Seminera
Lioka 7:36–50


Lioka 7:36–50

“Fa be fitiavana izy”

Sary
illustration of woman wiping Jesus’ feet

Nisakafo hariva tao an-tranon’ilay Fariseo antsoina hoe Simona i Jesoa. Niditra ny vehivavy iray izay noheverin’i Simona ho “mpanota” ka “nahakotsa ny tongotry [ny Mpamonjy] tamin’ny ranomasony,” namaoka azy tamin’ny volon-dohany, “dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin’ny menaka manitra” (Lioka 7:37–39). Ho famaliana ny eritreritr’i Simona dia nizara fanoharana iray momba ny famelan-keloka sy ny fitiavana ny Mpamonjy. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy hibebaka amin’ny fahotanao.

Sary
Shows two stick figures, one going toward Christ, the other going away from Christ
Sary
Official Portrait of Elder Larry R. Lawrence. Photographed March 2017.

Heavenly Father knows our divine potential. He rejoices every time we take a step forward. To Him, our direction is ever more important than our speed.

(Larry R. Lawrence, “What Lack I Yet?,” Ensign or Liahona, Nov. 2015, 35)

  • Inona no tsikaritrao momba ireo olona ao amin’ity kisary ity?

  • Mandroso inona momba ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Mpamonjy ny elanelana eo amin’izy ireo sy ny Mpamonjy ary ny fitodihan’izy ireo?

Eritrereto mandritra ny fotoana fohy ny toerana mety hametrahanao ny tenanao eo amin’ity kisary ity sy ny hoe aiza ianao no hitodika.Ny Loholona Larry R. Lawrence, izay mpikambana tao amin’ny Fitopololahy , dia nanazava hoe:

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja kokoa noho ny hafainganam-pandehantsika ny lalana ara-panahy izay alehantsika?

Mahatsapa fifaliana lehibe ny Tompo rehefa miezaka mibebaka isika (jereo ny Lioka 15:7 ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:13). Fomba iray ilazalazana ny fibebahana ny fialana amin’ny fahotana sy ny fitodihana amin’ Andriamanitra (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Fibebahana ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Rehefa mandalina ianao dia henoy tsara ny bitsiky ny Fanahy izay afaka manampy anao hiala amin’ny fahotana sy hitodika amin’ny Mpamonjy.

Sary
Shows two stick figures, one going toward Christ, the other going away from Christ

Ny Lioka 7 dia mirakitra ny tantaran’i Jesoa nisakafo tao an-tranon’ny Fariseo iray antsoina hoe Simona. Raha niaraka tamin’i Simona i Jesoa dia nanatona Azy ny vehivavy iray izay nalaza ho mpanota (jereo ny Luke 7:37, 39).

Vakio ny Lioka 7:36–39 , ka tadiavo ny zava-nitranga rehefa nanatona an’i Jesoa ilay vehivavy nandritra io fety io.

  • Inona no voamarikao momba an’i Simona? momba ilay vehivavy?

Fantatr’i Jesoa ny eritreritr’i Simona ka dia nizara fanoharana iray Izy. Vakio ny Lioka 7:40–43 , ka tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy an’i Simona tamin’alalan’io fanoharana io. Mety hanampy ny fahalalana fa ny denaria iray dia vola raisin’ny mpiasa amin’ny ankapobeny ao anatin’ny iray andro (jereo ny andininy 41 ).

  • Ahoana no mety nanampian’ity fanoharana ity an’i Simona hahatakatra ny filàny manokana famelan-keloka?

Tamin’ny andron’ny Mpamonjy, dia fomba fanao ho an’ny mpampiantrano ny maneho fanajana ho an’ireo vahiny manan-kaja amin’ny alalan’ny fanehoana fihetsika maneho hatsaram-panahy toy ny fanorohana azy ireo rehefa miarahaba, fanomezana rano azy ireo hanasany ny tongony, sy ny fanosorana menaka ny lohan’izy ireo (jereo James E. Talmage, Jésus le Christ[1916], 261). Araka ny voarakitra ao amin’ny Lioka 7:44–46 dia nanamarika ny Mpamonjy fa tsy nanolotra ireo fanehoana fahalalam-pomba ireo ho an’i Jesoa i Simona, fa ilay vehivavy kosa dia niezaka mafy naneho ny fitiavany sy ny fankasitrahany Azy.

  • Inona araka ny eritreritrao no fantatr’ity vehivavy ity momba an’i Jesoa izay mety tsy fantatr’i Simona?

  • Inona no porofo hitanao fa nibebaka , na niala tamin’ny fahotany sy nitodika tamin’ny Mpamonjy ilay vehivavy?

Vakio ny Lioka 7:47–50 , ka tadiavo hoe nahoana ny Tompo no namela ny helok’ity vehivavy ity.

  • Inona avy ireo eritreritra na fahatsapana nanananao momba ny Mpamonjy rehefa nandalina ity tantara ity ianao?

  • Inona avy ireo fahamarinana nianaranao avy tamin’io tantara io?

Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara fampianarana mifandray amin’ilay tantara voarakitra ao amin’ny Lioka 7 . Jereo ny horonan-tsary “TMba hahazoako misintona ny olon-drehetra atý Amiko” (13:39) manomboka amin’ny mari-potoana 4:22 ka hatramin’ny 5:03, na vakio ity lahatsoratra manaraka ity.

Sary
Official Portrait of Elder Larry R. Lawrence. Photographed March 2017.

The closer we are to Jesus Christ in the thoughts and intents of our hearts, the more we appreciate His innocent suffering, the more grateful we are for grace and forgiveness, and the more we want to repent and become like Him. Our absolute distance from Heavenly Father and Jesus Christ is important, but the direction we are heading is even more crucial. God is more pleased with repentant sinners who are trying to draw closer to Him than with self-righteous, faultfinding individuals who, like the Pharisees and scribes of old, do not realize how badly they need to repent.

(Dale G. Renlund, “That I Might Draw All Men unto Me,” Ensign or Liahona, May 2016, 40)

  • Inona avy ireo teny na andian-teny ao amin’ity teny nambara ity izay manatsara ny fahatakaranao ny zavatra vao nianaranao tao amin’ny Lioka 7 ?

  • Inona avy ireo zavatra niainanao ka nanampy anao hahatsapa fitiavana sy fankasitrahana lehibe kokoa ho an’ny Mpamonjy sy ny famindram-po atolony?

  • What have you learned about the Savior today that can help you in your efforts to repent?

1. Answer the following question in at least three sentences:

Tsarovy fa ny fibebahana dia tsy zava-mitranga indray mandeha na ho an’ny fahotana lehibe fotsiny ihany. Ny fibebahana dia dingana iray mitohy ary mibebaka isika isaky ny manao ezaka hanatonana kokoa ny Tompo sy hialana amin’ny ratsy.

Jereo indray ny sarin’ny Mpamonjy sy ilay kisary mampiseho sarin’olona, ary eritrereto ny fifandraisanao amin’i Jesoa Kristy sy ny itodihanao. Manaova drafitra hampitomboana ny fitiavanao ny Mpamonjy amin’ny fibebahana isan’andro. Vitao amin’ny taratasy mitokana ity fampiharana manaraka ity mba hahafahanao mitahiry izany. Mety hanana fotoana ianao hijerena indray ity sahanasa ity amin’ny lesona manaraka.

Ny lesona “Ataovy tombana ny zavatra nianaranao” izay manaraka ireo lesona miompana amin’ny Matio 8–13; Marka 2–5; sy Lioka 7, 9, 11 dia milaza an’io drafitra io ary manasa ny mpianatra hisaintsaina ny fivoarany.

  • Inona no zavatra iray tokony hatsahatrao mba hanatonana kokoa ny Mpamonjy? Ahoana no hanajanonanao ny fanaovana izany?

  • Inona no zavatra iray tokony hatombokao mba hanatonana kokoa ny Mpamonjy? Ahoana no fomba hanombohanao izany?

Valio ity fanontaniana manaraka ity ho an’ny fandefasana asa fampiharana:

  • Inona no nianaranao androany mikasika ny Mpamonjy ka manampy anao amin’ny fiezahana hibebaka?

Tsindrio ny bokotra Hanomboka ny asa fampiharana na ny Fandefasana valinyampidiranao ny valin-teninao.

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Nothing is more liberating, more ennobling, or more crucial to our individual progression than is a regular, daily focus on repentance. Repentance is not an event; it is a process. It is the key to happiness and peace of mind. When coupled with faith, repentance opens our access to the power of the Atonement of Jesus Christ.

(Russell M. Nelson, “We Can Do Better and Be BetterEnsign or Liahona, May 2019, 67).