Ankizy sy Zatovo
Lamina hitondra fivoarana


“Lamina hitondra fivoarana,” Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny ankizy (2019)

“Lamina hitondra fivoarana,” Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny ankizy

Lamina hitondra fivoarana

Ity lamina ity dia afaka manampy anao hivoatra eo amin’ireo lafiny efatra nivoaran’i Jesoa (jereo ny Lioka 2:52).

Sary
mamantatra, manao drafitra, manao asa, ary mandinika

mamantatra

Sary
zatovo manadihady

Nanome anao fanomezam-pahasoavana sy talenta ny Ray any An-danitra. Afaka mivavaka ianao hahafantarana hoe inona izy ireo ary inona no azonao ilofosana amin’izao fotoana izao.

Misy hevitra ao amin’ny pejy 44–61.

Manao drafitra

Sary
zatovo mampiasa sarintany

Aorian’ny nahafantaranao ny hoe amin’ny lafiny inona no tianao hivoarana, dia mivavaha ary miresaha amin’ny olona ao amin’ny fianakavianao momba ny fanatanterahana izany. Manaova drafitra iray. Afaka manampy anao ny ray aman-dreninao sy ireo mpitarika anao.

Manao asa

Sary
zatovo miaraka amin’ny ray aman-dreny

Rehefa namolavola drafitra ianao dia andramo ilay izy! Manaova dingana kelikely. Mianara miaraka amin’olon-kafa amin’ny alalan’ny asa fanompoana sy fiaraha-mientana. Mahazoa fahafinaretana! Mivavaha mba hahazo fanampiana ary asio fanovana ilay drafitrao raha ilaina. Miezaha hatrany!

Mandinika

Sary
zatovo eo am-pisaintsainana

Eritrereto ny zavatra nianaranao ary ny fomba nanampian’izany anao mba hanaraka an’i Jesoa. Mankalazà! Misaora ny Ray any An-danitra noho ny nivoaranao. Mitadiava fomba hampiasana izay nianaranao mba hanompoana ny hafa. Tohizo hatrany io hevitra io, na misafidiana zavatra vaovao hafa hivoarana!