Ankizy sy Zatovo
Hevitra hivoarana eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana


“Hevitra hivoarana eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana,” Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny ankizy (2019)

“Hevitra hivoarana eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana,” Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny ankizy

Hevitra hivoarana eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana

Ireto pejy manaraka ireto dia ahitana hevitra momba ny fomba ahafahanao manaraka ny Mpamonjy ary mivoatra eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanao. Tsy voatery hampiasa izy ireto ianao—mety ho avy aminao manokana ny hevitra tsara indrindra! Mivavaha momba izay azonao ilofosana amin’izao fotoana izao.

Afaka mahita hevitra misimisy kokoa ianao ao amin’ny ChildrenandYouth.ChurchofJesusChrist.org.

Sary
ara-panahy, ara-piarahamonina, ara-batana, ara-tsaina

Hevitra ho fivoarana ara-panahy

Inona avy ireo hevitrao?

Sary
zatovo mivavaka

Vakio isan’andro ny Bokin’i Môrmôna

Sary
zatovo mamaky soratra masina

Ataovy fahazarana ny famakiana isan’andro, na dia andininy vitsivitsy fotsiny aza.

Miomàna handeha any amin’ny tempoly

Sary
zatovo any amin’ny tempoly

Ianaro sy iaino “Ireo Fitsipiky ny Filazantsarako” (pejy 63), dia asao ny hafa hanao torak’izany koa.

Ianaro ireo Fanekem-pinoana

Sary
zatovo manisa

Ianaro tsianjery ireo Fanekem-pinoana (pejy 62), ary ianaro ny hevitr’izy ireo.

Hatsarao ny vavaka ataonao

Sary
zatovo mamaky

Mialoha ny hanaovanao vavaka, dia eritrereto ireo zavatra ankasitrahanao ary ireo zavatra ilainao fanampiana.

Isaory ny Ray any An-danitra noho ireo fitahiana azonao

Sary
lisitry ny zavatra atao

Manorata zavatra telo izay ankasitrahanao. Miezaha manoratra zavatra telo vaovao isan’andro.

Hazony ho masina ny andro Sabata

Sary
fianakaviana eo ivelan’ny fiangonana

Manapaha hevitra ny amin’izay zavatra azonao atomboka na atsahatra mba hahatonga ny andro Sabata ho andro miavaka.

Manompoa olona iray

Sary
zatovo manadio

Mitadiava fomba hanampiana olona iray ao amin’ny fianakavianao, any am-pianarana, na any am-piangonana.

Manaova tantaram-pianakaviana

Sary
raibe sy renibe

Manorata taratasy ho an’i dadabe na ho an’i bebe, ho an’i nenitoa na ho an’i dadatoa. Angataho izy ireo hizara aminao tantara momba azy ireo fony izy ireo nitovy taona taminao.

Zarao ny filazantsara

Sary
olona miresaka

Resaho momba ny filazantsara ny namana iray. Asao ireo namanao hankany am-piangonana na hamonjy fiaraha-mientana.

Ampianaro ny filazantsara

Sary
fianakaviana mamaky

Ampianaro ny olona ao amin’ny fianakavianao ny tantara ao amin’ny soratra masina tianao indrindra. Lalaovy an-tsehatra izany na manaova sary mba hanampiana anao hampianatra izany.

Mihirà hiran’ny Kilonga

Sary
zatovo mitendry gitara

Mihirà miaraka amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana. Mariho ny zavatra tsapanao avy amin’ny fihainoana mozika tsara.

Hevitra ho fivoarana ara-piarahamonina

Inona avy ireo hevitrao?

Sary
zatovo mivavaka

Mianara momba ilay hoe Fianakaviana

Sary
fianakaviana miara-mandeha an-tongotra

Vakio ny “Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ary resaho amin’ny ray aman-dreninao ny zavatra nianaranao.

Hanehoy fitiavana ny fianakavianao

Sary
fianakaviana eo an-databatra fisakafoana

Manaova zavatra tsara ho an’ireo olona ao amin’ny fianakavianao.

Ampandraisao anjara ny hafa

Sary
zatovo mandeha an-tongotra

Mitadiava fomba handaniana fotoana miaraka amin’ny olona iray na hanompoana olona iray izay mety mahatsapa ho voailikilika na mila ny finamananao.

Mianara momba ireo kolontsaina hafa

Sary
zatovo miaraka amin’ny llama

Mamakia momba ireo kolontsaina hafa, miresaha amin’ny olona avy amin’ny firenen-kafa, na manatreha hetsika ara-kolontsaina akaiky anao.

Tompoy ireo mpifanolobodirindrina aminao.

Sary
zatovo mamalona akanjo

Miaraka amin’ny ray aman-dreninao na ireo mpitarika anao, manaova zavatra ao amin’ny fiarahamonina misy anao mba hanampiana ireo olona sahirana.

Mianara miala tsiny sy mamela

Sary
zatovo maratra

Manaova kilalao an-tsehatra toe-javatra izay ilain’ny olona iray ny miala tsiny na mamela ao anatin’izany. Manaova fahazarana mizara ny fahatsapanao ary mamaly.

Ianaro ny momba ny fiarahamonina misy anao

Sary
zatovo eo ivelan’ny lapan’ny fitsarana

Tsidiho ny tobin’ny polisy, tobin’ny mpamono afo, na toerana fanampiana hafa ao amin’ny fiarahamonina. Mianara momba ny zavatra ataon’izy ireo, ary isaory izy ireo noho ny fanompoana ataony.

Makà namana vaovao

Sary
zatovo mitaingina savily

Ampahafantaro ny olona vaovao iray ny tenanao, ary asao io olona io hiara-hilalao aminao.

Mitenena teny feno hatsaram-panahy

Sary
emoji maneho tarehy falifaly

Ataovy fahazarana ny tsy mampiasa afa-tsy teny izay hahatonga ny hafa ho faly, fa tsy halahelo. Miresaha momba izay azonao lazaina raha toa ka miteny zavatra manafintohina aminao ny olona iray.

Fehezo ny hatezeranao

Sary
zatovo sahiran-tsaina

Ataovy fahazarana ny mitony rehefa mahatsiaro ho tezitra. Ohatra, makà rivotra tsara, manisà hatramin’ny 10, na alaivo sary an-tsaina fa ao amin’ny toerana tianao indrindra ianao.

Raiso tsara ny hafa

Sary
zatovo mifampiresaka

Ampahafantaro ny olona vaovao ao amin’ny sekolinao, ny tanànanao, na ny paroasy na sampana misy anao ny tenanao. Ampio io olona io hihaona amin’olon-kafa.

Hevitra ho fivoarana ara-batana

Inona avy ireo hevitrao?

Sary
zatovo mivavaka

Mianara mahandro sakafo.

Sary
zatovo mahandro sakafo

Manampia amin’ny fanomanana sakafo na ody ambavafo mahasalama. Zarao amin’ny olona ao amin’ny fianakavianao na amin’ny namanao izany.

Ataovy izay hampatanjaka ny vatanao

Sary
zatovo mampiasa vatana

Manaova zavatra tsy tapaka mba hanetsehana ny vatanao, toy ny fanatanjahan-tena, fihetsehana, dihy, na filalaovana any ivelany.

Manehoa fanajana ho an’ny vatanao

Sary
zatovo miborosy nify sy mibango volo

Tandrovy mba hadio ny vatanao isan’andro. Mandroa tsy tapaka. Borosio ny nifinao ary karakarao ny volonao isan’andro.

Karakarao ny tokantranonao

Sary
zatovo manary fako am-pitandremana

Manaova zavatra izay hahatonga ny tranonao ho mahafinaritra ny monina ao aminy, toy ny manadio, mandravaka, na mikarakara ny any an-tokontany.

Kajio ireo zavatra anao manokana

Sary
zatovo mandamina ny fananany

Angataho ny ray aman-dreninao hampianatra anao ny fanamboarana na fikajiana ireo zavatra ampiasainao.

Mianara fahaiza-manao ara-javakanto vaovao

Sary
zatovo mandoko

Manaova sary, sary hosodoko, na kisarisary, dia omeo ny olona tianao izany.

Mianara fahaiza-manao ara-mozika vaovao

Sary
zatovo mitendry gitara

Ianaro ny fihirana hira iray, ny fitendrena zavamaneno iray, na ny fitarihana hira iray. Manolora-tena hizara ny fahaiza-manaonao mandritra ny takarivan’ny mpianakavy na fiaraha-mientana hafa.

Hajao ny Tenin’ny Fahendrena

Sary
zatovo mieritreritra ody ambavafo

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89 hahitana izay nampanantenain’ny Ray any An-danitra raha toa ka mitandrina ny Tenin’ny Fahendrena ianao. Manapaha hevitra ny amin’ny fomba ahafahanao miaina izany tsaratsara kokoa.

Ankafizo ny filalaovana any ivelany

Sary
fianakaviana manao randonnée

Mandehana an-tongotra na manaova randonnée miaraka amin’ny olona ao amin’ny fianakavianao na ny namanao mba hijerena ny tontolo manodidina anao.

Zarao ny talentanao

Sary
olona maromaro mitsoaka trompetra

Zarao amin’olona manirery iray ny talentanao iray.

Miomàna amin’ny tampoka

Sary
olona mijery sarintany

Manaova drafitra miaraka amin’ny ray aman-dreninao na ny mpitarika anao momba ny zavatra atao raha tonga ny tampoka.

Hevitra ho fivoarana ara-tsaina

Inona avy ireo hevitrao?

Sary
zatovo mivavaka

Mianara momba ny fahafolonkarena

Sary
zatovo mandoa fahafolonkarena

Ianaro ny maha-manan-danja ny fandoavana fahafolonkarena. Omeo ny Tompo ny folo isan-jaton’ny vola miditra aminao.

Hatsarao ny fahaizanao mamaky teny

Sary
reny sy zanaka vavy mamaky boky

Mamakia boky momba ny lohahevitra vaovao iray, na mamakia boky izay lavalava kokoa noho izay efa famakinao.

Ianaro ny fomba ahafahanao ho voaro rehefa ao amin’ny internet

Sary
fianakaviana mampiasa solosaina

Manaova lisitr’ireo fitsipiky ny fianakavianao amin’ny fampiasana ny internet na applications.

Mianara zava-baovao

Sary
zatovo mamaky

Misafidiana zavatra mahaliana anao iray, dia ianaro ny zavatra rehetra azonao ianarana momba izany.

Manatreha na mijereva hetsika ara-kolontsaina

Sary
olona any amin’ny tranom-bakoka

Tsidiho ny tranom-bakoka na ny hetsika ara-kolontsaina iray ao amin’ny faritra misy anao. Miresaha amin’ny namana na olona ao amin’ny fianakaviana momba ny zavatra vaovao nianaranao.

Mianara momba ny asa isan-karazany

Sary
olona manamboatra fiarakodia

Tsidiho any amin’ny toeram-piasany ny olona iray fantatrao mba hianarana ny zavatra ataony ary ny fandehan’ny zavatra.

Mianara momba ireo olona fitaratra ho anao

Sary
olona miresaka

Mety ho olona fantatrao izany na olona avy amin’ny tantara na ny soratra masina. Manapaha hevitra ny amin’ny fomba ahafahanao hitovy bebe kokoa aminy.

Ianaro ny fomba fanaovana safidy tsara

Sary
tabilao, antony sy vokany

Ny safidy rehetra dia miteraka vokany, izany hoe zava-mitranga vokatry ny zavatra nataonao. Tanisao ireo safidy sasantsasany sy ny vokatr’izany.

Hatsarao ny fahafahanao mitadidy

Sary
olona mieritreritra

Ianaro tsianjery ny soratra masina, tononkalo, na hira tianao indrindra

Mianara fiteny vaovao

Sary
zatovo mampiasa finday

Mianara miteny hoe manahoana ary ireo teny fototra hafa amin’ny fiteny hafa. Manaova fampiharana miaraka amin’ny olona iray izay miteny io fiteny io, raha azo atao.

Manorata tantara iray

Sary
zatovo manoratra

Manorata tantara momba ny fiainanao na ny olona iray ao amin’ny fianakavianao.