-piainana manan-danja izany dia aza raisina ho midika hoe tsy hanana izany fahafahana izany ianao. Torak’izany ihany koa, tsy misy antoka hoe ho tanteraka eto amin’ity fiainana ity ny zava-drehetra ao amin’ny tsodranonao. Mandrakizay ny tsodranon’ny patriarika, ary raha miaina amim-pahamendrehana ianao, dia homena any amin’ny fiainana manaraka ireo fampanantenana izay tsy tanteraka eto amin’ity fiainana ity.3

Rehefa mandray fanambarana momba ny rohim-pirazanana ianareo dia ho fantatrareo fa anisan’ny mpianakavin’i Isiraely sy taranak’i Abrahama ianareo.4 Mba hahatakarana ny lanjan’izany dia mifantoha amin’ireo fampanantenana nataon’ny Tompo tamin’ny mpianakavin’i Isiraely tamin’ny alalan’i Abrahama.

Izany fampanantenana izany dia ahitana ny hoe:

  • “Ho maro an’isa ny taranany (jereo ny Genesisy 17:5–6; Abrahama 2:9; 3:14).

  • “Handray ny filazantsara sy hihazona ny fisoronana ny taranany na koa ny naloaky ny kibony (jereo ny Abrahama 2:9).

  • “Amin’ny alalan’ny asa fanompoana ataon’ny taranany no -hitahiana ny fianakaviana rehetra eto an-tany, dia amin’ny fitahian’ny Filazantsara, izay fitahian’ny famonjena, dia ny fiainana mandrakizay- (Abrahama 2:11).”5

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia zanaky ny fanekempihavanana isika.6 Mandray ireo fitahian’ny fanekempihavanan’i Abrahama isika rehefa mankatò ny lalàna sy ny ôrdônansin’ny filazantsara.

Ny fiomanana amin’ny tsodranon’ny patriarika dia hanampy anao hampitombo ny finoanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ary rehefa mandray ny tsodranon’ny patriarika ianao ary mamaky sy misaintsaina izany, dia afaka mifantoka amin’ Izy Ireo matetika kokoa ianao.

Ny Filoha Thomas S. Monson dia nanazava hoe: “Ilay Tompo izay nanome ny Liahona ho an’i Lehia ihany no manome anao sy ho ahy ankehitriny fanomezana iray manan-danja sy tsy fahita mba hanomezana fitarihana ho an’ny fiainantsika, mba hanondroana ireo loza ho fiarovana antsika, ary mba hanoroana ny lalana, dia ilay lalana azo antoka—tsy mankany amin’ny tany nampanantenaina fa mankany amin’ny fonenantsika any an-danitra.”7

Ry eveka, ray aman-dreny, filohan’ny kôlejin’ny loholona sy Fikambanana Ifanampiana, mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy, rahalahy sy ranabavy mpanompo malalako, miangavy aho mba amporisiho ireo zatovolahy sy zatovovavy, ireo olon-dehibe mpikambana sy mpikambana vaovao izay mbola tsy nahazo ny tsodranon’ny patriarika mba hikatsaka ny fitarihan’ny Tompo sy fanampiana amin’ny fanomanana ny tenan’izy ireo handray izany.

Namaky matetika sy ombam-bavaka ny tsodranoko avy amin’ny patriarika aho; mampahery ahy hatrany izany. Fantatro ny zavatra andrasan’ny Tompo amiko, ary nanampy ahy hibebaka sy hanetry tena izany. Rehefa mamaky sy misaintsaina izany aho dia maniry ny hiaina mba ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana nampanantenaina.

Tahaka ny soratra masina vakintsika imbetsaka izay manana dikany vaovao amintsika aty aoriana, dia hanana dikany hafa amintsika toy izany koa ny tsodranon’ny patriarika amin’ny fotoana samihafa. Amin’izao fotoana izao ny ahy dia manana dikany hafa noho ny tamin’ny izaho 30 taona sy tamin’izaho 50 taona. Tsy hoe miova ireo teny, fa mahita azy ireo amin’ny fomba hafa isika.

Nanambara ny Filoha Dallin H. Oaks fa ny tsodranon’ny patriarika “dia omena eo ambanin’ny fitaoman’ny Fanahy Masina ary tokony hovakiana sy takarina eo ambany fitarihan’io Fanahy io ihany. Ny dikan’ny tsodranon’ny patriarika sy ny lanjany dia hampianarina andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra rehefa mandeha eny ny fotoana amin’ny alalan’ny herin’ilay Fanahy izay nanentana [izany].”8

Ry rahalahy sy ranabavy, mijoro ho vavolombelona aho fa velona ny Ray any An-danitra sy ny Zanany Lahitokana malalany, dia i Jesoa Kristy Tompo. Tia antsika Izy Ireo. Fanomezana masina avy amin’ Izy Ireo ny tsodranon’ny patriarika. Rehefa mandray ny tsodranonareo ianareo dia ho resy lahatra sy hahatsapa ny fitiavan’ Izy Ireo anareo sy ny fomba ifantohan’ Izy Ireo aminareo manokana.

Ny Bokin’i Môrmôna dia testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy. Ary feno fankasitrahana aho noho ny fitarihan’ny mpaminany velona iray, dia ny Filoha Russell M. Nelson.

Tena feno fankasitrahana aho noho ny Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy. Amin’ity Alahadin’ny Paska ity dia hifantoka Aminy sy ny fitsanganany tamin’ny maty aho, ary hitsaoka Azy sy hisaotra noho ny sorona nataony. Fantatro fa nijaly mafy toy izany Izy noho ny fitiavany antsika lalina. Fantatro fa nitsangana tamin’ny maty Izy noho ny fitiavany antsika. Tena misy Izy. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 18.17, ChurchofJesusChrist.org.

  2. Jereo ny “tsodranon’ny patriarika,” ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana (2004), 112.

  3. Jereo ny “tsodranon’ny patriarika,” ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana, 113.

  4. Jereo ny Abrahama 2:10.

  5. Fanekempihavanan’i Abrahama,” ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana, 5.

  6. Jereo ny 3 Nefia 20:25–26.

  7. Thomas S. Monson, “Your Patriarchal Blessing: A Liahona of Light,” Ensign, nôv. 1986, 65.

  8. Dallin H. Oaks, “Patriarchal Blessings,” Worldwide Leadership Training Meeting: The Patriarch, Jan. 8, 2005, 10.