Boky torolalana sy antso
6. Ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka


“6. Ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany2020)

“6. Ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Sary
mpitarika iray miresaka amina fianakaviana

6.

Ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka

6.1

Ireo tanjon’ny tsatòka

I Isaia dia namaritra ny Zionan’ny andro farany ho toy ny lay na tabernakely izay miorina mafy amin’ny alalan’ireo tsatòka (jereo ny Isaia 33:20; 54:2). Amin’izao fotoana izao ny Fiangonana dia narafitra ho tsatòka maro. Ny tsatòka tsirairay dia ahitana paroasy maro ary tarihin’ny filohan’ny tsatòka iray.

Manorina tsatòka ny Tompo mba ho an’ny “fiaraha-mivondron[’ny]” olony sy “ho fiarovana sy ho fialofana” amin’izao tontolo izao (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:6). Ireo mpikambana sy mpitarika eo anivon’ny tsatòka iray dia miara-miasa mba handraisana anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny 1.2).

6.2

Fiadidian’ny tsatòka

Ny filohan’ny tsatòka dia mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana mba hitarihana ny asan’ny Fiangonana eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 3.4.1). Izy sy ireo mpanolotsainy no mandrafitra ny hoe fiadidian’ny tsatòka. Mikarakara ireo mpikambana ao amin’ny tsatòka amim-pitiavana izy ireo, ary manampy azy ireo ho tonga mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy.

Manana andraikitra fototra efatra ny filohan’ny tsatòka:

  1. Izy no mpisorona avo mpiahy eo anivon’ny tsatòka.

  2. Izy no mitarika ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana eo anivon’ny tsatòka.

  3. Izy no mpitsara tsotra.

  4. Izy no manara-maso ireo firaketana sy ny fitantanam-bola ary ireo fananana.

Noho ny filohan’ny tsatòka mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana, dia misy andraikitra sasantsasany izay azy irery ihany. Raha toa izy ka tsy afaka manatanteraka azy ireo, dia afaka misolo toerana azy ny mpanolotsaina iray afa-tsy amin’ireo zavatra izay nomarihina ato amin’ity boky torolalana ity. Miresaka amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra ny filohan’ny tsatòka na ny mpanolotsainy raha toa izy ka manana fanontaniana mikasika ny fisoloan’ny mpanolotsaina toerana ny filohan’ny tsatòka.

Mizara andraikitra maro amin’ny hafa ny filohan’ny tsatòka. Tafiditra ao anatin’izany ireo mpanolotsainy, ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo, ireo mpitarika rafitra eo anivon’ny tsatòka, ny mpitantsoratra mpanatanteraka sy ny mpitamboky eo anivon’ny tsatòka ary ireo mpitamboky mpanampy eo anivon’ny tsatòka.

6.2.1

Mpisorona avo mpiahy

Ny filohan’ny tsatòka no mpitarika ara-panahy voalohany eo anivon’ny tsatòka. Maneho ohatra amin’ny tsatòka izy amin’ny alalan’ny fanaovana ny asan’ny Tompo “amin’ny fahamasinan’ny fo” (Môzià 18:12). Mampianatra sy mampahery izy.

Ny filohan’ny tsatòka dia mpianatra mahatokin’i Jesoa Kristy. Tsy mivadika amin’ireo fanekempihavanany izy. Mahatoky amin’ny vadiny sy ny fianakaviany izy. Maneho ohatra amin’ny fahamarinan-toetra eo anatrehan’ny fianakaviany sy ny tsatòka ary ny fiarahamonina izy. Manana toetra mitovy amin’izany ireo mpanolotsainy.

Manome torolalana ho an’ireo eveka sy ireo mpitarika hafa eo anivon’ny tsatòka ny filohan’ny tsatòka.

6.2.1.1

Fisoronana Melkizedeka

Ny fiadidian’ny tsatòka no miahy ny rehetra izay mihazona ny Fisoronana Melkizedeka eo anivon’ny tsatòka.

Ny kôlejin’ny mpisorona avo eo anivon’ny tsatòka. Ny filohan’ny tsatòka no filohan’ny kôlejin’ny mpisorona avo eo anivon’ny tsatòka. Izy sy ireo mpanolotsainy no fiadidian’izany kôlejy izany. Ny kôlejin’ny mpisorona avo eo anivon’ny tsatòka dia ahitana ireto mpisorona avo fanampiny ireto:

  • Ny eveka sy ny mpanolotsainy

  • Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo

  • Ireo patriarika am-perinasa

Ireo mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona avo dia manatrika ny fivorian’ny kôlejin’ny loholona ao amin’ny paroasin’izy ireo rehefa tsy ampiandraiketina asa any amin’ny toerana hafa izy ireo. Jereo ny 29.3.5 ho fampahalalana mikasika ny fivorian’ny kôlejin’ny mpisorona avo ao amin’ny tsatòka.

Kôlejin’ny loholona. Ny fiadidian’ny tsatòka no manana andraikitra amin’ny kôlejin’ny loholona (jereo ny 8.3.3.1).

Fanendrena ho amin’ny Fisoronana Melkizedeka. Ny filohan’ny tsatòka dia manara-maso ny fanomezana ny Fisoronana Melkizedeka. Izy koa no manara-maso ny fanendrena ho amin’ny anjara fanompoan’ny loholona sy ny mpisorona avo (jereo ny 18.10.4).

6.2.1.2

Ireo episkôpà

Mivory miaraka amin’ny episkôpà vaovao ny filohan’ny tsatòka mba hampianatra azy ireo fotoana fohy aorian’ny niantsoana azy ireo. Manohy mampianatra sy mankahery ireo eveka izy mandritra ireo tafa sy dinika sy fivoriana tsy tapaka ary amin’ny fotoana hafa.

Ireo mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka no mampianatra ny episkôpà eo amin’ny andraikitr’izy ireo mikasika ny mpihazona Fisoronana Aharôna sy ny zatovovavy.

6.2.1.3

Patriarika eo anivon’ny tsatòka

Ny filohan’ny tsatòka no manara-maso ny asan’ny patriarika eo anivon’ny tsatòka. Manorina fifandraisana akaiky aminy ny filohan’ny tsatòka. Ho fampahalalana mikasika ny fiantsoana sy ny fanaraha-maso ny patriarika eo anivon’ny tsatòka dia jereo ny 6.6.

6.2.1.4

Filankevitra sy kômity ary fivoriana

Ny filohan’ny tsatòka no mitarika ny filankevitra avo sy ny filankevitry ny tsatòka. Izy koa no mitarika ny kômitin’ny mpitarika misahana ny olon-dehibe eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 29.3.9). Manendry ireo mpanolotsainy izy mba hanara-maso ireto manaraka ireto:

  • Kômitin’ny mpitarika misahana ny zatovo eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 29.3.10).

  • Kômity misahana ny tanora tokan-tena eo anivon’ny tsatòka

  • Kômity misahana ny olon-dehibe tokan-tena eo anivon’ny tsatòka (any amin’izay toerana nanorenana izany)

Ny filohan’ny tsatòka tsirairay dia mpikambana ao amina filankevitra enti-mandrindra (jereo ny 29.4).

Ny fiadidian’ny tsatòka no mamolavola ireo fivorian’ny tsatòka izay voatanisa ao amin’ny 29.3. Ny filohan’ny tsatòka no miahy ireo fivoriana eo anivon’ny tsatòka raha tsy hoe misy Manampahefana Ambony na Fitopololahin’ny Vondromparitra manatrika. Afaka mitarika ireo fivoriana ireo ireo mpanolotsainy. Afaka miahy koa izy ireo raha tsy eo ny filohan’ny tsatòka.

6.2.1.5

Antso sy fisaorana amin’ny antso

Ny andraikitry ny filohan’ny tsatòka mikasika ny fanaovana antso sy ny fisaorana amin’ny antso dia voalaza ao amin’ny toko 30. Afaka manendry ireo mpanolotsainy sy ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo izy hanolotra antso sy hanao fisaorana araka izay voalaza ao amin’ny 30.8. Ny filohan’ny tsatòka ihany no afaka manolotra ireto antso manaraka ireto. Ho an’ny sasany amin’izy ireo, dia tsy maintsy mahazo fankatoavana aloha izy araka ny fanamarihana.

  • Mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka. Rehefa misy filohan’ny tsatòka vaovao voantso, dia ny Manampahefana Ambony na ny Fitopololahin’ny Vondromparitra izay miahy no miantso sy manokana ireo mpanolotsainy, izay natolotr’ilay filohan’ny tsatòka vaovao. Rehefa misy mpanolotsaina iray ilaina isaorana na ilaina antsoina ao anatina fiadidian’ny tsatòka iray efa misy, dia alefan’ny filohan’ny tsatòka amin’ny alalan’ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers (DDG) ilay fangatahana. Afaka manao tafa sy dinika amin’ny mpanolotsaina iray sy miantso ary manokana mpanolotsaina izy, na manao fisaorana ny mpanolotsaina iray rehefa avy nahazo fankatoavana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany.

  • Patriarika eo anivon’ny tsatòka. Ny filohan’ny tsatòka dia afaka manao tafa sy dinika sy miantso ary manendry patriarika iray rehefa avy nahazo fankatoavana avy any amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Jereo ny 6.6.1.

  • Eveka. Ny filohan’ny tsatòka no manolotra rahalahy ho antsoina ho eveka. Izy ihany koa no manao ny fangatahana mba hisaorana azy ireo. Alefany amin’ny alalan’ny DDG ireo tolo-kevitra. Afaka miantso sy manendry ary manokana eveka izy, na manao fisaorana eveka rehefa avy nahazo fankatoavana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany. Izy koa no manome ireo fanalahidin’ny fisoronana mifandray amin’izany antso izany. Jereo ny 30.7.

  • Ireo filohan’ny kôlejin’ny loholona. Ny filohan’ny tsatòka no miantso sy manokana ireo filohan’ny kôlejin’ny loholona. Maka hevitra amin’ny eveka aloha izy. Izy koa no manome ireo fanalahidin’ny fisoronana mifandray amin’izany antso izany. Jereo ny 8.3.3.1.

  • Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka. Ny filohan’ny tsatòka no miantso sy manokana ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka.

Ireo filohan’ny tsatòka izay tsy afaka mampiasa ny DDG dia tokony hifandray amin’ny biraon’ny vondromparitra mba hanaovana ireo fanolorana olona rehefa ilaina izany.

6.2.1.6

Ireo rafitra sy fandaharan’asa eo anivon’ny tsatòka

Ny filohan’ny tsatòka no miandraikitra ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka. Izy no mizara ny andraikitr’ireo mpanolotsainy amin’ny fisahanana ireo rafitry ny Zatovolahy, sy ny Zatovovavy ary ny Kilonga sy ny Sekoly Alahady eo anivon’ny tsatòka.

Miara-mivory tsy tapaka amin’ireo fiadidian’ireo rafitra izay iandraiketan’izy ireo ny mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka. Mandritra ireo fivoriana ireo, izy ireo dia:

  • Maka antoka fa takatr’ireo fiadidiana ireo ny andraikitr’izy ireo.

  • Miara-midinika mikasika ny zavatra ilain’ireo mpitarika ao anatin’ireo rafitra.

Rehefa voantso ny fiadidiana vaovaon’ny rafitra iray eo anivon’ny tsatòka, dia mizara torohevitra sy vina ny fiadidian’ny tsatòka mba hanoroana lalana azy ireo eo amin’ny asa fanompoan’izy ireo.

Any Etazonia sy Kanadà dia afaka mahazo fanoroana lalana avy amin’ny filankevitry ny rafitra maneran-tany ilay fiadidian’ny rafitra vaovao (jereo ny 5.1.2). Any amin’ny faritra hafa dia afaka mahazo fanoroana lalana avy amin’ny mpanoro hevitra ny rafitra eo anivon’ny vondromparitra koa ilay fiadidiana vaovao (jereo ny 5.2.5.1). Eo ambany fitarihan’ny fiadidian’ny tsatòka izany fanoroana lalana izany. Mandray anjara amin’izany ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na ny mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo izay nomena andraikitra hisahana izany.

Ny filohan’ny tsatòka koa dia manendry ireo mpanolotsainy mba hanara-maso ireo fandaharan’asan’ny tsatòka rehefa ilaina. Izany dia mety ahitana ny:

  • Seminera sy Institiota

  • Fandaharan’asa ho an’ny tanora tokan-tena sy ny olon-dehibe tokan-tena.

  • Fiaraha-mientan’ny tsatòka.

  • Hira.

  • Trano fiangonana.

Miara-mivory tsy tapaka amin’ireo kômity sy ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo ary ireo tompon’andraikitra manokana misahana ireo fandaharan’asa izay iandraiketan’izy ireo ireo mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka.

Sary
fivorian’ny mpitarika ny zatovovavy

6.2.1.7

Fifandraisana (Fifandraisana amin’ny any ivelany)

Ny fiadidian’ny tsatòka no mitantana ireo ezaka atao mahakasika ny fifandraisana eo anivon’ny tsatòka. Ireo mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka dia manana andraikitra manokana ny hanao izay hahatsara laza ny Fiangonana eo amin’ny fiarahamonina. Mikatsaka ny hanorina fifandraisana tsara amin’ireo mpitarika olom-pirenena sy mpitarika eo anivon’ny fiarahamonina izy ireo.

Ny filohan’ny tsatòka no mpitondra teny voalohany ho an’ny Fiangonana eo anivon’ny fampitam-baovao momba ny raharaha mikasika ny tsatòka. Afaka mampiandraikitra olon-kafa izany anjara asa izany izy rehefa ilaina.

Ny filohan’ny tsatòka na ny mpanolotsaina voatendry hisahana izany dia afaka manatanteraka sy manara-maso filankevitry ny fifandraisana eo anivon’ny tsatòka. Io filankevitra io dia manampy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba hanorina fifandraisana amin’ireo mpitarika olom-pirenena sy mpitarika eo anivon’ny fiarahamonina. Izany koa dia manampy ireo mpitarika ireo mba hifandray amim-pahombiazana amin’ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonana sy amin’ny besinimaro.

Ny filankevitry ny fifandraisana dia mety ahitana ny tale misahana ny fifandraisana eo anivon’ny tsatòka, ireo tale mpanampy ary ireo tompon’andraikitra manokana araka izay ilaina. Ny filohan’ny tsatòka, na mpanolotsaina iray na mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo izay nomena andraikitra hisahana izany no miantso sy manokana azy ireo.

Misy koa ny filankevitry ny serasera eo amin’ny ambaratongan’ny filankevitra enti-mandrindra (jereo ny 29.4). Miasa eo ambany fitarihan’ny Fitopololahin’ny Vondromparitra izany ary tarihin’ny tale misahana ny fifandraisana. Io filankevitry ny fifandraisana io dia manampy amin’ny fandrindrana fifandraisana sy hetsika ary olana izay mihoatra ireo faritry ny tsatòka. Ny tale miandraikitra izany filankevitra izany dia manolotra fanohanana sy fanofanana an’ireo filankevitry ny fifandraisana eo anivon’ny tsatòka.

Tsy mitovy amin’izany ny firafitry ny filankevitry ny fifandraisana any amin’ny Vondromparitr’i Utah. Afaka manome ny antsipiriany mikasika izany firafitra izany ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra any amin’ny Vondromparitr’i Utah.

Ho fampahalalana mikasika ireo antso mahakasika ny serasera dia jereo ny GCN.ChurchofJesusChrist.org .

6.2.2

Fitarihana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana eo anivon’ny tsatòka

Ny filohan’ny tsatòka no miahy ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana eo anivon’ny tsatòka (jereo ny toko 1). Mampianatra sy mankahery ireo mpitarika sy mpikambana eo anivon’ny tsatòka sy paroasy ao anatin’izany asa izany izy. Manampy azy ireo mpanolotsainy sy ireo mpitarika hafa.

Manampy ireo mpikambana mba hiaina ny filazantsara sy hampitombo ny tanjak’izy ireo ara-panahy izy. Mampianatra azy ireo mba hivavaka sy handalina ny soratra masina izy. Izy koa dia mampianatra azy ireo mikasika ireo fanekempihavanana izay hataon’izy ireo rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ho an’ny fisandrantana izy ireo. Mamporisika azy ireo izy mba hanaja ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo.

Manamafy orina ireo fianakaviana ny filohan’ny tsatòka. Mamporisika azy ireo izy mba hiaraka hivavaka sy hianatra ny filazantsara, tafiditra ao anatin’izany ny takarivan’ny mpianakavy. Mampianatra amin’ny alalan’ny teny sy ny ohatra izy fa ireo antso ao am-piangonana dia azo tanterahina nefa tsy mampihena ny fanatanterahana ireo andraikitra eo anivon’ny fianakaviana. Izy koa dia maka antoka fa ireo fiaraha-mientana dia manohana ireo ezaka ataon’ny ray aman-dreny amin’ny fitaizana ny zanak’izy ireo ao anatin’ny fahamarinana.

Ankoatra ny fanampiana ireo mpikambana hiaina ny filazantsara dia manara-maso ireo lafin-javatra hafa ao anatin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ny filohan’ny tsatòka. Ohatra, izy dia:

  • Manampy ireo rahalahy hiomana handray ny Fisoronana Melkizedeka (jereo ny 18.10.1).

  • Mitarika ny ezaka atao eo amin’ny fikarakarana ireo izay sahirana eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 22.9.1

  • Manara-maso ny asa fitoriana eo anivon’ny tsatòka ary mamporisika ireo mpikambana hizara ny filazantsara (jereo ny 23.4).

  • Manara-maso ireo ezaka atao hanamafisana orina ireo mpikambana vaovao eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 23.4).

  • Manao tafa sy dinika amin’ireo izay hirotsaka ho misiônera manao asa fanompoana (jereo ny 24.4.2).

  • Manara-maso ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa atao mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 25.3.1).

  • Manampy ny mpikambana hiomana handray ireo ôrdônansin’ny tempoly (jereo ny 27.1).

  • Miaraka amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka, mampianatra sy manohana ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny paroasy momba ny andraikitr’izy ireo mahakasika ny asa fitoriana (jereo ny 23.5.2) sy ny asa atao any amin’ny tempoly sy mikasika ny tantaram-pianakaviana (jereo ny 25.2.2).

6.2.3

Mpitsara tsotra

Ny filohan’ny tsatòka no mpitsara tsotra eo anivon’ny tsatòka (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:71–74). Mihazona fanalahidin’ny fisoronana izy mba handraisana fitaomam-panahy sy handraisana fanapahan-kevitra mikasika ny fanampiana ara-panahy sy ara-batana ilain’ireo mpikambana eo anivon’ny tsatòka. Ao anatin’izany anjara asa izany dia manana ireto andraikitra manaraka ireto izy:

  • Manao tafa sy dinika araka ny hazavaina ao amin’ny 31.2. Afaka manome lalana ireo mpanolotsainy koa izy hanatanteraka tafa sy dinika sasantsasany (jereo ny 31.2.2).

  • Mihaona amin’ireo mpikambana ao amin’ny tsatòka izay mila fitarihana ara-panahy, na manana olana manokana mavesatra, na nanao fahotana goavana. Raha te hahalala ireo torolalana momba izany dia jereo ny 31.1.

  • Manatanteraka filankevitra mandinika ny maha-mpikambana rehefa misy mpikambana nanao fahotana goavana (jereo ny toko 32).

Mandinika am-pitandremana tsara ilay fangatahana ny filohan’ny tsatòka amin’ireo raharaha izay mitaky fankatoavana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany. Manao tafa sy dinika amin’ilay olona izy mba hamaritana ny fahamendrehany.

Aorian’ilay tafa sy dinika dia tsy mandefa fangatahana any amin’ny Fiadidiana Voalohany ny filohan’ny tsatòka raha tsy rehefa afaka manolotra izany mba hankatoavina ihany. Manazava ny antony hanohanany izy.

Alefan’ny fiadidian’ny tsatòka amin’ny alalan’ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers ilay fangatahana.

6.2.4

Rejisitra sy fitantanam-bola ary fananan’ny Fiangonana

Ny filohan’ny tsatòka dia manara-maso ny rejisitra sy ny fitantanam-bola ary ny fananan’ny Fiangonana ao amin’ny tsatòka. Azony atao ny mampiandraikitra an’ireo mpanolotsainy sy ireo mpitamboky ny ankamaroan’ny asa mikasika ny rejisitra sy ny fitantanam-bola. Manendry mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo izy mba ho solontena misahana ny trano eo anivon’ny tsatòka ary mba hanampy amin’ny fanaraha-maso ireo fananana.

Jereo ireto toko manaraka ireto mba hahitana fampahalalana bebe kokoa:

6.3

Ny fahasamihafana misy eo amin’ny fahefana ananan’ny filohan’ny distrika sy ny an’ny filohan’ny tsatòka

Ao amin’ny distrika tsirairay dia misy mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray izay antsoina ho filohan’ny distrika. Mihazona ireo fanalahidy mba hiahiana izy (jereo ny 3.4.1.1). Manompo mitovitovy amin’ny filohan’ny tsatòka ihany izy saingy ireto manaraka ireto no tsy mampitovy azy:

  • Ny filohan’ny misiôna no miantso sy manokana azy, rehefa avy nahazo fankatoavana avy amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra (jereo ny 30.8.4). Manampahefana Ambony iray na Fitopololahin’ny Vondromparitra iray izay voatendry hanao izany no miantso sy manokana ny filohan’ny tsatòka (jereo ny 30.8.3).

  • Mety ho loholona izy na mpisorona avo. Tsy maintsy mpisorona avo ny filohan’ny tsatòka.

  • Tsy mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona avo izy. Eo anivon’ny tsatòka ihany no anorenana kôlejy toy izany.

  • Miahy ireo mpihazona ny fisoronana rehetra eo anivon’ny distrika ny filohan’ny distrika. Na izany aza dia ny filohan’ny misiôna no mpisorona avo mpiahy.

  • Rehefa nahazo fankatoavana avy amin’ny filohan’ny misiôna dia afaka manao tafa sy dinika amin’ny rahalahy iray hotendrena ho loholona ny filohan’ny distrika. Tsy maintsy omena aloha io fankatoavana io isaky ny toe-javatra tsirairay. Ny filohan’ny distrika na ny olona iray eo ambany fitarihany dia afaka ihany koa (1) manolotra rahalahy iray mba hotohanana ary (2) manatanteraka ny fanendrena (jereo ny 18.10.1.3, 18.10.3, ary ny 18.10.4). Na izany aza dia tsy afaka manendry patriarika na mpisorona avo na eveka ny filohan’ny distrika.

  • Rehefa nahazo fankatoavana avy amin’ny filohan’ny misiôna dia afaka manokana filohan’ny sampana ny filohan’ny distrika (jereo ny 18.11). Tsy maintsy omena aloha io fankatoavana io isaky ny toe-javatra tsirairay.

  • Tsy manao fisaorana misiônera manompo amin’ny fotoana feno izy. Na izany aza dia afaka mandray anjara miaraka amin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny misiôna izy mandritra ny tafa sy dinika fanaovana fisaorana. Raha toa ka sarotra ho an’ny mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny misiôna ny manao fisaorana ny misiônera iray manokana, noho ny halaviran-toerana na noho ny fahateren’ny fotoana, dia afaka manome lalana ny filohan’ny distrika ny filohan’ny misiôna hanao izany (jereo ny 24.8.2).

  • Tsy manao tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly izy na manao sonia fahazoan-dalana hidirana ny tempoly (jereo ny 26.3.1).

  • Tsy manatanteraka filankevitra mandinika ny maha-mpikambana izy raha tsy efa nahazo lalana tamin’ny filohan’ny misiôna (jereo ny 32.9.5).

  • Tsy tonga dia mifandray mivantana amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra izy amin’ny ankapobeny. Fa miasa kosa amin’ny alalan’ny fiadidian’ny misiôna.

Ao anatin’ny toe-javatra manokana, dia azo omena lalana hanolotra olona ho misiônera ary hanokana sy hanao fisaorana misiônera ny filohan’ny distrika. Azo omena lalana hanao tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly koa izy sy hanao sonia fahazoan-dalana. Azo omena lalana ny hanokana ireo mpanolotsainy ihany koa izy. Raha toa ka tsapan’ny Fiadidian’ny Vondromparitra fa tokony hanana izany fahefana mivelatra kokoa izany ny filohan’ny distrika iray dia atolotr’izy ireo any amin’ny Fiadidiana Voalohany izy. Raha toa omena ny fankatoavana dia ho an’izany olona izany ilay izy fa tsy ho an’ilay anjara andraikitra. Rehefa misy filohan’ny distrika vaovao voantso dia tsy mifindra any aminy akory izany fahefana mivelatra kokoa izany.

6.4

Mpitantsoratra mpanatanteraka eo anivon’ny tsatòka, mpitantsoratra mpanatanteraka mpanampy eo anivon’ny tsatòka, mpitamboky eo anivon’ny tsatòka, ary mpitamboky mpanampy eo anivon’ny tsatòka

6.4.1

Mpitantsoratra mpanatanteraka eo anivon’ny tsatòka sy mpitantsoratra mpanatanteraka mpanampy eo anivon’ny tsatòka

Miantso sy manokana mpitantsoratra mpanatanteraka eo anivon’ny tsatòka ny filohan’ny tsatòka na ny mpanolotsaina notendrena iray. Tokony hihazona ny Fisoronana Melkizedeka izy ary manana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly.

Ireto manaraka ireto ny andraikitra sahanin’ny mpitantsoratra mpanatanteraka:

  • Mivory miaraka amin’ny fiadidian’ny tsatòka ary manomana ny fandaharam-potoana araka ny nampiandraiketana azy.

  • Mpikambana ao amin’ny filankevitry ny tsatòka izy ary manatrika ireo fivorian’ny filankevitra avo. Manara-maso ny fizotran’ny asa nasaina natao nandritra ireo fivoriana ireo izy araka izay torolalana omen’ny fiadidian’ny tsatòka.

  • Mandrindra ny raharahan’ny tsatòka eo amin’ny fiadidian’ny tsatòka sy ny filankevitra avo ary ireo mpitarika hafa ao amin’ny tsatòka izy.

  • Mandrindra ny fotoana ahafahana mihaona amin’ny fiadidian’ny tsatòka izy.

  • Mampahafantatra ny fiadidian’ny tsatòka mikasika ireo mpikambana izay hirotsaka ho miaramila na efa ao anatiny izy. Manampy amin’ny fandrindrana ny fanofanana atolotry ny Fiangonana ho an’ireo mpikambana ao amin’ny tsatòka izay hirotsaka ao amin’ny tafika izy eo ambany fitarihan’ny fiadidian’ny tsatòka (jereo ny 38.9.3).

  • Manofana ireo mpitantsoratra mpanatanteraka vaovao eo anivon’ny paroasy fotoana fohy aorian’ny niantsoana azy ireo. Manolotra fampianarana mitohy araka izay ilaina.

  • Mandefa ireo hafatra voaray avy amin’ireo mpiasan’ny Fiangonana sy ireo mpirotsaka an-tsitrapo any amin’ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka sy paroasy tokony handefasana izany, araka izay torolalana omen’ny filohan’ny tsatòka (jereo ny 38.8.9).

Azo atao raha ilaina ny miantso mpitantsoratra mpanatanteraka mpanampy iray na roa eo anivon’ny tsatòka. Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka no miantso sy manokana azy ireo. Tokony hanana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery ireo rahalahy ireo.

6.4.2.

Mpitamboky eo anivon’ny tsatòka sy mpitamboky mpanampy eo anivon’ny tsatòka

Ny filohan’ny tsatòka na ny mpanolotsaina iray voatendry hiandraikitra izany no miantso sy manokana ny mpitamboky eo anivon’ny tsatòka. Mpikambana ao amin’ny filankevitry ny tsatòka izy. Azo atao ihany koa ny miantso mpitamboky mpanampy eo anivon’ny tsatòka. Ny filohan’ny tsatòka na ny mpanolotsaina iray voatendry hiandraikitra izany no miantso sy manokana azy ireo. Hazavaina ao amin’ny 33.3.2 sy ny 33.3.3 ireo andraikitry ny mpitamboky eo anivon’ny tsatòka sy ny mpitamboky mpanampy eo anivon’ny tsatòka.

6.5

Filankevitra avo

Miantso mpisorona avo miisa 12 ny fiadidian’ny tsatòka mba handrafitra ny filankevitra avon’ny tsatòka (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102:1; 124:131). Raha voantso hanompo ao amin’ny filankevitra avo ny loholona iray dia tendrena ho mpisorona avo izy alohan’ny hanokanana azy.

Eo ambany fitarihan’ny fiadidian’ny tsatòka, ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo dia manampy amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana eo anivon’ny tsatòka. Hazavaina ao anatin’ireto fizarana manaraka ireto ny andraikitr’izy ireo.

Tsy mivory ny filankevitra avo raha tsy misy mpikambana iray avy ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka miahy izany eo.

6.5.1

Misolo tena ny fiadidian’ny tsatòka

Isaky ny paroasy tsirairay ao amin’ny tsatòka dia misy mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo nasain’ny fiadidian’ny tsatòka hiandraikitra izany.

Isaky ny kôlejin’ny loholona tsirairay ao amin’ny tsatòka dia misy mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo koa nasain’ny fiadidian’ny tsatòka hiandraikitra izany. Amin’io anjara asa io dia manome fanofanana an’ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona vao nantsoina ireo filankevitra avo. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana torolalana avy ao amin’ny toko 1–4 sy 8 ato amin’ity boky torolalana ity.

Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo izay notendrena hiandraikitra ireo kôlejin’ny loholona dia mivory tsy tapaka miaraka amin’ireo mpitarika ao amin’ny kôlejy mba hanao ireto manaraka ireto:

  • Mamantatra ny zavatra ilain’izy ireo.

  • Manolotra fanohanana.

  • Mampianatra azy ireo ny andraikitr’izy ireo, ka tafiditra ao anatin’izany ny mahakasika ny asa fitoriana (jereo ny 23.5.2) ary ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana (jereo ny 25.2.2).

  • Mizara ireo fampahalalana avy amin’ny fiadidian’ny tsatòka.

  • Miresaka momba ny fomba hanampiana ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy izay mila ny ôrdônansin’izy ireo manaraka. Izany fampahalalana izany dia azon’ireo mpitarika ao amin’ny kôlejin’ny loholona jerena ao amin’ny DDG.

Manatrika ireo fivorian’ny kôlejin’ny loholona sy ireo fivorian’ny fiadidian’ny kôlejy izy ireo rehefa ilaina na rehefa asaina. Indraindray dia afaka manasa ilay filankevitra avo ny fiadidian’ny kôlejy mba hiaraka amin’izy ireo rehefa manao fanompoana an’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy izy ireo.

Manatrika ireo fivorian’ny episkôpà sy ny filankevitry ny paroasy ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo rehefa asaina na tendrena.

Ny fiadidian’ny tsatòka dia afaka manendry mpikambana ao amin’ny filankevitra avo mba hampianatra ireto olona manaraka ireto ny andraikitr’izy ireo eo amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana ary ny asa fitoriana ny filazantsara:

  • Ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona

  • Mpitarika ny asa fitoriana eo anivon’ny paroasy

  • Ireo mpitarika ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy

Azo tendrena mba hitarika ireo ezaka atao eo anivon’ny tsatòka ireo ny mpikambana iray na mihoatra ao amin’ny filankevitra avo. Na izany aza ireo mpikambana rehetra ao amin’ny filankevitra avo dia manana ireo andraikitra ireo eo anivon’ireo paroasy sy kôlejin’ny loholona nasaina iandraiketan’izy ireo.

Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo dia mifampiresaka amin’ny fiadidian’ny tsatòka ary manohana ny fanapahan-kevitr’izy ireo amin’ny fanendrena ireo rahalahy ho amin’ireo anjara fanompoan’ny loholona sy ny mpisorona avo. Ny filohan’ny tsatòka dia afaka manome lalana ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo hisolo tena azy rehefa misy lehilahy tendrena ho amin’ireo anjara fanompoana ireo. Maka antoka ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo fa tanterahina araka ny tokony ho izy ilay ôrdônansy.

Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo koa dia mifampiresaka amin’ny fiadidian’ny tsatòka ary manohana izay fanapahan-kevitr’izy ireo amin’ny fanolorana antso an’ireo mpikambana. Ny fiadidian’ny tsatòka dia afaka manome lalana an’ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo mba hanolotra antso sasantsasany sy hanolotra mpikambana sasantsasany mba hotohanana ary hanokana mpikambana sasantsasany. (Jereo ny 30.8.)

Ny fiadidian’ny tsatòka dia manendry mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo hiara-hiasa amin’ireo rafitry ny Zatovovavy sy ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka. Rehefa mivory miaraka amin’ny iray amin’ireo fiadidiana ireo ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, dia manatrika koa ilay mpikambana ao amin’ny filankevitra avo. Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo izay voatendry koa dia manatrika ireo fivorian’ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka ho an’ireo rafitra ireo.

Ny fiadidian’ny tsatòka dia afaka manendry ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo mba hanampy amin’ireo fandaharan’asa voatanisa ao amin’ny 6.2.1.6. Afaka manendry mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo koa izy ireo mba hanampy eo amin’ny fanomezana izay ilain’ireo mpikambana manana fahasembanana (jereo ny 38.8.27).

Ny fiadidian’ny tsatòka dia afaka manome andraikitra ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo hisolo tena azy ireo amin’ny alalan’ny fanaovana lahateny mandritra ireo fivoriana fanasan’ny Tompo sy any amin’ny toerana hafa. Ny fiadidian’ny tsatòka no manapaka ny hatetik’ireo fanomezana andraikitra hanao lahateny ireo. Tsy voatery hanao lahateny isam-bolana mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo. Afaka manendry ireo mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny rafitra eo anivon’ny tsatòka koa ny fiadidian’ny tsatòka hanao lahateny amin’ireo fotoana ireo (jereo ny 6.7.1 sy ny 6.7.2).

Sary
lehilahy miresaka

6.5.2.

Mandray anjara amin’ny filankevitry ny tsatòka sy ireo kômity eo anivon’ny tsatòka

Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo rehetra dia mandray anjara ao amin’ny filankevitry ny tsatòka.

Ao anatin’ireo toe-javatra voafetra, dia mandray anjara ao amin’ny filankevitra mandinika ny maha-mpikambana eo anivon’ny tsatòka ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo (jereo ny 32.9.2).

Ny fiadidian’ny tsatòka dia afaka manendry ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo mba hanompo any amin’ireo kômity hafa. Ohatra, ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo izay omena andraikitra hiara-hiasa amin’ireo kôlejin’ny loholona dia manompo ao amin’ny kômitin’ny mpitarika misahana ny olon-dehibe eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 29.3.9).

6.5.3.

Mitana toerana mpitarika rafitra eo anivon’ny tsatòka

Miantso sy manokana mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo mba ho filohan’ny Zatovolahy eo anivon’ny tsatòka ny fiadidian’ny tsatòka (jereo ny 6.7.2). Miantso sy manokana mpikambana iray hafa ao amin’ny filankevitra avo izy ireo mba ho filohan’ny Sekoly Alahady eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 6.7.1).

6.6

Patriarika eo anivon’ny tsatòka

Ny patriarika dia anjara fanompoana iray ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka. Ny patriarika dia antsoina sy tendrena mba hanome tsodranon’ny patriarika ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana mendrika. Ity toko ity dia mamariparitra ny andraikitry ny fiadidian’ny tsatòka momba ny patriarika. Mba hahitana fampahalalana momba ireo tsodranon’ny patriarika dia jereo ireto loharano manaraka ireto:

  • Fizarana 18.17 sy 38.2.10 ato amin’ity boky torolalana ity

  • Information and Suggestions for Patriarchs (Fampahalalana sy sosokevitra ho an’ireo patriarika)

  • Worldwide Leadership Training Meeting: The Patriarch (Fivoriana fanofanana mpitarika maneran-tany: Ny patriarika)

Jereo ny Information and Suggestions for Patriarchs (Fampahalalana sy sosokevitra ho an’ireo patriarika) ho fampahalalana mikasika:

  • Ireo patriarika tsy am-perinasa.

  • Ireo patriarika nifindra any amin’ny tsatòka iray hafa.

6.6.1

Fiantsoana sy fanohanana ary fanendrena patriarika eo anivon’ny tsatòka

Tsy maintsy mpihazona Fisoronana Melkizedeka mendrika ny patriarika iray. Tokony hanana fahatakarana matotra ny filazantsara izy ary mora mahatsapa ny Fanahy. Tokony efa nandray tsodranon’ny patriarika izay azy manokana izy. Tokony ho 55 taona na mihoatra izy raha ny mahazatra. Tsy maintsy olona manambady izy rehefa antsoina.

Ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no mitantana ny fiantsoana ireo patriarika eo anivon’ny tsatòka (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:39). Azon’ny filohan’ny tsatòka atao ny manolotra izay olona ho antsoina. Alefany amin’ny alalan’ny DDG ireo tolo-kevitra. Tokony hifady hanina sy hivavaka ny filohan’ny tsatòka mba hanana ny Fanahy hitarika azy rehefa manao izany fanolorana olona izany. Tokony hanaiky ilay olona atolotra ireo mpanolotsainy.

Raha toa ka maneho fankatoavana an’ilay olona natolotra ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia afaka manao tafa sy dinika amin’ilay patriarika sy miantso azy ny filohan’ny tsatòka. Avy eo dia atolony ny anaran’ilay patriarika mba hotohanana mandritra ny fivorian’ny daholobe ao anatin’ny fihaonamben’ny tsatòka manaraka.

Ny filohan’ny tsatòka no manendry ny patriarika. Tsy manome izany andraikitra izany mba hataon’ny mpanolotsaina iray izy. Tsy misy olona tokony hijoro miaraka aminy mandritra ny fanendrena. Tendrena ho amin’izany anjara fanompoana izany aloha ilay patriarika vaovao ary avy eo atokana mba hanompo any amin’ny tsatòka iray manokana. Ny patriarika iray efa notendrena teo aloha izay niverina niasa indray dia tsy mandalo fanendrena indray. Na izany aza dia atokana izy.

Tsy maintsy voarakitra ao amin’ny DDG aloha ilay fanendrena izay vao afaka mampiasa ireo fitaovana en ligne ny patriarika.

Ny patriarika am-perinasa iray dia mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona avo ary mandray anjara amin’ireo fivorian’ny kôlejy (jereo ny 29.3.5).

6.6.2.

Fiantsoana patriarika faharoa ho an’ny tsatòka

Tsy manome lalana ny hiantsoana patriarika faharoa eo anivon’ny tsatòka iray ny Kôlejin’ny Roambinifololahy raha tsy hoe tsy maharaka ny isan’ny tsodrano izay nangatahina ilay patriarika am-perinasa. Ny Kôlejin’ny Roambinifololahy koa raha ny mahazatra dia tsy manome lalana ny hananana patriarika fanampiny raha tsy hoe noho ilay tsatòka:

  • Tena lehibe ara-jeôgrafia.

  • Ahitana mpikambana izay tsy miteny ilay fiteny tena fampiasa eo an-toerana.

Raha toa ka ahitana mpikambana izay samy hafa fiteny ao amin’ilay tsatòka dia afaka manome lalana azy ireo ny eveka sy ny fiadidian’ny tsatòka mba handeha any amin’ny patriarika iray ao anatin’ny tsatòka iray mifanakaiky eo ihany izay afaka manome tsodrano amin’ny fitenin’ilay mpikambana.

Sary
tovovavy iray mandray tsodrano

6.6.3.

Fanofanana patriarika iray vao nantsoina eo anivon’ny tsatòka

Ny filohan’ny tsatòka no mampianatra ny patriarika iray vao nantsoina mialoha ny hanomezany tsodrano. Ampianariny an’ilay patriarika ny toetoetra masina sy manome fanambarana fonosin’ilay anjara fanompoany. Iarahany mamaky tsara amin’ilay patriarika ireo torolalana ao amin’ireto loharanon-kevitra manaraka ireto:

  • Information and Suggestions for Patriarchs (Fampahalalana sy sosokevitra ho an’ireo patriarika)

  • Worldwide Leadership Training Meeting: The Patriarch (Fivoriana fanofanana mpitarika maneran-tany: Ny patriarika)

6.6.4

Fanaraha-maso ny asan’ny patriarika eo anivon’ny tsatòka

Ny filohan’ny tsatòka dia manara-maso ny asan’ny patriarika eo anivon’ny tsatòka araka izay voalaza ao amin’ny Information and Suggestions for Patriarchs (Fampahalalana sy sosokevitra ho an’ireo patriarika). Tsy manendry ny iray amin’ireo mpanolotsainy izy mba hanatanteraka io andraikitra io. Mahazo tombontsoa ny patriarika amin’ny fifandraisana akaiky amin’ny filohan’ny tsatòkany.

Mihaona amin’ny filohan’ny tsatòka indroa isan-taona farafahakeliny ny patriarika. Miresaka mikasika ny fahatsapan’ilay patriarika ny asany, ny fahasalamany sy ny zava-mahasoa ny fianakaviany ary ny zavatra hafa izay itadiavany torohevitra amin’ny filohan’ny tsatòka izy ireo.

Ny filohan’ny tsatòka dia mandinika ireo tsodrano nomen’ny patriarika farafahakeliny in-droa isan-taona. Raha ilaina dia afaka manao sosokevitra ankapobeny momba ny votoatin’ireo tsodranon’ny patriarika izy.

Maka antoka ny filohan’ny tsatòka fa omena avy hatrany ny olona tokony handray izany ny tahadikan’ireo tsodrano izay voadika an-tsoratra. Maka antoka ihany koa izy fa nalefa any amin’ny foiben’ny Fiangonana avokoa ny tsodrano rehetra. Alefa ao amin’ny Patriarchal Blessing System ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org ireo tsodrano. Raha toa ka tsy misy io rafitra io dia tokony halefa any amin’ity adiresy manaraka ity farafahakeliny indray mandeha isaky ny enim-bolana ireo tsodrano:

Church History Library

Attn: Patriarchal Blessings

15 East North Temple Street

Salt Lake City, UT 84150-1600

6.6.5

Fihazonana ny tsodranon’ny patriarika ho tsiambaratelo

Ny filohan’ny tsatòka dia maka antoka fa rehefa avy nomen’ny patriarika an’ilay nandray tsodranon’ny patriarika ny tahadikan’izany ary nalefany any amin’ny Foiben’ny Fiangonana, dia potehina ireo taratasy hafa rehetra na fafana ireo tahadika amin’ny endrika eletrônika. Maka antoka ilay patriarika fa ireo tsodrano nofafana tao amin’ny solosainy dia tsy azo averina alaina intsony.

6.6.6

Patriarika voantso hisahana andraikitra iray hafa ao amin’ny Fiangonana

Tsy afaka ny ho antsoina hihazona toerana misahana ny fitantanan-draharahan’ny Fiangonana ny patriarika iray, raha tsy efa eken’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mialoha ilay antso. Tafiditra ao anatin’ny toerana toy izany ny maha-mpikambana ao amin’ny episkôpà; na ny maha-mpikambana ao amin’ny filankevitra avo; na ny maha-mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, na ao amin’ny fiadidian’ny misiôna, na ao amin’ny fiadidian’ny tempoly. Raha toa ka omena ny fankatoavana, dia antsoina hoe tsy am-perinasa ilay patriarika.

Azo antsoina mba hanompo any amin’ny antso hafa izay tsy ilàna fankatoavana avy amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy ny patriarika iray. Afaka ny ho mpanatanteraka famehezana na mpanatanteraka ôrdônansy any amin’ny tempoly izy.

6.6.7

Mpitantsoratra ho an’ireo tsodranon’ny patriarika

Ny filohan’ny tsatòka na ny iray amin’ireo mpanolotsainy dia afaka miantso sy manokana mpikambana iray mendrika sy manana fahaiza-manao mba handika ireo tsodranon’ny patriarika, raha tsy hoe afaka mandika azy ireo ilay patriarika na misafidy ny hanao izany. Azo atao ny miantso mpitantsoratra mihoatra ny anankiray raha ilaina.

Tokony hampitandremana ny mpitantsoratra fa masina sy hazonina ho tsiambaratelo ny tsodrano rehetra. Tsy misy tahadikan’ny tsodrano azo tazonin’ny mpitantsoratra na ny patriarika. (Jereo ny 6.6.5.)

6.7

Ireo rafitra eo anivon’ny tsatòka

Samy tarihin’ny filoha iray ireo rafitry ny Fikambanana Ifanampiana, ny Zatovovavy, ny Kilonga ary ny Sekoly Alahady eo anivon’ny tsatòka. Manompo eo ambany fitarihan’ny fiadidian’ny tsatòka ireo filoha ireo. Any amin’ireo tsatòka lehibe dia afaka manolotra anarana mpanolotsaina iray na roa ary mpitantsoratra iray ny filohan’ny rafitra iray mba hiaraka hanompo aminy. Dinihin’ny fiadidian’ny tsatòka ireo anarana natolotra ireo.

Ny andraikitra lehibe sahanin’ireo mpitarika ireo dia ny manampy ny fiadidian’ny tsatòka sy ny mampianatra ary manohana ireo fiadidian’ny rafitra eo anivon’ny paroasy. Tsy manatanteraka andraikitra izay tokony hotanterahina eo anivon’ny paroasy na eo anivon’ny fianakaviana izy ireo. Tsy mamorona andraikitra fanampiny ho an’ireo fiadidian’ny rafitra eo anivon’ny paroasy koa izy ireo.

6.7.1

Ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana, Zatovovavy sy Kilonga ary Sekoly Alahady eo anivon’ny tsatòka

Miantso sy manokana rahavavy iray ho filohan’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka ny filohan’ny tsatòka. Miantso sy manokana rahavavy mba ho filohan’ny Zatovovavy sy ho filohan’ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka izy na ny mpanolotsaina voatendry anankiray. Raha misy mpanolotsaina sy mpitantsoratra antsoina, dia miantso sy manokana azy ireo ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na ny mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo izay voatendry.

Miantso sy manokana mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo ho filohan’ny Sekoly Alahady eo anivon’ny tsatòka ny fiadidian’ny tsatòka.

Manana ireto andraikitra manaraka ireto ireo mpikambana ao amin’ireo fiadidiana ireo:

  • Manompo ao amin’ny filankevitry ny tsatòka (ireo filoha fotsiny ihany). Mandray anjara amin’ny ezaka atao mba hanorenana ny finoan’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ao amin’ny tsatòka ary mampatanjaka azy ireo.

  • Manofana ireo fiadidian’ireo rafitra vao nantsoina eo anivon’ny paroasy. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana torolalana avy ao amin’ny toko 1–4 ao amin’ity boky torolalana ity sy ao amin’ny toko mikasika ny rafitra sahanin’izy ireo.

  • Manolotra fanohanana sy fampianarana mitohy. Mifandray tsy tapaka amin’ireo fiadidian’ireo rafitra eo anivon’ny paroasy mba hahafantarana ny zavatra ilain’izy ireo sy hiresahasana mikasika ny zavatra ilain’ireo mpikambana tompoin’izy ireo, ary hampitana hafatra avy amin’ny fiadidian’ny tsatòka. Mifandamina amin’ireo mpitarika eo anivon’ny paroasy mba hanatrika amin’ny fotoana voapetraka ny fivorian’izy ireo sy ny kilasin’izy ireo.

  • Mampianatra ireo fiadidian’ny rafitra eo anivon’ny paroasy mandritra ireo fivorian’ny mpitarika eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 29.3.4). Tanterahina indray mandeha isan-taona izany amin’ny ankapobeny. Afaka manome lalana ny hisian’ny fivoriana fanindroany ny fiadidian’ny tsatòka raha toa ka tsy hiteraka vesatra ho an’ireo mpandray anjara izany. Afaka mangataka fampianarana fanampiny ho an’ireo fiadidian’ireo rafitra eo anivon’ny paroasy ny eveka.

  • Mifampaka hevitra tsy tapaka mandritra ireo fivorian’ny fiadidian’izy ireo manokana (raha toa ka misy mpanolotsaina nantsoina). Mifandray tsy tapaka amin’ireo mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka izay tompon’andraikitra amin’ny fanompoana azy ireo.

  • Manatrika ireo fivoriana filankevitra enti-mandrindra rehefa asain’ny Fitopololahin’ny Vondromparitra (jereo ny 29.4).

  • Mandray fitenenana mandritra ireo fivoriana fanasan’ny Tompo sy mandritra ny fotoana hafa rehefa asain’ny fiadidian’ny tsatòka.

  • Mandefa any amin’ny fiadidian’ny tsatòka ireo anaran’olona hatolotra mba ho mpanolotsaina sy ireo hafa mba hantsoina hanompo ao amin’ny rafitr’izy ireo rehefa ilaina. Mba hahitana torolalana dia jereo ny 30.1.1 sy ny 30.1.5.

Ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny Zatovovavy ary ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka dia afaka mandrafitra fiaraha-mientana hitambarana indraindray ho an’ireo rafitr’izy ireo. Azo ampidirina ao anatin’ireo fiaraha-mientana ireo ny vehivavy sy ny zatovovavy ary ny ankizivavy 8 taona no ho miakatra rehetra ao amin’ny tsatòka. Azo tanterahina mba hiarahan’ny tsatòka maro koa ny fiaraha-mientana toy izany. Miara-mikaon-doha ireo fiadidiana mba handrosoana fiaraha-mientana hitambarana any amin’ny fiadidian’ny tsatòka (jereo ny 20.3.1). Ny fiaraha-mientana toy izany dia tokony ho solon’ny iray amin’ireo fiaraha-mientana karakarain’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 6.7.1.1).

6.7.1.1

Andraikitra fanampiny sahanin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka

Ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka dia mihazona ireto andraikitra fanampiny manaraka ireto:

  • Manompo ao amin’ny kômitin’ny mpitarika misahana ny olon-dehibe eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 29.3.9). Raha misy mpitantsoratra voantso dia asaina koa izy.

  • Mampianatra an’ireo filohan’ny Fikambanana Ifanampiana ireo fitsipiky ny fanompoana sy ny fikarakarana an’ireo izay sahirana. Manampy azy ireo hahatakatra ny anjara asan’izy ireo eo amin’ny fanampiana ny eveka amin’ireo toe-javatra mahakasika ny ara-batana sy ny fizakan-tena.

  • Mampianatra ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny paroasy mahakasika ny andraikitr’izy ireo eo amin’ny asa fitoriana (jereo ny 23.5.2) ary ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana (jereo ny 25.2.2).

  • Mampatanjaka ireo rahavavy olon-dehibe tokan-tena eo anivon’ny tsatòka. Raha manana kômity misahana ny tanora tokan-tena ny tsatòka dia manompo ao anatin’izany ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidiana. Torak’izany koa raha toa ilay tsatòka ka manana kômitin’ny olon-dehibe tokan-tena. (Jereo ny14.1.1.2.)

  • Mandrindra ny ezaka ataon’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka mandritra ireo loza tampoka.

Afaka mandrindra sy manatanteraka fivoriana anankiray na anankiroa isan-taona ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana ho an’ny rahavavy rehetra eo anivon’ny tsatòka. Ireo fivoriana ireo dia atao eo ambany fitarihan’ny fiadidian’ny tsatòka. Mety ho hita ao anatin’izany ny asa fanompoana, fampianarana, tetikasa, fihaonambe ary atrikasa. Afaka manangana kômity ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana eo anivon’ny tsatòka mba hanampy, raha ilaina.

6.7.1.2

Andraikitra fanampiny sahanin’ny fiadidian’ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka

Ny fiadidian’ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka dia mihazona ireto andraikitra fanampiny manaraka ireto:

  • Manompo ao amin’ny kômitin’ny mpitarika misahana ny zatovo eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 29.3.10). Raha misy mpitantsoratra voantso dia asaina koa izy.

  • Mandrafitra sy mandrindra ireo fiaraha-mientan’ny Zatovovavy eo anivon’ny tsatòka sy ireo lasy eo ambany fitarihan’ny fiadidian’ny tsatòka.

6.7.1.3

Andraikitra fanampiny sahanin’ny fiadidian’ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka

Ny fiadidian’ny Kilonga eo anivon’ny tsatòka dia afaka mandrafitra fiaraha-mientana ho an’ny ankizy 8 ka hatramin’ny 11 taona eo anivon’ny tsatòka indraindray. Azo atao ho an’ny ankizivavy na ho an’ny ankizilahy na iarahan’izy roa ireo fiaraha-mientana ireo. Izy ireo dia manaraka ireo torolalana ao amin’ny 12.2.1.3.

Sary
vehivavy iray misahana ankizy

6.7.1.4

Andraikitra fanampiny sahanin’ny fiadidian’ny Sekoly Alahady eo anivon’ny tsatòka

Ny fiadidian’ny Sekoly Alahady eo anivon’ny tsatòka dia mihazona ireto andraikitra fanampiny manaraka ireto:

  • Izy ireo dia tompon’andraikitra manokana misahana ireo ezaka ataon’ny tsatòka hanatsarana ny fianarana sy ny fampianarana ny filazantsara.

  • Mandrindra ireo ivon-toerana ahitana loharanom-panampiana eo anivon’ny tsatòka raha azo atao (jereo ny 13.7.2).

6.7.2

Ny fiadidian’ny Zatovolahy eo anivon’ny tsatòka

Miantso sy manokana mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo mba ho filohan’ny Zatovolahy eo anivon’ny tsatòka ny fiadidian’ny tsatòka. Azo antsoina sy atokana ho mpanolotsainy ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo izay notendrena hisahana ny Zatovovavy sy ny Kilonga.

Any amin’ny tsatòka lehibe iray dia azo antsoina ho mpanolotsaina ny mpihazona Fisoronana Melkizedeka iray na roa hafa avy amin’ny tsatòka. Azo antsoina ho mpitantsoratra koa ny mpihazona ny fisoronana iray (jereo ny 6.7.3). Ny filohan’ny Zatovolahy eo anivon’ny tsatòka no manolotra ny anaran’ny olona hantsoina. Mba hahitana torolalana dia jereo ny 30.1.1 sy ny 30.1.5. Ireo mpanolotsaina sy mpitantsoratra dia antsoin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na ny mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo izay voatendry, ary atokany.

Ny fiadidian’ny Zatovolahy eo anivon’ny tsatòka dia mitana ireto andraikitra fanampiny manaraka ireto:

  • Manompo ao amin’ny filankevitry ny tsatòka (ny filoha ihany raha tsy hoe mpikambana ao amin’ny filankevitra avo ireo mpanolotsainy). Mandray anjara amin’ny ezaka atao mba hanorenana ny finoan’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ao amin’ny tsatòka ary mampatanjaka azy ireo.

  • Manompo ho toy ny loharanom-panampiana ho an’ny episkôpà eo anatrehan’ireo andraikiny amin’ireo rahalahy ao amin’ny Fisoronana Aharôna. Tafiditra ao anatin’izany ny fanampiana azy ireo hahatakatra ny andraikitr’izy ireo eo anatrehan’ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna, araka izay torolalana omen’ny filohan’ny tsatòka.

  • Miara-midinika tsy tapaka ao anatin’ny fivorian’ny fiadidian’izy ireo manokana. Mifandray tsy tapaka amin’ireo mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka izay tompon’andraikitra amin’ny asa fanompoana ataon’izy ireo.

  • Manompo ao amin’ny kômitin’ny mpitarika misahana ny zatovo eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 29.3.10). Raha misy mpitantsoratra voantso dia asaina koa izy.

  • Mandrafitra sy mandrindra fiaraha-mientana sy lasin’ny Fisoronana Aharôna eo anivon’ny tsatòka eo ambany fitarihan’ny fiadidian’ny tsatòka.

  • Mandray fitenenana mandritra ireo fivoriana fanasan’ny Tompo sy mandritra ny fotoana hafa rehefa asain’ny fiadidian’ny tsatòka.

  • Manatrika ireo fivoriana filankevitra enti-mandrindra rehefa asain’ny Fitopololahin’ny Vondromparitra (jereo ny 29.4).

Ny fiadidian’ny Zatovolahy eo anivon’ny tsatòka dia tsy manao fivorian’ny mpitarika eo anivon’ny tsatòka. Ireo torolalana ho an’ireo manana andraikitra amin’ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna dia omena mandritra ireo fivorian’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana eo anivon’ny tsatòka (jereo ny 29.3.3).

6.7.3

Sary
sary famantarana, torolalana momba ny fampifanarahana
Ireo mpitantsoratr’ireo rafitra eo anivon’ny tsatòka

Any amin’ireo tsatòka lehibe ihany raha ny mahazatra no misy fiantsoana mpitantsoratr’ireo rafitra eo anivon’ny tsatòka. Miantso sy manokana azy ireo ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na ny mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo izay voatendry. Eo ambany fitarihan’ny filohan’ireo rafitra eo anivon’ny tsatòka dia misahana ireto andraikitra manaraka ireto izy ireo:

  • Manomana ireo fandaharam-potoan’ireo fivorian’ny fiadidiana.

  • Mandray an-tsoratra mandritra ireo fivorian’ny fiadidiana ary manara-maso ireo asa nampiandraiketina.

  • Mitana rakitsoratra hafa ary manomana ireo tatitra araka izay angatahan’ny fiadidiana.

  • Manampy ny fiadidiana hanomana ny tetibolan’ny rafitra mandritra ny taona. Mitondra fanazavana mikasika ireo fandaniana natao.

  • Manome fanofanana ho an’ireo mpitantsoratry ny rafitra eo anivon’ny paroasy rehefa asaina manao izany. Izany dia mety ahitana fampianarana mikasika ny firaketana an-tsoratra sy ny fanaovana tatitra ny fanatrehana fivoriana.

6.8

Sary
sary famantarana, loharanom-panampiana tsy voatery ampiasaina
Tompon’andraikitra manokana eo anivon’ny tsatòka

Ny fiadidian’ny tsatòka dia afaka miantso sy manokana tompon’andraikitra manokana araka izay ilaina ho an’ny antony manokana toy ny:

  • Hira (jereo ny 19.5.3)

  • Fifanampiana sy fizakan-tena (jereo ny 22.9.4