Ankizy sy Zatovo
Ahoana no fomba ahafahanao manaraka an’i Jesoa?


“Ahoana no fomba ahafahanao manaraka an’i Jesoa?” Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny ankizy (2019)

“Ahoana no fomba ahafahanao manaraka an’i Jesoa?” Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny ankizy

Ahoana no fomba ahafahanao manaraka an’i Jesoa?

Fony i Jesoa nitovy taona taminao dia nianatra sy nivoatra Izy. Mianatra sy mivoatra ihany koa ianao izao. Hoy ny soratra masina hoe:

Sary
Lioka 2:52

Ara-panahy

“Nandroso fitia tamin’ Andriamanitra”

Sary
zatovo mivavaka

Asehoy ny Ray any An-danitra fa tia Azy ianao. Afaka mianatra momba Azy ianao, mivavaka, mamaky soratra masina, ary misafidy ny tsara.

Ara-piarahamonina

“Nandroso fitia tamin’ … ny olona”

Sary
olona miresaka

Ampio ny olona manodidina anao. Afaka mitia ny fianakavianao, mianatra ny mitia sy manompo ny hafa, ary manao izay hahazoana namana ianao.

Ara-batana

“[M]itombo tena”

Sary
zatovo milalao

Karakarao ny vatanao ary ireo zavatra manodidina anao. Afaka mihinana sakafo mahasalama, miasa sy milalao, ary mikarakara ny tokantranonao ianao.

Ara-tsaina

“[M]itombo saina”

Sary
zatovo mianatra

Mianara zava-baovao, ary ampiasao izay nianaranao mba hanampiana ny hafa. Afaka mianatra ianao ao an-tokantrano, any am-piangonana, ary any an-tsekoly.