Ny soratra masina
Môzià 14


Toko 14

Niteny ho an’ny Mesia i Isaia—Naharihary ny fanivaivana sy ny fahorian’ny Mesia—Nanolotra ny fanahiny Izy ho fanatitra noho ny fahotana ary nanao fanalalanana ho an’ny mpandika lalàna—Ampitahao amin’ny Isaia 53. Tokony ho 148 taona talohan’i Kristy.

1 Eny, ary moa va i Isaia tsy milaza hoe: Iza no nino ny tatitray, ary iza no anehoana ny sandrin’ny Tompo?

2 Fa Izy dia haniry eo anoloany toy ny zava-maniry tanora sy tahaka ny faka mitsimoka amin’ny tany karakaina; tsy manana endrika na hatsaran-tarehy Izy; ary rehefa hahita Azy isika dia tsy misy hatsarana haniriantsika Azy.

3 Amavoina sy lavin’ny olona Izy; lehilahin’ny alahelo, sy zatra fahoriana; ary nafenintsika Taminy ny tavantsika; nohamavoina Izy ary tsy nahoantsika.

4 Nitondra marina tokoa ny fahoriantsika Izy ary nivesatra ny alahelontsika; kanefa isika dia nihevitra Azy ho novelezina sy nokapohin’ Andriamanitra ary nampahoriana.

5 Nefa Izy dia noratraina noho ny fandikantsika lalàna, notorotoroina noho ny helotsika; ny famaizana nahatra taminy no nahazoantsika fiadanana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana antsika.

6 Isika rehetra dia samy efa naniasia tahaka ny ondry; samy efa nivily tamin’ny lalany avy isika rehetra; ary efa nampihatra Taminy ny helotsika rehetra ny Tompo.

7 Nampijaliana sy nampahoriana Izy kanefa tsy niloa-bava; nentina toy ny zanak’ondry hovonoina Izy, ary tahaka ny ondrivavy moana eo anoloan’ny mpanety azy dia tsy niloa-bava Izy.

8 Nesorina niala ny tranomaizina sy ny fitsarana Izy; ary iza no hanambara ny taranany? Fa nokapaina Izy hiala ny tanin’ny velona; fa noho ny fandikan-dalàn’ny oloko no namelezana Azy.

9 Ary nataony niaraka tamin’ny olon-dratsy ny fasany, ary niaraka tamin’ny mpanankarena ny fatiny; satria Izy dia tsy nanao ratsy sady tsy nisy fitaka teo am-bavany.

10 Kanefa sitraky ny Tompo ny hanorotoro Azy; Izy dia efa nametraka Azy tao amin’ny fahoriana; rehefa hanolotra ny fanahiny ianao ho fanatitra noho ny fahotana, dia hahita ny taranany Izy ary hanalava ny androny Izy, ary ny fahafinaretan’ny Tompo dia hiroborobo eo an-tanany.

11 Hahita ny fijalian’ny fanahiny Izy ary ho afa-po; amin’ny fahalalany no hanamarinan’ny mpanompoko marina ny maro; fa hitondra ny helony Izy.

12 Noho izany Aho dia hanome ny anjarany miaraka amin’ny lehibe, ary Izy dia hizara babo miaraka amin’ny mahery; fa efa naidiny hatrany amin’ny fahafatesana ny fanahiny; ary efa natao ho isan’ny mpandika lalàna Izy; ary nitondra ny fahotan’ny maro Izy sy nanao fanalalanana ho an’ny mpandika lalàna.