Fitantarana ny fitorian’i Aharôna sy i Molôkia ary ny rahalahiny tamin’ny Lamanita.
Mahafaoka ny toko 21 hatramin’ny 25.
Toko 21
Nampianatra ny Amalekita ny momba an’i Kristy sy ny Sorompanavotany i Aharôna—Voafonja any Midônia i Aharôna sy ny rahalahiny—Taorian’ny fanafahana azy ireo, dia nampianatra tao amin’ny sinagoga izy ireo ary nampiova fo ny maro—Nomen’i Lamônia fahafahana ara-pivavahana ny vahoaka any an-tanin’i Ismaela. Tokony ho 90–77 taona talohan’i Kristy.
1 Ankehitriny rehefa nifandao teo amin’ny sisin-tanin’ny Lamanita i Amôna sy ny rahalahiny, dia indro nandeha i Aharôna nankamin’ny tany izay nantsoin’ny Lamanita hoe Jerosalema, nantsoina araka ny tany nahaterahan’ny razany; ary lavitra izany fa nifandray tamin’ny sisintanin’i Môrmôna.
2 Ankehitriny ny Lamanita sy ny Amalekita ary ny vahoakan’i Amiolôna dia efa nanorina tanàna lehibe anankiray, izay nantsoina hoe Jerosalema.
3 Ankehitriny, izy samy Lamanita dia efa mafy fo ihany nefa ny Amalekita sy ny Amiolônita dia mbola mafy fo kokoa; noho izany dia nataony izay hanamafisan’ny Lamanita ny fony mba hahatonga azy ho mahery amin’ny faharatsiana sy amin’ny fahavetavetany.
4 Ary ny zava-nitranga dia tonga tao an-tanànan’i Jerosalema i Aharôna ary nanomboka nitory voalohany tamin’ny Amalekita. Ary nanomboka nitory taminy tao amin’ny sinagogany izy, fa efa naoriny araka ny lamin’i Nehôra ny sinagoga; fa maro tamin’ny Amalekita sy ny Amiolônita no araka ny lamin’i Nehôra.
5 Noho izany, raha niditra ny anankiray tamin’ny sinagogany i Aharôna mba hitory amin’ny olona, ary raha mbola niteny taminy izy, dia indro nisy Amalekita anankiray nitsangana sy nanomboka nifanditra taminy, nanao hoe: Inona ange ity ambaranao ity? Efa nahita anjely iray ianao? Nahoana ny anjely no tsy miseho aminy? Indro, moa va ity vahoaka ity tsy mba tsara toy ny vahoakanao?
6 Lazainao koa fa raha tsy mibebaka izahay, dia ho faty. Ahoana no ahafantaranao ny eritreritra sy ny fisaintsainan’ny fonay? Ahoana no ahafantaranao fa manana antony hibebahana izahay? Ahoana no ahafantaranao fa vahoaka tsy marina izahay? Indro, efa nanorina fitoeramasina izahay ary mivory miaraka mba hidera an’ Andriamanitra. Izahay dia mino fa hamonjy ny olon-drehetra Andriamanitra.
7 Ankehitriny dia hoy i Aharôna taminy: Mino va ianao fa ny Zanak’ Andriamanitra dia ho tonga mba hanavotra ny olombelona amin’ny fahotany?
8 Ary hoy ralehilahy taminy: Tsy mino izahay fa fantatrao ny zavatra toy izany. Tsy mino ireny fomban-drazana adaladala ireny izahay. Tsy mino izahay fa fantatrao ny zavatra ho avy, sady tsy mino izahay fa ny razanao ary koa ny razanay dia nahalala ny momba ny zavatra izay nolazain’izy ireo, dia ny amin’izay ho avy.
9 Ankehitriny i Aharôna dia nanomboka nanokatra taminy ny soratra masina mikasika ny fiavian’i Kristy, ary koa mikasika ny fitsanganan’ireo nodimandry amin’ny maty, ary nolazainy fa tsy mety hisy ny fanavotana ho an’ny olombelona afa-tsy amin’ny alalan’ny fahafatesana sy ny fijalian’i Kristy ary ny sorompanavotan’ny rany.
10 Ary ny zava-nitranga, raha nanomboka nanazava ireny zavatra ireny taminy izy, dia tezitra taminy ireo ary nanomboka naneso azy; ary tsy nety nihaino ny teny izay nolazainy izy ireo.
11 Noho izany, nony hitany fa tsy nety nihaino ny teniny izy ireo, dia nandeha izy niala ny sinagogany ary lasana nankamin’ny tanàna kely iray izay nantsoina hoe Ania-Antia, ary tao izy dia nahita an’i Molôkia nitory ny teny tamin’ny olona; ary koa i Amà sy ny rahalahiny. Ary niady hevitra tamin’ny maro momba ny teny izy ireo.
12 Ary ny zava-nitranga dia hitany fa hanamafy ny fony ny olona, noho izany dia niainga izy ireo ary nankany an-tanànan’i Midônia. Ary notoriany tamin’ny maro ny teny, ary vitsy no nino ny teny izay nampianariny.
13 Na dia teo aza izany dia nosamborina i Aharôna sy ny sasany tamin’ny rahalahiny ary natsipy tany am-ponja, ary nandositra kosa ny sisa taminy niala ny tanin’i Midônia nankamin’ny faritra manodidina.
14 Ary niaritra zavatra maro ireo izay natsipy tany am-ponja, ary nafahan’ny tanan’i Lamônia sy i Amôna izy ireo ary nomena hanina sy notafiana.
15 Ary nandeha indray izy ireo mba hilaza ny teny, ary dia toy izany no nanafahana voalohany azy ireo avy tao am-ponja; ary dia toy izany no efa niaretany.
16 Ary nalehany na taiza na taiza nitarihin’ny Fanahin’ny Tompo azy ireo, nitory ny tenin’ Andriamanitra tao amin’ny sinagoga rehetra an’ny Amalekita na tamin’ny fivoriana rehetra an’ny Lamanita izay nahazoany niditra.
17 Ary ny zava-nitranga dia nanomboka nitahy azy ireo ny Tompo, hany ka nentiny ho amin’ny fahalalana ny fahamarinana ny maro; eny, noreseny lahatra ny maro ny amin’ny fahotany sy ny amin’ny fomban’ny razany izay tsy mety.
18 Ary ny zava-nitranga dia niverina avy tany an-tanin’i Midônia i Amôna sy i Lamônia ka nankany an-tanin’i Ismaela, izay tany lovany.
19 Ary tsy navelan’i Lamônia mpanjaka hanompo azy, na ho lasa mpanompony i Amôna.
20 Fa nataony izay hisian’ny sinagoga miorina ao an-tanin’i Ismaela; ary ny olony, na ny olona izay teo ambany fanapahany, dia nasainy nivory miaraka.
21 Ary niravoravo taminy izy ka nampianatra azy zavatra maro. Ary nolazainy taminy koa fa izy dia vahoaka izay eo ambany fifehezany, fa vahoaka afaka izy, afaka tamin’ny fampahorian’ny mpanjaka rainy; satria efa neken-drainy taminy ny hahazoany manjaka amin’ny vahoaka izay eo amin’ny tanin’i Ismaela sy ny tany rehetra manodidina.
22 Ary nolazainy taminy koa fa mety hanana fahafahana izy hitsaoka ny Tompo Andriamaniny, araka ny faniriany, na aiza na aiza toerana misy azy, raha toa izany ka eo amin’ny tany izay eo ambany fanapahan’i Lamônia mpanjaka.
23 Ary i Amôna dia nitory tamin’ny vahoakan’i Lamônia mpanjaka; ary ny zava-nitranga dia nampianariny azy ny zava-drehetra momba ny zavatra mikasika ny fahamarinana. Ary namporisihany isan’andro tamin’ny fahazotoana rehetra izy; ary nampandry sofina tamin’ny teniny izy, ary narisika tamin’ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra.