Institiota
Ireo taranja ankapobeny azo safidiana hatao na tsia


Ireo taranja ankapobeny azo safidiana hatao na tsia

Sary
Jesoa Kristy miaraka amin’ny ankizy

Toromarika ho an’ny mpampianatra

Ity Asondroty ny Traikefa amin’ny Fianarana ity dia azo ampiasaina miaraka amin’izay mety ho fandaharam-pianarana ao amin’ny institiota, kanefa tsy fandaharam-pianarana Vatofehizoro kosa. Izany dia ahitana fanontaniana izay fameno manan-danja an’ireo vakiteny nampanaovina sy ny fandraisana anjara ao amin’ny kilasy. Ny fanasana sy fanampiana ny mpianatra handalina, hampihatra, hirakitra an-tsoratra, ary hizara ireo fitsipika sy fotopampianarana dia afaka manampy azy ireo hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo sy hampiorim-paka ny fiovam-pon’izy ireo.

Araka ny toromarika avy aminareo, ny mpianatra dia hamaly fanontaniana telo amin’ireo fanontaniana fito hita ao amin’ny taratasy torolalana ho an’ny mpianatra. Voalohany indrindra aloha diatokony hosintonina avy ao amin’ny zavatra izay nianarany sy nampihariny nandritra ilay fandaharam-pianarana ny valintenin’ny mpianatra. Na dia mety hitaky fanamboarana miankina amin’ny kilasy na ny mpianatra tsirairay aza ny antsipirian-javatra maro amin’ny fanatanterahana ny Asondroty ny Traikefa amin’ny Fianarana dia hanampy anao sy ny mpianatrao mba hanana traikefa mahomby ireto dingana manaraka ireto:

  1. Miomana: Mialoha ny hanombohan’ny fandaharam-pianarana dia avereno jerena ireo fanontaniana ary manaova drafitra ny amin’ny fanatanterahana ny Asondroty ny traikefa amin’ny fianarana. Ny fiomananao dia mety ahitana ireo fomba hampahafantarana ireo fanontaniana amin’ny mpianatra sy hanazavana ireo zavatra andrasana mikasika ny Asondroty ny traikefa amin’ny fianarana, toy ireo daty hanaovana famerenana sy hanaterana ny valintenin’ny mpianatra, ny halavan’ny valim-panontaniana andrandraina, ary ny endrik’ireo valim-panontaniana. Amporisihina ny hamerenanao mijery ny tsirairay amin’ireo valinteny telo avy amin’ny mpianatra amin’ny andro telo samy hafa araka izay safidinao mandritra ilay fandaharam-pianarana.

  2. Mametraka mazava tsara amin’ny mpianatra ny zavatra andrasana aminy: Eny amin’ny fiandohan’ny fandaharam-pianarana dia omeo ny tahadikan’ireo fanontaniana hita ao amin’ny taratasy torolalana ho an’ny mpianatra ny tsirairay amin’izy ireo. Izany dia hanome fotoana ampy ho an’ny mpianatra tsirairay mba handalina sy hampihatra ary hirakitra an-tsoratra ny valim-panontanian’izy ireo mandritra ny enim-bolana. Ampio izy ireo hahatakatra ny tanjon’ny Asondroty ny traikefa amin’ny fianarana. Ampahalalao mazava ireo zavatra andrasanao amin’ny valintenin’izy ireo, ka tadifitra ao amin’izany ireo daty hanitsiana izany sy hanaterana izany.

  3. Manara-maso: Ampaherezo sy ampio tsy tapaka ny mpianatra rehetra mandritra ny fandaharam-pianarana rehefa miezaka mba hahavita ireo fanontaniana ao amin’ny Asondroty ny traikefa amin’ny fianarana. Mitadiava fomba hampifandraisana ireo fanontaniana amin’ny fandaharam-pampianarana, na hampidirana azy ireo ao amin’ireo zavatra izay atao ao an-dakilasy. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hitady ny valintenin’izy ireo ao an-dakilasy na ivelan’ny fotoana fianarana na izy roa miaraka.

  4. Manao famerenana sy fanitsiana: Amin’ireo andro voatondronao hanaovana ny famerenana dia asao sy ampahatsiahivo ireo mpianatra mba hitondra ny valintenin’izy ireo amin’ireo fanontaniana nomena tao am-pianarana. Asao izy ireo mba hanazava sy hizara ary hijoro ho vavolombelona ao anatin’ny valintenin’izy ireo momba ny zavatra izay nianarany sy nampihariny avy tamin’ilay fandaharam-pianarana. Mety hahazo tombontsoa ny mpianatra rehefa miara-mamerina mijery tsiroaroa na ao anatin’ny vondrona kely ny asan’ny tsirairay. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hanatsara ny valintenin’izy ireo raha ilaina mialoha ny hanateran’izy ireo izany.

  5. Manatitra ny valinteny: Mahatontosa ny Asondroty ny Traikefa amin’ny Fianarana ny mpianatra rehefa manatitra ny valin’ireo fanontaniana telo rehetra araka ny zavatra izay andrasanao. Na dia raisina an-tanan-droa aza ny hevitrao mikasika ireo valintenin’ny mpianatra dia tsy voatery atao izany. Raketo ao amin’ny firaketana naoty WISE izany ho an’ireo mpianatra izay nanatitra ny valintenin’izy ireo.

Fanamarihana: Ataovy izay hananan’ireo mpianatra manana filàna manokana, na fahasembanana, na olana ara-pahasalamana ny zavatra ilain’izy ireo mba handraisany anjara amin’ity fitsapam-pahaizana ity mitovy amin’izay ataon’ireo mpianatra namany. Mety ho fanaovana printy zavatra nohalehibeazina na fitaovana navadika ho horonampeo ny fanovàna sasany atao mba hahafahan’ny mpianatra mamita ny valinteny miaraka amin’ny fanampian’ny hafa, mba hahafahan’izy ireo manatitra valinteny am-bava fa tsy an-tsoratra, na manonona ny valintenin’izy ireo amin’ny mpitantsoratra na fitaovana fakàna feo iray. Tsidiho ny lds.org/topics/disability mba hahitana ireo fampahafantarana ankapobeny momba ny fanampiana ireo olona manana fahasembanana.

Toromarika ho an’ny mpianatra

Ny Asondroty ny Traikefa amin’ny Fianarana dia ahitana fanontaniana maromaro izay fameno manan-danja amin’ny fandraisanao anjara ao am-pianarana sy amin’ny fandalinanao ireo zavatra asaina vakina. Hanampy anao hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona anananao sy hampiorim-paka ny fiovamponao ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny manao zavatra araka ny valin’ireo fanontaniana ireo mandritra ny fandaharam-pianarana rehefa mandalina, mampihatra, mirakitra an-tsoratra ary mizara ireo fitsipika sy fotopampianarana ianao.

Amin’ny alalan’ny fisintonana zavatra avy amin’ny fotopampianarana sy ireo fitsipika ary fampahalalana izay nohalalininao sy nampiharinao nandritra ity fandaharam-pianarana ity dia valio ny TELO amin’ireto fanontaniana fito manaraka ireto. (Mety hanome fanontaniana manokana ny mpampianatra anao.) Saintsaino ireo tolo-kevitra ao amin’ny fizarana “valinteny” etsy ambany rehefa mandrafitra ny valinteninao ianao. Mivonòna hizara ny zavatra izay nohalalininao sy nampiharinao amin’ny alalan’ny fitondrana ny valinteninao any an-dakilasy amin’ireo daty hanaovana famerenana narindran’ny mpampianatra anao.

Fanontaniana

  1. Tamin’ny fomba ahoana no nahafahanao nahafantatra bebe kokoa ny Rainao any An-danitra?

  2. Inona no nanampy anao hahatakatra sy hiantehitra bebe kokoa amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany?

  3. Tamin’ny fomba ahoana no nitomboan’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Famerenana amin’ny laoniny?

  4. Inona no nanampy anao ho mendrika bebe kokoa ny handray ireo fitahian’ny tempoly?

  5. Inona amin’ireo fahamarinana avy amin’ity taranja ity no nitahy ny fiainanao?

  6. Tamin’ny fomba aho no nampatanjahanao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny __________? (Hanome ny fitsipika na fotopampianarana ho an’ity fanontaniana ity ny mpampianatra.)

  7. Nihatsara toy ny ahoana ny fiainanao noho ny fampitomboanao ny fahatakaranao momba ny __________? (Mifidiana IRAY amin’ireto lohahevitra ara-potopampianarana manaraka ireto.)

    • Ny Andriamanitra

    • Ny Drafitry ny Famonjena

    • Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy

    • Ny Famerenana amin’ny laoniny

    • Mpaminany sy fanambarana

    • Fisoronana sy fanalahidin’ny Fisoronana

    • Ôrdônansy sy fanekempihavanana

    • Fanambadiana sy fianakaviana

    • Ireo Didy

Valiny

Eritrereto ny hampiditra izao manaraka izao ao amin’ny valinteny tsirairay:

  • Mifantena fotopampianarana iray izay lasa manan-danja bebe kokoa aminao rehefa nandray anjara tamin’ity lesona ity ianao.

  • Hazavao ilay fotopampianarana amin’ny fampiasana ny teninao manokana, ireo andalan-tsoratra masina, na ireo tenin’ireo mpaminany velona.

  • Mizarà zavatra niainana iray izay nahatsapanao ny herin’ilay fotopampianarana teo amin’ny fiainanao vao tsy ela akory izay.

  • Zarao hoe nampiorim-paka ny fiovamponao ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny fomba ahoana ny zavatra niainanao.

Fanamarihana: Raha manana filàna manokana, fahasembanana, na olana ara-pahasalamana ianao dia miresaha amin’ny mpampianatra anao mba hahafahany manisy fanovàna hanampiana anao hahavita ity traikefa ity.