Fanofanana momba ny fandaharam-pampianarana
Fiofanana momba ny fifehezana fotopampianarana


“Fiofanana momba ny fifehezana fotopampianarana,” Fiofanana momba ny fandaharam-pampianaran’ny seminera (2022)

“Fiofanana momba ny fifehezana fotopampianarana,” Fiofanana momba ny fandaharam-pampianaran’ny seminera

Sary
mpianatra mandalina

Fiofanana momba ny fifehezana fotopampianarana

Fampahafantarana ny fifehezana fotopampianarana

Tamin’ny taona 2016, ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampahafantatra ny tanjona manan-danja amin’ny fifehezana fotopampianarana eo amin’ny fiainan’ny zatovo ankehitriny sy ny anjara asa lehibe anananao amin’ny maha-mpampianatra seminera anao amin’ny fampiasana izany:

Sary
Filoha M. Russell Ballard

Vao taranaka iray monja izay no lasa ary tamin’izany dia tamin’ny alalan’ireo fitaovana navoakan’ny Fiangonana printy fotsiny ihany no nahafahan’ny zatovontsika nahafantatra momba ny tantarantsika, ny fotopampianarantsika ary ireo fomba fanaontsika. Nisy mpianatra nahare mikasika ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny fomba hafa. Voaro ny fiainan’ireo zatovontsika tamin’ny ankapobeny.

Na dia novokarina tao anatin’ny fananana fikasana tsara aza ny fitaovam-pampianarantsika tamin’izany fotoana izany dia tsy nanomana ireo mpianatra amin’ny vaninandro ankehitriny izany, vaninandro izay ahafahan’ireo mpianatra mahita vetivety saika ny momba ny zava-drehetra mikasika ny Fiangonana avy amin’ny fomba fijery rehetra azo eritreretina. Ankehitriny ny zavatra hitan’izy ireo amin’ireo fitaovana finday dia sady mety hizaha toetra ny finoany no hampitombo izany. …

Eo anatrehan’ireo olana ireo, dia nanaiky ny famoahana tetikasa iray ao amin’ny seminera izay antsoina hoe Fifehezana Fotopampianarana ny Filankevitry ny Fampianarana vao haingana. … Ity tetikasa vaovao ity dia hifantoka amin’ny fanorenana sy amin’ny fanamafisana ny finoan’ireo mpianatsika an’i Jesoa Kristy ary amin’ny fampahatanjahana azy ireo hitombo fahaizana miaina sy mampihatra ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo. Amin’ny alalan’ny fisintonana lesona avy amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany, dia hianatra ny fomba fanaovana asa amim-pinoana an’i Kristy mba hahazoana fahalalana ara-panahy sy hahatakarana ny filazantsarany izy ireo. Ary hanana fahafahana hianatra ny fomba hampiharana ny fotopampianaran’i Kristy sy ireo fitsipiky ny filazantsara izy ireo amin’ireo fanontaniana sy olana izay henony sy hitany isan’andro eo anivon’ny mpiara-mianatra aminy sy ao amin’ny tambajotran-tserasera.

Tena tsara ary mifanojo amin’ny fotoana ilàna azy ity tetikasa ity. Hisy fiantraikany tena tsara eo amin’ireo tanorantsika izany. Na izany aza, ny fahombiazan’ny fifehezana fotopampianarana sy ireo fandaharam-pianarana hafa rehetra ao amin’ny DFF (Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana), dia hiankina betsaka amin’ny ezaka ataonareo. (M. Russell Ballard, “The Opportunities and Responsibilities of CES Teachers in the 21st Century” takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony, 26 feb. 2016], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)

  • Inona no hitanao ho manan-danja indrindra tamin’ny zavatra nozarain’ny Filoha Ballard?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mila miomana amin’ny fomba hafa noho ny tamin’ireo taranaka teo aloha ny zatovo ankehitriny mba hampatanjahana ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy?

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny fandaharam-pampianarana

Ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra dia nampidirina isan-kerinandro ireo traikefa amin’ny fianarana momba ny fifehezana fotopampianarana mba hanampiana ireo mpianatra hanatontosa ny vokatry ny fifehezana fotopampianarana. Tafiditra ao anatin’ireo vokatra ireo ny fanampiana ireo mpianatra

  • hianatra sy hampihatra ireo fitsipika amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy ary

  • hifehy ireo andinin-tsoratra masina voafantina sy ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay ampianarin’izy ireny.

Amin’ny alalan’ny fifehezana ireo andinin-tsoratra masina nofantenana sy ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay ampianariny, ireo mpianatra dia ho afaka ny

  • hahafantatra sy hahatakatra ny fotopampianarana izay ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana;

  • hanazava amin’ny fomba mazava tsara ny fotopampianarana amin’ny alalan’ny fampiasana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana;

  • hampihatra ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy eo amin’ny safidy izay ataon’izy ireo isan’andro sy eo amin’ny fihetsika izay asetrin’izy ireo amin’ireo olana sy fanontaniana ara-potopampianarana, an’ny tena manokana, ara-piarahamonina ary ara-tantara; ary

  • hitadidy sy hahita ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary hanao tsianjery ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Lesona momba ny “Fahazoana fahalalana ara-panahy”

Azonao atao ny mampahafantatra ny mpianatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny alalan’ny fampianarana ny fizarana 1, 2, ary 3 ao amin’ny “Fahazoana fahalalana ara-panahy”. Ataovy izay hampianarana ny tsirairay amin’ireo lesona ireo rehefa mivory ny seminera any amin’ny fiandohan’ny taom-pianarana. Ireo lesona ireo dia manome fitsipika fototra izay hiorenan’ireo lesona hafa momba ny fifehezana fotopampianarana. Tokony hampianarina isan-taona amin’ny seminera ny lesona momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Ny fizarana tsirairay dia mampahafantatra ny mpianatra ny iray amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

  • Fizarana 1: Manao asa amim-pinoana

  • Fizarana 2: Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Fizarana 3: Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

Lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Misy lesona roa mifandray amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana tsirairay, lesona iray miompana amin’ny zava-misy manodidina izany, ary lesona iray momba ilay fifehezana fotopampianarana. Ireo vokatry ny fifehezana fotopampianarana dia samy resahina ao amin’ireo lesona roa ireo.

Ao amin’ilay lesona miompana amin’ny zava-misy manodidina dia ampahafantarina ao anatin’ny sahan-kevitr’ilay andian-tsoratra masina ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Tokony handany fotoana ampy handalinana ny fotopampianarana ampianarin’ilay andinin-tsoratra masina ny mpianatra mba hahafantarany sy hahatakarany izany. Izany dia manampy amin’ny fanomanana ireo mpianatra hanazava sy hampiasa ny fotopampianarana ao amin’ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manaraka ity.

Sary
tabilao misy ny lesona miompana amin’ny zava-misy manodidina sy ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Ao amin’ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia hanana fahafahana ireo mpianatra hanazava ny fotopampianarana amin’ny alalan’ny fampiasana ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary hanomboka hanao tsianjery ny toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Azonao atao koa ny mamporisika ny mpianatra hanao tsianjery ilay andinin-tsoratra masina manontolo. Ny fanampiana ireo mpianatra hanazava ny fotopampianarana sy hitadidy ny toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina dia vokatra manan-danja amin’ny fifehezana fotopampianarana. Tsy ilaina handaniana fotoana betsaka ireo sahanasa fianarana ireo, saingy zava-dehibe ny hanaovana azy ireo ho laharam-pahamehana.

Ny fizarana “Fampiharana ho fanazarana” dia tokony haka ny ankamaroan’ny fotoana ao amin’ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Ny fampiharana ho fanazarana tsirairay dia manomboka amin’ny fahafahana ho an’ny mpianatra hamerina handinika ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Tokony hamerina handinika tsy tapaka ireo fitsipika ireo ny mpianatra mba hahatonga azy ireo hatoky tena amin’ny fampiasana izany. Mitandrema mba tsy hihevitra hoe satria mahay tsara ireo fitsipika ny mpianatra iray na roa dia mahay izany avokoa ny mpianatrao rehetra.

Rehefa avy namerina nandinika ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy dia hampisehoana rafi-tantara avy eo ireo mpianatra izay maneho fanontaniana na toe-javatra iray izay ahafahan’ny fahatakarana marina ny fotopampianarana marina manampy. Afaka mizatra mampiasa ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ireo mpianatra mba hamaliana ilay fanontaniana na toe-javatra.

Azonao atao ny manamboatra ireo rafi-tantara sy ireo fanontaniana atolotra na ireo sahanasa fianarana hafa raha ilaina mba hanomezana amin’ny fomba tsara kokoa ny zavatra ilain’ny mpianatra. Alaivo antoka fa izay mety ho fanamboarana rehetra dia mbola manome fahafahana ny mpianatra hampihatra ny fotopampianarana sy ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny toe-javatra tena misy.

Ho hitanao ihany koa fa any amin’ny faran’ny lesona tsirairay momba ny fifehezana fotopampianarana dia misy famerenana atolotra izay hatao ao an-dakilasy andro vitsivitsy aty aoriana. Ireo sahanasa famerenana mandinika ireo dia natao hanampiana ireo mpianatra hanao tsianjery ny toko sy andininy sy ireo andian-teny manan-danja ho an’ny tsirairay avy amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

Famerenana mandinika ny fifehezana fotopampianarana

Ny andian-tsoratra masina sasany isan-kerinandro ao amin’ny fandrindram-potoana amin’ny Avia, hanaraka Ahy dia tsy misy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Mba hanomezana ireo mpianatra traikefa isan-kerinandro mikasika ny fifehezana fotopampianarana, ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra, ny boky torolalana ho an’ny mpianatra, ary ny fandaharam-pampianarana seminera an-jotra dia misy famerenana mandinika ny fifehezana fotopampianarana ho toy ny iray amin’ireo lesona dimy ao anatin’ireo herinandro ireo. Ireo lesona ireo dia natao hanampiana ireo mpianatra hitadidy ireo toko sy andininy sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina, hahatakatra ny fotopampianarana ary hampihatra ny fotopampianarana.

Raha toa ka misy lesona mombana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay tsy hitan’ny mpianatra na tsy ho hitan’izy ireo noho ny fotoam-pialantsasatra ao amin’ny fandaharam-potoan’izy ireo any an-tsekoly dia tokony ho ireo lesona mombana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ireo no ampianarinao ho solon’ny famerenana mandinika fifehezana fotopampianarana. Ny lesona miompana amin’ny zava-misy manodidina izay mifandray amin’ny lesona momba ny fifehezana fotopampianarana dia ilaina afindra ihany koa mba hanoloana lesona iray hafa mandritra ny herinandro. Jereo ny torolalana fandrindram-potoana eo an-toerana izay nomen’ny mpandrindra na ny mpitantana ny fandaharana mba hahitanao ny fotoana tokony hampianaranao ireo lesona fifehezana fotopampianarana izay tsy hitan’ny mpianatra noho ny fandaharam-potoany any an-tsekoly.

Ireo fahaiza-manao mba hampianarana amim-pahombiazana ny fifehezana fotopampianarana

Ireto fiofanana manaraka ireto dia mampianatra fahaiza-manao izay afaka manampy ny mpianatra hahavita ny fifehezana fotopampianarana. Ny fiofanana tsirairay dia (1) mampahafantatra sy mamaritra ilay fahaiza-manao, (2) manolotra lamina hakan-tahaka sy fanazaran-tena eo amin’ny fomba fampiasana ilay fahaiza-manao, (3) ahitana fahafahana misaintsaina amin’ny alalan’ny famakafakana ilay fahaiza-manao ary (4) manolotra fanasana ny mba hampidirana ilay fahaiza-manao ao anatin’ny fampianaranao.

Hazavao ny antony hanaovana sahanasa momba ny soratra masina fifehezana fotopampianarana.

Manome famaritana:

Ny fizarana ny antony hanaovana sahanasa momba ny fifehezana soratra masina dia afaka mandrisika ny mpianatra handray anjara ao amin’ilay sahanasa. Izany koa dia afaka manome fahafahana ny Fanahy Masina hampianatra ny maha-zava-dehibe an’ilay sahanasa. Aorian’ny filazanao ny zavatra hataon’ny iray kilasy, dia mizarà antony iray na roa hanaovanao ilay sahanasa mba hahafahan’ny mpianatra mahatakatra ny lanjan’ny fanaovana izany.

Lamina hakan-tahaka:

“Ry mpianatra isany mandritra ny minitra vitsivitsy manaraka isika dia hanazava ny fotopampianarana nianarantsika avy ao amin’ny Lioka 2:10–12 dia ny hoe, i Jesoa Kristy no Mpamonjy izao tontolo izao. Ny antony iray hanaovantsika izany dia mba hanampiana antsika ho afaka ny hamaly amim-pahatokian-tena raha toa misy olona fantatsika manontany antsika hoe nahoana no manan-danja amintsika i Jesoa Kristy.”

Manao fanazaran-tena:

Fenoy ireto fehezan-teny mitari-dalana manaraka ireto.

  1. “Eny ary ry mpianatra isany! Ndeha isika hanao sahanasa iray izay hanampy antsika hitadidy ny toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miaraka amin’ny andian-teny manan-danja. Ny antony iray hilofosantsika mba hitadidiana izany dia …”

  2. “Ao anatin’ny minitra vitsivitsy manaraka dia handeha hamerina handinika ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy isika. Ny fahafantarana ireo fitsipika ireo dia afaka manampy antsika mba …”

  3. “Handeha hanao fanazaran-tena hampihatra ireo fitsipika telon’ny fahazoana fahalalana ara-panahy isika. Ny fampiasana ireo fitsipika ireo dia afaka …”

Mamakafaka:

Inona no zavatra ianaranao rehefa manao fanazaran-tena manazava ireo antony hanaovana sahanasa momba ny soratra masina fifehezana fotopampianarana ianao?

Mampiditra:

Rehefa manomana ny sahanasa fifehezana fotopampianarana tsirairay ianao dia manorata antony iray farafahakeliny hahatonga izany ho manan-danja ho an’ny mpianatra.

Asao ireo mpianatra hamerina handinika ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

Manome famaritana:

Rehefa mamerina mandinika tsy tapaka ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy miaraka amin’ny mpianatrao ianao dia afaka manampy ny mpianatra ny Fanahy Masina mba hahatsiaro sy hampiasa azy ireo amin’ny fotoana ilàna izany. Afaka manasa ny mpianatra ianao hamerina handinika ireo fitsipika ireo mialoha ny hizaranao ilay rafi-tantara na mandritra ny fotoana handinihan’izy ireo ireo rafi-tantara. Ireo fanasana ireo dia ahitana fanomezana fahafahana ho an’ireo mpianatra hamerina handinika fitsipika iray farafahakeliny sy ireo torolalana momba ny halavam-potoana tokony hamerenan’izy ireo mandinika ilay fitsipika, ary fanomezana fahafahana azy ireo hizara ny zavatra nianarany. Hanana fahafahana tsara kokoa mba hampiasa ireo fitsipika ireo ao anatin’ny fampiharana ho fanazarana ny mpianatra, amin’ny alalan’ny fanaovana izany.

Lamina hakan-tahaka:

Androany eo am-pamerenantsika mandinika ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy avy ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2018), dia hizara ho vondrona telo isika. Ny vondrona tsirairay dia hamerina handinika fitsipika iray tsy mitovy amin’ny an’ny hafa.

Manokàna telo hatramin’ny efatra minitra mba hamakiana sy hiomanana hizara amin’ny vondrona misy anao fomba iray ahafahan’ilay fitsipika iandraiketanao manampy olona iray izay miatrika fanontaniana na toe-javatra sarotra.

Manao fanazaran-tena:

  1. Manorata fanasana iray ho an’ny mpianatra tsirairay mba hamerina handinika fitsipiky irain’ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

  2. Manaova fanazaran-tena manolotra fanasana ho an’ny mpiara-miasa iray na olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana iray.

Mamakafaka:

Rehefa manao fanazaran-tena ianao dia inona no ianaranao momba ny maha-zava-dehibe ny fanolorana fanasana mazava sy voahevitra mba hamerina handinika ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy?

Mampiditra:

Manorata drafitra iray mba hanasana tsy tapaka ny mpianatra hamerina handinika ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

Mametraha fanontaniana izay manampy ny mpianatra hanambara amin’ny alalan’ny teniny manokana ny fomba nanampian’ireo fitsipika telon’ny fahazoana fahalalana ara-panahy ny olona iray miatrika fanontaniana na toe-javatra sarotra.

Manome famaritana:

Aorian’ny famerenan’ny mpianatra mandinika ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny famakiany ilay rafi-tantara hanaovana fanazaran-tena dia mametraha fanontaniana amin’izy ireo izay manasa azy ireo hanambara amin’ny teniny manokana izay fitsipika afaka manampy ao anatin’ilay rafi-tantara. Ny fanontaniana dia tokony hoe:

  1. Mametraha fanontaniana manohy ny fizarana hevitra.

  2. Amporisiho ireo mpianatra hampiasa ireo fitsipika telon’ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

  3. Omeo fahafahana ny mpianatra hizara ny eritreriny sy ny zavatra tsapany.

Rehefa mikatsaka ny hamaly ireo fanontaniana ireo ny mpianatra dia ho voaomana tsara kokoa hiatrika amim-pinoana ireo fanontaniana sy ireo toe-javatra eo amin’ny fiainany.

Lamina hakan-tahaka:

Tsarovy fa ireo mpianatra dia efa namerina nandinika ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ary nandalina ilay rafi-tantara.

  • Fitsipika inona ao amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy no hanampy anao ao amin’ity rafi-tantara ity, ary nahoana?

  • Ahoana no ahafahan’izany fitsipika izany manampy anao rehefa miatrika fanontaniana tahaka ilay iray hita ao amin’io rafi-tantara io ianao?

  • Inona koa no fomba hafa ahafahan’io fitsipika io manampy araka ny eritreritrao?

  • Ahoana no mety ahafahan’ny fitsipika iray hafa momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy manampy ao anatin’ity rafi-tantara ity?

Manao fanazaran-tena:

Tsarovy fa ireo mpianatra dia efa namerina nandinika ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ary nandalina ilay rafi-tantara.

  1. Tanteraho miaraka amin’ny olona iray hafa ity sahanasa manaraka ity. Ianao no mpampianatra ary ilay olona iray hafa dia mpianatrao. Vao avy namaky sy nisaintsaina ity rafi-tantara manaraka ity ilay mpianatrao. Apetraho amin’ilay mpianatra ireo fanontaniana ao amin’ny lamina hakan-tahaka ary avelao izy hamaly.

    Vao tsy ela ny iray amin’ireo namanao izay tsy mpivavaka no nahita misiônera anankiroa niresaka tamin’olona vitsivitsy tao amin’ny valan-javaboary. Nanontany anao ilay namanao hoe: “Fa maninona ireo misiônera avy ao amin’ny fiangonanareo no mivoaka mitory momba an’i Jesoa? Toa manery ny olon-kafa hanaraka ny finoanareo ianareo. Maninona no tsy avelanareo ho faly tsotra izao fotsiny izy ireo?”

  2. Makà dimy minitra ary manorata fanontaniana misimisy kokoa izay azonao apetraka mba hanampiana ny mpianatra hanambara amin’ny alalan’ny teniny manokana ny fomba ahafahan’ireo fitsipika telon’ny fahazoana fahalalana ara-panahy manampy azy ireo sy ny olona hafa miatrika fanontaniana na olana sarotra.

Mamakafaka:

Inona no mety hitranga eo amin’ny fiainan’ny mpianatra rehefa hambaran’izy ireo amin’ny alalan’ny teniny manokana ny fomba ahafahan’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manampy azy ireo sy ny olona hafa rehefa miatrika fanontaniana na toe-javatra sarotra izy ireo?

Mampiditra:

Inona no azonao atao mba hanampiana ny mpianatra hanambara amin’ny alalan’ny teniny manokana ny fomba ahafahan’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manampy azy ireo sy ny olona hafa rehefa miatrika fanontaniana na toe-javatra sarotra?

Fehin-kevitra

Alaivo sary an-tsaina ny fomba ahafahan’ny mpianatrao mamaly fanontaniana na olana aorian’ny efa-taona nanaovana fampiharana ny fifehezana fotopampianarana. Amin’ny voalohany dia mila fanampiana sy fanohanana bebe kokoa avy aminao amin’ny maha-mpampianatra anao ireo mpianatra mba hampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana. Kanefa, rehefa manohy mampiasa ny fifehezana fotopampianarana ao amin’ny kilasinao ianao sy manome fahafahana tsy tapaka ny mpianatra hanao fampiharana, dia ho lasa zavatra izay ataon’ny mpianatra ho azy ny fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana. Izany no fomba iray ahafahanao manampy ny mpianatrao hanorina mafy ny fototr’izy ireo eo amin’ny vatolampin’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany. Mba ataovy izay rehetra azonao atao hanampiana ny mpianatrao hanatontosa ireo vokatry ny fifehezana fotopampianarana.

Fandinihana trangan-javatra

Ny zavatra niainan’i Hannah tamin’ny fifehezana fotopampianarana sy ny fomba nitahian’izany ny fiainany

Mpianatra seminera taona voalohany i Hannah. Nandritra ny iray tamin’ireo lesona voalohany tao anatin’ny taona dia nampahafantarina azy ny fifehezana fotopampianarana sy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Ny harivan’iny dia nanontany azy ny renin’i Hannah hoe: “Inona no nianaranao tany amin’ny seminera androany?” Namaly i Hannah hoe: “Niresaka momba ny fifehezana fotopampianarana izahay.” Dia nanontany ny reniny avy eo hoe: “Inona no atao hoe fifehezana fotopampianarana?”

“Tsy tena azoko antoka. Hianatra soratra masina vitsivitsy izahay. Niresaka momba ny fomba hianarana fahamarinana ara-panahy izahay, nefa tsy haiko ny manazava hoe ahoana izany.”

Nandritra ny lesona voalohany momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia nanokana fotoana kely ny kilasin’i Hannah hamerenana mandinika ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Rehefa nangataka ny iray kilasy hamintina ireo fitsipika ireo ny mpampianatra azy dia tsy azon’i Hannah antoka raha ho vitany izany. Feno fankasitrahana izy rehefa nanolo-tena ny iray tamin’ireo mpiara-mianatra taminy ary nanome famintinana tsara ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Tsapan’i Hannah fa nampitombo ny fahatakarany ny famintinana nataon’ilay mpiara-mianatra taminy.

Tany amin’ny fiafaran’ilay enim-bolana dia nanao fitsapam-pahaizana momba ny fifehezana fotopampianarana i Hannah. Nasaina izy hamintina ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ary hizara ny fotoana nampiharany izany teo amin’ny fiainany. Nahazo aina izy ny hanome famintinana kanefa tsy afaka nieritreritra ny fotoana iray izay nampiasany izany. Raha ny marina dia fantany izany, saingy nahatsapa izy fa nila fanazaran-tena bebe kokoa mba hahafahany mampiasa azy ireo eo amin’ny fiainany manokana.

Nanohy nandalina ny fifehezana fotopampianarana isan-kerinandro tao amin’ny seminera i Hannah. Nankafiziny ireo lesona ary tiany ny nanao asa tamin’ny alalan’ireo rafi-tantara samihafa izay nanampy azy hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Nitombo ny fahatokiany ny fahaizany mahafantatra sy manazava ny soratra masina rehefa nanao tsianjery ireo toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izy. Ambonin’izany, dia nahatsapa fahatokiana malefaka izy fa ny Rainy any An-danitra dia faly tamin’ny ezaka nataony mba hahazoana fifehezana fotopampianarana. Nahatsapa faniriana ny hanohy izany izy ary nandany fotoana manokana mihitsy aza tany ivelan’ny seminera nitadidy ireo andinin-tsoratra masina tamin’ny alalan’ny application Maîtrise de la doctrine.

Nandritra ny taona faharoa nanaovany seminera dia nanomboka nahatakatra bebe kokoa ny fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy i Hannah. Nahatsiaro ho mahazo aina kokoa izy manao fampiharana ho fanazarana ireo rafi-tantara saingy mbola tsy azony antoka hoe ho vitany irery ny manao izany. Feno fankasitrahana izy noho ny fanampian’ny mpampianatra azy sy ireo mpiara-mianatra taminy. Nanohy nanao tsianjery ireo toko sy andinin-tsoratra masina ary ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izy. Nanomboka natoky tena kokoa izy nanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina. Rehefa noresahina nandritra ny fandalinan’ny mpianakavy ny filazantsara na tany am-piangonana ireo andinin-tsoratra masina ireo dia nahatsapa fahatokiana i Hannah teo amin’ny fandraisana anjara tamin’ilay fifanakalozan-kevitra ary nahatsapa ny fitiavan’ny Tompo rehefa nanao izany.

Rehefa nandalina ny fifehezana fotopampianarana i Hannah nandritra ny taona fahatelo tao amin’ny seminera dia nahita fivoarana lehibe teo amin’ny fahaizany mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Rehefa nametraka fanontaniana mikasika ny Fiangonana ny olom-pantany iray dia nanao zavatra tamim-pinoana i Hannah tamin’ny alalan’ny fianteherana tamin’ny zavatra fantany ary nikaroka fampahalalana fanampiny tamin’ny alalan’ireo loharano nofidin’ Andriamanitra. Mbola tsy nahazo aina tanteraka izy tamin’ny famerenana mandrafitra fanontaniana sy ahiahy isan-karazany mba hijerena izany amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Nazava taminy fa nila fanazaran-tena bebe kokoa tamin’io sehatra io izy.

Tena nankafy ireo lesona fifehezana fotopampianarana i Hannah nandritra ny taona farany nianarany tao amin’ny seminera. Nahatsapa izy fa afaka nanampy ireo mpiara-mianatra taminy hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Tsaroany ny fahasarotan’izany taminy tamin’ny voalohany, ary naniry mafy ny hanampy ireo mpiara-mianatra aminy hanao fanazaran-tena sy hivoatra izy. Nahatsapa fahatokiana bebe kokoa ihany koa izy tamin’ny fanazavana ny fotopampianarana ary faly fa afaka nampiasa andinin-tsoratra masina maro samihafa avy amin’ny fitadidiany. Nihatsara ny fahaizany mamerina mandrafitra olana sy mijery izany amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

Taorian’ny fizarana diplaoma, dia niatrika fitsapam-pinoana tena izy i Hannah. Nisy olona tiany sy nitokisany nanozongozona ny finoany an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny. Nahataitra an’i Hannah ny fampahalalana nasehony tamin’ny voalohany. Kanefa, rehefa nandinika ombam-bavaka ilay raharaha izy dia nahatsapa ny Fanahy nitondra fampiononana ho azy rehefa nahatsiaro ny zavatra nianarany avy amin’ny fifehezana fotopampianarana tao amin’ny seminera. Afaka nanao asa tamim-pinoana izy, nijery ireo olana tamin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ary nikatsaka fahatakarana bebe kokoa tamin’ny alalan’ireo loharano nofidin’ Andriamanitra. Maro tamin’ireo andinin-tsoratra masina notadidiny no tonga tao an-tsainy. Taorian’ny fandalinana sy vavaka be dia be dia nahatsapa fiadanana sy nahazo aina izy tamin’ny fahalalana sy ny valiny ary ny fijoroana ho vavolombelona tsy nitsaha-nitombo azony.

Feno fankasitrahana i Hannah noho ny zavatra niainany tamin’ny fifehezana fotopampianarana tao amin’ny seminera. Nanampy azy hanana fahatokian-tena izany fa hahavita hiatrika sy handresy izay mety ho fanafihana ny finoany any aoriana izy.

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no iainan’ny mpianatrao zavatra mitovy amin’ny niainan’i Hannah?

  • Inona no azonao ianarana avy amin’ity ohatra ity izay afaka manampy anao rehefa mampianatra ny fifehezana fotopampianarana amin’ny mpianatrao ianao?