Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Afaka manasitrana ahy Izy!
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2023


Afaka manasitrana ahy Izy!

Ny hery manasitrana sy manavotra avy amin’ny Mpamonjy dia mihatra amin’ireo hadisoana tsy nahy, fanapahan-kevitra tsy zarizary, sy olana ary fitsapana isan-karazany—sy amin’ny fahotantsika ihany koa.

Mampanantena i Môrônia fa raha mamaky ny Bokin’i Môrmôna isika ary avy eo manontany an’ Andriamanitra, ilay Ray Mandrakizay, amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy, raha marina izany, dia haneho ny fahamarinan’izany Andriamanitra amin’ny herin’ny Fanahy Masina.1 Olona an-tapitrisany no efa nampihatra io fampanantenana io sy nandray tenivavolombelona azo antoka ny amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Mamporisika antsika i Môrônia fa rehefa mamaky ny Bokin’i Môrmôna isika mba “hahatsiarovan[tsika] ny naha-feno famindram-po ny Tompo tamin’ny zanak’olombelona, hatry ny nahariana an’i Adama ka hatramin’[izao] fotoana [izao] … sy ny [mba] hisainan[tsika] izany ao am-pon[tsika].”2 Mampahatsiahy antsika sy mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny fangorahany ary ny famindram-pony ireo tantara sy fampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Nodimandry tamin’ny aprily 2013 ny raiko. Raha niomana ny hikabary nandritra ny fandevenana azy aho dia nahatsapa ho tena voatahy tokoa satria mahafantatra sy tia ireo soratra masina tiany indrindra. Nozarainy nandritry ny fivoriam-pianakaviana izy ireny ary novakiny tamiko rehefa nila torohevitra na tari-dalalana na rehefa nila nampatanjaka ny finoako aho. Reko izy nizara ireny tanaty lahateny na nandritra ireo iraka notanterahany. Tsy vitan’ny hoe fantatro fotsiny ihany izy ireny fa mbola tsaroako koa ny feony sy ireo fahatsapana ara-panahy nananako rehefa nizara ireny izy. Tamin’ny alalan’ny fizarana soratra masina sy fahatsapana no nanampian’ny raiko ahy hanorina fototra mafy orina tamin’ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo.

Tian’ny raiko manokana ny tantaran’ny famangian’ny Mpamonjy ny vahoakan’i Nefia.3 Io tantara masina io dia mahakasika an’Ilay Jesoa Kristy Tompo nitsangana tamin’ny maty sy nisandratra. Nisotro ny kapoaka mangidy Izy ary niaritra ny zava-drehetra mba tsy hahatonga antsika hijaly raha mibebaka isika.4 Namangy ny tontolon’ny fanahy Izy ary nandrindra ny fitoriana ny filazantsara tany.5 Nitsangana tamin’ny maty Izy sy niaraka tamin’ny Ray ary nandray ireo didy avy tamin’ny Ray mba hizara soratra masina tamin’ny Nefita. Soratra masina izay hitahy taranaka maro hoavy.6 Nasandratra Izy ary nanana ny heriny sy fahaiza-manaony mandrakizay rehetra. Afaka mianatra avy amin’ny antsipiriany rehetra amin’ny fampianarany isika.

Vakintsika ao amin’ny 3 Nefia 11 ny amin’ny nidinan’ny Mpamonjy avy tany an-danitra mba hampianatra ny Nefita fa Izy no Jesoa Kristy izay nijoroan’ireo mpaminany ho vavolombelona fa ho avy eto amin’izao tontolo izao. Nambarany fa Izy no Fahazavan’izao tontolo izao ary nankalaza ny Ray Izy tamin’ny alalan’ny fitondrana teo Aminy ny fahotan’izao tontolo izao. Nanasa ny vahoaka Izy mba hanatona tsirairay ka hampitehaka ny tanany amin’ny lanivoany ary hitsapa ny diam-pantsika amin’ny tanany sy ny tongony. Tiany ho fantatr’izy ireo fa Izy no Ilay Andriamanitry ny Isiraely izay novonoina noho ny fahotan’izao tontolo izao. Tamin-kafaliana no namalian’ny vahoaka ny fanasany, ka nanatona tsirairay izy ireo mandra-pahitan’izy rehetra sy nahatsapan’izy rehetra fa Izy tokoa no Ilay efa nosoratan’ny mpaminany fa ho avy.7

Nampianarin’i Jesoa an’ireo Nefita ny maha zava-dehibe ny fibebahana sy ny fahatongavana ho toy ny ankizy kely ary ny ilàna ny hanaovana batisa amin’ny alalan’ny olona iray izay manana ny fahefany. Avy eo Izy dia nampianatra zavatra maro momba ny fotopampianarana izay alalinintsika amin’ity taona ity ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Mamaky isika ao amin’ny 3 Nefia 17 fa nanambara tamin’ny vahoaka i Jesoa fa io no fotoana hankanesany any amin’ny Ray ary koa hanehoany ny Tenany amin’ny foko very amin’i Isiraely.8 Raha nanopy ny masony tany amin’ny valalabemandry Izy, dia tsikariny fa nitomany izy ireo ary nibanjina Azy aok’izany toy ireny hoe niangavy Azy ireny mba hijanonany maharitraritra kokoa.9

Sady nanohina ny fo no nifono fampianarana ny valin-tenin’ny Mpamonjy tamin’ny Nefita. Hoy Izy hoe: “Indro, ny kiboko dia feno fangorahana aminareo.”10

Mino aho fa ny fangorahana nananany dia tsy setrin’ny ranomason’ny vahoaka fotsiny ihany. Toa afaka nahita azy ireo tamin’ny alalan’ny mason’ny sorona fanavotana nataony Izy. Hitany ny fijaliana sy fahoriana ary fakam-panahy nanjo azy ireo. Hitany ny aretin’izy ireo. Hitany ny rofiny ary fantany fa avy tamin’ny fijaliana nangirifiry niaretany tao Getsemane sy tao Golgota no fomba hamonjena azy ireo araka ny rofiny avy.11

Torak’izany koa, rehefa mijery antsika i Jesoa Kristy Mpamonjintsika dia hitany sy takany ny fanaintainana sy ny enta-mavesatra avy amin’ny fahotantsika. Hitany ny fiankinan-dohantsika sy ireo olantsika. Hitany ny tolona atrehantsika sy izay mety ho karazam-pahoriana manjo antsika ary feno fangorahana antsika Izy.

Niampy toy izao ny fanasana feno fitiavana nataony tamin’ny Nefita: “Moa va ianareo manana ireo izay marary eo anivonareo? Ento aty ireo. Moa va ianareo manana ireo izay malemy, na jamba, na mandringa, na kilemaina, na boka, na izay maina, na izay marenina, na izay ory na manao ahoana na manao ahoana izany? Ento aty izy dia hositraniko, fa manana fangorahana anareo Aho; ny kiboko dia feno famindram-po.”12

Ary dia nandroso ny vahoaka niaraka “tamin’ireo izay nijaly na manao ahoana na manao ahoana izany; ary nositraniny ny tsirairay avy taminy arakaraka ny nitondrana azy teo anoloany.”13

Nipetraka tao amin’ny tanàna kelin’ny Sale, any Victoria Aostralia izahay tamin’ny 1990. Fianakaviana falifaly sy revon’ny adidy amin’ny fianakaviana sy ny Fiangonana ary ny asa izahay. Indray sabotsy mahafinaritra, tamin’ny fotoam-pahavaratra, dia nanapa-kevitra izahay ny hitsidika valan-java-boary sy torapasika iray tianay indrindra. Rehefa avy nankafy andro mahafinaritra niarahan’ny mpianakavy nilalao izahay dia niditra ny fiara avokoa ny rehetra, nandeha nody. Teo am-pamiliana dia resin-tory tampoka aho ka nifandona tamina fiara iray hafa ny lohan’ny fiara. Nony niarina avy teo dia nojereko hoe nanao ahoana ny olona tao anatin’ny fiara. Tapaka ny tongotr’i Maxine vadiko ary tsy avy niaina izy. Tapaka ny taolan’ivon-tratrany. Ankona ireo zanakay telo vavy fa soa ihany fa toa tsy nisy naninona. Naratra kely fotsiny aho. Kanefa tsy nahatsiaro tena ilay zanakalahinay dimy volana.

Teo anivon’ny rarin-tsaina sy hotakotaka nanoloana ny loza nitranga dia hoy i Kate, ilay zanakay vavy 11 taona, hoe: “Dada a, mila manome tsodrano an’i Jarom ianao.” Tafavoaka avy tao anatin’ilay fiara ihany izaho sy ireo zanako vavy na dia nanahirana aza izany. Tsy azo nohetsehina i Maxine. Nobataiko i Jarom; avy eo dia nitsilany tamin’ny tany aho ka napetrako tsimoramora teo ambonin’ny tratrako izy ary nomeko tsodranon’ny fisoronana. Nahatsiaro tena i Jarom mandra-pahatongan’ny fiara mpitatitra marary 40 minitra taty aoriana.

Tamin’io alina io aho dia namela olona telo tao amin’ny fianakaviana tany amin’ny hôpitaly ka nandeha taxi nody niaraka tamin’ny zanako vavy roa. Nitalaho tamin’ny Ray any An-danitra aho nandritra ny alina manontolo mba hahasitrana ny fianakaviako sy ireo izay naratra tao anatin’ilay fiara iray hafa. Voavaly tamim-pamindram-po ny vavaka nataoko sy ireo tonom-bavaka feno fitalahoana nataon’ny maro hafa. Sitrana avokoa ny rehetra rehefa nandeha ny fotoana. Fitahiana sy famindram-po lehibe izany.

Kanefa mbola nanana fahatsapan-tena lalina ho meloka sy nenina aho noho izaho nahatonga loza lehibe toy izany. Matetika aho no taitra nandritra ny alina ary nitamberina tao an-tsaiko ilay loza nahatsiravina. Nitolona an-taonany maro aho mba hamela ny tenako sy hahita fiadanam-po. Avy eo, tamin’ny naha-mpitarika ao amin’ny fisoronana ahy, raha nanampy ny hafa hibebaka sy nanampy azy ireo hahatsapa ny fangorahana sy famindram-po ary ny fitiavan’ny Mpamonjy aho dia tonga saina fa afaka manasitrana ahy Izy.

Ny hery manasitrana sy manavotra avy amin’ny Mpamonjy dia mihatra amin’ireo hadisoana tsy nahy, fanapahan-kevitra tsy zarizary, sy olana ary fitsapana isan-karazany—sy amin’ny fahotantsika ihany koa. Nisolo fiadanana sy fahatoniana tsikelikely ny fahatsapan-tena ho meloka sy ny nenina nananako rehefa nitodika Taminy aho.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Rehefa nanao ny sorompanavotana ho an’ny olona rehetra ny Mpamonjy dia nanokatra ny lalana Izy mba hahafahan’ireo izay manaraka Azy mahazo ilay heriny manasitrana sy mampahery ary manavotra. Ireo tombontsoa ara-panahy ireo dia azon’ireo rehetra izay mikatsaka ny hihaino Azy sy hanaraka Azy.”14

Ry rahalahy sy anabavy, na mitondra ny enta-mavesatry ny fahotana tsy nibebahana ianao, na ory noho ny ratsy natao taminao taloha ela be, na mitolona amin’ny famelana ny tenanao noho ny hadisoana tsy nahy, dia afaka ny hahazo ny hery manasitrana sy manavotra avy amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy ianao.

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Izy. Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Tia antsika Izy. Manana fangorahana ho antsika Izy, feno famindram-po Izy, ary afaka manasitrana anao Izy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.