Institiota
Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna (Fianarana ny filazantsara faha-275)


Fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna (Fianarana ny filazantsara faha-275)

Sary
Ny namangian’i Jesoa Kristy ny Nefita

Fanontaniana

  1. Inona no anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny fiainanao?

    Tokony hahitana ireto ny valinteninao:

    • Ny tanjona voalohan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny anjara asan’izany eo amin’ny fampiorenana ny fahamarinana.

    • Fitahiana nampanantenaina ho an’ireo izay mandalina ny Bokin’i Môrmôna.

    • Nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra ny maha-avy amin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna?

    • Fitahiana hitanao, tsapanao na niainanao tamin’ny alalan’ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna tao anatin’ity fandaharam-pianarana ity.

    • Ny fomba hihatsaran’ny fandalinanao sy ny fampiharanao ny Bokin’i Môrmôna raha mifototra amin’ny traikefa azonao tao anatin’ity fandaharam-pianarana ity.

  2. Araka ny Bokin’i Môrmôna dia inona no nataon’i Kristy mba hahafahanao mahazo fisandratana?

    Tokony hahitana ireto ny valinteninao:

    • Fanazavana ny fotopampianaran’i Kristy sy ireo fitahiana nampanantenaina ho an’ireo izay miaina araka ny fampianarana avy amin’izany.

    • Ny fomba nandresen’i Kristy ireo sakana ara-panahy sy ara-batana ho antsika tsirairay.

    • Ny fomba nitombon’ny fankasitrahanao an’i Jesoa Kristy sy ny fanolorantenanao ho Azy nandritra ity fandaharam-pianarana ity.

    • Ny zavatra ataonao mba hanehoana fa manaiky an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy anao ianao.

  3. Inona avy ireo fahamarinana avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nisy fiantraikany teo aminao?

    Afaka mifototra amin’ireo hevitra na mampifandray ireo hevitra avy amin’ireo valinteninao teo aloha ianao na manoratra lohahevitra vaovao.

    • Mitanisà fitsipika na fotopampianarana telo hatramin’ny dimy avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nianaranao na lasa manan-danja kokoa aminao noho ny fandraisanao anjara tamin’ity fandaharam-pianarana ity.

    • Misafidiana fitsipika na fotopampianarana iray avy ao amin’ny zavatra notanisainao ary hazavao lalindalina kokoa izany ka mampiasà ohatra avy amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany.

    • Zarao ny antony maha-manan-danja aminao io fotopampianarana na fitsipika io ary ny zavatra hataonao eo anatrehan’izany.

    • Soraty ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny zavatra nianaranao tamin’ny alalan’ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna nandritra ity fandaharam-pianarana ity.

Ireo hevi-baventy ao amin’ny fotopampianarana

Ireto fampahafantarana manaraka ireto dia nangonina avy tamin’ny fampiasana ireo hevi-baventy hita ao anatin’ireo lesona ao amin’ity fandaharam-pianarana ity. Ny tarehimarika ao anaty fononteny izay manaraka ireo teny nindramina dia manondro ny laharan’ny lesona ao amin’ny Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Fampianarana sy Fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna (2015) izay afaka ahitana ilay teny nambara. Ampitahao amin’izao fampahalalana eto ambany izao ny valinteninao. Raha toa ka misy hevi-baventy ao amin’ny fotopampianarana avy amin’ity famerenana ity izay tsy nampidirinao tao amin’ny valinteninao dia hatsarao aloha ny valinteninao mialoha ny hanaterana izany. Tsy voatery handika ara-bakiteny ity fampahalalana ity ao amin’ny valinteninao ianao fa ataovy fotsiny izay hahatakaranao ireto fotopampianarana ireto ka ampitao izany fahatakarana izany. Koa satria mitaky valiny mahakasika ny tena manokana ny fanontaniana faha-3 dia tsy misy hevi-baventy ho an’izany fanontaniana izany.

  1. 1.Inona no anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny fiainanao?

    Ny tanjona voalohan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny anjara asan’izany eo amin’ny fampiorenana ny fahamarinana:

    • “Namoaka ny Bokin’i Môrmôna amin’ny andro farany Andriamanitra mba handresena lahatra ny olon-drehetra fa i Jesoa no Kristy” (1).

    • “Ny Bokin’i Môrmôna dia mirakitra ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” (6).

    • “Miara-mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna” (7).

    Fitahiana nampanantenaina ho an’ireo izay mandalina ny Bokin’i Môrmôna.

    • “Ireo fampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia manan-danja lehibe ho antsika ankehitriny satria ireo mpanoratra dia nahafantatra ireo olana izay ho atrehintsika” (6).

    • “Rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna isika ary mampihatra ny fampianarana raketiny, dia hamafisina hahatohitra ny devoly sy ny fampianaran-diso ary ireo hevi-dravin’izao tontolo izao isika” (11).

  2. Araka ny Bokin’i Môrmôna dia inona no nataon’i Kristy mba hahafahanao mahazo fisandratana?

    Fanazavana ny fotopampianaran’i Kristy sy ireo fitahiana nampanantenaina ho an’ireo izay miaina araka ny fampianarana avy amin’izany:

    • “Rehefa manatona an’i Kristy sy mitandrina ireo didy isika, dia ho tonga bebe kokoa tahaka Azy sy ny Raintsika any An-danitra, ary dia ho voavonjy” (3).

    • “Raha miaina araka ny fotopampianaran’i Kristy isika dia afaka handray ny fitahian’ny Sorompanavotana ary hahazo ny fiainana mandrakizay” (8).

    • “Mba handraisana ny fitahiana feno famindram-pon’ny famelan-keloka dia tsy maintsy mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy ho amin’ny fibebahana isika” (16).

    Ahoana no fomba nandresen’i Kristy ireo sakana ara-panahy sy ara-batana ho antsika tsirairay:

    • “I Jesoa Kristy dia nandresy ny vokatry ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesana ara-panahy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany” (5).

    • “Ny Mpamonjy dia nitondra teo Aminy ny fanaintainantsika, ny aretintsika, ary ny rofintsika mba hahafahany manampy antsika rehefa miatrika ireo fanambin’ny fiainana an-tany isika” (5).

    • “Satria efa nanapaka ny famatoran’ ny fahafatesana i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty sy handray vatana tsy mety maty isika tsirairay avy” (18).