Institiota
Ny fianakaviana mandrakizay (Fianarana ny filazantsara faha-200)


Ny fianakaviana mandrakizay (Fianarana ny filazantsara faha-200)

Sary
fianakaviana eo akaikin’ny tempoly

Fanontaniana

  1. Nahoana ny fianakaviana no ivon’ny drafitry ny fahasambaran’ny Raintsika any An-danitra?

    Tokony hahitana ireto ny valinteninao:

    • Famaritana ireo tanjona fototry ny drafitry ny famonjena.

    • Fanazavana mikasika ny fomba hitondran’ireo fianakaviana marina fanampiana amin’ny fanatanterahana ireo tanjona ireo ao anatin’ny mandrakizay.

    • Fanazavana mikasika ny antony maha-manan-danja aminao sy amin’ny fivoaranao mandrakizay ny fotopampianarana momba ny fianakaviana.

    • Fanazavana mikasika ny fiantraikan’ny fahatakaranao ny anjara asa fototry ny fianakaviana ao amin’ny drafitry ny famonjena amin’ireo safidy ataonao eto amin’ity fiainana ity.

  2. Inona avy ireo fenitry ny Tompo momba ny fanambadiana?

    Ny valinteninao dia tokony hahitana fanazavana mikasika:

    • Ny anjara asa sy andraikitra masina sahanin’ny vady sy ny ray aman-dreny.

    • Ny anjara asan’ny Mpamonjy ao anatin’ny fanambadiana sy ny fianakaviana.

    • Ireo lalàna mifehy ny fahadiovam-pitondrantena sy ny fahatokiana ao anatin’ny fanambadiana ary ny toetra mandrakizain’ireo lalàna ireo.

    • Ireo fomba azonao hampiharana ireo fitsipika ireo mba hiomanana amin’ny fanambadiana sy ny fianakavianao na hanatsarana izany.

  3. Inona no fiantraikany tsara nentin’ny fandalinana ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” (Ensign na Liahona, nôv. 2010, 129) teo amin’ny fiainanao nandritra ity fandaharam-pianarana ity?

    Afaka mifototra amin’ireo hevitra na mampifandray ireo hevitra avy amin’ireo valinteninao teo aloha ianao na manoratra lohahevitra vaovao. Tokony hahitana ireto ny valinteninao:

    • Fanazavana fitsipika na fotopampianarana iray voafaritra tsara avy amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana, miaraka amin’ny fanazavana fanampiny izay nampiasana ny soratra masina na ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany.

    • Fanazavana mikasika ny fomba nanampiana anao hahatakatra tsara kokoa ilay fitsipika na fotopampianarana nofidinao noho ny fanarahana ny torohevitr’ireo mpaminany.

    • Ohatra amin’ireo fitahiana noraisinao na ny olona hafa rehefa nanaraka ny torohevitra ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana.

    • Fanoritsoritana ny zavatra hataonao mba hiainana feno kokoa mifanaraka amin’ilay fitsipika na fotopampianarana nofidianao.

Ireo hevi-baventy ao amin’ny fotopampianarana

Ireto fampahafantarana manaraka ireto dia nangonina avy tamin’ny fampiasana ireo hevi-baventy hita ao anatin’ireo lesona ao amin’ity fandaharam-pianarana ity. Ny tarehimarika ao anaty fononteny izay manaraka ireo teny notsongaina dia manondro ny laharan’ny lesona ao amin’ny Ny fianakaviana mandrakizay: boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2015) izay ahitana ilay teny nambara. Ampitahao amin’izao fampahalalana eto ambany izao ny valinteninao. Raha toa ka misy hevi-baventy ao amin’ny fotopampianarana avy amin’ity famerenana ity izay tsy nampidirinao tao amin’ny valinteninao dia hatsarao aloha ny valinteninao mialoha ny hanaterana izany. Tsy voatery handika ara-bakiteny ity fampahalalana ity ao amin’ny valinteninao ianao fa ataovy fotsiny izay hahatakaranao ireto fotopampianarana ireto ka ampitao izany fahatakarana izany. Koa satria mitaky valiny mahakasika ny tena manokana ny fanontaniana faha-3 dia tsy misy hevi-baventy ho an’izany fanontaniana izany.

  1. Nahoana ny fianakaviana no ivon’ny drafitry ny fahasambaran’ny Raintsika any An-danitra?

    Ny tanjona fototry ny drafitry ny famonjena:

    • “Manome fomba iray ahafahantsika ho tonga tahaka ireo Ray aman-drenintsika any An-danitra ny drafitry ny Ray any An-danitra” (3).

    • “Ny tany dia nohariana mba hanampy amin’ny fanatanterahana ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (4).

    Ny fomba hitondran’ireo fianakaviana marina fanampiana amin’ny fanatanterahana ireo tanjona ireo ao anatin’ny mandrakizay:

    • “Ny fianakaviana dia fototry ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fiainana talohan’ny nahaterahana sy ety an-tany ary mandrakizay” (6).

    • “Noho ny Fahalavoana, dia afaka niteraka i Adama sy i Eva ary ny taranany dia afaka mivoatra mankany amin’ny fiainana mandrakizay” (4).

    • “Amin’ny alalan’ny vatantsika isika, dia miaina anatin’ny toetoetran’ny fiainana an-tany izay afaka manomana antsika ho amin’ny mandrakizay” (5).

    • “Rehefa miditra ao amin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana isika dia afaka ny ho asandratra ao amin’ny ambaratongam-boninahitra ambony indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy” (15).

  2. Inona avy ireo fenitry ny Tompo momba ny fanambadiana?

    Ny anjara asa sy andraikitra masina sahanin’ny vady sy ny ray aman-dreny:

    • “Ny mpivady dia manana andraikitra feno voninahitra mba hifankatia sy hifampikarakara” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” 129).

    • “Rehefa ateraky ny mpivady ny zaza iray, dia manatanteraka ny ampahan’ny drafitry ny fahasambarana avy amin’ny Raintsika any An-danitra izy ireo” (17).

    • “Didiana ny ray aman-dreny mba hampianatra ny zanany hifankatia sy hifanompo, hitandrina ireo didin’ Andriamanitra, ary ho olom-pirenena vanona” (22).

    Ny anjara asan’ny Mpamonjy ao anatin’ny fanambadiana sy ny fianakaviana:

    • “Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no hahafahan’ny tsirairay avy amintsika mandray ireo fitahiana rehetra nampanantenain’ny Raintsika any An-danitra amin’ny farany” (24).

    • “Rehefa manorina ny fototr’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy ny fianakaviana dia tsy hanana hery handravana azy ireo i Satana” (19).

    Ireo lalàna mifehy ny fahadiovam-pitondrantena sy ny fahatokiana ao anatin’ny fanambadiana ary ny toetra mandrakizain’ireo lalàna ireo:

    • “Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia tendrin’ Andriamanitra” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” 129).

    • “Andriamanitra dia nandidy fa ny lehilahy sy ny vehivavy nivady ara-dalàna ihany no tokony hampiasa ny fahefana masin’ny fananahana” (Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo Izao,” 129) (16

    • “Ny fiovana eo amin’ny lalàn’ny fanjakana dia tsy afaka na oviana na oviana hanova ny lalàna ara-pitondrantena izay napetrak’ Andriamanitra. Miandry antsika hanohana sy hitandrina ny didiny Andriamanitra na dia eo aza ireo fomba fihevitra na fironana mifanohitra amin’izany eo amin’ny fiaraha-monina” (voalaza ao amin’ny Gospel Topics (ireo Lohahevitra ara-pilazantsara), “Same-Sex Marriage (Ny fanambadiana eo amin’ny samy lahy na ny samy vavy),” lds.org/topics) (7).