Seminera
Famerenana ny fifehezana fotopampianarana 2


Famerenana ny fifehezana fotopampianarana 2

Ataovy tsianjery ireo andinin-tsoratra masina sy ireo fehezan-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Sary
Teen girl talking to two other teens.

Ny fitadidiana ireo andinin-tsoratra masina sy ireo zavatra azon’izy ireny ampianarina dia afaka manampy anao amin’ny fomba maro. Ity lesona ity dia natao mba hanampiana anao hitadidy ireo andinin-tsoratra masina sy ireo fehezan-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny sasantsasany amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana an’ny Tesatamenta Vaovao.

Fampiasana soratra masina hizarana ny filazantsara

Alaivo sary an-tsaina ohatra hoe miady hevitra momban’ny finoana miaraka amin’ny i Mino namanao ianao. Namonjy fiangonana Kristianina iray teny an-toerana izy ary nazoto nandalina sy nianatra Baiboly. Nametraka fanontaniana momba ireo zavatra inoanao momba an’i Jesoa Kristy, sy ny batisa ary ny fisoronana i Mino.

  • Ahoana no mety ho fahatokisan-tenanao amin’ny famaliana ireo fanontanian’i Mino? Nahoana?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hanampian’ny fahafantarana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo fehezan-teny manan-danja anao amin’ity toe-javatra ity?

  • Inona avy ireo toe-javatra efa niainanao sasantsasany ka mety ho nanampy anao tokoa ny fahafantarana tsara andin-tsoratra masina mba hahafahana mampiasa izany?

Ity lesona ity dia afaka manampy anao mba hiomana amin’ny fiatrehana toe-javatra toy ireny ary handinika ireo fahamarinana izay ampianarina ao anatin’ireto andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manaraka ireto. Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina sy ireo fehezan-teny manan-danja raha mbola tsy nanao izany ianao.

Andinin-tsoratra masina

Fehezan-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Lioka 2:10–12

“Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.”

Jaona 3:5

“Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra izy.”

Jaona 3:16

“Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany Lahitokana.”

Matio 5:14–16

“Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo.”

Matio 11:28–30

“Mankanesa aty Amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”

Matio 16:15–19

Hoy Jesoa: “Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra.”

Jaona 7:17

“Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy.”

Matio 22:36–39

“Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao. … Tiava ny namanao.”

Lioka 22:19–20

Nandidy i Jesoa Kristy hoe; mandraisa ny Fanasan’ny Tompo “ho fahatsiarovana Ahy.”

Jaona 17:3

“Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy.”

Lioka 24:36–39

“Fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.”

Karatra fitadidiana

Ireto torolalana manaraka ireto dia miainga amin’ny safidinao hianatra ireo andinin-tsoratra masina enina sy ireo fehezan-teny manan-danja izay miaraka amin’izy ireo. Raha sendra ka nisafidy ny hianatra misimisy kokoa ianao, dia azonao atao ny mampifanaraka ny sahanasa amin’ny fomba izay hahafahanao mamorona isa ampy ho an’ny karatra.

Ampiasao ny lafy iray manontolon’ny sombin-taratasy iray, manaova sary misy tsanganana roa ahitana efajoro telo mitovy habe ao anatin’ny tsanganana tsirairay. Avadiho ilay taratasy rehefa vita izany ary manaova mitovy amin’izany ihany koa eo amin’io lafy io. Misafidiana iray amin’ireto fomba famoronana manaraka ireto mba hamoronanao karatra fitadidiana izay afaka ny hanampy anao hanao tsianjery ireo toko sy andinin-tsoratra masina ary ireo fehezan-teny manan-danja.

Safidy A: Karatra fitadidiana misy sary

  1. Eo amin’ny lafy iray amin’ilay taratasy, soraty ny toko sy andinin-tsoratra masina iray izay nosafidianao tao amin’ny efajoro iray.

  2. Avadiho ilay taratasy. Ao ambadika mifanandrify ny ao anatin’io efajoro io ihany, manaova sary tsotsotra iray hanampy anao hitadidy ny fehezan-teny manan-danja ho an’ilay andinin-tsoratra masina. Ohatra, ho an’ny Matio 5:14–16 ianao dia mety hanao sarin-javatra tahaka ity manaraka ity mba hanampy anao hitadidy ilay fehezan-teny manan-danja hoe “Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo.”

    Sary
    Illustration of people with a lightbulb. One person is alone representing letting your light shine.

    Avereno ireo dingana ireo isaky ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nosafidinao tamin’ity lesona ity.

Safidy B: Andinin-tsoratra masina sy karatra fitadidiana ireo fehezan-teny manan-danja

Avereno soratana ao anaty diary fandalinanao soratra masina ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana tsirairay izay nosafidianao mba hanampy anao hahatakatra kokoa ny hafatra tian’ilay andinin-tsoratra masina hambara. Ohatra, azonao atao ny mamerina mandika ny Jaona 3:5 tahaka izao: “Nanazava i Jesoa fa tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra ianao raha tsy vita batisa sy mahazo ny fanomezana ny Fanahy Masina.”

  1. Ao ambadik’ilay taratasy, manorata andinin-soratra masina iray ao anatin’ny efajoro tsirairay.

  2. Avadiho ilay taratasy, ary soraty ao anatin’ilay efajoro izay manana andinin-tsoratra masina marina ao ambadika ilay fehezan-teny manan-danja (aseho ao amin’ ilay tabilao) . Ataovy amin’ny efajoro tsirairay avy izany.

Hetezo ho karatra ireo fizarana tsirairay, ary ampiasao izany mba hitadidina ireo andinin-tsoratra masina sy ireo fehezan-teny manan-danja. Hevero ny hikatsaka fanampiana avy amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana sy avy amin’ny namana hanampy anao amin’ny fitadidianao.

1. Hevero ny hizara ny sarin’ny karatra iray izay nataonao amin’ny mpampianatrao. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona amin’ireo andinin-tsoratra masina sy fehezan-teny manan-danja no heverinao fa afaka hanampy kokoa an’i Mino, ary nahoana?

  • Inona avy ireo fahamarinana momba ny Mpamonjy azonao zaraina aminy amin’alalan’ny fampiasana ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahan’ny fitadidiana andinin-tsoratra masina sy fahamarinana avy ao amin’ny soratra masina manampy anao?