Seminera
Matio 13:3–8, 18–23


Matio 13:3–8, 18–23

Fanoharana momba ilay mpamafy voa

Sary
Tomato seedlings growing in the soil

I Jesoa dia nampianatra fanoharana momba ny lehilahy iray izay mamafy voa. Nilatsaka tamin’ny karazan-tany samihafa ireo voa ireo, izay niafara tamin’ny vokatra isan-karazany. Toy izany ihany koa, ny tenin’ Andriamanitra dia horaisin’ireo izay mandre izany amin’ny fomba samihafa. Ity lesona ity dia hanampy anao hanomana ny fonao handray sy hikolokolo ny tenin’ Andriamanitra.

Manomana ny tenanao handre ny tenin’ Andriamanitra

  • Nahoana araka ny eritreritrao ny olona sasany no maniry kokoa handray sy hiaina ny tenin ’ Andriamanitra noho ireohafa?

Makà fotoana kely hanombatombanana ny fahavononanao handray ny tenin’ Andriamanitra. Ampiasao amin’ny tsirairay amin’ireto teny nambara manaraka ireto ity ambaratonga ity:

Matetika—Indraindray—Mahalana

Mandalina ny soratra masina omban’ny finiavana hianatra sy hivoatra aho.

Miezaka ny mahatsikaritra ny fitaoman’ny Fanahy amin’ny fiainako aho ary manaraka ny torolalana omena ahy.

Mihaino sy mankatò ny torohevitra nomen’ny Tompo amin’ny alàlan’ireo mpaminaniny sy apôstôliny aho.

Mikatsaka ny hanamafy orina ny fijoroako ho vavolombelona manokana momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany aho.

Rehefa avy nandinika ny fihetsikao manoloana ny tenin’ Andriamanitra ary ianao izao dia vonona hianatra ny fanoharana momba ilay mpamafy voa. Ao amin’ity fanoharana ity ny Tompo dia niresaka momba ny olana sasany mety hitranga izay manakana ny voa tsy hitombo, sy tsy hamaka ary tsy hamoa. Toy ny tamin’ny fanoharana rehetra nataony dia nampiasa singa mahazatra ny Tompo mba hampianarana lesona ara-panahy.

Ampiasao ity lamina misy dingana efatra manaraka ity handalinana ny fanoharana momba ilay mpamafy voa. Na manao ahoana na manao ahoana ny valin-teninao tamin’ireo teny etsy ambony ireo dia natao hanampiana anao hanomana ny fonao handray ireo fitahiana tian’ny Tompo homena anao ity lesona ity. Rehefa mandalina ianao dia tadiavo ireo fomba hananana traikefa manan-danja amin’ny tenin’ Andriamanitra.

  1. Tadiavo ireo antsipiriany manan-danja.

  2. Manaova fampitahana ara-panahy.

  3. Fantaro ireo lesona sarobidy.

  4. Fariparito ny fomba fampiharana azonao atao manokana.

Tadiavo ireo antsipiriany manan-danja

Fomba iray hakana sary an-tsaina ireo antsipiriany manan-danja ny fanaovana sary ny ampahany tsirairay amin’ilay fanoharana. Zarao efatra ny pejy iray ao amin’ny diary fandalinanao. Vakio ireo andininy ary manaova sary tsotsotra momba izay voalaza.

  1. Matio 13:3-4

  2. Matio 13:5-6

  3. Matio 13:7

  4. Matio 13:8

Manaova fampitahana ara-panahy

Vakio ny fanazavan’i Jesoa momba ilay fanoharana ao amin’ireo andininy manaraka. Soraty eo akaikin’ny sary nataonao izay fampitahana rehetra nataony.

  1. Matio 13:19

  2. Matio 13:20-21

  3. Matio 13:22

  4. Matio 13:23

Fantaro ireo lesona sarobidy

Mba hamantarana ireo lesona sarobidy dia mety manampy ny mametraka fanontaniana izay hamela ny Fanahy Masina hampianatra anao manokana. Ho fanampin’ireto fanontaniana manaraka ireto dia eritrereto ireo hafa izay mety hapetrakao.

  • Inona no mety ho tian’ny Mpamonjy ianarako avy amin’io fanoharana io?

  • Nahoana no tian’ny Mpamonjy ho fantatro hoe manao ahoana ny foko?

Azonao atao ihany koa ny maka sary an-tsaina ny fomba mety hampiharana ilay fanoharana amin’ny tena fiainana. Ohatra, andramo alaina sary an-tsaina ny fahasamihafan’ny fihetsiky ny olona iray izay manana fo toy ny vatolampy na tsilo amin’ny fihetsiky ny olona iray izay toy ny tany tsara ny fony. Rehefa mieritreritra ireo fihetsika ireo ianao dia hevero ny hanoratra ny sasantsasany amin’izy ireo eo akaikin’ny sary tsirairay nataonao.

  • Inona avy ireo sosokevitra azonao omena ny olona iray izay mafy fo, vatoina na misy tsilo?

Fariparito ny fomba fampiharana azonao atao manokana

Eritrereto ny toetry ny fonao manokana sy hoe iza amin’ireo karazan-tany efatra no mety mamaritra anao indrindra. Raha tsy araka ny itiavanao azy ny toe-ponao amin’izao fotoana izao dia fantaro fa afaka miova ianao.

Araka ny zavatra nianaranao androany, makà fotoana fohy hisaintsainana ny zavatra azonao atao hanatsarana ny toe-ponao.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no azonao atao hanasana ny tenin’ Andriamanitra ho ao am-ponao?

  • Inona avy ireo fihetsika hataonao hanatsarana ny toe-ponao?

  • Inona ireo sakana hangatahinao amin’ny Tompo mba hanampiana anao ny handresena izany?

Tsy voatery hatao: Te hianatra bebe kokoa?

Ny Filoha Dallin H. Oaks avy amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanao lahateny tamin’ny fihaonamben’ny fiangonana maneran-tany mikasika ilay fanoharana momba ilay mpamafy voa. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia voavaly tamin’ny fampiasana ny fanazavany.

Inona ireo voa izay “voafafy teny amoron-dalana”? (jereo ny Matio 13:4, 19)

Sary
Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Ireo voa izay “voafafy teny amoron-dalana” ( Marka 4:4) dia tsy tody teny amin’ny tanin’ny olombelona izay mety ho naniriany. Mitovy amin’ny fampianarana izay latsaka tao amin’ny fo nohamafisina sy tsy ampy fiomanana izany.

(Dallin H. Oaks, “Fanoharana momba ilay mpamafy voa,” Liahona, Mey 2015, 32)

Inona no mety hahatonga ny fon’ny olona iray ho eo amin’ny “vatolampy”? (jereo ny Matio 13:5, 20–21)

Sary
Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Ry tanora, … ity misy ohatra iray manokana. Raha mizara ny fanasan’ny Tompo ireo mpihazona ny fisoronana kanefa ianareo mandefa hafatra na mibitsibitsika na milalao jeux vidéos na manao zavatra hafa izay handavan’ny tenanareo ireo sakafo ara-panahy manan-danja dia mampalemy ny fijoroanareo ho vavolombelona ianareo ka mamindra ny tenanareo mankany amin’ny tany feno vatolampy.

(Dallin H. Oaks, “Fanoharana momba ilay mpamafy voa,” Liahona, mey 2015, 33)

Ahoana no ahafantarantsika ny “tsilo”n’ny fiainana? (jereo ny Matio 13:7, 22)

Sary
Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Mitolo-batana amin’ireo “fahafinaretan’ity fiainana ity” isika [ Lioka 8:14 ] (1) rehefa miankin-doha, izay manimba ny fiasan’ilay fanomezana sarobidin’ny fahafahana misafidy avy amin’ Andriamanitra; (2) rehefa voafitaky ny fialam-boly tsy manan-danja firy, izay mampisintaka antsika amin’ireo zavatra manan-danja mandrakizay; ary (3) rehefa mieritreritra fa hahazo vokatra tsara hatrany, izay tsy mampandroso ny fivoarantsika manokana izay ilaina hahamendrika antsika amin’ny anjarantsika mandrakizay.

Resin’ny “fiahiahiana … eo amin’ity fiainana ity” isika [ Lioka 8:14 ] rehefa tsy afa-mihetsika noho ny tahotra ny hoavy, izay manakana ny fandrosoantsika am-pinoana, ny fahatokiantsika an’ Andriamanitra sy ny fampanantenany.

(Dallin H. Oaks, “Fanoharana momba ilay mpamafy voa,” Ensign na Liahona, mey 2015, 34–35)

Inona no ilaina mba hamokarana voa avy amin’ny “tany tsara”? (jereo ny Matio 13:8, 23)

Sary
Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Manana ny voan’ny tenin’ny filazantsara isika. Miankina amintsika tsirairay ny mametraka ireo laharampahamehana sy manao ireo zavatra mba hahatonga ny tanintsika ho tsara sy ny vokatra azontsika ho betsaka. Mila mikatsaka ny hiorim-paka tsara sy hiova fo amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika (jereo ny Kolosiana 2:6–7). Tratrantsika izany fiovam-po izany amin’ny alalan’ny vavaka, amin’ny alalan’ny famakiana ny soratra masina, amin’ny alalan’ny fanompoana, amin’ny alalan’ny fandraisana tsy tapaka ny fanasan’ny Tompo mba hanana mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika.

(Dallin H. Oaks, “Fanoharana momba ilay mpamafy voa,” Liahona, mey 2015, 35)