Fanofanana momba ny fandaharam-pampianarana
Tari-dalana voafintina ho fanombohana


“Tari-dalana voafintina ho fanombohana,” Fiofanana momba ny fandaharam-pampianaran’ny seminera (2022)

“Tari-dalana voafintina ho fanombohana,” Fiofanana momba ny fandaharam-pampianaran’ny seminera

Sary
vehivavy roa miresaka

Tari-dalana voafintina ho fanombohana

Fampiasana ny Boky torolalana ho an’ny mpampianatra Seminera

Mialoha ny hanombohanao ny fampianarana

  1. Halalino ny fampidirana ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera ho an’ny taona diavina mba hizaranao amin’ireo fitaovana sasany tafiditra ao amin’ilay boky torolalana hanampiana anao.

  2. Mahazoa lesona momba ny torolalana fandrindram-potoana ho an’ny fandaharam-potoan’ny seminera ao amin’ny toerana misy anao avy amin’ny mpandrindra ny S&I na ny mpiandraikitra ny fandaharam-pianarana.

  3. Ampiasao io torolalana fandrindram-potoana io mba hamantarana ny lesona manaraka izay hoampianarinao.

Topi-maso momba ny Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

  • Io Boky torolalana io dia nalamina mba hifandrindra amin’ny fitaovana fandalinana ny Avia, hanaraka Ahy ho an’ny herinandro tsirairay ary misy lesona dimy ho an’ny herinandro tsirairay.

  • Ny andian-desona dimy tsirairay dia elanelanina antontan-taratasy izay manolotra famintinana fohy ny lesona tsirairay. Tafiditra ao amin’izany famintinana izany

    • ny tanjon’ny lesona;

    • soso-kevitra ho an’ny fiomanan’ny mpianatra;

    • soso-kevitra momba ny lesona ampianarina amin’ny alalan’ny zavatra sy soso-kevitra momba ny taratasy zaraina, sary, horonan-tsary, na fitaovana hafa izay mety mitaky fahafantarana mialoha mba hiomanana; ary

    • soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence.

  • Ny herinandro tsirairay dia ahitana traikefa fianarana fifehezana fotopampianarana iray farafahakeliny.

  • Misy lesona “Tombano ny fianaranao” iray ampidirina matetika mba hanampiana ireo mpianatra handinika ny zavatra ianarany sy ny fivoaran’izy ireo ara-pahalalana, sy fihetsika ary fitondran-tena izay manamafy orina ny fiovam-po sy manampy azy ireo ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy bebe kokoa.

Fiofanana fanampiny

Ankoatra ny fampahafantarana ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera dia misy ihany koa ireto loharanom-pitaovana manaraka ireto ho an’ny fiofanana fanampiny:

  • Fivoriam-piofanana iarahana amin’ny mpandrindra na mpiandraikitra ny fandaharam-pianarana mba hiresahana momba ireo fanontaniana anananao sy hampiharana ireo fahaiza-manao enti-mampianatra

  • Fiofanana momba ny fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra

  • Fiofanana momba ny Manangana vao mampifanaraka amin’ny fandaharam-pampianaran’ny seminera

  • Fiofanana momba ny fifehezana fotopampianarana

  • Fiofanana momba ny fitsapam-pahaizana