Ankizy sy Zatovo
Ireo Fitsipiky ny Filazantsarako


“Ireo Fitsipiky ny Filazantsarako,” Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny ankizy (2019)

“Ireo Fitsipiky ny Filazantsarako,” Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny ankizy

Ireo Fitsipiky ny Filazantsarako

Manampy anao hanao zavatra tahaka ny ho nataon’i Jesoa ireo fitsipiky ny filazantsara. Izy ireo dia mety hanome anao hevitra amin’ireo zava-baovao ho volavolaina sy ho tanterahina.

  • Hanaraka ny drafitry ny Ray any An-danitra ho ahy aho.

  • Hotsaroako ny fanekempihavanana nataoko tamin’ny batisa ary hihaino ny Fanahy Masina aho.

  • Hisafidy ny tsara aho. Fantatro fa afaka mibebaka aho rehefa manao hadisoana.

  • Ho marin-toetra aho amin’ny Ray any An-danitra sy ny olon-kafa ary amin’ny tenako.

  • Ho ampiasaiko amim-panajana ny anaran’ny Ray any An-danitra sy ny an’i Jesoa Kristy.

  • Tsy hianiana aho na hiteny ratsy.

  • Hanao ireo zavatra amin’ny Sabata izay hanampy ahy ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy aho.

  • Hanaja ny ray aman-dreniko aho ary hanao ny anjarako eo amin’ny fanamafisana orina ny fianakaviako.

  • Hotazoniko ho madio ny eritreritro sy ny vatako ary tsy handray zavatra izay mety hanimba ahy aho.

  • Hanao fiakanjo maotina aho mba hanehoako ny fanajako ny Ray any An-danitra sy ny tenako.

  • Tsy hamaky, tsy hijery, ary tsy hihaino afa-tsy izay zavatra mahafaly ny Ray any An-danitra aho.

  • Tsy hihaino afa-tsy izay mozika mahafaly ny Ray any An-danitra aho.

  • Hitady namana tsara aho ary hitondra ny olona hafa amin-katsaram-panahy aho.

  • Hiaina amim-pahamendrehana aho ankehitriny mba ho mendrika ny handeha ho any amin’ny tempoly sy hanao ny anjarako mba hananana fianakaviana mandrakizay.