Fanofanana momba ny fandaharam-pampianarana
Manangana vao mampifanaraka amin’ny fandaharam-pampianaran’ny seminera


“Manangana vao mampifanaraka amin’ny fandaharam-pampianaran’ny seminera,” Fiofanana momba ny fandaharam-pampianaran’ny seminera (2022)

“Manangana vao mampifanaraka amin’ny fandaharam-pampianaran’ny seminera,” Fiofanana momba ny fandaharam-pampianaran’ny seminera

Sary
vehivavy iray mandalina

Manangana vao mampifanaraka amin’ny fandaharam-pampianaran’ny seminera

Maro ny fomba mahomby hiomanana hampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Izany fiomanana izany dia ahitana foana ny fandalinana ombam-bavaka ny tenin’ Andrimanitra sy fikatsahana ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hahafantarana ny fomba tsara indrindra hanampiana ireo izay ampianarinao hiova fo amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Mba hanatanterahana izany dia ataovy izay handalinana ny andian-tsoratra masina ao amin’ny fandaharam-potoan’ny Avia, hanaraka Ahy. Izany dia hanampy anao amin’ny fanomananao ny lesona eo am-pijerenao ny fandaharam-pampianarana. Ny fandaharam-pampianarana dia hanampy anao hamantatra ireo fitsipika manan-danja sy ny fotopampianarana ao amin’ilay andian-tsoratra masina, hanampy ireo mpianatra hahafantatra sy hitia ary hanaraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, ary hanaraka ireo fomba nentanim-panahy enti-mampianatra.

Eritrereto ity torohevitra nomen’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity momba ny fampiasana ny fandaharam-pampianarana hiomanana amin’ireo leson’ny seminera:

Sary
Ny Filoha Dallin H. Oaks

Manangana aloha isika izay vao mampifanaraka. Raha mahafantatra tsara ny lesona nomena izay asaina ampianarintsika isika, dia ho afaka hanaraka ny Fanahy Masina mba hahafahana mampifanaraka tsara ny lesona amin’izay ilaina. Kanefa raha ny fahafahana manova no resahina dia misy fakam-panahy mahazo antsika mba hanomboka amin’ny fampifanarahana ny lesona amin’izay ilaina fa tsy hanomboka amin’ny fanarahana izay efa misy ao. Mila fandanjalanjana izany. Olana mipetraka mandrakariva izany. Kanefa ilay hoe manaraka izay misy ao aloha vao mampifanaraka ny lesona amin’izay ilaina dia tena fomba tsara ahafahana mijanona amin’ny fototra azo antoka.

(“A Panel Discussion with Elder Dallin H. Oaks” [Fampitana amin’ny alalan’ny zanabolana ataon’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara, 7 aog. 2012], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)

  • Inona no dikan’ny hoe manangana vao mampifanaraka amin’ny fandaharam-pampianarana rehefa manomana lesona ianao?

Sary
fanazavana ny manangana sy mampifanaraka

Ny Filoha Henry B. Eyring dia nanampy antsika hahatakatra ny antony sasany ilantsika mampifanaraka ny fandaharam-pampianarana:

Sary
Ny Filoha Henry B. Eyring

Misy soso-kevitra maro momba ny zavatra hoampianarina, sy ny fomba hampianarana azy ary ny andinin-tsoratra masina mifandray ampiasaina izay azontsika rehetra ampiharina. … Saingy satria tiantsika hanontany ny Tompo ny mpianatsika mba hahafahan’izy ireo mahazo fahazavana dia tsy maintsy omentsika ohatra izy ireo. Mba hanaovana izany dia azontsika vakina ny fandaharam-pampianarana, ny teny tsirairay ao. Mety tsy hanana fotoana isika hitady sy handalina ny andinin-tsoratra masina tsirairay, saingy fantatr’ Andriamanitra ny mpianatsika. …

…Fantatry ny Tompo tsara ny zavatra fantatry [ny mpianatra] sy ny zavatra ilainy. Tiany izy ireo ary tiany isika. Ary miaraka amin’ny fanampiany dia … tsy vitan’ny hoe misafidy an’ireo ampahany amin’ny fandaharam-pampianarana izay mamela antsika hampiasa feno ny herintsika enti-mampianatra ireo fotsiny isika fa ireo izay hampidina ny herin’ny lanitra eo amin’ireo mpianatra ireo ihany koa ao amin’ny kilasintsika amin’izany andro izany.

(“The Lord Will Multiply the Harvest” [takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony,6 feb. 1998], ChurchofJesusChrist.org)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ny manangana izay ao amin’ireo fitaovana ilaina amin’ny lesona mialoha ny hampifanarahana izany?

  • Inona no mety hampiavaka ny fomba fanomanana lesona iray ho an’ny mpampianatra iray izay mampiasa ny fandaharam-pampianarana. sy ny mpampianatra iray izay tsy mampiasa izany?

Ny zavatra tokony hodinihina rehefa mampifanaraka ny lesona

Ireto misy fanontaniana vitsivitsy azo eritreretina rehefa manangana sy mampifanaraka ireo fitaovana ilaina amin’ny lesona ianao:

  1. Inona no tanjon’ny lesona amin’ny ankapobeny sy ireo fizarana isan-karazany amin’ilay lesona?

  2. Inona no tian’ny mpanoratra izay nentanim-panahy hahatongavana, ary moa ve mifanaraka amin’izany ny fampifanarahana izay eritreretiko hatao?

  3. Inona no antony ilako hampifanaraka ilay lesona? Moa ve safidin’ny tenako manokana ilay fiovana sa hanome traikefa amin’ny fianarana tsara kokoa ho an’ny mpianatra izany?

  4. Moa ve mifanaraka amin’ny bitsiky ny Fanahy Masina ny fampifanarahana izay ataoko?

Mety ho mila mampifanaraka lesona iray ianao mba

Fandinihana trangan-javatra

Rahavavy Rodriguez

Miomana hampianatra ny lesona “Matio 1:18–25; Lioka 1:26–35” ny Rahavavy Rodriguez. Fantany fa te hahalala ny zavatra lazain’ny soratra masina momba an’i Maria renin’i Jesoa ny mpianany. Misy kolontsaina amin’ny fahatsapana mafy sy finoana hafa momba an’i Maria ao amin’ny tanànan’izy ireo. Maro mihitsy aza ny mitsaoka an’i Maria noho ny maha renin’ Andriamanitra azy. Rehefa mandalina ny lesona avy ao amin’ny fandaharam-pampianarana Rahavavy Rodriguez dia mikatsaka toerana mety hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny zavatra nampianarin’ny soratra masina sy ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana momba an’i Maria.

Ny iray amin’ireo sahanasa fandalinana ao amin’ny lesona dia manasa ireo mpianatra mba hitady fampianarana momba ny ray aman-drenin’ny Mpamonjy ao amin’ny Lioka 1:30–35, Matio 1:18–23, ary Almà 7:10.

Manapa-kevitra Rahavavy Rodriguez hampifanaraka ny lesona rehefa avy mamaky ny Almà 7:10 ireo mpianatra, amin’ny fanampiana ao amin’ilay fandaharam-pampianarana ireto fanontaniana roa manaraka ireto.

“Inona no anampian’i Almà antsika mba hahatakatra ny momba an’i Maria? Na manaja sy mitia an’i Maria sy ireo mpianatra mahatoky hafa ao amin’ny soratra masina aza isika, ahoana no anampian’ny Almà 7:11–13 antsika hahatakatra ny antony hitsaohatsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy irery ihany?”

Rahalahy Li

Eo am-panomanana hampianatra ny lesona ‘Jaona 1:1–16” ny Rahalahy Li dia mahita ity sosokevitra sy fanontaniana roa manaraka ity mba hanombohana ny lesona:

Tohizan’i Rahalahy Li ny famakiana ilay lesona mba hianarana ny mety ho tanjona amin’ny fitondrana baolina any amin’ny kilasy. Hitany fa ny tanjona dia ny hanomanana ireo mpianatra hahatakatra fa arakaraka ny hianarantsika bebe kokoa ny momba an’i Jesoa Kristy talohan’ny fiainany teto an-tany no ahafahantsika mankasitraka ny lanjan’ny asa nanirahana tety an-tany.

Raha naniry ny hanatanteraka io tanjona io amin’ny fomba tena mahomby indrindra ho an’ireo mpianany izy dia misaintsaina kely ny amin’izay zavatra azony entina any an-dakilasy ka ho mora voarain’ireo mpianany. Manapa-kevitra ny hampifanaraka ny lesona izy amin’ny fitondrana firavaka tsotra ao an-dakilasy. Rehefa avy mizara izay eritreretiny fa ho vidin’ilay firavaka dia hozarainy hoe iza no nanamboatra an’ilay firavaka ary nahoana ny fahalalana ny tantarany no mahatonga izany hanana vidiny betsaka kokoa aminy raha mihoatra amin’izay tokony ho vidiny.

Rahavavy Martin

Eo am-panomanan-dRahavavy Martin hampianatra ny lesona “Asan’ny Apostoly 3” dia nahatsikaritra soso-kevitra mba hampiseho horonan-tsary mampiseho an’ilay lehilahy mandringa nositranin’i Petera sy Jaona tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra izy. Nojereny ilay horonan-tsary ary nahavariana azy fa tena mahomby izany. Saingy fantany ihany koa fa efa in-telo ireo mpianatra no nijery horonan-tsary tao amin’ny kilasiny nandritra ity herinandro ity. Nanapa-kevitra ny hijery fomba hafa izy mba hanatanterahana ny tanjon’ilay horonan-tsary.

Hitany fa tantara an-tsary ara-bakiteny an’io tantara io ilay horonan-tsary amin’ny ankapobeny. Notsoahiny fa ny tanjon’ilay horonan-tsary dia mety ny hamela ireo mpianatra haka sary an-tsaina ny zavatra nitranga fa tsy hoe mamaly izany fotsiny. Mba hampifanarahana an’ilay lesona dia asainy ireo mpianatra mba hamaky sy hilalao an-tsehatra ny zavatra mitranga ao amin’ilay tantara, amin’izay ireo mpianatra mba ho afaka ny ho mpandray anjara mavitrika, sy miato amin’ny fijerena horonan-tsary ary manampy azy ireo haka sary an-tsaina ity tranga ity.

Rahalahy Dube

Nanomana amim-pahavitrihana ny hampianatra ny lesona ao amin’ny Bokin’ny Romana Rahalahy Dube ny zoma mialohan’ny faran’ny herinandron’ny fihaonamben’ny Fiangonana araka ny hazavaina ao amin’ny fandaharam-pampianarana ho an’ny alatsinainy ho avy. Akory ny hagagany raha naheno ny mpaminany nanao filazana nandritra ny fihaonambe izy fa haorina tsy ho ela ao amin’ny faritra misy azy ny tempoly voalohany. Tena vitsy amin’ireo mpianany no efa nahita maso mivantana ny tempoly. Fantany fa ho avy ao an-dakilasy ireo mpianatra hanam-paniriana mafy ny hiresaka momba ny tempoly ary maro no hanana fanontaniana momba izany

Rehefa avy nivavaka izy dia nahatsapa ho nitaomim-panahy handingana izany ary hampianatra ny lesona araka ny fotokevitra “1 Petera 3:18–22; 4:1–6” sy ny lesona momba ny fifehezana fotopampianarana “1 Petera 4:6” miaraka aminy. Tsapa fa izany no fanamboarana mety satria tanjon’ilay lesona araka ny foto-kevitra dia milaza hoe: “Ity lesona ity dia hanampy anao hahita fomba hanampiana ny Mpamonjy amin’ny asa fanavotana ny maty izay ataony.” Tsapany fa ity fotoana miavaka ity no fahafahana tsara indrindra hanampiana ireo mpianatra havitrika hiomana hanavotra ireo razambeny ao amin’ilay tempoly ho avy.

Teo am-panomanan-Rahalahy Dube ny lesona amin’ny alatsinainy dia mahita ny iray amin’ireo fanasana mba hampihatra ny zavatra ianaran’ireo mpianatra izy manao hoe:

Fantatry ny Rahalahy Dube fa ny ankamaroan’ny mpianany dia tsy afaka mahazo internet na ny application Arbre familial an’ny FamilySearch. Ampifanarahany amim-pahendrena ilay fanasana mba hampiharana ny zavatra nianaran’izy ireo hanombohana mameno taratasy ho an’ny vondrom-pianakaviana miaraka amin’ny fianakavian’izy ireo sy hiresahana amin’ny mpanorohevitra mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasiny mba hianatra ny fomba ahafahan’izy ireo mikaroka anaran’ny fianakaviana hafa izay azon’izy ireo omanina ho amin’ny asa atao any amin’ny tempoly ho avy.

Rahavavy Schmidt

Rehefa avy nandalina ny lesona “Matio 22:34–40” momba ireo didy roa lehibe Rahavavy Schmidt dia mahatsiaro teny iray nolazaina tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany teo izy izay ho tsara ho an’ity lesona ity. Mahatsikaritra izy fa ao anatin’ilay lesona dia misy teny nambara efa ela kokoa natao hanampiana ireo mpianatra hahita fa rehefa tia an’ Andriamanitra isika dia hanova ny fontsika ho amin’ny mahasoa ny hafa Izy. Novainy an’ity teny nambara manaraka ity izany:

Mahatsapa Rahavavy Schmid fa ilay teny nambara avy tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany vao tsy ela dia hanatanteraka ilay tanjona mitovy amin’ilay hita ao amin’ilay lesona amin’ny fandaharam-pampianarana. Sady hainy koa izany fa afaka manampy ny sasany amin’ireo mpianany izay manana olana amin’ny fitiavana ny tenany ka tsy mahita hoe ny fitiavana an’ Andriamanitra dia afaka manampy azy ireo ihany koa hahatsapa ny lanjan’ny tenany.

Rahalahy Reyes

Teo am-pandalinana ny lesona “Apokalypsy 15–19” ny Rahalahy Reyes no nahita sahanasa izay manasa ireo mpianatra hisafidy ny handalina roa amin’ireto safidy telo manaraka ireto:

  • Safidy A: Anjely sy loza

  • Safidy B: Ny faharatsiana sy ny herin’ny Mpamonjy

  • Safidy D: Fampakaram-badin’ny Zanak’ondry

Samy nisy fanontaniana sy andinin-tsoratra masina ary sahanasa miaraka aminy isan-karazany ny safidy tsirairay. Nahatsapa Rahalahy Reyes fa ny tanjon’ilay sahanasa dia ny hanampy ireo mpianatra hahatakatra ny fitsipika asongadina ao anatin’ilay lesona: Afaka manampy antsika handresy ny faharatsiana tamin’ireo andro lasa i Jesoa Kristy.

Na dia tian-dRahalahy Reyes aza ireo safidy ireo dia nahita izao hevitra manaraka izao izy izay nanatanteraka ny tanjona mitovy ny ao amin’ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny” ao amin’ny lesona, ary tsapany fa tena ilain’ireo mpianany izany:

Nanomana ampahany 10 minitra amin’ilay lesona mifototra amin’ilay hevitra fanampiny Rahalahy Reyes. Mba hamoronana fotoana ho an’izany dia nanapa-kevitra izy ny hanasa ireo mpianatra hisafidy ny handalina safidy iray ihany amin’ireo telo naroso ao amin’ny votoatin’ny lesona.