Institiota
Torolalana amin’ny tetikasa mikasika ny fianaran’ny tena manokana


Torolalana amin’ny tetikasa mikasika ny fianaran’ny tena manokana

Sary
mpianatra mamaky ny soratra masina

Manolora ary manaova tetikasa mikasika ny fianaran’ny tena manokana, nankatoavin’ny mpampianatra anao, izay hanatsaranao ny fahatakaranao ny votoatin’ilay taranja, hampiharana ireo fotopampianarana sy fitsipika ao amin’ilay taranja, ary hikatsahanao ny hampitombo ny finoanao an’i Jesoa Kristy. Ireo tetikasa mikasika ny fianaran’ny tena manokana dia mety ahitana:

  • Fandalinana lohahevitra ara-pilazantsara iray avy ao amin’ilay taranja izay mahaliana anao.

  • Famantarana ny zava-mitranga tena misy eo amin’izao tontolo izao sy ny fampiharana ny votoatin’ilay taranja amin’ny fanadihadiana tranga iray.

  • Famoronana loharano (ohatra: tambazotra ifaneraserana, sary kanto, mozika, sy ny sisa) mifototra amin’ny votoatin’ilay taranja izay ho zava-tsarobidy ho an’ny hafa.

Ireo dia ohatra vitsivitsy monja amin’ny zavatra azonao atao. Mba hanatontosana ny zavatra takina amin’ilay taranja, ilay tetikasa dia tsy maintsy:

  • Ankatoavin’ny mpampianatra anao.

  • Mifanaraka amin’ny votoatin’ilay taranja ary ahitana fanaovan’ny tena fampiharana.

  • Ahitana tatitra ny amin’ny zavatra nataonao sy ny lanjan’izany ho anao sy ho an’ny hafa.

Saintsaino ombam-bavaka ny tetikasa izay hanan-danja aminao. Azonao atao ny mifanakalo hevitra momba ireo tetikasa azo atao miaraka amin’ireo mpiara-mianatra aminao, na mpampianatra anao, na ireo olona amin’ny fianakavianao, na ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana. Raha toa ka manana fanontaniana momba ny mahamety ny tetikasa iray ianao dia miresaha amin’ny mpampianatra anao.