Toko 52
Nandimby an’i Amalikià ho mpanjakan’ny Lamanita i Amôrôna—Nitarika ny Nefita tamin’ny adim-pandresena tamin’ny Lamanita i Môrônia, i Teankoma ary i Lehia—Nalaina indray ny tanànan’i Mioleka, ary novonoina i Jakoba ilay Zôramita. Tokony ho 66–64 taona talohan’i Kristy.
1 Ary ankehitriny, ny zava-nitranga tamin’ny taona fahenina amby roapolon’ny fitondran’ny mpitsara teo amin’ny vahoakan’i Nefia, dia indro, rehefa nifoha ny Lamanita ny maraina voalohan’ny volana voalohany, dia indro, hitany fa efa maty tao anaty lainy ihany i Amalikià; ary hitany koa fa efa vonona ny hamaky ady aminy androtrio i Teankoma.
2 Ary ankehitriny, nony nahita izany ny Lamanita, dia raiki-tahotra izy; ary nafoiny ny tetiny handeha hankany amin’ny tany andafiavaratra ary nisintona miaraka tamin’ny miaramilany rehetra tao an-tanànan’i Mioleka izy, nitady fiarovana tao anatin’ny toerany mimanda.
3 Ary ny zava-nitranga dia notendrena ho mpanjaka teo amin’ny vahoaka ny rahalahin’i Amalikià; ary i Amôrôna no anarany; dia toy izany no nanendrena an’i Amôrôna mpanjaka, rahalahin’i Amalikià mpanjaka, ho eo amin’ny toerany.
4 Ary ny zava-nitranga dia nodidiany ny hitanan’ny olony ireo tanàna izay efa azony tamin’ny fandatsahan-dra ireo; fa tsy nahazo tanàna izy raha tsy efa nahaverezan-dra betsaka.
5 Ary ankehitriny, dia hitan’i Teankoma fa ny Lamanita dia tapa-kevitra ny hitana ireo tanàna izay efa azony ireo sy ireo ampahany tamin’ny tany izay efa noraisiny ny fizakana azy; ary ny fahitany koa ny hamaroan’ny isany, dia niheveran’i Teankoma fa tsy tsara ny manandrana manafika azy ao amin’ny toerany mimanda.
6 Fa notanany teny amin’ny manodidina kosa ny olony, miova tsy ny manao fiomanana ho amin’ny ady; eny, ary marina tokoa fa teo am-piomanana ny hiaro ny tenany aminy izy, tamin’ny fananganana rindrina manodidina sy ny fanomanana toerana fialokalofana.
7 Ary ny zava-nitranga dia notohizany toy izany ny fiomanana ho amin’ny ady mandra-pandefan’i Môrônia olona sesehena hanamafy ny miaramilany.
8 Ary i Môrônia koa dia nandefa baiko taminy mba hitanany ny sambobelona rehetra izay nianjera teo an-tanany; fa satria efa nanao sambobelona maro ny Lamanita, dia tokony hotanany avokoa ny sambobelona Lamanita ho takalon’ireo izay efa nalain’ny Lamanita.
9 Ary nandefa baiko taminy koa izy ny hanamafisany ny tanin’i Soafeno sy ny hiantohany ny lalana ety izay nitondra mankany amin’ny tany andafiavaratra, fandrao ho azon’ny Lamanita izany toerana izany ka hanana hery izy hisovohana azy avy amin’ny lafiny rehetra.
10 Ary nampaniraka tany aminy koa i Môrônia, naniry azy ny ho mahatoky amin’ny fitanana io faritry ny tany io sy ny hikatsahany ny fomba rehetra hamelezana ny Lamanita ao amin’io faritra io, araka izay tratry ny heriny, fa angamba mba mety ho azony indray amin’ny tetik’ady na fomba hafa sasantsasany ireo tanàna izay efa nesorina teo an-tanany ireo; ary koa ny hanamafisany sy ny hanatanjahany ny tanàna manodidina izay tsy nianjera teo an-tanan’ny Lamanita.
11 Ary hoy koa izy taminy: Mba tiako ny ho tonga aty aminao, nefa indro, ny Lamanita dia mby amintsika ao amin’ny sisin-tany amoron’ny ranomasina andrefana; ary indro, handeha hiady aminy aho, noho izany dia tsy afaka mankaty aminao aho.
12 Ankehitriny, ny mpanjaka (i Amôrôna) dia efa niainga niala ny tanin’i Zarahemlà sy efa nampahalala ny mpanjakavavy ny momba ny fahafatesan’ny rahalahiny, ary efa naha-tafavory olona sesehena sy efa niainga hanafika ny Nefita ao amin’ny sisin-tany amoron’ny ranomasina andrefana.
13 Ary dia toy izany no niezahany namely tsy an-kiato ny Nefita sy nisarika ny ampahan’ny miaramilany hankamin’io faritry ny tany io, kanefa dia nodidiany ireo izay efa napetrany hizaka ny tanàna izay efa azony ny tokony hisovohany koa ny Nefita ao amin’ny sisin-tany amoron’ny ranomasina atsinanana sy handraisany ny fizakana ny taniny araka izay tratry ny heriny, araka ny herin’ny miaramilany.
14 Ary dia tao anatin’ny toe-javatra mampidi-doza toy izany ny Nefita tamin’ny faran’ny taona fahenina amby roapolon’ny fitondran’ny mpitsara teo amin’ny vahoakan’i Nefia.
15 Nefa indro, ny zava-nitranga tamin’ny taona fahafito amby roapolon’ny fitondran’ny mpitsara, dia i Teankoma, noho ny baikon’i Môrônia—izay efa nametraka miaramila mba hiaro ny sisin-tany atsimo sy andrefana ary efa nanomboka ny diany nankany amin’ny tanin’i Soafeno mba hahazoany manampy an’i Teankoma miaraka amin’ny olony amin’ny fakana indray ny tanàna izay efa nafoiny—
16 Ary ny zava-nitranga dia efa nahazo baiko i Teankoma hanao ny fanafihana ny tanànan’i Mioleka sy haka izany indray raha azo atao.
17 Ary ny zava-nitranga dia nanao fiomanana i Teankoma hoenti-manafika ny tanànan’i Mioleka sy handehanana miaraka amin’ny miaramilany hiady amin’ny Lamanita; nefa hitany fa tsy ho vita ny hahafahany mandresy azy raha mbola ao anatin’ny toerany mimanda izy; noho izany dia nafoiny ny tetiny ary niverina indray tany an-tanànan’i Soafeno izy hiandry ny fiavian’i Môrônia mba hahazoany mandray tanjaka ho an’ny miaramilany.
18 Ary ny zava-nitranga dia tonga niaraka tamin’ny miaramilany tao an-tanin’i Soafeno i Môrônia, tamin’ny tapany farany ny taona fahafito amby roapolon’ny fitondran’ny mpitsara teo amin’ny vahoakan’i Nefia.
19 Ary tamin’ny fiandohan’ny taona fahavalo amby roapolo, dia nanao filan-kevitra momba ny ady i Môrônia sy i Teankoma ary ny maro tamin’ny lohan’ny kapiteny—ny momba izay tokony hataony hampivoaka ny Lamanita hiady aminy; na ny hahazoany, amin’ny fomba sasany, misintona azy hivoaka ny toeram-pamaharany mba hahazoany tombony aminy sy maka indray ny tanànan’i Mioleka.
20 Ary ny zava-nitranga dia nalefany ny iraka hankany amin’ny miaramilan’ny Lamanita, izay niaro ny tanànan’i Mioleka, hankany amin’ny mpitondra azy, izay i Jakoba no anarany, naniry azy ny hivoahany miaraka amin’ny miaramilany mba hifanandrina aminy eo amin’ny lemaka manelanelana ny tanàna roa. Nefa indro, i Jakoba izay Zôramita, dia tsy nety nivoaka niaraka tamin’ny miaramilany mba hifanandrina aminy eo amin’ny lemaka.
21 Ary ny zava-nitranga rehefa tsy nanana fanantenana ny hifanandrina aminy eo amin’ny toerana hifandanjan’ny hery i Môrônia, dia namolavola tetika iray izy mba hahazoany mamitaka ny Lamanita hivoaka avy ao amin’ny toeram-pamaharany.
22 Koa nataony izay hakan’i Teankoma olom-bitsy sy handehanany midina eo akaikin’ny moron-dranomasina; ary i Môrônia sy ny miaramilany, nony alina, dia nandeha nankany an-tany foana, tao andrefan’ny tanànan’i Mioleka; ary dia toy izany, nony ampitso, rehefa nahita an’i Teankoma ny mpiambin’ny Lamanita, no nihazakazahany sy nilazany izany tamin’i Jakoba, mpitondra azy.
23 Ary ny zava-nitranga dia nandeha nivoaka ny miaramilan’ny Lamanita hiady amin’i Teankoma, araka ny fiheverana fa noho ny hamaroany dia ho resy i Teankoma noho ny hakelezan’ny isany. Ary nony nahita ny miaramilan’ny Lamanita nivoaka hiady aminy i Teankoma dia nanomboka nisintona nidina teo akaikin’ny moron-dranomasina izy, nianavaratra.
24 Ary ny zava-nitranga nony nahita ny Lamanita fa nanomboka nandositra izy, dia nahazo toky izy sy nanenjika azy tamim-pahavitrihana. Ary raha mbola notarihin’i Teankoma hanalavitra toy izany ny Lamanita izay sasa-poana nanenjika azy, dia indro, nodidian’i Môrônia ny ampahany tamin’ny miaramilany izay niaraka taminy ny handehanany miditra ny tanàna sy ny handraisany ny fizakana izany.
25 Ary dia toy izany no nataony sy namonoany ireo rehetra izay efa navela hiaro ny tanàna, eny, ireo rehetra izay tsy nety nanolotra ny fitaovam-piadiany.
26 Ary dia toy izany no efa nahazoan’i Môrônia ny fizakana ny tanànan’i Mioleka niaraka tamin’ny ampahany tamin’ny miaramilany, raha mbola nandeha niaraka tamin’ny sisa izy hifanandrina tamin’ny Lamanita rehefa hiverina avy tany amin’ny fanenjehana an’i Teankoma izy ireo.
27 Ary ny zava-nitranga dia nanenjika an’i Teankoma ny Lamanita ambara-pahatonga azy ireo teo akaikin’ny tanànan’i Soafeno, ary tamin’izay izy ireo dia nifanandrina tamin’i Lehia sy ny miaramila vitsivitsy, izay efa navela hiaro ny tanànan’i Soafeno.
28 Ary ankehitriny, indro, nony efa nahatazana an’i Lehia mbamin’ny miaramilany tamy hiady aminy ny lohan’ny kapitenin’ny Lamanita, dia nandositra tao anatin’ny fisavoritahana be izy ireo, fandrao angamba dia tsy ho azony ny tanànan’i Mioleka mialoha ny hanatraran’i Lehia azy ireo; satria efa lanaka izy ireo noho ny diany, ary ny olon’i Lehia kosa dia mbola aina vao.
29 Ankehitriny ny Lamanita dia tsy nahalala fa efa tao amin’ny vodilaharany niaraka tamin’ny miaramilany i Môrônia; ary ny hany natahorany dia i Lehia sy ny olony.
30 Ankehitriny i Lehia dia tsy naniry ny hanatratra azy ireo mialoha ny hifanandrianan’izy ireo amin’i Môrônia sy ny miaramilany.
31 Ary ny zava-nitranga, talohan’ny efa nisintonan’ny Lamanita lavitra, dia efa nohodidinin’ny Nefita izy ireo, an-daniny ny olon’i Môrônia ary an-kilany ny olon’i Lehia, mbola aina vao sy feno tanjaka izy rehetra ireo; fa ny Lamanita kosa dia efa lanaka noho ny diany lavitra.
32 Ary nandidy ny olony i Môrônia mba hanafihany azy ireo ambara-panolorany ny fitaovam-piadiny.
33 Ary ny zava-nitranga dia i Jakoba izay mpitondra azy ireo, izay Zôramita koa sy nanana toe-tsaina tsy voafolaka, no nitarika ny Lamanita hiady tamin’ny fahasiahana mihoa-pampana tamin’i Môrônia.
34 Ary satria teo an-dalan-kalehany i Môrônia, koa tapa-kevitra i Jakoba ny hamono azy ireo ary hisava ny lalany hatrany an-tanànan’i Mioleka. Nefa indro, nahery kokoa i Môrônia sy ny olony; koa tsy nikoa teo anoloan’ny Lamanita izy ireo.
35 Ary ny zava-nitranga dia samy niady tamin’ny fahasiahana izaitsizy ny andaniny roa; ary nisy maro no voavono tamin’ny andaniny roa; eny, ary naratra i Môrônia, ary i Jakoba dia voavono.
36 Ary i Lehia mbamin’ny olony matanjaka dia nanery ny vodilaharany tamin’ny fahasiahana aoka izany, hany ka ny Lamanita tao amin’ny vodilaharana dia nanolotra ny fitaovam-piadiany; ary ny sisa taminy, noho izy ireo nisavoritaka be, dia tsy nahalala izay haleha na hamelezana.
37 Ankehitriny, rehefa nahita ny fisavoritahany i Môrônia dia hoy izy taminy: Raha mitondra etoana ny fitaovam-piadianareo ianareo sy manolotra ireny, dia indro, hatsahatray ny fandatsahana ny ranareo.
38 Ary ny zava-nitranga nony efa nandre ireo teny ireo ny Lamanita dia nandroso ireo lohan’ny kapiteniny, ireo rehetra izay tsy voaringana, sy nanipy ny fitaovam-piadiany teo an-tongotr’i Môrônia, sy nandidy ny olony koa ny hanaovany toy izany.
39 Nefa indro, nisy maro izay tsy nety; ary ireo izay tsy nety nanolotra ny sabany dia nalaina sy nafatotra ary nesorina taminy ny fitaovam-piadiany, ary noterena izy ireo handeha hiaraka amin’ny rahalahiny mankany an-tanin’i Soafeno.
40 Ary ankehitriny, ny isan’ny sambobelona izay nalaina dia nanoatra noho ny isan’ireo izay efa voaringana, eny, nanoatra noho ireo izay efa voaringana tamin’ny andaniny roa.