Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Matio 12


DJS, Matio 12:37–38. Ampitahao amin’ny Matio 12:43–44; jereo koa ny DJS, Lioka 12:9–12

Na zovy na zovy no miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy ho voavela.

37 Dia tonga ny mpanora-dalàna sasantsasany ka nilaza taminy hoe: Mpampianatra ô, voasoratra fa ho voavela ny fahotana rehetra; nefa milaza ianao hoe: Izay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy ho voavela. Dia nanontanian’izy ireo Izy hoe: Ahoana no mahatonga izany?

38 Dia hoy Izy tamin’izy ireo: Raha mivoaka amin’ny olona iray ny fanahy maloto, dia mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana fa tsy mahita, saingy rehefa miteny ratsy ny Fanahy Masina ny olona iray dia hoy izy: Hody any amin’ny tranoko izay nivoahako aho; ary nony tonga izy dia hitany ilay olona fa foana sy voafafa ary voavoatra; fa navelan’ilay fanahy tsara ho irery izy.