Testamenta Vaovao 2023
3–9 aprily. Paska: “[Ry fasana] ô, aiza ny fandresenao?”


“3–9 aprily. Paska: -[Ry fasana] ô, aiza ny fandresenao?,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“3–9 aprily. Paska,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
Zaridainam-pasana

3–9 aprily

Paska

“[Ry fasana] ô, aiza ny fandresenao?”

Rehefa mamaky ireo fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty ianao ato amin’ity rindran-damina ity dia raiso an-tsoratra ireo fahatsapana tonga aminao avy amin’ny Fanahy Masina.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Nandritra ny herinandro farany tamin’ny fiainan’ny Mpamonjy dia nandray anjara tamin’ny fombafomba amam-panao’ny Paska ireo Jiosy nanodidina Azy. Nikarakara sakafo izy ireo, nihira, ary niara-nivory mba hahatsiaro ny nanafahana ny mpianakavin’i Isiraely tamin’ny fanandevozan’ny Egyptiana. Nihaino ny tantaran’ny anjely mpandringana nandalo ny tranon’ireo razambeny izay nanisy marika ny varavarany tamin’ny ran’ny zanakondry ny mpianakavy. Teo anivon’ireo fankalazana feno tandindon’ny fanafahana ireo dia vitsy no nahafantatra fa i Jesoa Kristy, ilay Zanakondrin’ Andriamanitra, dia teo am-panafahana azy ireo tamin’ny fanandevozan’ny fahotana sy ny fahafatesana, tamin’ny alalan’ny fijaliany sy ny fahafatesany ary ny Fitsanganany tamin’ny maty. Na izany aza dia nisy ireo izay nandray an’i Jesoa ho ilay Mesia nampanantenaina azy ireo, ilay Mpanafaka mandrakizay. Nanomboka tamin’io fotoana io ireo mpianatr’i Jesoa Kristy dia nijoro ho vavolombelona tamin’izao tontolo izao fa “maty noho ny fahotantsika [i Kristy] … ; dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo” (1 Korintiana 15:3–4).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Matio 21–28

I Jesoa Kristy dia manafaka ahy amin’ny fahotana sy ny fahafatesana, sy mampatanjaka ahy amin’ireo fahalemeko ary mampionona ahy ao anatin’ny fitsapana lalovako.

Fomba iray hifantohana amin’ireo fitahian’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy amin’ity herinandro ity ny mandany fotoana isan’andro hamakiana ny tantaran’ny herinandro farany tamin’ny fiainan’i Jesoa (ity manaraka ity misy fandrindrana ny famakiana azo atao). Inona no hitanao ao amin’ireo toko ireo izay manampy anao hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy? Saintsaino ny zavatra ampianarin’ireo toko ireo anao mikasika ny fomba ahafahany manafaka anao amin’ny fahotana, ny fahafatesana, ny fitsapana, ary ny fahalemena. Amin’ny fomba ahoana no ampiharanao ny finoana ny heriny manafaka?

Sary
I Jesoa eo ambony hazofijaliana

Crucifixion [Fanomboana], nataon’i Louise Parker

Matio 28:1–10; Lioka 24:13–35; Jaona 20:19–29; 1 Korintiana 15:1–8, 55

Tenivavolombelona maro no manamarina ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty.

Alaivo sary an-tsaina hoe mety ho nanao ahoana tamin’ireo mpianatra ny nijery ny Mpamonjy notevatevaina sy norabirabiana ary nohomboana. Nahita maso ny heriny izy ireo, nahatsapa ny fahamarinan’ny fampianarany, ary nino fa Izy no ilay Zanak’ Andriamanitra. Tsy maintsy nahatonga ireo mpianany hahatsapa alahelo sy safotofoton-tsaina ny fahitana ny fahafatesany. Saingy vetivety taorian’izay izy ireo dia lasa vavolombelon’ny fahagagana lehiben’ny Fitsanganany tamin’ny maty.

Inona no azonao ianarana avy amin’ny tantaran’ireo izay nahita maso ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty? Asio marika na raiso an-tsoratra ny zavatra niainan’ny olona tsirairay ao amin’ny Matio 28:1–10; Lioka 24:13–35; Jaona 20:19–29; ary ny 1 Korintiana 15:1–8, 55. (Misy vavolombelona hafa nahita ilay Kristy nitsangana tamin’ny maty ao amin’ny 3 Nefia 11; Môrmôna 1:15; Etera 12:38–39; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:19–24; 110:1–10; ary ny Joseph Smith—Tantara 1:15–17.) Inona no manan-danja aminao mikasika ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ireo vavolombelona ireo? Taorian’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty dia nisy olona hafa nitsangana tamin’ny maty ary niseho tamin’ny olona maro (jereo ny Matio 27:52–533 Nefia 23:9). Inona no fiantraikan’ny finoanao ny Mpamonjy sy ny fampanantenana ny fitsanganana amin’ny maty amin’ny fomba fiainanao?

1 Petera 1:3–11

I Jesoa Kristy dia manome ahy fanantenana sy fifaliana.

Teny na andian-teny inona ao amin’ny 1 Petera 1:3–11 no manome fanantenana anao noho i Jesoa Kristy? Oviana no efa nahatsapanao izany fananantenana izany?

Nijoro ho vavolombelona ny Loholona Gerrit W. Gong fa ny Fitsanganana amin’ny maty dia “manome fanantenana an’ireo izay tsy manana ratsam-batana, ireo izay tsy mahita intsony, na tsy afa-mandeha, na ireo izay mahatsiaro ho very noho ny aretina mikiky, na ny aretin-tsaina, na aretina hafa manahirana eo amin’ny fiainana. Mitady antsika Izy. Manasitrana antsika Izy. … [Ankoatra izay,] koa satria -Izy Andriamanitra tenany no manonitra ho an’ny fahotan’izao tontolo izao- (Almà 42:15), … dia afaka mamindra fo Izy mamonjy antsika, arakaraka ny rofintsika. Mibebaka isika ary manao izay rehetra azontsika atao. Mamihina antsika mandrakizay -amin’ireo sandrim-pitiavany- [Izy] [2 Nefia 1:15]” (“Hosana sy Haleloia!—Ilay Jesoa Kristy Velona: Ivon’ny Famerenana amin’ny laoniny sy ny Paska,” Liahona, mey 2020, 54).

Jereo ihany koa ny Almà 27:28; 36:1–24; 3 Nefia 9:11–17; Môrônia 7:40–41.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

ComeuntoChrist.org.Ny Easter.ComeuntoChrist.org dia ahitana fifanesen-java-miseho sy famariparitana ny zavatra nitranga tamin’ny andro tsirairay tao anatin’ny herinandro farany teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy. Isan’andro mandritra ny herinandro dia azon’ny fianakavianao atao ny mandinika ireo famaritana ireo mba hahitana ny zavatra nataon’ny Mpamonjy tamin’izany andro izany, na azonareo mianakavy vakina miaraka ny tantaran’ny herinandrony farany ao amin’ny soratra masina (jereo ny lisitra atolotra ao amin’ny fizarana hoe “Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina”) izay hita etsy ambony.

Fihirana sy Bokin-kiran’ny ankizy.Hevero ny hiara-hihira hira momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty mandritra ity herinandro ity, isan’izany ireo hira sasany izay tsy tena mbola hainareo. (Jereo ny tovana misy ireo lohahevitra ao amin’ny Cantiques na ny Bokin-kiran’ny ankizy, ao anatin’ny lohahevitra toy ny “Sorompanavotana,” ny “Paska,” na ny “Fitsanganana amin’ny maty.”) Mba hanampiana ny ao amin’ny fianakavianao hianatra ireo hira dia afaka maneho sary izay mifandray amin’ireo tonony ianao.

“Ilay Kristy Velona: Ny tenivavolombelon’ny Apôstôly.”Iaraho mamaky amin’ny fianakaviana ny “Ilay Kristy velona: Ny tenivavolombelon’ny Apôstôly” (ChurchofJesusChrist.org). Asao ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana hifidy hafatra momba ny Paska avy amin’io fijoroana ho vavolombelona io mba hozaraina amin’ny hafa. Ohatra, azonao atao ny mamorona petadrindrina haseho eny amin’ny tambajotran-tserasera na eo amin’ny varavarana fidiranareo ao an-trano, na ao an-tranonareo.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Nitsangana indray Jesoa Kristy,” Bokin-kiran’ny ankizy, 44.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mametraha tanjona azo tratrarina. Ny fanokanana fotoana na dia minitra vitsy monja aza isan’andro mba handalinana ny soratra masina dia afaka mitahy ny fiainanao. Manolora tena handalina isan’andro, mitadiava fomba hampahatsiahivana amin’ny tenanao ny fanolorantenanao, ary ataovy izay azonao atao hahatratrarana izany. Raha manadino manao izany ianao, dia aza milavo lefona. Avereno fotsiny indray.

Sary
I Kristy tao Getsemane

Gethsemane [Getsemane], nataon’i Adam Abram