Seminera
Famerenana ny Fifehezana Fotopampianarana 4


Famerenana ny Fifehezana Fotopampianarana 4

Fampiharana ireo andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana

Sary
Youth engaged in a group activity. They are seated in a circle in an outdoor setting.

Ny iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana dia mba hahafahana manampy anao hianatra ny fomba tsara hampiharana ny fotopampianarana izay hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana ireo eo amin’ny fiainanao. Ity lesona ity dia hanome fahafahana anao hampihatra ireo andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana amin’ireo rafi-tantara izay mety hisy itoviana amin’ny zavatra anankiray mety ho hitanao eo amin’ny fiainanao manokana.

Ahoana ny fomba ifandraisan’io soratra masina io amin’ny fiainako?

Misy zatovolahy iray antsoina hoe Nico, nandany fotoana betsaka tamin’ny fandalinana soratra masina. Nahafantatra tantara maro ao amin’ny soratra masina izy ary nahavita nanao tsianjery andinin-tsoratra masina maro tokoa. Na dia teo aza izany ezaka nataony izany dia mbola nahita fahasarotana hatrany i Nico tamin’ny fampifandraisana ny soratra masina tamin’ireo toe-java-misy niainany manokana sy ireo fanontaniana nanany.

  • Inona ny zavatra mety azonao holazaina amin’i Nico hanampy azy hahita ireo fomba tsara azahoana mampihatra ny soratra masina eo amin’ny fiainany?

  • Tamin’ny oviana ianao no nampihatra fahamarinana avy tamin’ny soratra masina teo amin’ny fiainanao?

Ity lesona ity dia hanampy anao hampihatra ireo fahamarinana izay nampianarina tao amin’ireo andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana amin’ireo trangan-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina

Ireto manaraka ireto dia t andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny andinin-tsoratra fehezina mirakitra fotopampianarana avy ao amin’ny tapany voalohany amin’ny Testamenta Vaovao. Avereno jerena io tabilao io, ary raha toa ka mbola tsy nanao izany ianao, dia hevero ny hanisy marika ireto andinin-tsoratra masina ireto.

Andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina

Lioka 2:10–12

“Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.”

Jaona 3:5

“Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.”

Jaona 3:16

“Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny zanany Lahitokana.”

Matio 5:14–16

“Aoka hazava eo imason’ny olona ny fahazavanareo.”

Matio 11:28–30

“Mankanesa aty Amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”

Matio 16:15–19

Hoy i Jesoa: “Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra.”

Jaona 7:17

“Raha misy olona te hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy.”

Matio 22:36-39

“Tiavo an’i Jehovah Andriamanitrao. … Tiava ny namanao.”

Lioka 22:19–20

Nandidy i Jesoa Kristy ny handraisana ny fanasan’ny Tompo “ho fahatsiarovana ahy.”

Jaona 17:3

“Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy.”

Lioka 24:36–39

“Fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.”

  • Tamin’ny fomba ahoana avy no nampiharanao na nahafahanao nampihatra ireo fahamarinana sasantsasany izay nampianarina tao amin’ireo andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana ireo teo amin’ny fiainanao?

Mampihatra ny fotopampianarana amin’ireo toe-java-misy izay iainanao

1. Misafidiana iray amin’ireto rafi-tantara manaraka ireto, avy eo dia misafidiana andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana avy ao amin’ny tabilao, izay tsapanao fa afaka manampy tsara ilay olona izay niaina ny toe-java-niseho. Hazavao ny valin-teninao.

  • Manontany anao ny namanao hoe: “Inona no tena zava-dehibe momba an’i Jesoa Kristy?”

  • Rehefa misy namana anankiray nanomboka nianatra mahakasika ny filazantsara, dia manontany izy hoe: “Nahoana aho no mila atao batisa?” Tsy mety ve raha mijanona ho olona tsara fotsiny aho?

Misafidiana iray amin’ireto rafi-tantara manaraka ireto.

  • Mahatsapa ho sahirana amin’ny fiainana ianao ary manontany tena hoe aiza no ahitanao fitsaharana.

  • Manamafy ny maha-zava-dehibe ny maha-ho ohatra fakan-tahaka ny tenanao ho an’ny hafa ireo ray aman-dreninao.

2. Miainga avy amin’ilay rafi-tantara izay nosafidinao dia, valio ao anaty diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona noandininn-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana heverinao fa mifandray amin’io rafi-tantara io?

  • Inona avy ireo teny na andian-teny manokana avy amin’io andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana io izay afaka manampy amin’io toe-java-misy io?

Jaona 3:163. Mamoròna rafi-tantara iray mifandray amin’ny fotopampianarana izay ampianarina ao amin’ny

. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ny rafi-tantara izay noforoninao.