Fanampiana amin’ny fandalinana
DJS, Marka 14


DJS, Marka 14: 20–26. Ampitahao amin’ny Marka 14:22–25

Naorin’i Jesoa ny fanasan’ny Tompo ho fahatsiarovana ny vatany sy ny rany.

20 Ary raha nihinana izy ireo, dia nandray mofo i Jesoa ary nitahy sady namakivaky izany ka nanome azy ireo ary nanao hoe: Raiso ity ary hano.

21 Indro, izao no hataonareo ho fahatsiarovana ny vatako; fa isaky ny manao izao ianareo dia hahatsiaro ity ora izay niarahako taminareo ity.

22 Dia nandray ny kapoaka Izy ka rehefa avy nisaotra dia nanome izany azy ireo; ary nisotro tamin’izany avokoa izy ireo.

23 Ary hoy Izy taminy: Izao no fahatsiarovana ny rako izay alatsaka ho an’ny maro sy ny fanekempihavanana vaovao izay omeko anareo; fa ny momba Ahy no hijoroanareo ho vavolombelona manerana izao tontolo izao.

24 Ary isaky ny manao izao ôrdônansy izao ianareo, dia hahatsiaro Ahy amin’izao ora izay niarahako taminareo sy niarahako nisotro taminareo tamin’ity kapoaka ity izao, dia ny fotoana farany tamin’ny asa fanompoako.

25 Lazaiko aminareo marina tokoa, ny amin’izany no hijoroanareo ho vavolombelona; fa tsy hiara-hisotro aminareo intsony amin’ny vokatry ny voaloboka Aho mandra-pahatongan’ny andro hisotroako izay vaovao ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

26 Ary dia nalahelo izy ireo tamin’izay ary nitomany azy.

DJS, Marka 14:36–38. Ampitahao amin’ny Marka 14:32–34

Na dia ny Roambinifololahy aza tao Getsemane dia tsy nahatakatra tanteraka ny anjara asan’i Jesoa amin’ny maha-Mesia Azy.

36 Ary tonga teo amin’ny toerana izay atao hoe Getsemane, izay saha, izy ireo; ary ny mpianatra dia nanomboka ho very hevitra izaitsizy sy ho nitebiteby fatratra ary nitaraina tao am-pony, velom-panontaniana raha ity no Mesia.

37 Ary nahalala ny tao am-pon’izy ireo i Jesoa ka nilaza tamin’ny mpianany hoe: Mitomoera ianareo raha mbola hivavaka Aho.

38 Ary nitondra an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona niaraka taminy Izy, ka nandevilevy azy ireo ary nanao taminy hoe: Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty aza; mitoera eto ary miareta tory.