Institiota
Ireo fototry ny famerenana amin’ny laoniny (Fianarana ny filazantsara faha-225)


Ireo fototry ny famerenana amin’ny laoniny (Fianarana ny filazantsara faha-225)

Sary

Fanontaniana

  1. Ahoana no ahafahako manavaka ny fahamarinana sy fahadisoana?

    Tokony hahitana ireto ny valinteninao:

    • Ny anjara asan’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany maoderina ary ny Fanahy Masina amin’ny fampiorenana ny fahamarinana.

    • Ny fomba ahafahan’ny fandalinana sy ny finoana ary ny vavaka manampy anao hianatra fahamarinana.

    • Ny fomba hahitana sy handanjalanjana ary hampiasana ireo loharano azo antoka mikasika ny tantaran’ny Fiangonana sy ny fotompampianarany izay nambara.

    • Ny fomba ahafahanao mampihatra ireo fitsipika izay nianaranao mba hanavahana ny fahamarinana amin’ny fahadisoana rehefa miatrika fanapahan-kevitra, na fanamby, na olana ianao na ny olona fantatrao.

  2. Nahoana no zava-dehibe amiko ny mahatakatra fa i “Joseph Smith … dia efa nahavita mihoatra noho ny olona rehetra niaina teto, afa-tsy i Jesoa irery ihany, ho famonjena ny olona eo amin’ity izao tontolo izao ity”? (F&F 135:3).

    Tokony hahitana ireto ny valinteninao:

    • Ny anjara asan’ny Fahitana Voalohany ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara sy ao amin’ny fisokafan’ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana.

    • Ny fomba nitahiana ny fiainanao noho ny fahamarinana iray izay naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’i Joseph Smith.

    • Ny fomba nitahiana ny fiainanao noho ireo fanalahidin’ny Fisoronana na ireo ôrdônasin’ny famonjena naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’i Joseph Smith.

    • Ny fomba ahafahan’ny anjara asan’i Joseph Smith tao amin’ny famerenana amin’ny laoniny mitondra anao hanakaiky bebe kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  3. Ny fomba nitahiana ny fiainanao noho ny iray amin’ireto zava-nitranga manan-danja na ireto fotopampianarana tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny ireto.

    a) Ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna, b) ireo fizarana manan-danja sy fotopampianarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, d) ny famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana, e) ireo tempoly sy ny asa atao any amin’ny tempoly. Tokony hahitana ireto ny valinteninao:

    • Ny zavatra nianaranao mikasika an’io tranga io na io fotopampianarana io avy amin’ny fandraisanao anjara tato amin’ity fandaharam-pianarana ity.

    • Ny fomba anehoan’io tranga io na io fotopampianarana io fa misokatra ny lanitra.

    • Ny fomba nitahiana ny fiainanao noho io tranga io na io fotopampianarana io sy ny antony maha-manan-danja an’izany manokana aminao.

    • Ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny zavatra nianaranao mikasika ny filazantsara naverina amin’ny laoniny.

Ireo hevi-baventy ao amin’ny fotopampianarana

Ireto fampahafantarana manaraka ireto dia nangonina avy tamin’ny fampiasana ireo hevi-baventy hita ao anatin’ireo lesona ao amin’ity fandaharam-pianarana ity. Ny tarehimarika ao anaty fononteny izay manaraka ireo teny nalaina dia manondro ny laharan’ny lesona ao amin’ny Boky torolalana ho an’ny mpampianatra: Ireo fototry ny famerenana amin’ny laoniny (2015) izay afaka ahitana ilay teny nambara. Ampitahao amin’izao fampahalalana eto ambany izao ny valinteninao. Raha toa ka misy hevi-baventy ao amin’ny fotopampianarana avy amin’ity famerenana ity izay tsy nampidirinao tao amin’ny valinteninao dia hatsarao aloha ny valinteninao mialoha ny hanaterana izany. Tsy voatery handika ara-bakiteny ity fampahalalana ity ao amin’ny valinteninao ianao fa ataovy fotsiny izay hahatakaranao ireto fotopampianarana ireto ka ampitao izany fahatakarana izany. Koa satria mitaky valiny mahakasika ny tena manokana ny fanontaniana faha-3 dia tsy misy hevi-baventy ho an’izany fanontaniana izany.

  1. Ahoana no ahafahako manavaka ny fahamarinana sy fahadisoana?

    Ny anjara asan’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany ary ny Fanahy Masina amin’ny fanamafisana ny fahamarinana:

    • Amin’ny maha-mpiara-miasa amin’ny Baiboly azy dia “navoaka ny Bokin’ny Môrmôna sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana mba hitondra famonjena an’izao tontolo izao” (22).

    • “Ny Fanahy Masina dia afaka manampy antsika hahafantatra raha toa ka marina ireo zavatra izay vakintsika ” (10).

    • “Raha mihaino ny tenin’ny mpaminany isika, dia ho voaro amin’ny fahavalo” (9).

    • “Rehefa miteny amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ny mpanompon’ny Tompo dia mampita ny fikasan’ny Tompo ny tenin’izy ireo” (12).

    Ny fomba ahafahan’ny fandalinana sy ny finoana ary ny vavaka manampy anao hianatra fahamarinana:

    • “Rehefa ampidirintsika ao amin’ny dingan’ny fianarana ny finoana dia ho mendrika ny fanampian’ny Tompo isika” (10).

    • “Afaka mahita ny valin’ireo fanontaniana lehibe indrindra izay ananantsika isika rehefa mankatò ny didy sy mandalina ireo loharanom-pahalalana azo antoka—indrindra ny tenin’ireo mpaminany velona—sy mikatsaka fitarihana amin’ny alalan’ny vavaka ary manana faharetana sy finoana” (10).

    • “Raha tojo fanontaniana na fisalasalana mikasika ny filazantsara isika dia tokony hihazona mafy amin’izay zavatra efa fantatsika fa marina ka hahatoky fa na isika afaka hahita valiny amin’ny alalan’ny fandalinana bebe kokoa na hambaran’ Andriamanitra amin’ny fotoana manaraka ny valiny” (4).

    Ny fomba hahitana sy handanjalanjana ary hampiasana ireo loharano azo antoka:

    • “Afaka mampahatsiahy an’ilay olona mikatsaka marina ny hahafantatra isika fa tsy misy sivana hanesorana ireo fampahalalana tsy marina ao amin’ny Internet. “Ny fampahalalana sasany, na dia mandresy lahatra tahaka ny inona aza, dia tsy marina tsotra izao” (10; Neil L. Andersen, “Joseph Smith,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 29).

    • “Mba tsy ho voafitaky ny fampahalalana diso sy mamitaka dia tokony hikaroka ireo loharanom-pahalalana azo antoka momba ny Fiangonana sy ny tantarany ireo izay mikatsaka ny fahamarinana” (2).

    • “Rehefa manomboka amin’ny fanombantombanana ireo fomba fanao ankehitriny sy ireo hevitra aroso izay mifanohitra amin’ireo zavatra fantatsika momba ny drafitr’ Andriamanitra sy ireo fitsipika nomena ao amin’ny tenin’ Andriamanitra ary ireo fampianaran’ny mpaminany velona isika, … dia fantatsika fa mametraka antsika amin’ny toerana azo antoka mandrakizay izany” (10; Dallin H. Oaks, “As He Thinketh in His Heart” [takariva niaraka tamin’ny Loholona Dallin H. Oaks, 8 feb. 2013], lds.org/broadcasts).

  2. Nahoana no zava-dehibe amiko ny mahatakatra fa i “Joseph Smith … dia efa nahavita mihoatra noho ny olona rehetra niaina teto, afa-tsy i Jesoa irery ihany, ho famonjena ny olona eo amin’ity izao tontolo izao ity”? (F&F 135:3).

    Ny anjara asan’ny Fahitana Voalohany ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny sy ny fisokafan’ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana:

    • “Tafaverina tamin’ny laoniny teto an-tany ireo fahamarinana mandrakizay rehefa niseho tamin’i Joseph Smith ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy” (2).

    • “Rehefa mahazo fijoroana ho vavolombelona isika fa nahita an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Zanany i Joseph Smith dia afaka mahafantatra ny fahamarinan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara ihany koa isika” (2).

    • “Nantsoin’ Andriamanitra hamerina amin’ny laoniny ny filazantsara ho an’ity fotoampitantanana misy antsika ity i Joseph Smith” (1).

    Ny fomba nitahiana ny fiainanao noho ny fahamarinana iray izay naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’i Joseph Smith:

    • “Olona velona sy nomem-boninahitra i Jesoa Kristy. I Jesoa Kristy no Ilay Zanaka Lahitokan’ny Ray. I Jesoa Kristy no ilay Mpamorona an’izao tontolo izao sy ireo tontolo hafa” (13).

    • “Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no ilay hany Fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany” (6).

    • “Amin’ny maha-zanaky ny Ray any An-danitra antsika dia manana ny fahafahana ny ho tonga tahaka Azy isika” (17).

    • “Tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith, ny Tompo dia nanambara soratra masina fanampiny izay manamafy sy manazava ary manitatra ny fahalalantsika momba ny fahamarinana” (12).

    Ireo fanalahidin’ny Fisoronana na ireo ôrdônasin’ny famonjena naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’i Joseph Smith sy ny fomba nitahian’izany ny fiainanao:

    • Nandray ireo “fanalahidin’ny asa fitoriana sy ny fianakaviana mandrakizay ary ny asa atao any amin’ny tempoly” i Joseph Smith (14).

    • “Alohan’ny hahazoana manao batisa ny olona dia tsy maintsy manetry tena izy ireo, efa nibebaka, vonona ny hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy, ary manana finiavana hanompo Azy hatramin’ny farany” (6).

    • “Mba hahazoana ny ambaratonga avo indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy, dia tsy maintsy miditra ao amin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana ny olona” (19).