Seminera
Tombano ny fianaranao 3


Tombano ny fianaranao 3

Matio 8–13; Marka 2–5; Lioka 7–9; 11; 13

Sary
Mendoza, Argentina. A group of young men and young women attend an early morning seminary class.

Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanao tombatombana ireo tanjona izay napetrakao sy ny fianarana izay nataonao ary ny fivoarana izay azonao manokana tamin’ny fianaranao ny Testamenta Vaovao nandritra ity taona ity.

Saintsaino ny momba ny fivoaranao vao haingana

Iray amin’ireo tanjon’ny seminera ny hanampy anao hanatona an’i Jesoa Kristy sy ho tonga mpianany. Makà fotoana hisaintsainanao ny fivoaranao ara-panahy vao haingana. Afaka manoro lalana anao ireto fanontaniana manaraka ireto. Hevero ny hirakitra ao anaty diary fandalinanao ireo valin-teninao amin’ireto fanontaniana ireto.

  • Inona ny fiovana iray izay nisy tamin’ny fiainanao vao haingana ka nahatonga anao hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy?

  • Inona ny zavatra nianaranao momba ny Mpamonjy tamin’ny fandalinana izay nataonao vao haingana ka nanan-danja taminao manokana?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahatsapanao fa lasa nihanitovy kokoa an’i Jesoa Kristy ianao?

Tombatombano ny fahaizanao manakatra ny soratra masina

Nandritra ny seminera izay natao tamin’ity taona ity dia nampianarina fahaiza-manao isan-karazany ianao mba hanampiana anao hahatakatra bebe kokoa ny soratra masina. Ny sasany amin’ireo fahaiza-manao ireo, toy ny famaritana ireo teny sarotra ohatra, dia mety nanampy anao hahatakatra bebe kokoa ny fomba fiteny izay ampiasaina ao anaty soratra masina. Ireo fahaiza-manao hafa, tahaka ny lamina ahitana dingana efatra ahafahana mahatakatra ireo tandindona izay nampiasaina tamin’ireo fanoharana dia mety nanampy anao hahatakatra bebe kokoa ireo hafatra izay fonosin’ny soratra masina.

  • Ampiasao ny isa 0 ka hatramin’ny 5, ahitana hoe hatraiza ny nahafahan’ny fandalinanao ireo fahaiza-manao ireo nanampy anao hahatakatra bebe kokoa ny soratra masina?

0. Tsy nampiasa io fahaiza-manao io aho.

1. Tsy nisy

2. Kely

3. Eo ho eo ihany

4. Kelikely

5. Tena nanampy be mihitsy

______ Fitadiavana ireo fitsipika

______ Fahatakarana ireo tandindona sy sarin-teny (ao anatin’ireo fanoharana izay nataon’ny Mpamonjy, ohatra)

______ Fametrahana marika (ao amin’ny Bibliothèque de l’Evangile), fanasiana marika, fanipihana, sns

______ Firaketana ireo hevitra na fahatsapana rehefa mandalina ianao

______ Fampitohizana (ao amin’ny Bibliothèque de l’Evangile) na fampifandraisana ireo andinin-tsoratra masina

______ Fandalinana fomba fijery maro isan-karazany (ohatra, fandalinana tantara anankiray mitovy avy amin’ny fomba fijery samihafa)

______ Fijerena soratra masina

  • Inona avy ireo fahaiza-manao hafa izay efa nandramanao ka hanampianao an’io lisitra io?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’ny fampiharana ny fahaiza-mandalina soratra masina nanampy anao hahafantatra bebe kokoa an’i Jesoa Kristy sy hahatakatra ireo fampianarany?

Hazavao ny anjara asa fototr’ireo mpaminany sy apôstôly ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy

Vao tsy ela akory izay dia, nianatra momba ny fomba niantsoan’ny Mpamonjy ireo Apôstôly Roambinifolo ho anisan’ny fananganana ny Fiangonany ianao (jereo Matio 10).

Alaivo sary an-tsaina hoe manana namana iray nianatra momba ny Fiangonana ianao ary maniry ny hahafantatra bebe kokoa momba ny anjara asan’ireo mpaminany sy apôstôly ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy amin’izao andro iainantsika izao izy. Eritrereto hoe nametraka ireto fanontaniana manaraka ireto ilay namanao. Manomàna valin-teny izay harosonao ny namanao. Mety hanampy ny fampidirana ireo fahamarinana izay voalaza ao amin’ny Matio 10 anatin’ny valin-teninao.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana ny Mpamonjy no miantso Apôstôly?

  • Nahoana isika no mila Apôstôly velona ankehitriny?

Tombatombano ny fomba fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy mba hibebahana amin’ny fahotana izay vitanao

Mety efa nahita ity sary ity tamin’ny lesona teo aloha angamba ianao. Manokana fotoana kely mba hisaintsainana ny toerana izay mety hametrahanao ny tenanao amin’ity kisary ity androany. Saintsaino hoe hatraiza ny fanakaikezanao ny Tompo ary mankaiza ny lalana izoranao.

Sary
Shows two stick figures, one going toward Christ, the other going away from Christ

Rehefa nandalina ny Testamenta Vaovao ianao dia mety efa nahatsapa ho nahazo aingam-panahy hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy tamin’ny fampiharana ny finoana Azy sy ny fibebahana amin’ireo fahotana izay vitanao. Raha toa ka mitondra makamin’ny fahatsapana tsy mahafinaritra ny fibebahana indraindray, ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana amin-kitsim-po kosa dia manampy antsika handresy ireo tahotra ireo.

Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ny zavatra niainany izay maneho ireo fitahiana azontsika raisina avy amin’ny Mpamonjy raha toa ka mibebaka amin’ny fahotantsika isika. Hevero ny hijery ny horonantsary “Fibebahana: Safidy mahafaly (4:36), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Rehefa mijery an’ilay horonantsary ianao, dia saintsaino ireo fitahiana izay efa noraisinao tamin’ny alalan’ny fibebahana.

Sary
Shows two stick figures, one going toward Christ, the other going away from Christ

Raha toa ianao ka nandray anjara tamin’ny lesona amin’ny Lioka 7:36–50 , dia mety tadidinao fa nasaina nanao drafitra ianao mba hampitomboana ny fitiavanao ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fibebahana amin’ireo fahotana izay vitanao. Tamin’io lesona io ianao dia nasaina namaly ireto fanontaniana manaraka ireto tao anatin’ny diary fandalinanao:

  • Inona no zavatra iray tokony hatsahatrao mba hahafahanao manakaiky kokoa ny Mpamonjy? Ahoana ny fomba hanajanonao izany?

  • Inona no zavatra iray tokony hatombokao mba hahafahanao manakaiky kokoa ny Mpamonjy? Ahoana ny fomba hanombohanao izany?

Raha azo atao dia, avereno jerena ao anatin’ny diary fandalinanao io resaka io mba hahitanao ny fomba namalianao ireo fanontaniana roa ireo. Saintsaino ny fivoarana misy aminao manoloana ireo tanjona izay napetrakao ireo. Afaka manoro lalana anao ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona avy ireo sakana izay natrehanao na inona ny fivoarana izay nisy taminao teo am-piezahanao hiova sy hanakaiky kokoa an’ i Jesoa Kristy?

  • Ahoana ny fomba nanampian’ny Tompo anao?

  • Miainga amin’ny fivoarana izay misy aminao vao haingana dia inona araka ny hevitrao ny dingana manaraka izay tokony hataonao?

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo fanontaniana izay mbola manitikitika anao momba ny fibebahana?

  • Ahoana ny fomba nahafahan’ny safidinao hibebaka nanampy anao hitombo ara-panahy sy handray fifaliana?

  • Nahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy ve ianao rehefa niezaka nibebaka na niova?