Fanofanana momba ny fandaharam-pampianarana
Fiofanana momba ny fitsapam-pahaizana


“Fiofanana momba ny fitsapam-pahaizana,” Fiofanana momba ny fandaharam-pampianaran’ny seminera (2022)

“Fiofanana momba ny fitsapam-pahaizana,” Fiofanana momba ny fandaharam-pampianaran’ny seminera

Sary
mpianatra any an-tsekoly

Fiofanana momba ny fitsapam-pahaizana

Ny fitsapam-pahaizana dia ampahany manan-danja iray amin’ny fianarana. Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fiitsapam-pahaizana, amin’ny endrika fanadinana, eo amin’ny dingan’ny fianarana.

Sary
Loholona David A. Bednar

Tena manan-danja tanteraka amin’ny fianarana ny fanaovana fitsapam-pahaizana matetika. Ny fitsapam-pahaizana mahomby dia manampy antsika hampitaha izay zavatra ilaintsika fantarina amin’izay efa fantatsika marina momba ny lohahevitra iray manokana. Manolotra fenitra izay ahafahantsika mandrefy ny fianarantsika sy ny fivoarantsika ihany koa izany.

Tahaka izany koa, ireo fitsapana eo amin’ny sekolin’ny fiainana an-tany dia singa manan-danja eo amin’ny fivoarantsika mandrakizay. Mahaliana anefa fa tsy hita na dia indray mandeha aza ao amin’ny lahatsoratry ny soratra masina nankatoavin’ny Fiangonana amin’ny teny Anglisy ny teny hoe fitsapana. Fa ny teny hoe zahana toetra, dinihina ary sedraina kosa no ampiasaina mba hamaritana ireo ohatra isan-karazany amin’ny fanehoana araka ny tokony ho izy ny fahalalantsika ara-panahy momba ny drafitra mandrakizain’ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarana sy ny fahatakarantsika izany ary ny fanolorantsika tena amin’izany, sy ny fahaizantsika mikatsaka ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. (David A. Bednar, “Izay no hanaporofoantsika azy ireo,” Liahona, nôv. 2020, 8)

Ny fitsapam-pahaizana matetika ao amin’ny seminera dia afaka manampy ireo mpianatra haneho ny fahalalany ara-panahy sy ny fahatakarany ary ny fanoloran-tenany amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ireo karazana fitsapam-pahaizana mitondra fanabeazana ireo dia afaka manampy ireo mpianatra hahafantatra bebe kokoa ny zavatra ianarany sy ny fivoarany.

Izany fahatsapana izany dia mety ho zavatra iainana mitondra soa sy fanentanana ary afaka manasa fanambarana ho an’ny tena manokana bebe kokoa eo amin’ny fiainan’ny mpianatra. Afaka manampy ireo mpianatra hamorona drafitra ho amin’ny fivoarana sy ny fianarana amin’ny ho avy ihany koa izany. Ny ohatra sasantsasany amin’ny asa fanombanana ao amin’ny fandaharam-pampianarana seminera dia ahitana ireo lesona “Tombano ny fianaranao”, lesona momba ny fifehezana fotopampianarana (ao anatin’izany ny famerenana ny fifehezana fotopampianarana), ary fitsapam-pahaizana isaky ny antsasaky ny taranja.

Lesona “Tombano ny fianaranao”

Ao amin’ny fandaharam-pampianarana seminera tsindraindray dia ahitanao lesona “Tombano ny fianaranao.” Ireo lesona ireo dia voalahatra isaky ny efatra na enina herinandro ary manome fahafahana ny mpianatra hisaintsaina tsara ny fianarany. Ireo lesona ireo dia manome fahafahana manokana ny mpianatra hanazava fotopampianarana izay nianarany nandritra ny fianarana; hisaintsaina ny fihetseham-pony sy ny toe-tsainy ary ny faniriany manoloana ny drafitry ny Ray any An-danitra sy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy; ary handinika ireo drafitra na tanjona izay ezahiny atao mba hanamafisana bebe kokoa ny maha-mpianatra azy ireo sy ny fiovam-pon’izy ireo ho an’i Jesoa Kristy. Tsy voarakitra ara-dalàna toy ny fitsapam-pahaizana amin’ny fifehezana fotopampianarana ny fahaizan’ny mpianatra amin’ireo fitsapam-pahaizana ireo. Natao ho an’ny tombontsoan’ny mpianatra ireo fitsapam-pahaizana mitondra fanabeazana ireo.

Na dia tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanombanana ny fianarany manokana amin’ireo lesona ireo aza ny mpianatra iray dia afaka manampy ihany koa ny hafa. Ny Fanahy Masina dia mitana anjara toerana lehibe amin’ny fanampiana ireo mpianatra hanombana ny tenany. Tsy misy namana tsara kokoa noho ny Fanahy Masina hanampy ireo mpianatra hahita mazava ny fomba ianarany sy ny fitomboany ary ny fomba ahafahany mivoatra hatrany.

Afaka mifanampy ny mpiara-mianatra hanombana ny fianaran’ny tsirairay, ary azonao atao ihany koa ny anampy azy ireo. Rehefa manazava fotopampianarana ny mpianatra dia mety ho fotoana tsara izany hiarahan’ny mpianatra miasa amin’ny fanazaran-tena manazava na milalao an-tsehatra. Amin’ny maha-mpampianatra anao dia mety ho loharano tsara ianao hanome fanamarihana ny mpianatra momba ny fandrosoana izay ataony na izay manahirana azy ireo. Azonao atao ny mieritreritra hevitra na mizara zavatra niainana avy amin’ny fiainanao manokana mba hanampiana mpianatra iray. Ataovy ao an-tsaina anefa fa tsy tokony hiandrandrana ny mpianatra hanao tatitra aminao ny tanjony na ny fikasany izany. Ny sasany amin’ireo tanjona sy drafitra ireo dia mety teny ho an’ny tena manokana. Raha mahazo aina ny mpianatra iray milaza aminao ny drafiny na ny tanjony dia miresaha amin’izy ireo, kanefa fantaro ihany koa rehefa tokony halefa any amin’ny ray aman-dreniny na ny evekany na ny filohan’ny sampana misy azy ny mpianatra iray.

Mamorona sahanasa fitsapam-pahaizana ho an’ny lesona “Tombanao ny fianaranao.”

Indraindray dia mila mampifanaraka ny lesona “Tombanao ny fianaranao” ianao amin’ny famoronana sahanasa fitsapam-pahaizana vaovao. Noho ny fandaharam-potoanana an-tsekoly dia mety nisy lesona izay tsy nohalalinin’ny mpianatra izay ifotoran’ny lesona “Tombanao ny fianaranao” ao amin’ny fandaharam-pampianarana seminera. Na mety nisy lesona iray tena nanan-danja indrindra ho an’ny mpianatra izay tsy resahin’ny lesona “Tombanao ny fianaranao.” Amin’ireo tranga ireo dia ilainao ny manolo ny iray amin’ireo sahanasa ao amin’ny lesona “Tombanao ny fianaranao” amin’ny zavatra noforoninao mba hanombanana ny fahatakaran’ny mpianatra na ny fivoarany amin’izany lohahevitra izany.

Ireto dingana manaraka ireto dia afaka manampy anao hamorona asa fanombanana mahomby.

Dingana 1: Atombohy amin’ny famantarana lesona iray izay tianao hanaovana fanaraha-maso. Karazana vokatra inona no nifantohan’ny lesona?

Nifantoka kokoa tamin’ny zavatra fantatry ny mpianatra sy azon’izy ireo ve izany? Moa ve izany manasongadina bebe kokoa ny fihetseham-pon’ny mpianatra, na ny toe-tsainy, na ny faniriany? Na mety nifantoka indrindra tamin’ny fitondran-tenan’ny mpianatra izany? Ny fahafantaranao ny karazana vokatra tianao ho tratran’ny mpianatra dia afaka manampy anao hamorona traikefa fanombanana tsara.

Dingana 2: Diniho izay azon’ny mpianatra atao mba hanampiana azy ireo hahita ny fivoarany sy ny fianarany. Tsarovy fa tsy zavatra ilain’ny mpianatra aseho aminao na amin’ny mpianatra hafa izany. Mila zavatra izay manampy azy ireo hahita ny fivoarany manokana amin’ny fianarany fotsiny izany. Ireo ohatra dia mety ahitana ireto manaraka ireto:

  • Fahalalana sy fahatakarana ny vokatra: Azon’ny mpianatra atao ny mampianatra na manazava fotopampianarana iray na am-bava na an-tsoratra. Izany dia mety ho setrin’ny rafi-tantara iray izay hampiharan’ny mpianatra ny fanazavana ny fotopampianarana.

  • Fihetseham-po na fihetsika na faniriana: Azon’ny mpianatra atao ny mamerina mijery ny fanombanana ny tenany avy amin’ny lesona teo aloha ary mampitaha ny valinteniny amin’izao sy ny valinteny nomeny tamin’izy ireo nandalina ny lesona tany am-boalohany. Mety ho lahatsoratra amin’ny diary nodinihiny na fanadihadiana nataon’izy ireo izay novaliany na nofenoiny indray izany mba hahitana ny fahasamihafana.

  • Vokatra eo amin’ny fitondran-tena: Azon’ny mpianatra atao ny mamerina mijery ny zavatra nahasarika azy ireo hatao na ny drafitra noforoniny tao amin’ny lesona. Azon’izy ireo atao avy eo ny mandinika ny fomba nandraisan’izy ireo ny fahatsapana na nampiharany ilay drafitra. Afaka mizara ny zavatra niainany ny mpianatra vitsivitsy izay mazoto hanao izany raha toa ka tsy mahakasika loatra ny tena manokana izany. Azon’izy ireo atao mihitsy aza ny mampiseho fitondrantena irina ao an-dakilasy, toy ny fampiasana ny application Arbre familiana an’ny FamilySearch na ny fampisehoana fahaizana mandalina ny soratra masina.

Dingana 3: Mamorona traikefa amin’ny fianarana izay ahafahan’ny mpianatra mahita ny fivoarany sy ny fianarany. Mitadiava fomba hahatonga izany ho mahaliana sy mahafinaritra ary manomeza fotoana betsaka ho an’ny mpianatra hisaintsainana sy hanombanana ny fivoarany. Mety ho diso fanantenana amin’ny fivoarany ankehitriny ny mpianatra sasany. Mamorona fahafahana izay tsy mitarika ny mpianatra hampitaha ny fivoarany amin’ny hafa. Tokony hanana fotoana betsaka hikatsahana fanampiana avy amin’ny Rainy any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny mpianatra mba hahafantarana ny zavatra ataony izay tsara sy ny fomba ahafahan’izy ireo mivoatra. Tokony ho takatry ny mpianatra fa tsy tokony hoheverina ho tanjona farany mihitsy ireo fitsapam-pahaizana ireo. Fa kosa, tokony hamporisihina foana ny mpianatra handinika ny mety ho dingana manaraka amin’ny fianarany.

Fitsapam-pahaizana momba ny Fifehezana Fotopampianarana

Ny fitsapam-pahaizana indroa ao amin’ny seminera dia manome fahafahana ireo mpianatra hampiseho ny fifehezana fotopampianarana. Raketina an-tsoratra ny zava-bitan’ny mpianatra amin’ireo fitsapam-pahaizana roa ireo. Na dia mila afaka amin’ireo fitsapam-pahaizana roa ireo aza ireo mpianatra mba hahazoana mari-pankasitrahana ho an’ny seminera ho an’ny taom-pianarana dia afaka manao izany im-betsaka araka izay tiany izy ireo. Ny mpampianatra koa dia tokony hanao fanamboarana mifanaraka amin’ny zava-misy, rehefa avy nifampidinika tamin’ny ray aman-dreny momba ny zavatra ilain’ny mpianatra, ny amin’ny fomba hamitan’ny mpianatra ireo fitsapam-pahaizana ireo. Ampifanaraho ireo fitsapam-pahaizana ireo na ny fomba ahafahan’ny mpianatra mamita izany araka izay ilaina.

Ao anatin’ny tovana ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra dia misy famerenana anankiroa ho an’ny fitsapam-pahaizana momba ny Fifehezana Fotopampianarana. Ireo dia zavatra iainana an-dakilasy natao hanampiana ireo mpianatra hiaraka hanao famerenana ho fiomanana amin’ny fitsapam-pahaizana. Ireo famerenana ireo dia tokony hatao rehefa mivory ny mpianatra na virtoaly izany na mivantana.

Fehin-kevitra

Eritrereto ny soa azo avy amin’ny fanampiana ireo mpianatra hanombana tsy tapaka ny fianarany. Ny fanomezana fahafahana ny mpianatra hanazava fotopampianarana; hisaintsaina ny fihetseham-pony sy ny toe-tsainy ary ny faniriany; ary handinika ireo drafitra na tanjona izay ezahiny atao dia hanampy azy ireo amin’ny ezaka ataony mba ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa. Ny lesona fanombatombanana ihany koa dia manome fahafahana ny Fanahy Masina hanentana ny mpianatra amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo hahatsapa ny zavatra tsara ataony sy hanosika azy ireo hivoatra. Zava-dehibe ireo lesona ireo ary tokony hampianarina tsy tapaka.