Tahirim-pitaovana
Ireo zavatra azo atao sy andraikitry ny mpampianatra ao amin’ny DFF amin’ny taonjato faha-21


Ireo zavatra azo atao sy andraikitry ny mpampianatra ao amin’ny DFF amin’ny taonjato faha-21

Takariva hiarahana amin’ny Loholona M. Russell Ballard

Lahateny ho an’ireo mpampianatra filazantsara ao amin’ny DFF • 26 febroary 2016 • Tabernakelin’i Salt Lake

Ry rahalahy sy anabaviko malala, misaotra noho ireo ezaka mahatalanjona ataonareo amin’ny fampianarana ireo zatovon’ny Fiangonana.

Vao tsy ela aho no namaky ilay boky vaovao mitondra ny lohateny hoe, By Study and Also By Faith: One Hundred Years of Seminaries and Institutes of Religion. (Amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana: Zato taona nisian’ny Seminera sy Institiota fianarana Filazantsara). Tantara mahatalanjona tokoa izany! Rehefa namaky izany aho dia tsikaritro ny anjara asan’i Joseph F. Smith rain’ny raibeko sy i Melvin J. Ballard raibeko tamin’ny fanorenana sy fampivelarana ny fanabeazana ao amin’ny Fiangonana.

Ankehitriny aho dia manompo eto amin’ny toerana izay nanompoan’izy ireo taloha, noho ny fiarahantsika miasa. Nanomboka ny taona 1985 dia nanana tombontsoa nanompoana tao amin’ny Filankevi-pitantanana misahana ny Fampianarana aho nandritra ny 14 taona, ka mpikambana tao amin’ny Kômity Mpanatanteraka aho nandritra ny 7 taona tamin’izany ary Filohan’ny filankevitra nandritra ny 4 taona tamin’izany.

Nandritra ny fotoana naha-tao amin’ny Filankevi-pitantanana misahana ny Fampianarana ahy, dia lasa nitombo izaitsizy ny fankasitrahako ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana. Anio hariva, rehefa misaotra ireo mpampianatra sy mpitantana ary ny fianakavianareo amin’ny asa fanompoana feno fahatokiana ataonareo aho dia ny ray aman-dreny sy raibe ary renibe rehetra ary ireo ray aman-drenin’ny raibe sy renibe mihitsy ato amin’ity Fiangonana ity no tiako holazaina. Ny zava-bitan’ny DFF tao anatin’izay zato taona lasa izay dia mahatalanjona. Kanefa liana kokoa amin’ny 100 taona ho avy manaraka aho ary amin’ny fomba ahafahanareo manampy ny mpianatrareo amin’ny fiatrehana ireo fanamby tsy mitsaha-miovan’ny taonjato faha-21 .

Nandritra ny fivoriam-piofanan’ireo Manampahefana Ambony dia nampianatra momba ny “fihazonana ny fotopampianarana ho madio sy ny Fiangonana ho eo amin’ny lalana tokony hizorany” ny Filoha Gordon B. Hinckley. Nilaza izy hoe: “Mila malina isika. Tsy maintsy mitandrina isika mba tsy hiala amin’ny [lalana] tokony hizorana. Rehefa miezaka ny hiavaka na hanao zavatra amin’ny fomba vaovao na amin’ny fomba hafa isika dia mety hampianatra zavatra izay mety tsy hifanaraka tanteraka amin’ireo fotopampianarana fototra an’ity Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ity. … Tsy maintsy mailo kokoa isika. … Tsy maintsy toy ny mpitily eo ambonin’ny tilikambo isika.”1

Ao anatin’ny fampandrosoantsika ny fampianarana ao amin’ny Fiangonana ho an’ny taonjato faha-21 , dia mila mandinika ianareo tsirairay avy raha toa misy fiovana ilaina atao eo amin’ny fomba fiomananareo mampianatra, sy eo amin’ny fomba fampianaranareo ary eo amin’ny zavatra ampianarinareo raha te hanorina finoana tsy voahozongozona eo amin’ny fiainan’ireo zanaky ny taona roa arivo malalantsika ireo.

Amin’izao fotoana izao dia tsy misy intsony ny hoe misy mpianatra mametraka fanontaniana amin-kitsimpo ka valian’ny mpampianatra hoe: “Aza raharahiana izany!” Amin’izao fotoana izao dia tsy misy intsony ny hoe misy mpianatra maneho olana amim-kitsimpo ka ny fihetsika asehon’ny mpampianatra dia ny mijoro ho vavolombelona mba hialana amin’ny firesahana momba ilay olana. Amin’izao fotoana izao dia tsy misy intsony ny fiarovana ireo mpianatra amin’ny olona manenjika ny Fiangonana. Soa ihany ny Tompo fa nanome ity torohevitra azo ampiasaina amin’izao fotoana izao ity sy amin’ny fotoana rehetra ho anareo mpampianatra: “Ary satria tsy manana finoana ny rehetra, dia mikatsaha fatratra sy mifampianara ny teny fahendrena ianareo; eny, katsahonareo ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana.”2

Miantefa manokana amin’izao vaninandro izao izany satria tsy ny mpianatrareo rehetra no manana ny finoana ilaina hiatrehana ireo olana hiseho ary maro amin’izy ireo no efa tandindomin-doza noho ireo hery mandringan’ny tontolo efa mihamanalavitra ny fivavahana izay mankahala ny finoana, ny fianakaviana ary ireo fitsipiky ny filazantsara. Ny Internet dia miely patrana manerana an’izao tontolo izao saika efa any amin’ny tokantrano rehetra ary tena eo am-pelatanan’ireo mpianatsika sy ao an-tsainy.

Afaka manampy ny mpianatra ianareo amin’ny fampianarana azy ireo ny dikan’ny hoe mampiaraka ny fandinihana sy ny finoana rehefa mianatra izy ireo. Ampianaro izy ireo amin’ny alalan’ny fanehoana araham-panazavana izany fahaiza-manao sy fomba fiasa izany mandritra ny fotoam-pianarana.

Hoy ny Filoha Harold B. Lee hoe:

“Te hampahatsiahy anareo izahay fa ny fandrantoana fahalalana amin’ny alalan’ny finoana dia tsy mora rehefa mianatra. Hitaky ezaka mafy sy fikirizana tsy tapaka amin’ny alalan’ny finoana izany. …

“Raha fehezina, ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana dia tsy asa ho an’ny lehilahy [na vehivavy] kamo. Raha ny marina dia nisy olona iray nilaza fa ny dingana toy izany dia mitaky ny fietren’ny fanahy iray manontolo, ny fanairana ny sain’olombelona hatrany anatiny lalina any ary ny famatorana azy ireo amin’ Andriamanitra—Tsy maintsy aorina ilay fifandraisana tena izy. Dia amin’izay vao tonga ilay ‘fahalalana amin’ny alalan’ny finoana.’”3

Ny fahalalana amin’ny alalan’ny finoana dia hitondra fijoroana ho vavolombelona madio, ary ny fijoroana ho vavolombelona madio dia afaka manova fiainana, tahaka ny aseho ato amin’ireto tantara fohy telo ireto.

Voalohany, i Phoebe Carter dia nandao ny toerana nisy azy tany Maine mba hiaraka amin’ireo Olomasina tany Ohio teo anelanelan’ny taona 1830 sy 1840. Nitantara izy hoe: “Gaga tamin’ny fanapahan-kevitra noraisiko ireo namako, ary ny tenako ihany koa dia gaga, saingy nisy zavatra tao anatiko nanosika ahy hanao izany. Nila tsy ho zakako ny alahelon’ny reniko rehefa nandao ny toerana nisy ahy aho, ary raha tsy teo ilay fahatsapako ny Fanahy tao anatiko dia mety tsy nahavita nanao ilay dia aho.”4

I Phoebe dia nanaraka ny mpaminany ary niangona niaraka tamin’ireo Olomasina tany Ohio ary avy eo tany Utah tamin’ny farany, izay toerana nahafatesany tamin’ny naha-Olomasin’ny Andro Farany mahatoky azy sy tamin’ny naha-vady mpiara-miasa mitovy tamin’ny Filohan’ny Fiangonana Wilford Woodruff azy tao anatin’ny fanambadiana.

Ny tantara manaraka dia avy amin’ny tantaram-piainan’i Marion G. Romney.

Fony izy mpianatra tany amin’ny oniversite dia nanapa-kevitra i Marion fa tsy afaka hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno noho ny fahasahiranana ara-bolan’ny fianakaviany. Indray mandeha izy nahare ny Loholona Melvin J. Ballard niresaka. Ny voasoratra tao anatin’ilay tantaram-piainana dia hoe: “Tsy fantatr’i [Marion] tamin’io fotoana io fa hiova tanteraka ao anatin’ny fotoana fohy ny fiainany.”

Mitohy ny tantara: “[Ny rain’i Marion] dia efa nilaza tamin’ny zanany … fa misy fahasamihafana lehibe eo amin’ny lehilahy iray miaina eo ambany fitarihan’ny Fanahy sy ny lehilahy tsy miaina izany, toy ny fahasamihafana misy eo amin’ny hazo mitombo sy vodihazo tsy maniry intsony. Izay i Marion … vao nahatakatra tanteraka izany hoe [ahoana] izany eo ambany fitarihan’ny fitaomam-panahy izany. Nisy fahatsapana zavatra nanindrotsindrona nameno ny fanahiny. … Mbola tsy tohina toy izany ny fony, teo am-pihainoana ny tenin’io Apôstôly vao vaovao io.

“Niaina fanentanam-panahy … nahery vaika ny tovolahy Marion. Ny fahazavana teo amin’ny endrik’ilay Apôstôly ary ny fahitsin’ny fijoroany ho vavolombelona dia nameno faniriana tsy hay notoherina tao anatiny handeha hitory ny filazantsara. … Fantany fa tsy maintsy haato ny fikasany handranto fianarana bebe kokoa.”5

Fotoana fohy taorian’izay dia lasa tany Australie i Marion, izay toerana nanompoany tamim-pahatokiana. Taty aoriana dia lasa Apôstôly lehibe sy mpikambana tao amin’ny Fiadidiana Voalohany izy.

Ny tantara farany dia notantarain’ny Filoha Boyd K. Packer momba ny fiantraikany nentin’ny mpampianatra anankiray tamin’i William E. Berrett. Ilay mpampianatra efa nahazo taona dia olona niova fo avy tany Norvège izay tsy dia nahay niteny anglisy loatra. Na dia voafetra anefa ny fahaizan’io mpampianatra io dia nitantara ny Filoha Packer fa “ny Rahalahy Berrett dia [nijoro] ho vavolombelona in-betsaka, ‘Azonay natao ny nanafana ny tananay tamin’ny alalan’ny hafanan’ny finoany.’”6

Taty aoriana dia lasa filohan’ny seminera, ny institiota ary ireo sekolin’ny Fiangonana i William.

Ho an’i Phoebe sy Marion ary William dia ny fihainoana sy fahazoana fijoroana ho vavolombelona madio no tosikery izay nanova ny fiainan’izy ireo mandrakizay. Afaka mihatra amin’ny mpianatrareo ihany koa izany. Noho ny zava-misy eo amin’ny tontolo ankehitriny anefa dia mety tsy ho ampy foana ny fananana fijoroana ho vavolombelona madio. I Phoebe sy Marion ary William dia nadio sy tsy nisy pentina, tsy voafatotry ny pôrnôgrafia sy ireo rendrarendran’izao tontolo izao rehefa nampianarin’ireo misiônera sy mpampianatra ary mpitarika nentanim-panahy manokana izy ireo. Mora tamin’ny Fanahy ny fidirana tao amin’ny fo malefaka sy madio nananan’izy ireo.

Ankehitriny dia zavatra hafa mihitsy no mitranga, satria ny mpianatrareo sasany dia efa voakasiky ny pôrnôgrafia sy ny rendrarendran’izao tontolo izao talohan’ny nanatrehany ny kilasinareo.

Vao taranaka iray monja izay no lasa ary tamin’izany dia tamin’ny alalan’ireo fitaovana navoakan’ny Fiangonana printy fotsiny ihany no nahafahan’ny zatovontsika nahafantatra momba ny tantarantsika, ny fotopampianarantsika ary ireo fomba fanaontsika. Mpianatra vitsy no nahare mikasika ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny fomba hafa. Voaro ny fiainan’ireo zatovontsika tamin’ny ankapobeny.

Na dia novokarina tao anatin’ny fananana fikasana tsara aza ny fitaovam-pampianarantsika tamin’izany fotoana izany dia tsy nanomana ireo mpianatra amin’ny vaninandro ankehitriny izany—vaninandro izay ahafahan’ireo mpianatra mahita vetivety saika ny momba ny zava-drehetra mikasika ny Fiangonana avy amin’ny fomba fijery rehetra azo eritreretina. Ankehitriny ny zavatra hitan’izy ireo amin’ireo fitaovana elektrônika entina mandehandeha dia sady mety hampizaha toetra ny finoany no hampitombo izany. Betsaka amin’ireo zatovontsika no mahafantatra bebe kokoa momba ny Google noho ny filazantsara, betsaka no mora mandray ny Internet noho ny fanentanam-panahy ary betsaka kokoa no liana amin’ny Facebook noho ny amin’ny finoana.

Eo anatrehan’ireo olana ireo, dia nanaiky ny famoahana tetikasa iray ao amin’ny seminera izay antsoina hoe Fifehezana ny Fotopampianarana ny Filankevitry ny Fampianarana vao haingana. Mifototra amin’izay efa natao natao ihany teo amin’ny fifehazana ny soratra masina, ity tetikasa vaovao ity dia hifantoka amin’ny fanorenana sy amin’ny fanamafisana ny finoan’ireo mpianatsika an’i Jesoa Kristy ary amin’ny fampahatanjahana azy ireo hitombo fahaizana miaina sy mampihatra ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo. Rehefa mandalina ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany izy ireo dia hianatra mikasika ny fandraisana andraikitra miaraka amin’ny finoana an’i Kristy mba hahazoana fahalalana ara-panahy sy hahatakarana ny filazantsarany. Ary hanana fahafahana hianatra ny fomba hampiharana ny fotopampianaran’i Kristy sy ireo fitsipiky ny filazantsara izy ireo eo anatrehan’ireo fanontaniana sy olana henony sy hitany isan’andro eo anivon’ireo namany sy ao anatin’ny tambazotra ifaneraserana.

Tena tsara ary mifanojo amin’ny fotoana ilàna azy ity tetikasa ity. Hisy fiantraikany tena tsara eo amin’ny tanorantsika izany. Ny fahombiazan’ny Fifehezana ny Fotopampianarana sy ireo fandaharan’asa hafa rehetra ho an’ny fianarana ao amin’ny DFF anefa dia hiankina be dia be tokoa aminareo. Manoloana ireo olana ireo, dia inona avy ireo zavatra azonareo atao sy andraikitrareo amin’ny maha-mpampianatra ao amin’ny DFF amin’ny taonjato faha-21 anareo? Mazava ho azy fa tsy maintsy mitia ny Tompo sy ny Fiangonany ary ireo mpianatrareo ianareo. Tsy maintsy mizara fijoroana ho vavolombelona madio amim-kitsimpo sy matetika ihany koa ianareo.

Ankoatra izany dia mila mianatra bebe noho ny tamin’ny fotoana hafa hatramin’ny niantombohan’ny Famerenana amin’ny laoniny mikasika ny votoatiny sy ny sahan-kevitra ara-potopampianarana na ara-tantara ny mpianatrareo amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana izay ampiarahana amin’ny fijoroana ho vavolombelona madio mba hahafahan’izy ireo miaina fiovampo matotra sy maharitra amin’ny filazantsara ary miaina fanolorantena mandritra ny fiainany manontolo amin’i Jesoa Kristy. Ny hoe fiovampo matotra sy maharitra dia midika fa “[hijanona] ao anaty sambo sy [hamikitra]” mandritra ny fiainany izy ireo.7

Mba hahafahanareo mahatakatra ny votoatiny sy ny sahan-kevitry ny soratra masina sy ny tantarantsika dia mila mandalina ireo “boky tsara indrindra,” araka izay torolalan’ny Tompo ianareo. Tafiditra ao anatin’ireo “boky tsara indrindra” ny soratra masina, ny fampianaran’ireo mpaminany sy apôstôly maoderina ary ny fianarana ambony atolotry ny OAF. Amin’ny alalan’ny ezaka ataonareo manokana amim-pahazotoana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana no hahafahanareo manampy ny mpianatrareo hianatra ireo fahaiza-manao sy toe-tsaina ilaina mba hanavahana ny fampahalalana azo antoka izay hankahery azy ireo amin’ny ampaham-pahamarinana sy ireo fandikana vilana ny fotopampianarana sy ny tantara ary ny fomba fanao izay hahakivy azy ireo.

Ampianaro azy ireo ny olana mitranga rehefa miantehitra amin’ny Internet mba hamaliana ireo fanontaniana manana ny lanjany mandrakizay izy ireo. Ampahatsiahivo azy ireo fa i Jakoba dia tsy nilaza hoe: “Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hijery ao amin’ny Google!”8

Ny olon-kendry dia tsy miantehitra amin’ny Internet amin’ny fizahana sy fitsaboana ireo tsy fahatomombanana ara-pihetsehampo, ara-tsaina sy ara-batana, indrindra ireo tsy fahatomombanana mety hiteraka fahafatesana. Mila hevitra amin’ireo manam-pahaizana ara-pahasalamana kosa izy ireo, dia ireo izay niofana sy nahazo lalana avy tamin’ny kômitin’ny tompon’andraikitra ambony ara-pahasalamana sy tompon’andraikitra ambony ara-panjakana. Na dia izany aza dia manontany hevitra hafa ihany koa ny olona malina.

Raha izany no lalan-kizorana mba hahazoana valiny mikasika ireo tsy fahasalamana ara-pihetsehampo, ara-tsaina sy ara-batana dia mihoatra ny izany aza ny tokony hatao raha ny ny fiainana mandrakizay no tandindomin-doza. Raha mety hampidi-doza ny fiainantsika ara-panahy sy ny fifandraisantsika ara-pianakaviana sarobidy indrindra ary ny maha-mpikambana antsika ao amin’ny fanjakana ny zavatra anankiray dia tokony hitady mpitarika ny Fiangonana miraharaha sy mahatoky mba hanampy antsika isika. Ary raha ilaina dia tokony hangataka fanampiana any amin’ireo izay nanaraka fiofanana ambony sy manana traikefa ary manam-pahaizana manokana isika.

Izany mihitsy no ataoko rehefa mila ny valin’ireo fanontaniako manokana aho izay tsy voavaliko irery. Mitady fanampiana any amin’ireo Rahalahiko ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ireo olon-kafa manam-pahaizana manokana amin’ny sehatry ny tantaran’ny Fiangonana sy ny fotopampianarana aho.

Tokony ianareo ho isan’ireo voalohany, ankoatra ny fianakavian’ny mpianatrareo, hampahafantatra ireo loharanom-pitaovana nankatoavina momba ny lohahevitra izay mety ho tsy dia fantatra loatra na miteraka ady hevitra mba hahafahan’ny mpianatrareo manombantombana sy mampitaha izay reny na hovakiany any aoriana amin’izay efa nampianarinareo azy ireo.

Ireo misiônera malalantsika dia fantatsika fa omena tsindrona alohan’ny handefasana azy ireo any amin’ny sahan’ny misiôna mba hiarovana azy ireo amin’ny aretina izay mety hamparary na mety hamono azy ireo mihitsy. Torak’izany ihany koa no iangaviako antsika, alohan’ny handefasantsika azy ireo hiatrina izao tontolo izao, hoe mba homano ireo mpianatsika amin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo fanazavana azo antoka sy voahevitra tsara ary marina momba ny fotopampianran’ny filazantsara sy ny soratra masina ary ny tantarantsika sy ireo lohahevitra izay matetika hadika vilana.

Ny tiako horesahina raha hitanisa lohahevitra vitsivitsy izay tsy dia fantatra loatra na miteraka ady hevitra aho dia ny fanambadiana maro, ireo vato mpahita, ireo fitantarana samihafa momba ny Fahitana Voalohany, ny fizotrin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna na ny Bokin’i Abrahama, ny olana mikasika ny maha-lahy na ny maha-vavy, ny firazanana sy ny fisoronana, na ny Reny any An-danitra.

Ny ankamaroan’ireo ezaka mba hanomanana ny zatovontsika matetika dia mianjera any amin’ny mpampianatra. Eo am-pandinihana izany dia mikaroha fotoana kely ary eritrereto ny zavatra azonareo atao sy ireo andraikitrareo.

Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao, izay mahatsapa tanteraka ny maha-tsy voafetra ny fahafahantsika mahazo fampahalalana, dia manao ezaka lehibe amin’ny fampahafantarana izay zava-niseho marina sy amin’ny fanomezana ny zava-pantatra momba fampianarana mikasika ny Famerenana amin’ny laoniny. Ny ohatra tsara indrindra maneho izany ezaka izany dia ireo lahatsoratra miompana amin’ny Lohahevitra momba ny Filazantsara miisa 11 ao amin’ny LDS.org izay mitondra fanazavana voalanjalanja sy azo antoka ny amin’ireo zava-nitranga mikasika ireo lohahevitra momba ny Fiangonana izay miteraka ady hevitra sy tsy fantatry ny olona indrindra.

Tena zava-dehibe ny hahafantaranareo amin’ny antsipiriany ny votoatin’ireo lahatsoratra. Raha manana fanontaniana momba azy ireo ianareo dia mba manontania olona izay efa nandalina azy ireo sy nahatakatra azy ireo. Amin’ny teny hafa dia “katsahonareo ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana” eo am-pifehezanareo ny votoatin’ireo lahatsoratra ireo.

Tokony hahafantatra tsara ihany koa ny tranonkala mikasika ny Joseph Smith Papers (Ireo antontan-taratasy noraketina nandritra ny fotoan’i Joseph Smith) sy ny fizarana momba ny tantaran’ny Fiangonana ao amin’ny LDS.org ary ireo loharanom-pitaovana hafa avy amin’ireo manam-pahaizana OAF tsara sy mahatoky ianareo.

Ny ezaka atao mba hisian’ny mangarahara eo amin’ny filazantsara sy ny fanomanana ara-panahy amin’ny alalan’ny fandalinana voahevitra tsara ny fotopampianarana sy ny tantara, izay ampiarahana amin’ny fijoroana ho vavolombelona mahery vaika no fiarovana tsara indrindra ananantsika mba hanampiana ireo mpianatsika hisoroka sy/na hiatrika ireo fanontaniana, fiahiahiana ary toe-javatra mety hahavery ny finoana izay mety hitranga amin’izy ireo ato anatin’izao vanimpotoana hivelaran’ny fampahalalana izao.

Rehefa miezaka ny hahatakatra tsaratsara kokoa ny tantarantsika sy ny fotopampianarantsika ary ireo fomba fanaontsika—mihoatra noho ny ataonareo amin’izao fotoana izao—ianareo mpampianatra dia ho vonona kokoa amin’ny fanomezana valinteny voahevitra tsara sy notandremana tsara ary nentanim-panahy amin’ireo fanontanian’ny mpianatrareo.

Ny fomba anankiray hahafantarana ireo fanontanian’ny mpianatrareo dia ny mihaino tsara azy ireo.

Ny zanakay vavikely, fony izy dimy taona, dia nihanika teo amin’ny lohaliko, raha namaky gazety aho. Nilaza tamiko zavatra manan-danja iray taminy izy, nefa izaho dia tsy niraharaha. Noho izany dia naninjitra ny tanany kely taty amiko izy, dia nanilika ilay gazety, dia nofeheziny tamin’ny tanany ny tarehiko ary nivandravandra ahy izy sady nilaza hoe, “Dada ô, tsy mihaino ahy ianao!” Marina ny voalazany—diso aho noho ny tsy fihainoako azy. Ny mpampianatra tsara rehetra dia tokony ho mpihaino tsara avokoa.

Ankoatra ny fihainoana ny mpianatrareo dia mba amporisiho izy ireo hametraka fanontaniana momba izay lohahevitra tiany, na ao an-dakilasy izany na amin’ny fotoana hafa manokana.

Anisan’ny fanontaniana manan-danja indrindra mety hapetraky ny mpianatrareo ny hoe: “Nahoana?”

Rehefa mikatsaka amim-paniriana ny hahatakatra dia fanontaniana tena tsara ny hoe “Nahoana?” Izany dia fanontaniana tian’ny misiônera hapetrak’ireo naman’ny Fiangonana. Nahoana isika no eto? Nahoana ny zavatra ratsy no mitranga amin’ny olona tsara? Nahoana isika no tokony hivavaka? Nahoana isika no tokony hanaraka an’i Kristy? Matetika ireo fanontaniana manomboka amin’ny hoe nahoana ireo no mitarika any amin’ny fahazoana fanentanam-panahy sy ny fanambarana. Ny fahafantarana ny drafitry ny famonjena an’ny Raintsika any An-danitra dia hanampy antsika hamaly ny ankamaroan’ireo fanontaniana manomboka amin’ny hoe nahoana ireo. Hiresaka bebe kokoa momba izany aho afaka minitra vitsivitsy.

Izao no fanamarihana farany momba ny famaliana fanontaniana. Zava-dehibe ny hampianaranareo ny mpianatrareo fa na dia manome valiny betsaka, raha tsy izany ny ankabeazan’ny valin’ireo fanontaniana manan-danja indrindra momba ny fiainana aza ny filazantsara, dia misy fanontaniana sasany izay tsy afaka ny ho valiana mandritra ity fiainana ity satria tsy ananantsika ny fampahalalana ilaina hahazoana valiny mazava. Hitantsika ao amin’ny Jakôba ny hoe: “Indro, lehibe sy mahatalanjona ny asan’ny Tompo. Endrey tsy hita hotakarina ny halalin’ny mistery momba Azy; sady tsy vitan’ny olona ny hahita ny lalany rehetra. Ary tsy misy olona mahafantatra ny lalany raha tsy ambara azy izany; noho izany; ry rahalahy, aza manao tsinontsinona ny fanambaran’ Andriamanitra.”9

Ankehitriny misy fampitandremana kely: Miangavy anareo aho mba hanaiky fa mety hino ianareo, tahaka ny ankamaroan’ireo mpianatrareo, fa ianareo dia manam-pahaizana manokana amin’ny soratra masina sy amin’ny fotopampianarana ary amin’ny tantaran’ny Fiangonana. Ny fikarohana natao vao tsy ela dia nanambara fa “arakaraka ny fiheveran’ny olona ny tenany ho mahafantatra momba ny lohahevitra iray no mety hahatonga azy hitompo teny fa mahafantatra mihoatra ny zavatra fantany, eny fa hatramin’ny filazana ho mahafantatra zavatra tsy marina na namboarina mihitsy aza.”10

Izany fakam-panahy fantatra amin’ny hoe “mitompo teny fatratra” izany dia tsy maintsy halavirinareo mpampianatra ao amin’ny DFF. Tena azo atao tsara ny miteny hoe: “Tsy fantatro.” Rehefa avy nolazaina anefa izany dia manana andraikitra ny hitady ireo valiny tsara indrindra azo omena amin’ireo fanontaniana voahevitra tsara avy amin’ny mpianatra ianareo.11

Rehefa mampianatra ny mpianatrareo sy mamaly ny fanontaniany ianareo dia aoka ny tenako hampitandrina anareo ny mba tsy hizara honohono entina hampitombo finoana nefa tsy voamarina akory na zava-pantatra sy fanazavana mikasika ny fotopampianarantsika sy ny fomba fanaontsika taloha izay nilaozan’ny toetrandro. Fahendrena hatrany ny mizatra mandalina ny tenin’ireo mpaminany sy apôstôly velona. Havaozy hatrany ny fahafantaranareo momba ireo zavatra miteraka ady hevitra, ireo fitsipika sy fanambarana hita ao amin’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny mormonnewsroom.org sy ny LDS.org; ary vakio ny asa navoakan’ireo manam-pahaizana OAF fanta-daza, sy matotra ary mahatoky mba hahazoana antoka fa tsy mampianatra zavatra tsy marina, na nilaozan’ny toetrandro na hafahafa ianareo.

Ireo mpikaroka momba ny “fananana toetra mitompo teny fatratra” dia nanamarika fa “ny fironana hitompo teny fatratra, indrindra indrindra eo amin’ireo izay milaza ny tenany ho manam-pahaizana manokana dia mety hanakana ny olona hianatra manokana momba ireo zavatra ireo izay lazainy fa fantany tsara.”

Ny Filoha Lefitry ny Fampianarana ao BYU dia nilaza hoe: “Ny hoe manam-pahaizana manokana amin’ny lohahevitra anankiray dia tena mety hampientanentana tokoa, indrindra indrindra manoloana ireo mpianatra sy mpiara-miasa izay miandrandra hatrany ny zavatra ho lazainao. Raha tsy misy anefa ny fanolorantena lalina hanohy hatrany ny fianarana dia ho tafalatsaka amin’ny hoe mpitompo teny fatratra isika, ary tsy misy mpitia ireo mihevitra ny tenany ho ‘mahafantatra ny zava-drehetra.’”12

Haveriko indray ny fampitandremana nomen’ny Filoha Hinckley hoe “Mila malina isika. Tsy maintsy mitandrina isika mba tsy hiala amin’ny [lalana] tokony hizorana.”13

Ankoatra ny hoe lasa mpianatra mandritra ny fiainana manontolo dia tsy maintsy manao ireo zavatra eo amin’ny fiainanareo manokana izay mamela ny Fanahy Masina hiasa ao aminareo ianareo. Anisan’ny zavatra ilainareo atao ny mivavaka amim-kitsimpo isan’andro, mifady hanina amim-pahatokiana, mandalina sy misaintsaina tsy tapaka ireo soratra masina sy tenin’ny mpaminany velona, manao ny andro Sabata ho fahafinaretana, mandray ny fanasan’ny Tompo amim-panetrentena sy mahatsiaro mandrakariva ny Mpamonjy, mitsaoka any amin’ny tempoly araka izay azo atao, ary farany, manampy ireo sahirana sy ireo marary ary ireo irery—ireo izay akaiky anareo sy ireo olon-kafa maneran-tany.

Mba hanatanterahana araka ny tokony ho izy ireo zavatra azonareo atao sy ny andraikitrareo, ry mpampianatra malalako, dia tsy maintsy mampihatra izay ampianarinareo ianareo!

Manàna risimpo amin’ny alalan’ny fikatsahana torohevitra sy fanitsiana avy amin’ireo izay itokisanareo—ny vady, na ny mpitarika ao amin’ny fisoronana na ny mpandrindra mpanara-maso. Anontanio azy ireo hoe aiza no tokony hatsaraina eo amin’ny maha-mpianatra anareo manokana. Izany dia manan-danja manokana ho an’ireo mpiasantsika amin’ny fotoana feno, ireo izay avy ao amin’ny kitapom-bola masin’ny fahafolonkarenan’ny Fiangonana no hanakaramana azy. Tsy maintsy manalavitra izay rehetra mety hampiala ny Fanahy ianareo.

Ankoatra izany dia te handroso hevitra aho ny hanaovanareo fandinihan-tena matetika—avereno vakiana ny 2 Nefia 26:29–32, Almà 5:14–30, ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:33–46. Izany dia mba hanampiana anareo hamantarana ireo karazana fakam-panahy mety ho atrehanareo. Raha misy zavatra ilaina ovaina dia ataovy izany.

Ialao ny fakam-panahy hisalasala momba ny tanjon’ny mpiara-miasa aminareo. Mba diniho lalina kosa ny ao am-ponareo ary tadiavo izay fanirianareo sy tanjonareo manokana. Izany no hany fomba ahafahan’ny Mpamonjy manova ny fonareo ary mampifanaraka ny fanirianareo sy tanjonareo amin’ny Azy.

Ireo taranaka vao misondrotra dia mila mahafantatra, mahatakatra, manaiky ary mandray anjara amin’ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra. Ny fahatakarana ny drafitra dia hanome azy ireo sahan-kevitra masina ahafahany mahafantatra ny anjara toerany amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra azy ireo ary mitondra fomba fijery ahafahany mahatakatra saika ny fotopampianarana sy ny fomba fanao ary ny fitsipika rehetra an’ny Fiangonana.

Amin’ny maha-mpampianatra anareo ao amin’ny DFF amin’izao fotoana izao dia tsy maintsy manaiky ny fahafahana ananana sy andraikitra hampianatra ireo tanoran’ny taonjato faha-21 ireo fitsipika marina mikasika ny drafitra, ao anatin’izany ny fotopampianaran’ny fanambadiana neken’ Andriamanitra sy ny anjara asan’ny fianakaviana ao amin’ny fanambarana mahakasika ny fianakaviana ianareo.14

Ny fotopampianaran’ny fanambadiana sy fianakaviana mandrakizay dia ampahany manan-danja ao amin’ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra. Tafiditra ao anatin’izany ireo fianakaviantsika manokana izay nofehezina tany amin’ny tempoly ho anisan’ny fianakaviana mandrakizain’ny Ray any An-danitra ao amin’ny fanjakana selestialy. Koa satria mifandray mivantana amin’ny fianakaviany manokana sy amin’ireo fanahy izay zanany manokana izany dia ampianarina isika ao amin’ny Genesisy fa “lahy sy vavy no namoronany azy” ary nandidy an’i Adama Raintsika sy Eva Renintsika mba “[hihabetsaka] sy [hameno] ny tany” Izy.15

Voalaza fa ny drafitry ny fahasambarana dia manomboka sy mifarana amin’ny fianakaviana. Marina tokoa fa ny fiatombohan’ny fianakaviana dia tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana, izay toerana niainantsika amin’ny maha-olona ao amin’ny fianakavian’ny Ray aman-drenintsika any An-danitra antsika. Ary amin’ny farany dia tsy hitohy fotsiny ihany ireo fanolorantena ifanaovana ao amin’ny fianakaviana sy ny fifandraisana feno fitiavana fa hitombo ihany koa amin’ny alalan’ny fahamaroana fara.16

Ny singa manan-danja mampifandray izany rehetra izany—izay ianteheran’ny drafitr’ Andriamanitra sy ny hoavy mandrakizaintsika ary ifaharan’ny zava-drehetra—dia ny Mpamonjintsika, Jesoa Kristy. Ny sorompanavotany no ahafahan’ny zava-drehetra hitranga, ka anisan’izany kanefa tsy voafetra amin’ireo fotsiny, dia ny fanambadiana sy fianakaviana feno fitiavana sy feno fiahiana ary mandrakizay.

Ny Tompo dia mampianatra fa tsy misy olon-tokana, na manao ahoana na manao ahoana ny fahamarinan-toetrany, afaka ny hahazo ny zavatra ananan’ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany. Ny olon-tokana anankiray dia antsasaky ny tokony ho izy, ary tsy afaka ny hitoetra ao amin’ny fanjakam-boninahitra avo indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy.17

Mila mahafantatra ianareo ry mpianatra fa ny tanjon’ny fiainana ety an-tany dia ny ho lasa tahaka an’ Andriamanitra kokoa amin’ny alalan’ny fahazoana vatana, fampiasana ny fahafahana misafidy ary fisahanana ireo anjara asa izay efa ny Ray aman-drenintsika any An-danitra ihany no nisahana azy teo aloha—dia ny anjara asa amin’ny maha-vady sy ray aman-dreny.

Nanome toky ireo mpaminany fa ireo izay mendrika sy miantehitra amin’i Jesoa Kristy kanefa mbola tsy nofehezina tamin’ny vady na mbola tsy nanana fahafahana hanan-janaka eto amin’ity fiainana ity dia hanana ireo fahafahana ireo any amin’ny fiainan-koavy.

Mba ampianaro ny mpianatra fa ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo dia misy toerana ho an’ny rehetra izay ahafahan’izy ireo miara-mitsaoka, manompo ary mivoatra amin’ny maha-mpirahalahy sy mpianadahy ao amin’ny filazantsara. Ampahatsiahivo azy ireo ny zavatra nampianarin’i Lehia fa azo fintinina tahaka izao manaraka izao ny tanjona sy fanantenan’ Andriamanitra ho an’ny zanany rehetra: “Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana.”18

Maniry ny hanekentsika ny famaritany ny hoe fanambadiana ary ny hankatoavantsika ny didiny mba “hihabetsaka sy hameno ny tany” ny Ray any An-danitra—tsy hoe mba hahatanteraka ny drafiny fotsiny fa mba hahita koa ilay fifaliana ao anatin’ilay drafiny izay omena ny zanakalahiny sy zanakavaviny.

Tsy ireo mpikamban’ny Fiangonana ihany no manaiky ireo fitsipika ireo. I David Brooks mpanao gazety ao amin’ny New York Times dia niteny hoe: “Tsy tsara kokoa ny fiainan’ireo olona rehefa omena fahalalahan’ny tena be loatra hanao izay sitrapony izy ireo. Fa tsaratsara kokoa izy ireo rehefa voahodidin’ny fanolorantena izay mihoatra lavitra noho ny safidin’ny tenany manokana—dia fanolorantena ho an’ny fianakaviana, ho an’ Andriamanitra, ho an’ny asa ary ho an’ny tanindrazana.”19

Amin’ny maha-mpanabe ao amin’ny Fiangonana anareo dia ampio ireo tanora hanana fahatakarana mazava ny drafitry ny fahasambaran’ Andriamanitra izay hitondra fifaliana tena izy eo amin’ireo zanakalahiny sy zanakavaviny rehetra. Ampio izy ireo hahafantatra, hahatakatra, hanaiky, handray anjara ary hiaro ilay drafitra izy ireo. Avy amin’ny traikefa niainako tanatin’ny 40 taona tamin’ny maha-Manampahefana Ambony aho dia sahirana aho amin’ny fahafantarako ny habetsahan’ireo mpikamban’ny Fiangonana, na zatovo na olon-dheibe, izay tsy mahatakatra tsotra izao ny drafitra ho an’ny hoavy masina sy mandrakizain’izy ireo.

Ry mpampianatra namana, tokony handrandraintsika sy hankamamiantsika ireo fotoana tsara ireo hanazavana amin’ny lafiny ara-potopampianarana sy ara-panahy ny antony inoantsika fa ny fahalalana ny drafitra lehiben’ny fahasambaran’ Andriamanitra dia hahavaly ny ankamaroan’ireo fanontaniana “Nahoana” izay apetraka. Ny fanehoana ny finoantsika momba ny fiainana talohan’ny nahaterahana izay niainantsika tamin’ny naha-fanahy zanaky ny Ray any An-danitra sy ny Reny any An-danitra antsika dia manome fahafahana antsika hanazava ny antony nahariana ity tany ity. Tanjona iray manan-danja eo amin’ny fiainana an-tany dia ny mba hahafahantsika hiaina izany fanorenana fianakaviana izany, fa amin’ny maha-ray aman-dreny indray fa tsy amin’ny maha-zanaka intsony. Hazony ho zava-tsoa ny fahatakarana fototra ny fotopampianarana sy ny tanjon’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra ho an’ny fahasambarantsika mandrakizay. Ary tohizo ny fampianarana izany.

Koa ho famaranana sy ho famintinana: avy amin’ny zava-boalazan’ny Loholona Kim B. Clark anio hariva dia nianatra isika fa mpampianatra nalefan’ Andriamanitra ianareo ary feno finoana sy fanantenana ary fanentrentena sy fitiavana.20

Ireo zavatra nozaraiko taminareo dia ireto:

  • Ampianaro ireo mpianatra mba hampiaraka ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana sy ny finoana amin’ny fijoroana ho vavolombelona madio. Ampianaro hijanona ao anatin’ilay sambo izy ireo ary hihazona mafy!

  • Ampianaro ireo mpianatra mba hifehy ireo fitaovana elektrônika entina mandehandeha ary hifantoka amin’izay hifandraisana bebe kokoa amin’ny Fanahy Masina noho ny amin’ny Internet.

  • Omano amin’ny alalan’ireo fahamarinan’ny drafitry ny famonjena hita ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny mpianatra.

  • Fehezo ny votoatin’ireo lahatsoratry ny Lohahevitra momba ny Filazantsara.

  • Tsarovy fa ny hoe “Nahoana?” dia fanontaniana tena tsara ary mitarika amin’ny fahatakarana ny filazantsara.

  • Aza mitompo teny fatratra, ary aza matahotra ny hiteny hoe: “Tsy fantatro.”

  • Ataovy izay hahatongavanareo ho mpianatra mandritra ny fiainana manontolo.

  • Mitadiava torohevitra sy fanitsiana ho an’ireo izay tianao.

  • Hevero ny hanaovana fandinihan-tena manokana indraindray mba hijerena ny fiomananao ara-panahy, ny fahavononanao ary ny fahombiazanao.

  • Ampianaro fa ny drafitry ny fahasambarana dia manomboka sy mifarana amin’ny fianakaviana. Hazony ao an-tsaina foana ny drafitry ny famonjena.

  • Ampianaro fa ny fanambadiana sy ny fianakaviana dia mitondra fifaliana maharitra.

  • Tsarovy fa ny fampiarahana fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana amin’ny fijoroana ho vavolombelona madio dia mahatonga fiovampo marina sy maharitra.

  • Ary ambonin’ny zava-drehetra dia zava-dehibe ho an’ny tanjaka sy fivoarantsika ara-panahy ny finoana mahery vaika amin’ny Sorompanavotan’ny Tompo Jesoa Kristy.

Ankehitriny, ry mpampianatra namana malalako, enga anie Andriamanitra hitahy ny tsirairay avy amintsika. Na inona na inona enta-mavesatra entinareo dia hohamaivanina anie izany. Hahita fifaliana sy fiadanana avy amin’ny fahafantarana amin’ny alalan’ny fampianaranareo anie ianareo fa nahakasika fiainan’olona iray, fa nahavita nampitraka zanaky ny Ray any An-danitra iray teo amin’ny diany ianareo ka indray andro dia hosakambinina eo anatrehany indray. Apetrako aminareo ny tenivavolombeloko fa manana ny fahafenoan’ny filazantsarn’i Jesoa Kristy mandrakizay isika araka ny namerenana azy tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Eo am-pelatanantsika ny fahafenoan’ny filazantsara. Mila mampitsiaka izany ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika ary mampianatra izany amin-kery isika. Ny vavaka amim-panetrentena ataoko dia ny hitahian’ Andriamanitra ny tsirairay avy amintsika, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.