Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Manohy mandroso fotsiny—amim-pinoana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2023


Manohy mandroso fotsiny—amim-pinoana

Ny fampiharana finoana ny Mpamonjy Jesoa Kristy dia manampy antsika handresy ny hakiviana, na inona na inona sakana atrehantsika.

Ny Loholona George A. Smith, izay apôstôly, dia nandray torohevitra avy tamin’ny Mpaminany Joseph Smith raha nandalo fotoan-tsarotra goavana: “Nilaza tamiko izy fa tsy tokony ho kivy izany mihitsy aho, na inona na inona zava-tsarotra mety holalovako. Raha toa aho ka latsaka tao amin’ny lavaka lalina indrindra tany Nouvelle-Écosse ka voatototry ny tendrombohitra Montagnes Rocheuses manontolo, dia tsy tokony ho kivy fa tokony haharitra, hampihatra finoana sy hahery hatrany ary tokony ho tafavoaka eny an-tampon’ilay havoana amin’ny farany.”1

Ahoana koa no ahafahan’ny Mpaminany Joseph milaza izany amin’olona iray izay mijaly? Satria fantany fa marina izany. Efa niaina izany izy. Imbetsaka i Joseph no niaina zavatra tena sarotra teo amin’ny fiainany. Kanefa rehefa nampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany izy ka nanohy nandroso fotsiny, dia naharesy ireo sakantsakana saika tsy ho azo ihoarana.2

Anio aho dia te-hanavao indray ny fiangavian’i Joseph ny tsy hamela ny hakiviana hanafotra antsika rehefa miatrika fahadisoam-panantenana na fahoriana na ny tsy fahatanterahantsika ihany na olana hafa.

Ny hakiviana tiako resahana eto, dia tsy ireo olana mahavalaketraka kokoa toy ny aretina vokatry ny alahelo miteraka harerahan-tsaina, na ny tebiteby mihoa-pampana, na ireo aretina hafa izay ilàna fitsaboana manokana.3 Ny tiako horesahana dia ilay hakiviana mahazatra izay tonga noho ny fiainana izay tantely amam-bahona.

Ireo mahery fo maodeliko no andraisako fitaomam-panahy, izay nanohy nandroso fotsiny tamim-pinoana, na inon-kidona na inon-kihatra.4 Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika dia mahita ny tantaran’i Zôrama, mpanompon’i Labàna. Rehefa nahazo ireo takela-barahina i Nefia, dia niatrika safidy roa i Zôrama: na hanaraka an’i Nefia sy ireo rahalahiny ho any an-tany foana, na angamba hamoy ny ainy.

Sarotra izany raha safidy! Ny tonga voalohany tao an-tsain’i Zôrama dia ny handositra, saingy nitazona azy i Nefia ary nianiana fa raha manaraka azy ireo izy dia ho afahana ary hanan-toerana ao amin’ny fianakavian’izy ireo. Nahazo hery i Zôrama dia nanaraka azy ireo.5

Niharitra fahoriana maro i Zôrama teo amin’ilay fiainam-baovao niainany, kanefa dia nibosesika nandroso tamim-pinoana izy. Tsy mahita taratra isika hoe nifikitra tamin’ny fiainany fahiny i Zôrama na hoe nanana lolom-po na tamin’ Andriamanitra na tamin’ny hafa.6 Tena namana izy ho an’i Nefia izay mpaminany, ary i Zôrama sy ny taranany dia nitoetra tao amin’ny fahafahana sy niroborobo teo amin’ny tany nampanantenaina. Ilay sakana goavana teo amin’ny lalan’i Zôrama dia tonga fitahiana safononoka taty aoriana, noho ny fahatokiany sy ny finiavany hanohy handroso fotsiny—amim-pinoana.7

Vao tsy ela aho no nihaino vehivavy mahery fo iray nizara ny fomba naharetany tao anaty fotoan-tsarotra.8 Nanana olana maro izy ary indray alahady dia tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana, nihaino mpampianatra iray izay ninoany fa nanana fiainana tonga lafatra—samy hafa tanteraka amin’ny azy. Ketraka izy, ary kivy. Nahatsapa izy fa toa tsy naharaka—na tsy nanana ny toerany mihitsy—koa dia nitsangana izy ary nody, nikasa ny tsy hiverina aty am-piangonana intsony. Raha nandeha hanatona ny fiarany izy, dia nahazo fahatsapana mazava tsara hoe: “Mankanesa ao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia henoy ilay mpandahateny ao.” Nampisalasala azy ilay bitsika, saingy niverina nahatsapa izany mafy indray izy, ka dia nankao amin’ilay fivoriana.

Ny zavatra tena nilainy mihitsy no tao amin’ilay hafatra. Nahatsapa ny Fanahy izy. Fantany fa tian’ny Tompo izy hitoetra hiaraka Aminy sy ho mpianany ary havitrika aty am-piangonana, ka dia izay no nataony.

Fantatrao ve ny zavatra naha-velom-pankasitrahana azy? Dia izy tsy nilavo lefona. Nanohy nandroso fotsiny izy—amim-pinoana an’i Jesoa Kristy, na dia nitaky ezaka avy taminy aza izany, ka dia voatahy fatratra izy sy ny ankohonany rehefa nibosesika nandroso.

Hanampy antsika handresy ny hakiviana ilay Andriamanitry ny lanitra sy ny tany, sy izay sakana rehetra atrehantsika, raha toa isika ka mitodika any Aminy sy manaraka ny bitsiky ny Fanahy Masina,9 ary manohy mandroso fotsiny—amim-pinoana.

Soa ihany fa rehefa osa sy tsy mahay isika dia afaka mampatanjaka ny finoantsika ny Tompo. Afaka mampitombo ny fahafahantsika manao zavatra Izy. Efa niainako izany. Roapolo taona lasa mahery izay, voantso tampoka ho Fitopololahin’ny Vondromparitra aho, ary nahatsapa ho tena tsy sahaza izany aho. Taorian’ireo asa nanendrena natao hihofanako dia voatendry aho hiahy an’ilay fihaonamben’ny tsatòka voalohany hiahiako.10 Nomaninay sy ilay filohan’ny tsatòka tsara hatramin’ny antsipirihany ny zava-drehetra. Fotoana fohy nialohan’ilay fihaonambe dia niantso ahy ny Filoha Boyd K. Packer, izay Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mpisolo-toerana tamin’izany, hahitana raha toa ka afaka miaraka amiko izy. Taitra aho, ary mazava ho azy fa nanaiky. Nanontaniako azy izay tiany hitondrana ireo fivoriana satria izy no hiahy. Nandroso hevitra izy ny hanafoanana ireo drafitra, ary hiomana hanaraka ny Fanahy. Soa ihany fa mbola nanana 10 andro aho handalinana sy hivavahana ary hiomanana.

Fandaharam-potoana malalaka tsy nisy na inona na inona no nisy, raha nipetraka teo amin’ny lampihazo izahay, 20 minitra tsy hanombohan’ny fivorian’ny mpitarika. Niondrika kely aho nitodika tany amin’ilay filohan’ny tsatòka, nibitsika hoe: “Tena mahafinaritra ity tsatòka ity.”

Nodomin’ny Filoha Packer moramora tamin’ny kihony aho ary hoy izy: “Tsy miresadresaka.”

Tsy niteny intsony aho ary ilay lahateniny tamin’ny fihaonambe hoe: “Ny fanehoam-panajana misarika fanambarana”11 no tonga tao an-tsaiko. Tsikaritro fa nanoratra toko sy andinin-tsoratra masina ny Filoha Packer. Nohamafisin’ny Fanahy Masina tamiko fa teo am-pandraisana fitaomam-panahy ho an’ilay fivoriana izy. Vao teo am-panombohana ilay traikefa hianarako.

Ny Filoha Packer no nandray fitenenana nandritra ireo 15 minitra voalohany, ka nanantitranterany ny lanjan’ny fitarihana ny fivoriana rehetra araka ny fitarihan’ny Fanahy Masina.12 Avy teo izy dia nilaza hoe: “Izao isika dia hihaino ny Loholona Cook.”

Raha hanatona ny polpitra iny aho dia nanontany hoe firy minitra no tiany halaiko ary koa sao misy lohahevitra manokana tiany horesahiko. Hoy izy hoe: “Makà 15 minitra, dia ataovy araka izay fitaomam-panahy azonao.” Teo amin’ny 14 minitra teo no nolaniako ka nizaràko izay rehetra tao an-tsaiko.

Nitsangana indray ny Filoha Packer ary niteny nandritra ny 15 minitra fanampiny. Ity soratra masina ity no nozarainy:

“Teneno ny eritreritra izay hapetrako ao am-ponareo, dia tsy hangaihay eo anoloan’ny olona ianareo;

“Fa homena anareo … amin’izany fotoana izany indrindra izay holazainareo.”13

Avy teo izy dia nilaza hoe: “Izao isika dia hihaino ny Loholona Cook.”

Nivarahontsana aho. Tena tsy nandalo ny saiko mihitsy ny hoe mety asaina handray fitenenana indroa aho anatin’ny fivoriana iray. Tsy nanana na inona na inona hozaraina aho tato an-tsaiko. Nivavaka mafy aho ary niantehitra tamin’ny Tompo hanampy ahy amin’izay fomba mety, dia nomeny hevitra sy andinin-tsoratra masina iray, ka dia afaka niteny nandritra ny 15 minitra indray. Nipetraka aho, valaka tanteraka.

Nandray fitenenana nandritra ny 15 minitra indray ny Filoha Packer momba ny fanarahana ny Fanahy ary nizara ny fampianaran’i Paoly hoe isika tsy tokony hanambara “teny ampianarin’ny fahendren’olona fa … teny ampianarin’ny Fanahy.”14 Azonao an-tsaina fa resy tanteraka aho raha nentanin’ny Fanahy izy hiteny fanintelony hoe: “Izao isika dia hihaino ny Loholona Cook.”

Tsy naharay tena aho. Foana ny tato an-tsaiko. Nahafantatra aho fa io no fotoana hampiharana finoana bebe kokoa. Nanatona tsimoramora ny polpitra aho, nitalaho tamin’ Andriamanitra hanampy ahy. Rehefa teo amin’ny micro aho dia notahian’ny Tompo tao anaty fahagagana ho afaka nanolotra hafatra 15 minitra hafa indray.15

Nifarana ihany ilay fivoriana, saingy vetivety aho dia tonga saina fa hanomboka afaka adiny iray ny fivorian’ny olon-dehibe. Loza! Tahaka an’i Zôrama, dia tena naniry hitsoaka aho, saingy tsy misy hafa tamin’i Nefia izay nihazona azy, fantatro fa hihazona ahy ny Filoha Packer. Nanaraka lamina nitovy tsisy hafa tamin’io ihany ny fivorian’ny olon-dehibe. Mbola nandray fitenenana in-telo indray aho. Ny ampitson’io, tamin’ny fivorian’ny daholobe, dia indray mandeha aho no nandray fitenenana.

Taorian’ilay fihaonambe, dia nilaza tamim-pitiavana ny Filoha Packer hoe: “Andao hanao tahaka an’iny indray any aoriana any.” Tiako ny Filoha Packer ary ankafiziko ny zava-drehetra nianarako.

Fantatrao ve ny zavatra naha-velom-pankasitrahana ahy? Dia izaho tsy nilavo lefona—na hoe nanohitra. Raha nanaraka ny faniriako mafy hitsoaka an’ireo fivoriana ireo aho, dia tsy ho nahazo fahafahana hampitombo ny finoako sy handray fitiavana sy fanohanana mitobaka sy safononoka avy amin’ny Raiko any An-danitra. Nianatra ny famindram-pony, ny hery manafaka mahagaga entin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany aho ary ny fitaomana maherin’ny Fanahy Masina. Na dia teo aza ny fahalemeko,16 dia nianatra aho fa afaka manompo aho; afaka mitondra anjara biriky aho rehefa eo anilako ny Tompo, raha toa aho manohy mandroso fotsiny—amim-pinoana.

Na manao ahoana na manao ahoana haben’ireo olana atrehantsika eo amin’ny fianana sy hadiriny ary ny fahasarotany dia samy misy fotoana isika rehetra te hijanona na hiala na hitsoaka na mety hilavo lefona. Saingy ny fampiharana finoana ny Mpamonjy Jesoa Kristy dia manampy antsika handresy ny hakiviana na inona na inona sakana hatrehantsika.

Tahaka ny nahavitan’ny Mpamonjy ny asa nomena hataony no hananany hery koa hanampiana antsika hahavita ny asa nomena antsika.17 Afaka ny ho voatahy isika handroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, na ho toa inona na ho toa inona fahasarotan’izany ary any aoriana handray ny fiainana mandrakizay.18

Araka ny voalazan’ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Tomoera tsara, ry Olomasin’ Andriamanitra, mahareta kely kokoa, fa ho lasana ny oram-baratry ny fiainana, ka homen’ Andriamanitra valisoa ianareo, ilay Andriamanitra izay mpanompony ianareo.”19 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. George A. Smith, ao amin’ny Enseignements des présidents de l’Église: Joseph Smith (2011), 235.

  2. Jereo ny Teachings: Joseph Smith, 227–36.

  3. Rehefa miresaka hakiviana aho, dia tsy milaza hoe ny “manohy mandroso fotsiny amim-pinoana an’i Kristy” no hany ezaka ilaina ho an’ny olona izay voan’ny harerahan-tsaina, na tebiteby mihoa-pampana, na aretina hafa. Ho an’ireo namana sy fianakaviana ary ny hafa izay mihaino, dia averiko ny torohevitr’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonantsika hoe iangaviana hikatsaka fanampiana ara-pitsaboana sy ara-tsaina ary ara-panahy sady matoky ny Tompo ihany. Feno fangorahana anareo tsirairay izay miady amin’ireo olana miavaka ireo ny foko. Mivavaka amin-kitsim-po ho anareo izahay.

  4. Anisan’ireo maherifo maodeliko ao amin’ny soratra masina i Kaleba (jereo ny Nomery 14:6–9, 24), sy i Joba (jereo ny Joba 19:25–26), ary i Nefia (jereo ny 1 Nefia 3:7), ankoatra ireo maodeliko maoderina.

  5. Jereo ny 1 Nefia 4:20, 30–35, 38.

  6. Jereo ny Dale G. Renlund, “Zavatra tsy rariny maha-sendaotra,” Liahona, mey 2021, 41–45.

  7. Jereo ny 2 Nefia 1:30–32. “Na dia voatery nandalo sedra kely aza i [Zôrama], dia ilay fandrika izay nahalatsaka azy mihitsy no toe-javatra nofaritan’ Andriamanitra hitahiana azy. Na dia voatery namoy ny tanindrazany azy izy, dia tanindrazana tsara kokoa no nomanin’ Andriamanitra” (David B. Paxman, “Zoram and I: Getting Our Stories Straight” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Brigham Young University, 27 jolay 2010], 8, speeches.byu.edu).

  8. Nandre ny fijoroana ho vavolombelon’io rahavavy io aho tany amin’ny paroasy iray tao amin’ny Tsatòkan’i Riverdale Utah, tamin’ny 11 desambra 2022. Ny zavatra niainana izay nozarainy dia nitranga tany amina paroasy iray hafa.

  9. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12–13.

  10. Tao amin’ny Tsatòkan’i Benson Utah no nanendrena ahy, tamin’ny 3 sy 4 nôvambra 2001. Ny Filoha Jerry Toombs no filohan’ny tsatòka.

  11. Jereo ny Boyd K. Packer, “Reverence Invites Revelation,” Ensign, Nov. 1991, 21–23.

  12. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:2.

  13. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:5–6; jereo koa ny andininy 7–8.

  14. 1 Korintiana 2:13.

  15. Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Rehefa manao ezaka ara-panahy mihoatra noho izay efa vitanareo teo aloha ianareo dia hikoriana ao aminareo ny herin’ [ny Mpamonjy]” (“Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2017, 42).

  16. Jereo ny Etera 12:27.

  17. Jereo ny Jaona 17:4.

  18. Jereo ny 2 Nefia 31:20; Môzià 2:41; Almà 36:3.

  19. Enseignements des présidents de l’Église: Joseph Smith, 235.