Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Matio 6


DJS, Matio 6:14. Ampitahao amin’ny Matio 6:13; toy izany koa ny fiovana natao tao amin’ny Lioka 11:4

Tsy mitarika antsika ho amin’ny fakam-panahy ny Tompo.

14 Ary aza avela ho voatarika ho amin’ny fakam-panahy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.

DJS, Matio 6:22. Ampitahao amin’ny Matio 6:22

Raha tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra ny masontsika dia ho feno hazavana ny tenantsika rehetra.

22 Ny maso no fahazavan’ny tena; koa raha tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra ny masonao dia ho feno hazavana ny tenanao rehetra.

DJS, Matio 6:25–27. Ampitahao amin’ny Matio 6:25; 10:10

Nampitandrina ny mpianany amin’ny fahasarotan’ny asan’izy ireo i Jesoa fa nampanantena kosa Izy ny hanomana ny lalana ary ny Ray any an-danitra dia hamatsy azy ireo.

25 Ary, lazaiko aminareo indray hoe: Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo ary aza miahiahy ny amin’izao tontolo izao; satria hankahala anareo izao tontolo izao ary handroaka anareo hiala ao amin’ny sinagogany.

26 Na izany aza dia handeha hitetitety trano ianareo, hampianatra ny olona; ary handeha eo alohanareo aho.

27 Ary ny Rainareo any an-danitra dia hanome anareo na inona na inona sakafo ilainareo hohanina, sy izay akanjo ilainareo hotafiana.

DJS, Matio 6:38. Ampitahao amin’ny Matio 6:33

Tokony hokatsahintsika aloha ny hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra.

38 Koa aza mikatsaka ny zavatr’izao tontolo izao fa katsahonareo aloha ny hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny hampitoetra ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo ireo zavatra rehetra ireo.