Seminera
Matio 13:24–30, 36–43


Matio 13:24–30, 36–43

Fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary

Sary
Wheat and the terrace, Israel

Nampiasa fanoharana iray momba ny tanimbary sy ny tsimparifary (voa misy poizina) ny Mpamonjy mba hampianarana momba ny olo-marina izay hangonina sy ny ratsy fanahy hodorana alohan’ny hiverenany. Ity lesona ity dia natao hampitomboana ny fanirianao handray anjara amin’ny fanangonana an’ Isiraely.

Fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto. Raha afaka ny ray aman-dreny na ny havana, dia azonao atao ny mifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana amin’izy ireo.

  • Iza no olona voalohany tao amin’ny fianakavianao niditra ho mpikamban’ny Fiangonana?

  • Iza no nanampy tamin’ny fanasana azy ireo ho mpikamban’ny Fiangonana?

  • Ahoana no fiantraikan’ny maha mpikamban’ny Fiangonana ilay olona tao amin’ny fianakaviana teo amin’ny fiainanao?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hampisy fiantraikany amin’ny hafa ny fanapaha-kevitrao hitandrina ireo fanekempihavanana nataonao tamin’ Andriamanitra?

Ao amin’ny Matio 13 , ny Tompo dia nampiasa ny fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary mba hampianarana mikasika ny fanangonana olona ho ao amin’ny Fiangonany. Rehefa mandalina ianao dia henoy tsara ny bitsiky ny Fanahy hanampy anao hahatakatra ny antony hanangonan’ny Tompo ny olony sy ny fomba ahafahanao mandray anjara amin’izany.

Halalino ilay fanoharana ao amin’ny Matio 13:24–30 . Mety hanampy ny fahalalana fa ny tsimparifary dia “ahitra na voa misy poizina izay mitovy endrika amin’ny varimbazaha. Tsy hay avahana amin’ny varimbazaha izy raha tsy efa vokatra tanteraka” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “ Tsimparifary ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Mba hanampiana anao handalina dia ampiasao ity lamina misy dingana efatra ity:

  1. Tadiavo ireo antsipiriany manan-danja.

  2. Manaova fampitahana ara-panahy.

  3. Fantaro ireo lesona sarobidy.

  4. Fariparito ny fomba fampiharana azonao atao manokana.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona avy ireo antsipiriany hitanao fa manan-danja ao amin’io fanoharana io?

  • Inona ireo fampitahana ara-panahy nataonao?

  • Inona ireo lesona sarobidy hitanao?

  • Ahoana no ahafahanao mampihatra ireo lesona avy amin’io fanoharana io amin’ny fiainanao?

Ny fandikan’ny Tompo ny fanoharana

Vakio ny Matio 13:36-43 , ka tadiavo izay nampianarin’ny Tompo momba io fanoharana io.

  • Inona no fanazavana nataon’ny Mpamonjy izay manampy amin’ny fahatakaranao ilay fanoharana?

Amin’izao fotoampitantanana misy antsika izao dia nizara fomba iray hanatanterahana io fanoharana io ny Tompo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:64–-65 ka tadiavo izay zavatra nampanantenain’ny Tompo atao alohan’ny Fiaviana Fanindroany. Mety hanampy ny fahalalana fa ny sompitra dia fitoeram-bokatra na trano fitehirizam-bokatra izay hitehirizana ny voa.

  • Inona no ianaranao momba ny Tompo avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

Ny fanangonana an’ Isiraely

Ny Filoha Nelson dia nampianatra momba ny ezaka ataon’ny Tompo hanangona ny olony amin’ny andro farany. Jereo ny horonan6tsary “Aoka Andriamanitra no hanjaka” manomboka amin’ny kaodim-potoana 4:07 ka hatramin’ny 5:48, na vakio ity lahatsoratra manaraka ity. Mety ahita soratra masina na fanambarana hafa samirery ihany koa ianao mba hanananao fahatakarana lalina kokoa momba ny fanangonana an’i Isiraely.

Ny anjara asanao amin’ny fanangonana an’i Isiraely

Vakio ity teny manaraka nataon’ny Filoha Russell M. Nelson ity, ary tadiavo ny fifandraisan’ny fanangonana an’i Isiraely aminao:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Ry zatovo mahavariana malalako, nalefa tetỳ an-tany ianareo ho amin’izao fotoana izao indrindra, ny fotoana manan-danja indrindra amin’ny tantaran’izao tontolo izao, mba hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Tsy misy zavatra manan-danja kokoa noho izany eto amin’ity tany ity amin’izao. Tsy hisy zavatra hanan-danja kokoa noho ny vokatra hoentin’izany. Tena tsy hisy.

Izany fanangonana izany no zavatra tokony hanan-danja indrindra ho anareo. Izany no iraka nanirahana anareo etỳ an-tany.

Koa ny fanontaniako ho anareo dia ny hoe: “Vonona ny hirotsaka ao amin’ny tafiky ny tanoran’ny Tompo izay hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely ve ianareo?”

(Russell M. Nelson sy Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” [Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 Jona, 2018], fanampin’ny New Era sy ny Ensign, 12, ChurchofJesusChrist.org)

3. Vitao ao anaty diary fandalinanao ity manaraka ity:

Manorata andiam-pehezan-teny iray na mihoatra momba ny eritreritrao sy ny fahatsapanao momba ny fanangonana an’i Isiraely sy ny fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary. Asao ny Fanahy Masina hanome aingam-panahy ny eritreritrao sy ny fahatsapanao rehefa manoratra ianao. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia mety hanampy anao hanapa-kevitra ny amin’izay hosoratanao, saingy hitarihan-dalana anao fotsiny ihany ireo.

  • Inona avy ireo fanontaniana napetrakao momba ny fanangonana an’i Isiraely izay azonao valiana amin’izao?

  • Inona no ampianarin’ny fanangonana an’i Isiraely anao momba ny fahatokisan’ny Mpamonjy anao sy ny fitiavany ny olona rehetra?

  • Ahoana no ahafahanao manampy ny tenanao sy ny hafa mba ho voahangona miaraka amin’ny vahoakan’ny Tompo?

Tsy voatery hatao: Te hianatra bebe kokoa?

Nahoana ny Tompo no maniry hanangona ny vahoakany?

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifololahy hoe:

Sary
Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

Manangona ny olony ny Tompo rehefa manaiky Azy sy mitandrina ny didiny izy ireo. …

… Ny Tompo dia manangona ny vahoakany mba hahafahan’izy ireo mitsaoka Azy, mba hananganana ny Fiangonana, mba ho toeram-piarovana, ary mba handraisan’izy ireo torohevitra sy fitarihana. …

Nanambara ny Mpaminany Joseph Smith fa ny tanjon’ Andriamanitra amin’ny fanangonana tamin’ny vanim-potoana rehetra dia ny hananganana tempoly mba hahafahan’ny zanaky ny Tompo mandray ireo ôrdônansy ambony indrindra ka hahazo ny fiainana mandrakizay noho izany.

(David A. Bednar, “The Spirit and Purposes of Gathering” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young –Idaho, 31 ôkt, 2006], byui.edu)

Inona avy ireo sompitra izay hanangonana ny olo-marina amin’ny toerana azo antoka?

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifololahy hoe:

Sary
Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

[Ny] fifandraisana ilaina eo amin’ny fitsipiky ny fanangonana sy ny fananganana tempoly dia asongadin’ny Bokin’i Môrmôna:

“Indro, masaka ny tao an-tsaha ary notahiana ianareo, fa narosonareo ny antsimeloka sy nojinjainareo tamin’ny herinareo, eny, ny manontolo andro no niasaranareo; ary jereo ny isan’ny amboaranareo! Ary ireny dia hangonina ho any an-tsompitra mba tsy ho very foana” ( Almà 26:5).

Maneho ireo mpikambana vao vita batisa ao amin’ny Fiangonana ireo amboara ato amin’ity fifanahafana ity. Ny sompitra dia ny tempoly masina.

(David A. Bednar, “Hitondra anarana iray amim-pahamendrehana ary mitoetra,” Liahona, mey 2009, 97)

Inona no anjara asa sahanin’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fanangonana an’i Isiraely?

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Ny Bokin’i Môrmôna no ivon’ity asa ity. Manambara ny fotopampianaran’ny fanangonana izy io. Izy io dia mahatonga ny olona hianatra momba an’i Jesoa Kristy sy hino ny filazantsarany ary hikambana ao amin’ny Fiangonany. Raha ny tena marina, raha tsy nisy ny Bokin’i Môrmôna, dia tsy ho nitranga ny fanangonana an’i Isiraely izay efa nampanantenaina.

(Russell M. Nelson, “The Gathering of Scattered Israel,” Ensign na Liahona, Nov. 2006, 80)